29 ELIA
“Andriamanitro i Jehovah”
MISY milaza hoe miditra tampoka ao amin’ny Baiboly ny tantaran’i Elia. Tamin’izy nampita hafatra mafonja ho an’ny mpanjaka iray no iresahana voalohany momba azy. Mampalahelo fa ratsy toetra be ny mpanjaka enina voalohany teo amin’ny foko folon’ny Israely. I Ahaba no fahafito, ary tamin’i Jehovah dia izy no ratsy indrindra. Nanambady an’i Jezebela, vehivavy ratsy fanahy sady hafa firenena, izy. Nanompo sampy koa izy, nefa ratsy kokoa ny nataon’ny vadiny. Nampirisika ny olona hanompo an’i Bala i Jezebela, ary mety ho anisan’izany ny hoe manao sorona zaza. Nasain’i Jehovah nankany amin’i Ahaba i Elia mba hanameloka azy sy hilaza ny didim-pitsarany.
Iny àry i Elia fa mamakivaky an’ilay toerana be vato avy any Gileada mankany Samaria, any amin’ilay tanàna voaro nisy ny lapa ngezabe naorin’i Ahaba. Voalaza mihitsy aza fa “trano ivoara” izy io satria angamba tena nirenty be. (1 Mpanj. 22:39) Manao akanjo tsotsotra vita amin’ny hodi-biby sy fehikibo hoditra anefa i Elia miditra an’ilay lapa tsara tarehy. Hiteny amin’ny mpanjaka izy hoe tsy misy dikany i Bala andriamaniny. Dia ahoana raha teo koa i Jezebela? Hanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? Toa te hilaza mantsy io mpaminany be herim-po io hoe tsy hahavita na inona na inona ilay andriamanitra noheverin-dry zareo hoe mpanome orana. Nasian’i Jehovah hain-tany tao Samaria ary haharitra aman-taonany ilay izy, mandra-pitenin’i Elia mpanompony hoe hirotsaka indray ny orana.
Nahoana i Elia no sahy niteny? Mety hanampy antsika hahita ny valin’izany ny nanombohany ny teniny, hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitry ny Israely izay tompoiko.” Ilay teny hebreo hoe “izay tompoiko” dia midika ara-bakiteny hoe “izay eo anatrehany no itsanganako.” Mpanjaka olombelona tena mahery no teo anoloany. Teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny anefa izy no tena nijoro, ary izany no zava-dehibe kokoa taminy. Mety hoe mampahatahotra sady mahery no fahitana an’i Ahaba sy Jezebela, nefa tsy nisy dikany ry zareo raha noharina tamin’i Jehovah. Be herim-po i Elia noho izany fomba fijery izany.
Niatrika mpanjaka sy mpanjakavavy ratsy fanahy ary firenena mpikomy i Elia, ary niantehitra tamin’i Jehovah rehefa natahotra
Be herim-po foana i Elia nanompo an’i Jehovah. Niharihary izany rehefa nankatò an’i Jehovah izy ka niafina tany amin’ny lohasaha mitokana iray, nandritra ny hain-tany sy mosary. Natoky izy tany hoe goaika no hitondra sakafo ho azy isan’andro, ary renirano efa ho ritra no hahazoany rano. Nampiseho herim-po koa izy rehefa nasain’i Jehovah nanampy vehivavy mpitondratena iray tena nanam-pinoana tany Sidona, nefa tany ny rain’i Jezebela no nanjaka. Nifanandrina tamin’ny mpaminanin’i Bala 450 koa izy teo amin’ny Tendrombohitra Karmela, dia noporofoiny hoe i Jehovah ihany no tena Andriamanitra. Midika hoe “Andriamanitro i Jehovah” ny anaran’i Elia, ary niaina nifanaraka tamin’izany foana izy.
Na izany aza dia “olona nanana fihetseham-po hoatran’ny antsika ihany i Elia.” (Jak. 5:17) Natahotra izy indraindray, ohatra hoe rehefa tsy nety niova i Ahaba taorian’ilay fahagagana tany Karmela. Nianiana koa i Jezebela hoe hamono azy, dia nitsoaka izy. Kivy be izy dia niteny tamin’i Jehovah mihitsy hoe te ho faty. Tsy misy dikany, hono, izy ka tsy tsara noho ny razambeny efa maty efa ela. Nanam-paharetana nihaino azy anefa i Jehovah. Indroa izy, tatỳ aoriana, no niteny tamin’Andriamanitra hoe manirery sady matahotra, dia very maina daholo, hono, ny asa mafy nataony. Nanome toky an’io mpaminaniny io i Jehovah hoe tsy irery izy sady sarobidy ary mbola ilaina. Nanome an’i Elisa mba ho namany mihitsy aza i Jehovah, ary ho afaka hampiofana azy mba hanao ny asan’ny mpaminany i Elia.
Nankany amin’i Elisa i Elia tsy ela taorian’izay. Niara-nanompo an’i Jehovah foana ry zareo tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny. Nanohana an’ilay namany efa be taona kokoa i Elisa sady niana-javatra taminy. Lasa be herim-po indray i Elia noho ny fanampian’i Jehovah, ary hoatr’izany foana izy nandritra ny androm-piainany.
Vakio ilay tantara:
Iaraho midinika:
Ahoana no nampisehoan’i Elia hoe be herim-po izy?
Fakafakao
-
1. Nahoana no mety tsara ilay hoe goaika no nofidin’i Jehovah hitondra sakafo ho an’i Elia? (it “Goaika” § 5) A
Lior Kislev
Sary A
-
2. Inona avy ny fahagagana nataon’i Elia? (it “Elia” No. 1 § 11)
-
3. Nasain’i Elia nofenoina rano ilay tatatra be teo amin’ny Tendrombohitra Karmela. Nisy hain-tany anefa tamin’izay, dia mety ho avy aiza ilay rano? (ba 17 § 3) B
Todd Bolen/BiblePlaces.com
Sary B: Ny Tendrombohitra Karmela sy ny Ranomasina Mediterane
-
4. Midika ho inona ilay akanjona mpaminany nanaovan’i Elia, ary nahoana ilay izy no natsipiny teny amin’i Elisa? (w14 1/2 12 § 3)
Fampiharana
-
Raha jerena ny nataon’i Jehovah tamin’i Elia, inona no azontsika atao mba ho mora kokoa amin’ny rahalahy sy anabavy ny mamboraka amintsika ny ao am-pony rehefa kivy izy ireo? (1 Mpanj. 19:1-18) D
Sary D
-
Tia nizara andraikitra tamin’i Elisa i Elia. Ahoana no azontsika anahafana azy rehefa mampiofana ny hafa isika na mizara andraikitra?
-
Ahoana no azonao anahafana ny herim-pon’i Elia?
Saintsaino izao
-
Inona no ianarako momba an’i Jehovah avy amin’io tantara io?
-
Inona no ifandraisan’izy io amin’ny fikasan’i Jehovah?
-
Inona no tiako hanontaniana an’i Elia rehefa atsangana amin’ny maty izy?
Jereo koa ireto
Jereo ato hoe ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Elia mba hahavita ny asa nampanaovina azy.
Ahoana no azon’ny tanora anahafana ny herim-po nasehon’i Elia teo amin’ny Tendrombohitra Karmela?
“Arovy ny Fivavahana Marina!” (“Kilalao Ara-baiboly” ao amin’ny jw.org)

