Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Febroary 2017

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mifalia Amin’ny Fanantenanao

Mifalia Amin’ny Fanantenanao

Toy ny vatofantsika ny fanantenana. (He 6:19) Manampy antsika tsy ho vaky sambo amin’ny finoana izy io rehefa mafy ny onjam-piainana. (1Ti 1:18, 19) Toy ny hoe misetra onja mahery isika rehefa diso fanantenana, very fananana, marary mafy, nidonam-pahoriana, na miatrika olana hafa mety hampiala antsika amin’i Jehovah.

Hazava tsara ao an-tsaintsika ilay valisoa, raha manana finoana sy fanantenana isika. (2Ko 4:16-18; He 11:13, 26, 27) Mila atao velombelona foana ny fanantenantsika, na ho any an-danitra isika na ho eto an-tany. Saintsaino foana àry ny fampanantenan’ny Baiboly, dia ho falifaly foana ianao na iharam-pitsapana aza.—1Pe 1:6, 7.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIFALIA AMIN’ILAY FANANTENANA, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana i Mosesy no modely ho antsika?

  • Inona ny andraikitry ny loham-pianakaviana?

  • Inona ny foto-kevitra azonareo dinihina amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

  • Nahoana no manampy anao hiatrika fitsapana ny fanantenana?

  • Inona no fitahiana tena tsy andrinao?