Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?

 LESONA 7

Inona no Ataonay Rehefa Mivory?

Inona no Ataonay Rehefa Mivory?

Nouvelle-Zélande

Japon

Ogandà

Litoania

Tsy nanao fombafomba ny Kristianina voalohany rehefa nivory fa nihira, nivavaka, ary namaky sy nandinika ny Baiboly. (1 Korintianina 14:26) Toy izany koa no ataonay.

Mahazo torohevitra ara-baiboly izahay any. Mihaino lahateny ara-baiboly (30 minitra) ny fiangonana tsirairay, isaky ny faran’ny herinandro. Ahazoana torohevitra ilay izy sady miresaka momba ny fiainana amin’izao. Manaraka ao amin’ny Baibolinay izahay rehefa misy andinin-teny vakina. Aorian’izay no atao ny Fianarana “Ny Tilikambo Fiambenana” (adiny iray), ary lahatsoratra iray no ianarana. Mametraka fanontaniana ny mpitarika ka afaka mamaly ny mpanatrika. Manampy anay hampihatra ny torohevitry ny Baiboly izany. Mitovy ny lahatsoratra ianaran’ny fiangonana 110 000 mahery eran-tany isan-kerinandro.

Ampiana hahay hampianatra Baiboly kokoa izahay any. Mivory indray mandeha koa izahay amin’ny andavanandro, fa hariva. Inona no ataonay amin’izany? Voalohany, ny Fianarana Baiboly (30 minitra). Manampy anay hahay kokoa ny toro lalana sy faminaniana ao amin’ny Soratra Masina izy io. Mametraka fanontaniana ny mpitarika ka afaka mamaly ny mpanatrika. Faharoa, ny Sekolin’ny Fanompoana (30 minitra). Toko vitsivitsy ao amin’ny Baiboly efa novakin’ny mpanatrika mialoha no dinihina voalohany. Aorian’izay, dia asaina mandray anjara ny olona efa nisoratra anarana hanao an’io sekoly io. Omena torohevitra hanatsarany ny vakiteniny sy ny fahaizany miresaka izy ireo avy eo. (1 Timoty 4:13) Farany, ny Fivoriana Momba ny Fanompoana (30 minitra). Manampy anay hahay hampianatra ny lahateny sy fampisehoana ary fanadinadinana atao mandritra izany.

Azo antoka fa ho gaga ianao raha manatrika ny fivorianay, satria tena tsara ny zavatra hianaranao any.—Isaia 54:13.

  • Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mivory?

  • Iza amin’ireo fivoriana ireo no tianao hatrehina amin’ny manaraka?

Fanampim-panazavana

Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana?

Jereo ity video ity dia ho fantatrao ny valiny.

Ahoana no Andaminana ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Jereo hoe ahoana no ahazoanay toromarika avy amin’io fandaminana io.