Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA FEBROARY 2017

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ampiasao Tsara ny Boky sy Gazety

Ampiasao Tsara ny Boky sy Gazety

Hoy i Jesosy: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Mt 10:8) Tsy itakiantsika sarany àry ny Baiboly sy boky ary gazety atolotsika. (2Ko 2:17) Sarobidy anefa ny fahamarinana ara-baiboly ao amin’ireny boky sy gazety ireny. Mitaky ezaka be sy vola be koa ny manao pirinty sy mandefa azy ireny any amin’ireo fiangonana eran-tany. Izay ilaintsika ihany àry no tokony halaintsika.

Mahaiza manavaka rehefa manolotra boky na gazety, na dia eny amin’ny toerana be olona aza. (Mt 7:6) Aza omena ny mpandalo fotsiny ilay izy, fa miezaha miresaka aminy mba hahitana raha liana izy. Misy ataony ve ny iray amin’ireo voalazan’ilay efajoro eo ankavanana, fara fahakeliny? Aleo taratasy mivalona no omena an’ilay olona, raha tsy hainao hoe liana izy na tsia. Mazava ho azy anefa fa homentsika boky na gazety izy, raha mangataka.—Oh 3:27, 28.