Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA FEBROARY 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | NEHEMIA 9-11

Manohana ny Fivavahana Marina ny Olona Tsy Mivadika

Manohana ny Fivavahana Marina ny Olona Tsy Mivadika

Be dia be ny ezaka nataon’ny vahoakan’Andriamanitra

10:28-30, 32-39; 11:1, 2

  • Nanomana tsara ny Fetin’ny Trano Rantsankazo ny olona, ary nankalaza azy io

  • Nivory ny vahoaka isan’andro ka nihaino tsara rehefa novakina ny Lalàn’Andriamanitra. Faly izy ireo noho izany

  • Niaiky ny fahadisoany ny olona, ary nivavaka sy nangataka ny fitahian’i Jehovah

  • Nampanantena izy ireo fa hanaiky foana an’izay asain’i Jehovah atao

Nanohana foana ny fivavahana marina izy ireo raha:

  • Olona manompo an’i Jehovah ihany no nalainy ho vady

  • Nanao fanomezana an-tsitrapo

  • Nitandrina ny Sabata

  • Nanome kitay hampiasaina teo amin’ny alitara

  • Nateriny ho an’i Jehovah ny voaloham-bokatra sy izay biby fiompy teraka voalohany