Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 14

Nanome “Avotra Hisolo ny Maro” i Jehovah

Nanome “Avotra Hisolo ny Maro” i Jehovah

1, 2. Ahoana no ilazan’ny Baiboly ny zavatra iainan’ny olona, ary inona no hany fomba ahafahana amin’izany?

“IZAO zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary.” (Romana 8:22) Izany no fomba nilazan’i Paoly ny zavatra mampalahelo iainantsika. Toa tsy misy vahaolana amin’ny fahoriana sy fahotana ary fahafatesana, araka ny fijerin’olombelona. Tsy voafetra toy ny an’ny olona anefa ny zavatra mety ho vitan’i Jehovah. (Nomery 23:19) Nomen’ilay Andriamanitry ny rariny fomba hahafahana amin’ny fahoriana isika. Antsoina hoe avotra izany.

2 Ny avotra no fanomezana lehibe indrindra nomen’i Jehovah ny olona. Io no afaka hanavotra antsika amin’ny fahotana sy fahafatesana. (Efesiana 1:7) Io no fototry fanantenana fiainana mandrakizay, na any an-danitra, na eto an-tany paradisa. (Lioka 23:43; Jaona 3:16; 1 Petera 1:4) Inona anefa ny avotra? Ahoana no ampisehoan’izy io amintsika ny rariny tsy manam-paharoa ampiharin’i Jehovah?

Nahoana no nanjary nilaina ny avotra?

3. a) Nahoana no nanjary nilaina ny avotra? b) Nahoana i Jehovah no tsy nanameloka ny taranak’i Adama ho faty fotsiny?

3 Nanjary nilaina ny avotra, satria nanota i Adama. Tsy nankatò an’Andriamanitra izy, ka aretina, alahelo sy fanaintainana ary fahafatesana no lova napetrany ho an’ny taranany. (Genesisy 2:17; Romana 8:20) Tsy azon’Andriamanitra natao ny tsy niraharaha ilay fanamelohana ho faty, satria ho toy ny nanda ity lalàny ity izy raha nanao izany: “Fahafatesana no tambin’ny ota.” (Romana 6:23) Korontana sy tsy fanarahan-dalàna no ho nanjaka raha tsy niraharaha ny fitsipiky ny rariny napetrany izy!

4, 5. a) Ahoana no nanendrikendrehan’i Satana an’i Jehovah, ary nahoana i Jehovah no nahatsiaro fa tokony hovaliana izany? b) Inona no fiampangan’i Satana an’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika?

 4 Hitantsika tao amin’ny Toko 12 fa nisy adihevitra lehibe nipoitra noho ilay fikomiana tany Edena. Nanala baraka ny anaran’Andriamanitra i Satana. Nendrikendrehiny ho mpandainga i Jehovah, sady nolazainy fa mpanao didy jadona sy tsy manome fahalalahana ny zavaboariny. (Genesisy 3:1-5) Toa voasakan’i Satana ny fikasan’i Jehovah hameno ny tany amin’ny olo-marina, ka nolazainy fa tsy mahavita na inona na inona i Jehovah. (Genesisy 1:28; Isaia 55:10, 11) Raha tsy novalian’i Jehovah ireo fihantsiana ireo, dia ho maro tamin’ireo zavaboariny manan-tsaina no nety ho tsy natoky ny fitondrany.

5 Nanendrikendrika ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika koa i Satana, ka nilaza fa fitiavan-tena no anompoan’izy ireo Azy, ka hivadika izy ireo, raha misy fisedrana. (Joba 1:9-11) Zava-dehibe lavitra noho ny fahorian’ny olombelona ireo adihevitra ireo. Rariny raha nahatsiaro i Jehovah hoe tokony hovaliana ny fiampangan’i Satana. Ahoana anefa no handaminan’i Jehovah an’ireo adihevitra ireo no sady hamonjeny ny olona koa?

Zavatra nifanandrify tamin’ny avotra

6. Ahoana indraindray no ilazan’ny Baiboly ny fomba amonjen’Andriamanitra ny olona?

6 Sady feno famindram-po no tena araka ny rariny ny vahaolana nomen’i Jehovah, ary tsy hisy olombelona ho afaka hahita vahaolana toy izany. Tena tsotra koa anefa izy io. Resahina hoe fividianana, na fampihavanana izy io indraindray. (1 Korintiana 6:20; Kolosiana 1:20) Ilay teny nampiasain’i Jesosy mihitsy angamba anefa no tena mahalaza an’ilay izy. Hoy izy: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra [grika: ly′tron] hisolo ny maro.”—Matio 20:28.

7, 8. a) Inona no dikan’ny “avotra” ao amin’ny Soratra Masina? b) Nahoana no lazaina hoe manondro zavatra mitovy ny avotra?

 7 Inona no atao hoe avotra? Midika hoe “mamaha, manafaka”, ilay teny grika ampiasaina eo. Ampiasaina io teny io mba hilazana vola aloa mba hanafahana babo an’ady. Ny hoe avotra àry dia azo faritana hoe zavatra aloa mba hamerenana zavatra iray. Ilay teny hoe “avotra” ao amin’ny Soratra Hebreo (ko′pher), dia avy amin’ny matoanteny midika hoe “manarona.” Nilaza tamin’i Noa, ohatra, Andriamanitra, fa tsy maintsy ‘hopetahany’ (hebreo: “hosaronany”, teny iray tarika amin’ny ko′pher) dity ilay sambo fiara. (Genesisy 6:14) Takatsika avy amin’izany fa midika hoe manarona fahotana koa ny hoe manavotra.

8 Milaza koa ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy) fa “manondro zavatra mitovy”, na mifanandrify foana io teny (ko′pher) io. Noho izany, dia nitovy, na nifanandrify tsara, ny endriky ny saron’ny fiaran’ny fanekena sy ilay fiara. Toy izany koa ny fanavotana na fanaronana ny fahotana. Tsy maintsy nisy vidiny mitovy naloa, ka manarona tanteraka ny voka-dratsin’ny fahotana. Hoy ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely: “Aina no hataonao solon’ny aina, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tànana solon’ny tànana, tongotra solon’ny tongotra.”—Deoteronomia 19:21.

9. Nahoana ireo lehilahy nanam-pinoana no nanolotra sorona biby, ary ahoana no niheveran’i Jehovah an’ireny?

9 Nanao fanatitra biby ho an’Andriamanitra ireo olona nanam-pinoana nanomboka tamin’i Abela. Nasehon’izy ireo tamin’izany fa takany hoe mpanota izy ka nila mpanavotra. Nasehony koa ny finoany ny fampanantenan’Andriamanitra fanafahana amin’ny alalan’ilay ‘taranaka.’ (Genesisy 3:15; 4:1-4; Levitikosy 17:11; Hebreo 11:4) Nankasitrahan’i Jehovah ireny fanatitra ireny sy ireo mpivavaka taminy  nanolotra azy ireny. Famantarana fotsiny anefa ny fanatitra biby. Tsy afaka nanarona ny fahotan’ny olona ny biby, satria mbola ambany noho izy. (Salamo 8:4-8) Hoy ny Baiboly: “Tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy.” (Hebreo 10:1-4) Zavatra nifanandrify tamin’ilay sorom-panavotana ho avy atỳ aoriana fotsiny ireny fanatitra ireny.

Avotra mifanandrify

10. a) Tsy maintsy nifanandrify tamin’iza ilay mpanavotra, ary nahoana? b) Nahoana no olona iray monja no nilaina hatao sorona?

10 ‘Maty ao amin’i Adama ny olona rehetra’, hoy ny apostoly Paoly. (1 Korintiana 15:22) Tsy maintsy nisy olona iray natao sorona àry, sady tsy maintsy nitovy tanteraka tamin’i Adama izy io, izany hoe lavorary. (Romana 5:14) Tsy nisy zavaboary hafa afaka nanatanteraka izany, ka nampifandanja ny rariny. Olona lavorary sy tsy voaheloka ho faty noho ny otan’i Adama ihany no afaka nanolotra avotra nifanandrify tanteraka tamin’i Adama. (1 Timoty 2:6) Tsy hilaina ny hanaovana sorona olona an-tapitrisa mba hifanandrify amin’ny taranak’i Adama tsirairay. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana.’ (Romana 5:12) Ary “satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana”, dia “Olona iray” koa no nomen’Andriamanitra mba hanavotra ny olona. (1 Korintiana 15:21) Tamin’ny fomba ahoana?

‘Avotra mifanandrify ho an’ny rehetra’

11. a) Inona no dikan’ilay hoe “hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra” ilay mpanavotra? b) Nahoana i Adama sy Eva no tsy mandray soa avy amin’ilay avotra? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Nataon’i Jehovah izay hisian’ny olona lavorary hanolotra an-tsitrapo ny ainy. “Fahafatesana no tambin’ny ota”, hoy ny Romana 6:23. Tsy maintsy “hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra” ilay mpanavotra, rehefa hanao sorona ny ainy. Midika izany fa handoa ny vidin’ny fahotan’i Adama izy. (Hebreo 2:9; 2 Korintiana 5:21; 1 Petera 2:24) Nisy vokany lehibe teo amin’ny lalàna izany. Nofoanan’ny  avotra ilay fanamelohana ho faty ny taranak’i Adama mankatò, ka foana koa ny herin’ny fahotana. *Romana 5:16.

12. Hazavao ilay fanoharana mba hilazana fa mahasoa olona maro ny fandoavana trosa iray.

12 Indro misy fanoharana: Aoka hatao hoe mipetraka ao amin’ny tanàna iray misy olona maro miasa amin’ny orinasa lehibe iray ianao. Tsara karama ianao sy ireo mpiara-monina, sady mba miadana ihany. Nikatona anefa ilay orinasa. Fa nahoana? Ratsy toetra ilay mpitantana, ka nanjary bankirompitra ilay orinasa. Tsy an’asa tampoka ianao sy ireo mpiara-monina, ka tsy nanam-bola handoavana ny zavatra tokony haloa rehetra. Mijaly ny vady aman-janaka sy ireo tompon-trosa, noho ny toetra ratsin’ilay mpitantana. Misy vahaolana ve? Eny! Nanao zavatra ny mpanan-karena iray tia manao soa. Tiany ny asan’ilay orinasa. Nalahelo an’ireo mpiasa sy ny fianakavian’izy ireo koa izy. Naloany àry ireo trosan’ilay orinasa, ka nisokatra indray izy io. Afaka ireo mpiasa sy ny fianakaviany ary ireo tompon-trosa satria nofoanana io trosa io. Nitondra soa ho an’olona maro tsy hita isa koa ny fanafoanana ny trosan’i Adama.

Iza no nanome ny avotra?

13, 14. a) Ahoana no nanomezan’i Jehovah avotra ho an’ny olona? b) Tamin’iza no nandoavana ny avotra, ary nahoana no nilaina izany?

13 I Jehovah ihany no afaka nanome ny ‘Zanak’ondry, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.’ (Jaona 1:29) Tsy rehefa mety ho anjely anefa no nalefan’Andriamanitra hanavotra ny olombelona. Tsy iza kosa no nalefany fa ilay hany afaka mamaly amin’ny fomba tsy misy iadian-kevitra ny fanendrikendrehan’i Satana ny mpanompon’i Jehovah.  Nanao sorona lehibe indrindra i Jehovah rehefa nandefa ny Zanany lahitokana, dia ilay tiany sady “teo anilany.” (Ohabolana 8:30) Nanaiky ‘hanafoana ny tenany’, na ny maha anjely azy, io Zanak’Andriamanitra io. (Filipiana 2:7) Nanao fahagagana i Jehovah namindra ny aina sy toetran’io Zanany lahimatoa tany an-danitra io, ho ao an-kibon’ny virjiny jiosy nantsoina hoe Maria. (Lioka 1:27, 35) Jesosy no lasa anarany. Raha eo amin’ny lafiny lalàna kosa, dia azo antsoina hoe Adama faharoa izy, satria nifanandrify tanteraka tamin’i Adama. (1 Korintiana 15:45, 47) Afaka nanolotra ny tenany ho sorona hanavotra ny olombelona mpanota àry i Jesosy.

14 Tamin’iza no naloa ny avotra? Milaza ny Salamo 49:7 fa naloa ‘tamin’Andriamanitra’ izy io. Tsy i Jehovah ve anefa no nanao izay hanolorana ny avotra? Marina izany, saingy izany akory tsy mahatonga ny avotra ho fifanakalozana tsotra fotsiny, toy ny famindrana vola avy ao amin’ny paosy iray ho ao amin’ny paosy hafa. Tsy maintsy takatsika fa tsy fifanakalozana ara-bakiteny ny avotra, fa fifanakalozana eo amin’ny lafiny ara-dalàna. Nataon’i Jehovah izay handoavana ny avotra, na dia lafo, na sarotra be taminy aza izany. Izany anefa no nanamafisany fa manaraka tanteraka ny fitsipiky ny rariny napetrany izy.—Genesisy 22:7, 8, 11-13; Hebreo 11:17; Jakoba 1:17.

15. Nahoana no tsy maintsy nijaly sy maty i Jesosy?

15 Nanaiky hijaly i Jesosy Kristy, teo antenatenan’ny taona 33, ka io fijaliana io no nitarika ho amin’ny fandoavana ny avotra. Nanaiky hosamborina noho ny fiampangana lainga izy, nolazaina ho meloka, ary nofantsihina mba ho faty teo amin’ny hazo. Tsy maintsy nijaly toy izany ve i Jesosy? Eny, satria tsy maintsy nofaranana ilay adihevitra momba ny tsy fivadihan’ny mpanompon’Andriamanitra. Mahaliana fa tsy navelan’Andriamanitra hovonoin’i Heroda i Jesosy, tamin’izy mbola zaza. (Matio 2:13-18) Afaka niaritra ny fanafihan’i Satana kosa izy rehefa lehibe, satria fantany tsara ireo  adihevitra momba izany. * Tsy mivadika, “tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota” i Jesosy, ka nanome porofo tsy azo lavina fa misy mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, na dia ao anatin’ny fisedrana aza. (Hebreo 7:26) Tsy mahagaga àry, raha niteny toy izao izy, tamin’ny fotoana hahafatesany: “Vita.”—Jaona 19:30.

Famaranana ilay asa fanavotana

16, 17. a) Ahoana no nanohizan’i Jesosy ny asa fanavotana? b) Nahoana no tsy maintsy niseho ‘teo anatrehan’Andriamanitra ho antsika’ i Jesosy?

16 Tsy maintsy namarana ilay asa fanavotana i Jesosy. Natsangan’i Jehovah izy, telo andro taorian’ny nahafatesany. (Asan’ny Apostoly 3:15; 10:40) Nasehon’i Jehovah tamin’izany asa hafakely izany fa tsy vitan’ny hoe namaly soa ny tsy fivadihan’ilay Zanany izy, fa nomeny azy io koa ny fahafahana ho tonga Mpisoronabe, mba hamaranana ny asa fanavotana nataony. (Romana 1:4; 1 Korintiana 15:3-8) Hoy ny apostoly Paoly: “Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ..., [dia] tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay. Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika.”—Hebreo 9:11, 12, 24.

17 Tsy afaka nitondra ny rany tany an-danitra i Kristy. (1 Korintiana 15:50) Nitondra zavatra nifanandrify tamin’ny ra  kosa izy, dia ny vidiny araka ny lalàna ho an’ny ainy lavorary nataony sorona. Nentiny teo anatrehan’Andriamanitra ny vidin’io ainy nataony sorona io, mba hatakalo ny olombelona mpanota. Nanaiky an’ilay sorona ve i Jehovah? Eny, ary niharihary izany tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatra 120 tany Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 2:1-4) Vao fiandohan’ny soa maro hafa anefa ilay avotra, na dia zava-mahafinaritra aza.

Soa azo noho ny avotra

18, 19. a) Iza avy ireo antokon’olona roa mandray soa amin’ny fampihavanana amin’ny alalan’ny ran’i Kristy? b) Inona no anisan’ny soa ankehitriny sy ho avy raisin’ny “olona betsaka” avy amin’ny avotra?

18 Nanazava i Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kolosianina, fa sitrak’Andriamanitra ny hampihavanana ny zavatra rehetra Aminy, amin’ny alalan’i Kristy, ka handatsahana ny ran’i Jesosy eo amin’ny hazo fijaliana. Nohazavain’i Paoly koa fa antokon’olona roa no voakasik’io fampihavanana io, dia ny zavatra “any an-danitra” sy ny “etỳ an-tany.” (Kolosiana 1:19, 20; Efesiana 1:10) Ireo Kristianina 144 000 no zavatra any an-danitra. Nomena azy ireo ny fanantenana hanompo amin’ny maha mpisorona any an-danitra sy ho mpanjakan’ny tany miaraka amin’i Kristy Jesosy. (Apokalypsy 5:9, 10; 7:4; 14:1-3) Hampiharina tsikelikely mandritra ny arivo taona, amin’ny alalan’izy ireo, ny soa avy amin’ny avotra ho an’ny olombelona mankatò.—1 Korintiana 15:24-26; Apokalypsy 20:6; 21:3, 4.

19 Ireo zavatra eto an-tany kosa dia ireo hanana fiainana lavorary ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Izy ireo no lazain’ny Apokalypsy 7:9-17 hoe “olona betsaka”, tsy ho faty mandritra ilay “fahoriana lehibe” ho avy. Tsy voatery hiandry an’izany anefa izy ireo vao handray soa avy amin’ny avotra. Efa ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo. Mino ny avotra izy ireo, ka efa mandray soa ara-panahy sahady avy amin’io fandaharana feno fitiavana  io. Nambara fa marina izy ireo, ka antsoina hoe sakaizan’Andriamanitra! (Jakoba 2:23) Azon’izy ireo atao, noho ny soron’i Jesosy, ny ‘manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana.’ (Hebreo 4:14-16) Mahazo ny tena famelan-keloka izy ireo rehefa sendra diso. (Efesiana 1:7) Madio ny eritreritr’izy ireo, na dia tsy lavorary aza izy ireo. (Hebreo 9:9; 10:22; 1 Petera 3:21) Tsy zavatra mbola lavitra àry ny hoe mihavana amin’Andriamanitra indray, fa efa zava-misy ankehitriny mihitsy! (2 Korintiana 5:19, 20) “Hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana”, izy ireo, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, ary amin’ny farany dia hahazo ny “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—Romana 8:21.

20. Inona no vokatry ny fisaintsainana momba ny avotra eo aminao?

20 ‘Misaotra an’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Kristy’ isika, noho ny avotra! (Romana 7:25) Tsotra ny fitsipik’izy io, nefa lalina ka mahagaga antsika. (Romana 11:33) Manohina ny fontsika ny avotra, rehefa saintsainina sy ankasitrahantsika, ka mahatonga antsika hanatona an’ilay Andriamanitry ny rariny. Tena tokony hidera an’i Jehovah toa an’ilay mpanao salamo isika, satria “tia fahamarinana sy rariny Izy.”—Salamo 33:5.

^ feh. 11 Tsy afaka mandray soa avy amin’ilay avotra i Adama sy Eva. Izao no nolazain’ny Lalàn’i Mosesy momba izay ninia namono olona: “Hianareo tsy handray avotry ny ain’ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty.” (Nomery 35:31) Mendrika ho faty tokoa i Adama sy Eva, satria ninia tsy nankatò an’Andriamanitra. Tsy ho afaka ny hiaina mandrakizay izy ireo, noho izany.

^ feh. 15 Tsy maintsy maty i Jesosy, mba hanonerana ny fahotan’i Adama. Tsy zazakely anefa izy tamin’izay, fa lehilahy lehibe lavorary. Tadidio fa ninia nanota i Adama, ary fantany tsara fa tena tsy nety izany sady hainy koa izay ho vokany. Tsy maintsy ho toy izany koa àry i Jesosy. Nisafidy ny tsy hivadika tamin’i Jehovah izy, mba hahatonga azy ho “Adama farany” sy hanarona ny fahotan’i Adama. (1 Korintiana 15:45, 47) “Fanamarinana” tokoa àry ny fiainan’i Jesosy manontolo, anisan’izany ny fahafatesany ho sorona.—Romana 5:18, 19.