Mila Fanazavana Bebe Kokoa ve Ianao?
Famintinana an’izay voalazan’ny Baiboly ity bokikely ity, ka tsy hita ato daholo ny tsipiriany rehetra omen’ny Baiboly momba ny loha hevitra samihafa.
Mety ho tianao ho fantatra, ohatra, hoe inona no lazain’ny Baiboly momba an’ireto: Tena miahy anao ve Andriamanitra? Manao ahoana ny olona rehefa maty? Inona no azonao atao mba hahasambatra anao?
Misy valin’ireo fanontaniana ireo sy ny fanontaniana hafa mahaliana, ao amin’ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Ianarana isaky ny foto-kevitra ny Baiboly, ao amin’io boky io. Hahita andinin-teny maromaro momba ny foto-kevitra tsirairay ianao amin’izany. Raha te hanafatra an’io boky io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy etsy ambany.
□ Mba andefaso an’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.