Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA FEBROARY 2017

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampio ny Zanakao mba Tena Hino hoe Misy ny Mpamorona

Ampio ny Zanakao mba Tena Hino hoe Misy ny Mpamorona

Manambara ny voninahitr’i Jehovah ny zavaboary. (Sl 19:1-4; 139:14) Mampiely hevi-diso momba ny niandohan’ny fiainana anefa ny tontolon’i Satana, ary manala baraka an’i Jehovah izy ireny. (Ro 1:18-25) Ahoana àry no hahatonga azy ireny tsy hilentika ao an-tsaina sy ao am-pon’ny zanakao? Ampio ho resy lahatra izy dieny mbola kely hoe misy i Jehovah sady mikarakara azy. (2Ko 10:4, 5; Ef 6:16) Iezaho fantarina ny tena fahitany ny zavatra ianarany any an-tsekoly, ary ampiasao ireo fitaovana ananantsika mba hanohinana ny fony.—Oh 20:5; Jk 1:19.

JEREO ILAY VIDEO HOE NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO: FINOANA AN’ANDRIAMANITRA, ARY VALIO IRETO:

  • Inona ny hevi-diso ananan’ny olona momba ny finoana an’Andriamanitra?

  • Inona no ampianarina anareo any an-tsekoly?

  • Nahoana ianao no resy lahatra hoe misy i Jehovah?

  • Ahoana no azonao anampiana ny olona hino hoe namorona ny zava-drehetra Andriamanitra?