Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Manaiky Ampianarin’i Jehovah ve Ianao?

Manaiky Ampianarin’i Jehovah ve Ianao?

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Manome antsika ny fampianarana tsara indrindra i Jehovah, ilay Mpampianatra Be Voninahitra. Ampianariny isika mba hanana fiainana tsara kokoa dieny izao sy amin’ny hoavy. Maimaim-poana ilay izy! (Is 11:6-9; 30:20, 21; Ap 22:17) Ampiofanin’i Jehovah koa isika mba hahay hizara an’ilay hafatra mamonjy aina.—2Ko 3:5.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Miezaha hanetry tena mba ho mora ampianarina.—Sl 25:8, 9

  • Hararaoty ireo fampiofanana efa omena anao amin’izao, ohatra hoe ny anjara amin’ny fivoriana andavanandro

  • Manàna tanjona eo amin’ny fanompoana.—Fi 3:13

  • Miezaha mafy mba hahafeno fepetra, raha misy sekoly mbola tianao hatrehina.—Fi 3:8

JEREO ILAY VIDEO HOE MANANKARENA ARA-PANAHY SATRIA AMPIANARIN’I JEHOVAH, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no vato misakana tsy maintsy noresen’ny mpitory sasany, mba hanatrehana ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana?

  • Ampiofanina hanao inona ireo manatrika an’io sekoly io?

  • Ahoana no nanampian’ny fiangonana an’ireo mpianatra, rehefa tonga tany amin’ny toerana nanendrena azy izy ireo?

  • Inona no fepetra takina amin’ireo maniry hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana? (kr 189)

  • Inona koa ny sekoly misy eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah?

Inona no fitahiana ho azonao raha manaiky ampianarin’i Jehovah ianao?