Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Aogositra 2017

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Rahoviana Indray Aho no Afaka Manao Mpisava Lalana Mpanampy?

Rahoviana Indray Aho no Afaka Manao Mpisava Lalana Mpanampy?

Asehon’ny fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly fa hanao fanatitra an-tsitrapo ny vahoakan’i Jehovah. Inona àry ny sorona fiderana azontsika tsirairay atao?—He 13:15, 16.

Anisan’ny sorona tsara indrindra azontsika atolotra ny manao mpisava lalana mpanampy. Volana maromaro no ahitana asabotsy na alahady dimy, mandritra ny taom-panompoana 2018. Azon’ny mpitory hararaotina izany, indrindra fa ireo tsy afaka manompo raha tsy faran’ny herinandro noho ny asany. Afaka mifidy koa ny mpitory hoe hanatratra 30 na 50 ora mandritra ny volana Martsa sy Aprily, ary mandritra ny volana itsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra.

Ahoana raha tsy afaka manao mpisava lalana mpanampy isika noho ny toe-javatra misy antsika? Azontsika atao ny miezaka manatsara ny fanompoantsika sy mampitombo azy io. Na afaka manao mpisava lalana isika na tsia, dia enga anie isika hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah mandritra ny taom-panompoana 2018 satria tiantsika izy.—Ho 14:2.

Inona no tokony hataoko raha te ho be zotom-po hoatran’i Sabina Hernández aho?

JEREO ILAY VIDEO HOE SAIKA NY ZAVA-DREHETRA NO VITAKO, NOHO I JEHOVAH, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no nandrisika an’i Sabina hampitombo ny fanompoany?

  • Nahoana no mampahery anao ny ohatr’i Sabina?

  • Volana inona (avy) ianao no afaka manao mpisava lalana mpanampy, mandritra ny taom-panompoana 2018?