Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Atao hoe Tena Fitiavana?

Inona no Atao hoe Tena Fitiavana?

Nataon’i Jehovah haharitra ny fanambadiana. (Ge 2:22-24) Noho izany, dia tsy afaka misaraka ny mpivady raha tsy hoe nijangajanga angaha ny anankiray. (Ml 2:16; Mt 19:9) Tian’i Jehovah ho sambatra ny olona manambady. Betsaka àry ny toro lalana nomeny mba hanampiana ny Kristianina hifidy tsara an’izay ho vadiny sy ho sambatra am-panambadiana.—Mpto 5:4-6.

JEREO MIALOHA ILAY VIDEO HOE INONA NO ATAO HOE TENA FITIAVANA?, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana no tsara sy feno fitiavana ilay torohevitra nomen’i Haja sy Vero an’i Liva, zanany vavy?

  • Nahoana ianao no tsy tokony hieritreritra hoe afaka manova an’ilay olona miaraka aminao?

  • Inona no torohevitra tsara nomen’i Dadatoa Rabenja sy Totoa Beby an’i Liva?

  • Nahoana no nitombo ny olana tao an-tokantranon’i Njaka sy Menja?

  • Inona avy ny karazam-panompoana samy nataon’i Tojo sy Liva?

  • Nahoana ianao no tokony hamantatra ny “toetra miafina ao am-pon’ilay olona” alohan’ny hanambadiana azy? (1Pe 3:4)

  • Inona no atao hoe tena fitiavana? (1Ko 13:4-8)