Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Febroary 2017

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 52-57

Nijaly ho Antsika i Kristy

Nijaly ho Antsika i Kristy

‘Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona izy. Nihevitra izahay fa niharan’ny loza sy kapoka ary fampahoriana avy tamin’Andriamanitra izy’

53:3-5

  • Natao tsinontsinona i Jesosy ary nolazaina fa nanevateva an’Andriamanitra. Nisy nihevitra hoe nosazin’Andriamanitra izy

‘Sitrak’i Jehovah ny hanorotoro azy ary ny tanany no hanatanteraka an-tsakany sy an-davany izay sitrak’i Jehovah’

53:10

  • Mafy be tamin’i Jehovah ny nahita ny Zanany novonoina. Faly anefa izy fa tsy nivadika mihitsy i Jesosy. Tsy marina àry ny fiampangan’i Satana hoe hivadika amin’i Jehovah daholo ny mpanompony. Nandray soa avy tamin’ny soron’i Jesosy koa ny mpanota mibebaka. Nanatanteraka an’izay “sitrak’i Jehovah” àry ny nahafatesany