LESONA 6
Olona Valo Sisa no Velona!
Niditra tao anatin’ilay sambofiara i Noa sy ny vady aman-janany ary ny biby. Dia nohidian’i Jehovah ny varavarana, ary nanomboka avy ny orana. Avy be mihitsy ilay izy, ka lasa nitsingevana ilay sambofiara. Difotry ny rano ny tany tamin’ny farany. Maty daholo ny mpanao ratsy tany ivelan’ilay sambofiara, fa avotra kosa ry Noa. Mba hoatran’ny ahoana re izao ny hafalian-dry zareo hoe nankatò an’i Jehovah e?
Avy be foana ny orana nandritra ny 40 andro sy 40 alina. Rehefa nitsahatra ilay izy, dia nihena tsikelikely ny rano. Tafajanona teny ambony tendrombohitra àry ilay sambofiara tamin’ny farany. Mbola nisy rano be anefa teto an-tany, ka tsy afaka nivoaka ry Noa.
Ritra ihany ilay rano rehefa nandeha ny fotoana. Herintaona mahery ry Noa no nijanona tao anatin’ilay sambofiara. Niteny tamin-dry zareo i Jehovah avy eo hoe afaka mivoaka amin’izay. Hoatran’ny hoe tany vaovao mihitsy no hitan-dry Noa satria tsy nisy mpanao ratsy intsony. Nisaotsaotra an’i Jehovah izy mianakavy fa novonjeny, dia nanao fanatitra ho an’azy.
Tian’i Jehovah ilay fanatitra. Nampanantena izy avy eo fa tsy hasiany safodrano hoatran’iny intsony eto an-tany. Nisy famantarana nomeny àry taorian’izay. Nasiany avana nipoitra teny amin’ny lanitra, ary io no avana voalohany indrindra! Efa nahita avana ve ianao?
Niteny tamin’i Noa sy ny vadiny ary ny zanany i Jehovah avy eo mba hiteraka, amin’izay ho feno olona ny tany.
‘Niditra tao amin’ny sambofiara i Noa. Ary tsy niraharaha ny olona mandra-pahatongan’ilay Safodrano nifaoka azy rehetra.’—Matio 24:38, 39