Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MARKA 3-4

Nanasitrana Tamin’ny Sabata i Jesosy

Nanasitrana Tamin’ny Sabata i Jesosy

3:1-5

Nahoana i Jesosy no nalahelo mafy, rehefa nahita ny fihetsik’ireo mpitondra fivavahana jiosy? Nampian’izy ireo fitsipika kely be dia be mantsy ny Sabata, ka lasa enta-mavesatra. Tsy azo natao, ohatra, ny namono parasy. Rehefa natahorana ho faty ihany koa ny olona iray vao azo nositranina. Tsy azo notsaboina tamin’ny Sabata àry ny olona tapa-taolana na folaka. Hita hoe tsy nalahelo an’ilay lehilahy maty tanana ireo mpitondra fivavahana.