Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Febroary 2016

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Tiako Be Mihitsy ny Fiainako

Tiako Be Mihitsy ny Fiainako

Be dia be no azon’ny tanora atao, ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Jereo ilay video hoe Tiako Be Mihitsy ny Fiainako, dia ho hitanao fa nanao safidy tsara i Cameron na dia mbola tanora aza. Valio avy eo ireto fanontaniana ireto. (Jereo ny jw.org/mg, ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA.)

  • Inona no zava-dehibe foana teo amin’ny fiainan’i Cameron?

  • Oviana izy no nanapa-kevitra hampitombo ny fanompoany, ary inona no nataony?

  • Inona avy no nomaniny, talohan’izy hanitatra faritany tany an-tany hafa?

  • Inona avy no mafy taminy, rehefa nanompo tany an-tany hafa izy?

  • Nahoana no mety ho tsara ny manompo an’i Jehovah, any amin’ny toerana tsy mahazatra anao, na amina fiainana vaovao aminao?

  • Inona avy ny fitahiana azon’i Cameron?

  • Hazavao fa afaka ny ho tsara be mihitsy ny fiainanao rehefa manompo an’i Jehovah ianao.

  • Inona avy no azon’ny tanora atao, ao amin’ny fandaminan’i Jehovah?