Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 12

“Misy Tsi-fahamarinana va Amin’Andriamanitra?”

“Misy Tsi-fahamarinana va Amin’Andriamanitra?”

1. Ahoana no mety ho fihetsitsika rehefa mahita tsy rariny isika?

NISY nisandoka ilay vehivavy zokiolona maty vady, ka lasa ny tahirim-bolany rehetra. Narian’ny reniny, mafy fo, ilay zazakely tsy manan-tsiny. Migadra noho ny heloka tsy nataony ilay lehilahy. Ahoana no fiheveranao izany rehetra izany? Azo inoana fa mampalahelo anao ireo, ary rariny ny anao. Tsapantsika olombelona ny atao hoe mety sy tsy mety. Tezitra isika rehefa misy tsy rariny. Tiantsika raha onerana ny fahavoazan’ilay niharan’ny tsy rariny, ary hotsaraina kosa ilay nanao izany. Ary raha tsy izay no mitranga, dia mety hanontany tena isika hoe: ‘Mahita izany ve Andriamanitra? Nahoana izy no tsy manao na inona na inona?’

2. Nanao ahoana ny fihetsik’i Habakoka rehefa nahita tsy rariny izy, ary nahoana i Jehovah no tsy nanakiana azy?

2 Efa nametra-panontaniana toy izany ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky, hatramin’izay. Nivavaka toy izao, ohatra, i Habakoka mpaminany: “Nahoana no avelanao hahita izao tsy rariny mampihoron-koditra izao aho? Nahoana no avelanao hisy hatraiza hatraiza ny herisetra sy tsy fankatoavan-dalàna sy heloka bevava ary halozana?” (Habakoka 1:3, Fandikan-teny Anglisy Maoderina) Tsy nanakiana an’i Habakoka i Jehovah, rehefa nanontany tamim-pahatsorana toy izany izy, satria Izy ihany no nametraka tao amin’ny olona ny fitiavana ny rariny. Nasian’i Jehovah sombin’io fitiavany ny rariny io tokoa ao amintsika.

Halan’i Jehovah ny tsy rariny

3. Nahoana no lazaina fa mahita ny tsy rariny kokoa noho isika i Jehovah?

3 Mahita ny zavatra rehetra i Jehovah, fa tsy hoe mody tsy  mahita ny tsy rariny akory. Hoy ny Baiboly, momba ny andron’i Noa: “Hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.” (Genesisy 6:5) Inona no dikan’izany fitantarana izany? Matetika ny fahatakarantsika ny atao hoe tsy rariny no miorina amin’ny fisehoan-javatra mety ho rentsika, na niainantsika. Tsy mba toy izany i Jehovah, fa fantany amin’ny fomba feno ny tsy rariny. Hitany daholo izany! Ankoatra izany, dia fantany ny zavatra ironan’ny fo, dia ny eritreri-dratsy ao ambadik’ireo tsy rariny natao.—Jeremia 17:10.

4, 5. a) Inona no lazain’ny Baiboly ka mampiseho fa miahy an’ireo iharan’ny tsy rariny i Jehovah? b) Lazao ny tsy rariny nihatra tamin’i Jehovah.

4 Tsy vitan’ny hoe mahita ny tsy rariny anefa i Jehovah, fa miahy an’ireo niharan’izany koa izy. Nalahelo, ohatra, izy rehefa nampahorin’ny firenena fahavalony ny vahoakany, ka ‘nitaraina noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.’ (Mpitsara 2:18) Hitanao angamba fa arakaraka ny ahitan’ny olona tsy rariny no vao mainka tsy mampihontsina ny fony. Tsy toy izany anefa i Jehovah! Efa 6 000 taona izao no nahitany ny tsy rariny tamin’ny lafiny rehetra, nefa mbola ankahalainy toy ny taloha foana izy io. Manome toky antsika kosa ny Baiboly fa halan’i Jehovah ny “lela fandainga” sy ny “tànana mandatsa-dra marina” ary ny “mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina.”—Ohabolana 6:16-19.

5 Nokianin’i Jehovah mafy tokoa ireo mpitondra isiraelita nanao ny tsy rariny. Nasainy nanontany toy izao ny mpaminany: “Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?” Nohazavain’i Jehovah tamin’ny fanoharana ny fanamparam-pahefana nataon’izy ireo, ary nolazainy toy izao ny hiafaran’ireo lehilahy ratsy toetra ireo: “Hitaraina amin’i Jehovah izy, nefa tsy hohenoiny; hanafina ny tavany aminy amin’izany andro izany Izy araka ny faharatsian’ny nataon’ireo.” (Mika 3:1-4) Tena halan’i Jehovah tokoa ny tsy  rariny! Efa nianjady taminy izany! Efa nandritra ny an’arivo taona i Satana no nihantsy azy tsy ara-drariny. (Ohabolana 27:11) Ankoatra izany, dia niharan’ny tsy rariny ratsy indrindra izy, rehefa novonoina toy ny jiolahy ilay Zanany “Izay tsy nanota akory.” (1 Petera 2:22; Isaia 53:9) Mazava àry fa tena mahatsapa ny manjo an’ireo iharan’ny tsy rariny i Jehovah, fa tsy hoe mody tsy mahita izany akory.

6. Ahoana no mety ho fihetsitsika rehefa mahita tsy rariny isika, ary nahoana?

6 Mbola ara-dalàna foana anefa raha tezitra isika rehefa mahita tsy rariny, na rehefa isika mihitsy no iharan’izany. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika, ary mifanohitra tanteraka amin’ny tena maha izy an’i Jehovah ny tsy rariny. (Genesisy 1:27) Nahoana àry izy no mamela ny tsy rariny hisy?

Adihevitra momba ny zon’Andriamanitra hitondra

7. Hazavao ny fomba nilazana hoe tsy manana zo hitondra i Jehovah.

7 Mifandray amin’ilay adihevitra momba ny zon’Andriamanitra hitondra ny valin’io fanontaniana io. Efa hitantsika fa manan-jo hitondra ny tany sy izay monina eo aminy ilay Mpamorona. (Salamo 24:1; Apokalypsy 4:11) Nisy nilaza anefa, tany am-piandohan’ny olombelona, fa tsy manana izany zo izany i Jehovah. Ahoana no nitrangan’izany? Nandrara an’i Adama, lehilahy voalohany, i Jehovah mba tsy hihinana tamin’ny voan’ny hazo iray tao amin’ilay zaridaina paradisa fonenany. Ary ahoana raha tsy nankatò izy? “Ho faty tokoa hianao”, hoy Andriamanitra taminy. (Genesisy 2:17) Tsy enta-mavesatra ho an’i Adama sy Eva, vadiny, ny didin’Andriamanitra. Nataon’i Satana anefa izay hinoan’i Eva fa diso namepetra loatra Andriamanitra. Ahoana raha nihinana tamin’ilay voankazo izy? Nilaza tsotra izao tamin’i Eva i Satana hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo  azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.”—Genesisy 3:1-5.

8. a) Inona no toa dikan’ny tenin’i Satana tamin’i Eva? b) Inona no tena nolazain’i Satana momba ny zon’Andriamanitra hitondra?

8 Toa nilaza àry i Satana fa sady nandainga i Jehovah no nisy zava-dehibe tsy nolazainy tamin’i Eva koa. Tsy nilaza akory i Satana hoe tsy mpitondra Andriamanitra. Ny zavatra nolazainy kosa dia hoe tsy manan-jo hitondra Andriamanitra, tsy mendrika hitondra, ary tsy afaka mitondra. Midika izany fa nantitranterin’i Satana hoe tsy nitondra ara-drariny sy tsy nitady ny tombontsoan’ny olom-peheziny i Jehovah.

9. a) Inona no vokatry ny tsy fankatoavana teo amin’i Adama sy Eva, ary inona avy no fanontaniana lehibe napoitran’izany? b) Nahoana i Jehovah no tsy nandringana fotsiny an’ireo mpikomy?

9 Tsy nankatò an’i Jehovah i Adama sy Eva, tamin’ny farany, satria nihinana tamin’ilay voankazo voarara. Nanjary mendrika hosazina ho faty, araka ny didin’Andriamanitra, àry izy ireo. Nampipoitra fanontaniana lehibe ny laingan’i Satana. Tena manan-jo hitondra ny olombelona ve i Jehovah, sa ny olona ihany no tokony hifampitondra? Mitondra araka izay fomba tsara indrindra ve i Jehovah? Afaka nampiasa ny heriny tsitoha i Jehovah mba handringanana an’i Adama sy Eva ary Satana avy hatrany. Tsy ny heriny anefa no niadiana hevitra teo fa ny zony hitondra. Tsy ho nanamarina ny zony hitondra àry ny fandringanana an’ireo mpikomy ireo. Mety ho vao mainka aza hampisalasala kokoa ny zony hitondra, raha nanao izany izy. Tsy maintsy navela handeha ny fotoana, raha tiana ny hamantatra hoe afaka ny hifampitondra tsy misy an’Andriamanitra ny olona sa tsia.

10. Inona no nahariharin’ny tantara, mahakasika ny fitondran’olombelona?

10 Inona no niharihary, rehefa nandeha ny fotoana? Nanandrana karazam-pitondrana samihafa ny olona, nandritra  ny an’arivo taona. Tao ny fanjakan’olon-tokana, ny fitondrana entim-bahoaka, ny sosialisma sy ny kominisma. Hita amin’ity famintinan’ny Baiboly ity anefa ny vokatr’izy rehetra ireny: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” (Mpitoriteny 8:9) Rariny raha niteny i Jeremia mpaminany hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”—Jeremia 10:23.

11. Nahoana no avelan’i Jehovah hijaly ny olona?

11 Efa fantatr’i Jehovah hatramin’ny voalohany fa hitondra fahoriana ny tsy fiankinan’ny olona aminy. Nanao ny tsy rariny àry ve izy namela izany hitranga? Tsy izany mihitsy! Indro misy ohatra: Aoka hatao hoe marary ny zanakao ka mety ho faty raha tsy didiana. Fantatrao fa maharary izany didiana izany, ary malahelo mafy azy ianao. Fantatrao koa anefa fa izany no hahasalama azy. Toa anao koa Andriamanitra. Fantany sy efa nambarany mihitsy fa tsy maintsy hijaly sy hanaintaina ny olona, raha avelany hifampitondra. (Genesisy 3:16-19) Fantany koa anefa fa tsy hisy vahaolana maharitra raha tsy avelany hahita ny voka-dratsin’ny fikomiana ny olombelona. Izay no fomba nandaminany an’ilay adihevitra, mba tsy hiverina intsony.

Adihevitra momba ny tsy fivadihan’ny olombelona

12. Inona no fanendrikendrehan’i Satana ny olona, toy ny nataony tamin’i Joba?

12 Misy lafiny hafa koa amin’ilay raharaha. Tsy vitan’ny hoe nanendrikendrika an’i Jehovah ho tsy manana zo hitondra fotsiny i Satana, rehefa nilaza fa tsy mety na tsy rariny ny fomba fitondrany. Nanendrikendrika koa izy hoe mora mivadika ny mpanompon’Andriamanitra. Izao, ohatra, no  nolazainy tamin’i Jehovah, momba an’i Joba, lehilahy marina: “Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tànany, ka manenika ny tany ny omby aman-ondriny. Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra—raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!”—Joba 1:10, 11.

13. Inona no tian’i Satana horesahina, rehefa nanendrikendrika an’i Joba izy? Nahoana no tafiditra amin’izany ny olona rehetra?

13 Nilaza i Satana fa notambatambazan’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fiarovana azy i Joba mba hanompo azy. Midika koa izany fa fihatsarambelatsihy fotsiny ny tsy fivadihan’i Joba, ary tombontsoa fotsiny no antony nanompoany an’Andriamanitra. Nolazain’i Satana fa hiteny ratsy an’Andriamanitra i Joba, rehefa tsy notahiny intsony. Fantatr’i Satana fa tena “olona marina sy mahitsy [i Joba] sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” * Koa raha nahavita nampivadika an’i Joba izy, dia hanao ahoana ny olombelona hafa rehetra? Ny tsy fivadihan’izay rehetra manompo an’Andriamanitra mihitsy àry no tena tian’i Satana hiadian-kevitra teo. Nanitatra an’ilay adihevitra tokoa i Satana, rehefa niteny tamin’i Jehovah hoe: “Izay rehetra ananan’ny olona [fa tsy i Joba irery] dia homeny ho fefin’ny ainy.”—Joba 1:8; 2:4.

14. Inona no hita hatramin’izay, momba ilay fanendrikendrehan’i Satana ny olona?

14 Hita hatramin’izay fa maro no toa an’i Joba ka tsy nivadika tamin’i Jehovah tao anaty fisedrana, fa tsy araka ny nolazain’i Satana. Nampifaly ny fon’i Jehovah izy ireo tamin’izany. Azon’i Jehovah natao koa ny namaly ny fihantsian’i Satana hoe tsy hanompo an’Andriamanitra intsony ny olona  rehefa misy zava-manahirana. (Hebreo 11:4-38) Tsy nanda an’Andriamanitra tokoa ireo tia azy. Vao mainka izy ireo niantehitra tamin’i Jehovah mba hanome azy ny hery hiaretana, na dia tao anatin’ny fahoriana mafy indrindra aza.—2 Korintiana 4:7-10.

15. Inona no fanontaniana mipoitra momba ny fitsaran’Andriamanitra taloha sy ho avy?

15 Tsy ny zon’Andriamanitra hitondra sy ny tsy fivadihan’ny olombelona ihany anefa no voakasiky ny fanaovan’i Jehovah ny rariny. Miresaka momba ny fitsaran’i Jehovah olona sy firenena ny Baiboly. Milaza faminaniana momba ny fitsarana mbola hataony koa izy io. Ahoana no ahazoantsika antoka fa marina sy mbola ho marina i Jehovah amin’ny fitsarany?

Nahoana no hafa ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny?

Tsy ‘handringana ny marina miaraka amin’ny meloka’ mihitsy i Jehovah

16, 17. Inona avy no ohatra mampiseho fa misy fetrany ny fahitan’ny olona ny tena rariny?

16 Mety ny milaza momba an’i Jehovah hoe: “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” (Deoteronomia 32:4) Tsy misy amintsika afaka milaza izany momba ny tenantsika, satria matetika no misy fetrany ny fahitantsika ny rariny. Diniho, ohatra, i Abrahama. Nitalaho tamin’i Jehovah izy mba hitsimbina an’i Sodoma, na dia be aza ny faharatsiana tao. Hoy izy: “Haringanao miaraka amin’ny meloka va ny marina?” (Genesisy 18:23-33) Mazava ho azy fa tsia no valin’izany. Efa tonga soa aman-tsara tao an-tanànan’i Zoara i Lota sy ireo zanany vavy vao nandatsahan’i Jehovah “solifara sy afo” i Sodoma. (Genesisy 19:22-24) Tsy mba toy izany kosa i Jona, satria “nirehitra ny fahatezerany”, rehefa namindra fo tamin’ny mponin’i Ninive Andriamanitra. Efa nanambara ny handringanana azy ireo i Jona, ka tiany raha ho tanteraka tokoa izany, na dia nibebaka tamim-pahatsorana aza izy ireo.—Jona 3:10–4:1.

 17 Nanome toky an’i Abrahama i Jehovah fa tsy hoe mandringana ny ratsy fanahy fotsiny izy, rehefa manao ny rariny, fa mamonjy ny olo-marina koa. Tokony ho fantatr’i Jona koa anefa fa mamindra fo i Jehovah. “Mamela heloka” izy, rehefa miova ny olon-dratsy. (Salamo 86:5) Tsy toy ny olombelona saro-tahotra i Jehovah, ka tsy manameloka olona mba hampisehoana ny heriny fotsiny, na tsy mamindra fo satria matahotra ny hoheverina ho malemy. Mamindra fo foana izy rehefa hitany fa tokony hatao izany.—Isaia 55:7; Ezekiela 18:23.

18. Asehoy amin’ny alalan’ny Baiboly fa tsy entin’ny fihetseham-po fotsiny i Jehovah.

18 Tsy entin’ny fihetseham-po fotsiny anefa i Jehovah. Hentitra izy niteny toy izao, rehefa nanompo sampy ny vahoakany: “Hotsaraiko araka ny alehanao hianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra. Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; fa hatambesatro aminao ny làlanao.” (Ezekiela 7:3, 4) Tsarain’i Jehovah araka ny ataony àry ny olona mafy loha. Miorina amin’ny porofo tsy azo lavina anefa ny fitsarany. Izany no antony nilazany toy izao, rehefa reny ny ‘fitarainana’ momba an’i Sodoma sy Gomora: “Hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia.” (Genesisy 18:20, 21) Velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa isika, satria tsy mba toy ny olona maimaika hanapa-kevitra izy! Marina tokoa ny ilazan’ny Baiboly momba an’i Jehovah hoe “Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy.”—Deoteronomia 32:4.

Matokia fa manao ny rariny i Jehovah

19. Inona no azontsika atao raha manahiran-tsaina antsika indraindray ny fanaovan’i Jehovah ny rariny?

19 Tsy miresaka momba ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah ny Baiboly, sady tsy manome tsipiriany mahakasika ny  fomba hitsarany ny olona. Mety hanahiran-tsaina ny fitantarana na faminaniana tsy misy tsipiriany toy izany ao amin’ny Baiboly. Ho tsara anefa raha matoky toa an’i Mika, izay nanoratra toy izao isika, amin’izay: “Hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho.”—Mika 7:7.

20, 21. Nahoana no azontsika antoka fa hanao ny marina foana i Jehovah?

20 Azontsika antoka fa hanao ny marina foana i Jehovah. Mampanantena toy izao izy, na dia toa manao ny tsy rariny aza ny olona: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly.” (Romana 12:19) Raha miandry an’i Jehovah isika, dia hatoky toy ny apostoly Paoly izay nilaza hoe: “Misy tsi-fahamarinana va amin’Andriamanitra? Sanatria izany!”—Romana 9:14.

21 Miaina amin’ny “andro mahory” aloha isika izao. (2 Timoty 3:1) Be ny halozana nateraky ny tsy rariny sy ny “fampahoriana.” (Mpitoriteny 4:1) Tsy miova anefa i Jehovah. Mbola halany foana ny tsy rariny, ary tena miahy an’ireo iharan’izany izy. Raha tsy mivadika amin’i Jehovah sy manohana ny zony hitondra isika, dia homeny hery hiaretana, mandra-pahatongan’ny fotoana voatondrony hanesorana ny tsy rariny rehetra, eo ambany fitondran’ilay Fanjakany.—1 Petera 5:6, 7.

^ feh. 13 Hoy i Jehovah momba an’i Joba: “Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany.” (Joba 1:8) Toa velona taorian’i Josefa sy talohan’ny nanendrena an’i Mosesy ho mpitarika ny Isiraely àry i Joba. Izany no antony nilazana tamin’izany fa tsy nisy olona tsy nivadika toa azy.

Fanampim-panazavana

Didim-pitsaran’Andriamanitra—Porofo ve Ireny fa Ratsy Fanahy Izy?

Ratsy fanahy ve Andriamanitra satria nandringana ny olona tamin’ny Safodrano sy nandringana ny Kananita?

Matoky An’Andriamanitra ve Ianao?

Inona no soa horaisinao raha mahafantatra tsara an’Andriamanitra, toy ny namanao akaiky, ianao?