Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA DESAMBRA 2016

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

MIFOHAZA!

Fanontaniana: Tiantsika rehetra ny ho salama. Araka ny hevitrao, inona no azontsika atao mba hisorohana aretina?

Andinin-teny: Oh 22:3

Atolory ilay izy: Misy torohevitra hanampy antsika ho malina sy hisoroka aretina ato amin’ity Mifohaza! ity.

AMPIANARO NY TENA MARINA

Fanontaniana: Avy amin’Andriamanitra ve ny fijaliana sa misy antony hafa?

Andinin-teny: Jb 34:10

Ny Tena Marina: Tsy avy amin’Andriamanitra mihitsy ny fijaliana. Mety hijaly isika noho ny ataon’ny Devoly, na noho ny safidy ratsy ataon’ny olona, na noho isika tratran’ny loza tampoka. Vonona hanampy antsika anefa Andriamanitra, satria tena mikarakara antsika izy.

NAHOANA IANAO NO TOKONY HIANATRA BAIBOLY? (Video)

Fanontaniana: Andriamanitra ve no mifehy an’izao tontolo izao, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mety hahagaga anao ny fanazavan’ny Baiboly ato amin’ity video fohy ity. [Alefaso ilay video.]

Atolory ilay boky: Hazavain’ny toko 11 amin’ity boky ity hoe nahoana isika no avelan’Andriamanitra hijaly, ary ahoana no hanafoanany ny fijaliana. [Atolory ny boky Ampianarina na ny boky Ianarana.]

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.