Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!

 LESONA 6

Efa Akaiky ny Paradisa!

Efa Akaiky ny Paradisa!

Ireo zava-dratsy misy ankehitriny dia manaporofo fa efa akaiky ny Paradisa. Milaza ny Baiboly fa handalo fotoan-tsarotra isika, aloha kelin’ny hahatongavan’ny Paradisa. Izany mihitsy izao no iainantsika! Ireto misy zavatra sasany nolazain’ny Baiboly fa hitranga:

Ady lehibe. “Hisy firenena hitsangana hamely firenena ary hisy fanjakana hamely fanjakana.” (Matio 24:7) Tanteraka tokoa izany, satria nisy ady lehibe roa sy ady maro hafa, nanomboka tamin’ny 1914. Olona an-tapitrisany no maty.

Mihanaka ny aretina. Hisy ‘areti-mandringana any amin’ny toerana samy hafa.’ (Lioka 21:11) Tanteraka koa ve izany? Eny. Olona an-tapitrisany no matin’ny kansera, aretim-po, tioberkilaozy, tazomoka, SIDA, sy ny sisa.

Tsy ampy ny sakafo. Olona maro no tsy ampy sakafo eran-tany. An-tapitrisany no maty mosary isan-taona. Porofo koa izany fa tsy ho ela intsony ny Paradisa. “Hisy mosary” mantsy, hoy ny Baiboly.—Marka 13:8.

 Horohoron-tany. “Hisy ... horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa.” (Matio 24:7) Efa tanteraka koa izany. Nahafaty olona maherin’ny iray tapitrisa ny horohoron-tany, nanomboka tamin’ny 1914.

Ratsy fanahy ny olona. ‘Ho tia vola sy ho tia tena’ ny olona, ary “ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.” “Tsy hankatò ray aman-dreny” koa ny ankizy. (2 Timoty 3:1-5) Tsy ekenao ve fa olona maro izao no toy izany? Tsy manaja an’Andriamanitra izy ireo, ary sakanany koa izay miezaka mianatra momba azy.

Heloka bevava. Ho betsaka ny olona ‘mandika lalàna.’ (Matio 24:12) Hiaiky angamba ianao fa mahatsiravina kokoa noho ny taloha, ny heloka bevava ankehitriny. Mety hisy hanendaka, hisoloky, na hampijaly ny olona any amin’ny faritra maro.

Porofoin’izany rehetra izany fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Rehefa hitanareo ... fa mitranga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:31) Inona moa io Fanjakan’Andriamanitra io? Fitondram-panjakana any an-danitra izy io, ary hanova ny tany ho Paradisa. Hisolo ny fanjakan’olombelona rehetra izy io.—Daniela 2:44.