Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Desambra 2017

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Itorio Daholo ny Olona ao Amin’ny Faritany

Hatsarao ny Fanompoanao: Itorio Daholo ny Olona ao Amin’ny Faritany

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Naminany i Zakaria fa hisy olona avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena hihaino ny vaovao tsara. (Za 8:23) Iza anefa no hampianatra azy ireny? (Ro 10:13-15) Adidintsika ny mitory ny vaovao tsara amin’ny olon-drehetra ao amin’ny faritanintsika. Tombontsoa koa izany.—od 83-84 § 10-11.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Manomàna. Misy olona miteny vahiny ve ao amin’ny faritaninareo? Ampiasao ny programa JW Language mba hianarana fomba fitory tsotra. Na mampiasà fitaovana elektronika mba hanoroana azy hoe aiza izy no afaka mahita fanazavana bebe kokoa amin’ny fiteniny, ao amin’ny jw.org

  • Mahaiza mandinika. Hararaoty itoriana koa ny mpandalo sy ireo miandry ao anaty fiara, rehefa mitory isan-trano ianao. Tadidio fa ny hiresaka ny fahamarinana amin’ny olona no tanjonao, rehefa mitory eny amin’ny toerana be olona ianao

  • Manàna fikirizana. Miverena any amin’izay tsy tratra an-trano. Mila ovanao angamba ny fotoana na ny andro itorianao, mba hahitana olona ao amin’ny trano tsirairay. Mety ho amin’ny alalan’ny fitoriana eny an-dalana, na an-taratasy na an-telefaonina kosa no ahafahana mitory amin’ny olona sasany

  • Tsidiho izay liana. Miverena haingana any amin’ireo olona liana. Raha miteny vahiny izy, dia mitadiava mpitory mahay an’ilay fiteniny sady afaka manampy azy. Tokony hitsidika an’io olona io foana anefa ianao, raha tsy hoe efa manampy azy angaha ny mpitory mahay an’ilay fiteniny.—od 94 § 39-40

JEREO ILAY VIDEO HOE FITORIANA ANY “AMIN’NY FARITRA LAVITRA INDRINDRA AMIN’NY TANY”, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no fiomanana nataon’ny mpitory talohan’ny handehanana tany amin’ny faritany lavitra? (1Ko 9:22, 23)

  • Inona avy ny zava-tsarotra tsy maintsy natrehin’izy ireo?

  • Inona avy ny fitahiana azon’izy ireo?

  • Inona no ezaka azonao atao mba hitoriana amin’ny olona maro kokoa ao amin’ny faritaninao?