Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA FEBROARY 2017

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 63-66

Tena Hahafaly Antsika ny Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao

Tena Hahafaly Antsika ny Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao

Azo antoka fa ho tanteraka ilay fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Isaia toko 65.

Mamorona lanitra vaovao sy tany vaovao i Jehovah, ka tsy tsaroana intsony ny zavatra taloha

65:17

Inona ilay lanitra vaovao?

  • Fitondram-panjakana vaovao, izay hampanjaka ny fahamarinana eto an-tany

  • Niorina tamin’ny 1914 izy io, rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Kristy

Inona ilay tany vaovao?

  • Vahoaka avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra, izay manaiky hofehezin’ilay fitondram-panjakana vaovao any an-danitra

Nahoana no hoe tsy hotsarovana intsony ny zavatra taloha?

  • Tsy hijaly intsony isika satria hofoanana ny faharatsiana sy fijaliana rehetra

  • Hahafinaritra be ny fiainantsika, ka zavatra mahafinaritra foana no hotsaroantsika isan’andro