Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mihirà ho An’i Jehovah Amin’ny Fo Falifaly

Mihirà ho An’i Jehovah Amin’ny Fo Falifaly

Nanao hira fiderana ho an’i Jehovah i Paoly sy Silasy tao am-ponja. (As 16:25) Azo inoana hoe nanampy azy ireo hiaritra izany. Mampahery antsika koa ny hiran’ilay Fanjakana sy ny hira hafa avoakan’ny fandaminana. Manampy antsika tsy hivadika izy ireny. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe midera an’i Jehovah isika rehefa mihira. (Sl 28:7) Nisy fotoana isika nampirisihina mba hanao tsianjery an’ireo hira, na dia ny sasany ihany aza. Efa nanandrana ve ianao? Maninona raha mianatra hira mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo?

JEREO ILAY VIDEO HOE ANKIZY MIDERA AN’I JEHOVAH AMIN’NY HIRA, ARY VALIO IRETO:

  • Lasa manao ahoana isika rehefa manao an’ireo hira avoakan’ny fandaminana?

  • Inona no fiomanana ataon’ireo ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Feo/Video, alohan’ny fandraisam-peo?

  • Inona no fiomanana ataon’ireo ankizy sy ny fianakaviany, alohan’ny fandraisam-peo?

  • Inona amin’ireo hira navoakan’ny fandaminana no tianao indrindra, ary nahoana?