Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!

 LESONA 14

Tsy Manao Ratsy ny Naman’Andriamanitra

Tsy Manao Ratsy ny Naman’Andriamanitra

Ampirisihin’i Satana hanao ratsy ny olona. Tokony hankahala ny zavatra halan’i Jehovah, izay te ho namany. (Salamo 97:10) Ireto ny sasany amin’izany:

Mijangajanga. “Aza manitsakitsa-bady.” (Romanina 13:9) Tsy mety koa raha manao firaisana ny olona roa mbola tsy mpivady.—1 Korintianina 6:18.

Mamo. ‘Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny mpimamo.’—1 Korintianina 6:10.

Mamono olona, manala zaza. “Aza mamono olona.”—Eksodosy 20:13.

Mangalatra. “Aza mangalatra.”—Eksodosy 20:15.

Mandainga. Halan’i Jehovah “ny lela fandainga.”—Ohabolana 6:17.

 Tezitra be loatra, mahery setra. Anisan’ny ‘asan’ny nofo ny fipoahan’ny fahatezerana.’ (Galatianina 5:19, 20) ‘Halan’i Jehovah ny [olona] mifaly hampidi-doza’, izany hoe tia herisetra.—Salamo 11:5.

Miloka. Tsy tokony ho “tia tombony azo tamin’ny tsy marina” ny Kristianina.—1 Timoty 3:8.

Manavakava-bolon-koditra. “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha mandrakariva ho an’izay manenjika anareo.”—Matio 5:43, 44.

Mahasoa antsika ny manaraka izay lazain’Andriamanitra. Tsy mora foana anefa izany. Hanampy anao i Jehovah sy ireo Vavolombelony, mba tsy hanao zavatra tsy tian’Andriamanitra ianao.—Isaia 48:17; Filipianina 4:13; Hebreo 10:24, 25.