Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 16

‘Manaova ny Marina’, Sady Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra

‘Manaova ny Marina’, Sady Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra

1-3. a) Nahoana isika no manana adidy amin’i Jehovah? b) Inona no angatahin’ilay Mpanavotra be fitiavana amintsika?

ERITRERETO hoe ao anaty sambo efa hilentika ianao. Efa nieritreritra ny ho faty ianao, no indro nisy mpanavotra nisintona anao. Ho maivamaivana erỳ ianao rehefa entin’ilay mpanavotra manalavitra ny loza, ka ilazany hoe: “Efa avotra ianao izao!” Tsy hahatsiaro ho manana adidy amin’io olona io ve ianao? Izy mihitsy àry no nanavotra ny ainao.

2 Mitovitovy amin’ny zavatra nataon’i Jehovah ho antsika izany. Tena manana adidy aminy isika. Izy tokoa no nanome ny avotra, ka hahafahantsika ho voavonjy amin’ny ota sy fahafatesana. Tsy matahotra isika satria mahafantatra fa avela ny helotsika, raha mbola mino an’io sorona sarobidy io isika, ary azo antoka ny hoavintsika mandrakizay. (1 Jaona 1:7; 4:9) Hitantsika tao amin’ny Toko 14 fa ny avotra no fomba lehibe indrindra isehoan’ny fitiavana sy ny rariny ataon’i Jehovah. Ahoana no tokony ho fihetsitsika?

3 Mety ny mandinika ny zavatra angatahin’ilay Mpanavotra be fitiavana amintsika. Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Mika mpaminany: “Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” (Mika 6:8) Mariho fa anisan’ny zavatra angatahin’i Jehovah amintsika ny “hanao ny marina.” Ahoana no anaovantsika izany?

Fitadiavana ny ‘tena fahamarinana’

4. Ahoana no ahafantarantsika fa manantena ny hanarahantsika ny fitsipiny marina i Jehovah?

4 Antenain’i Jehovah hanaraka ny fitsipiny momba ny tsara  sy ny ratsy isika. Marina sy mahitsy ny fitsipiny, ka manao ny marina sy mahitsy isika rehefa manaraka izany. “Mianara hanao ny tsara, diniho izay rariny”, hoy ny Isaia 1:17. Mampirisika antsika ‘hitady ny fahamarinana’ ny Tenin’Andriamanitra. (Zefania 2:3) Ampirisihiny koa isika mba ‘hitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny tena fahamarinana.’ (Efesiana 4:24) Ny tena marina na rariny, dia tsy misy herisetra sy fahalotoana ary fahalotoam-pitondran-tena, satria mifanohitra amin’ny fahamasinana izany.—Salamo 11:5; Efesiana 5:3-5.

5, 6. a) Nahoana no tsy enta-mavesatra ho antsika ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah? b) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa zavatra mitohy ny fitadiavana ny fahamarinana?

5 Enta-mavesatra ho antsika ve ny manaraka ny fitsipika marin’i Jehovah? Tsia. Tsy mahatezitra antsika ny fitsipiny raha tia azy isika. Tiantsika ilay Andriamanitsika sy ny momba azy rehetra, ka tiantsika hahafaly azy ny fiainantsika. (1 Jaona 5:3) Tadidio fa ‘fahamarinana no tian’i Jehovah.’ (Salamo 11:7) Raha tena tiantsika ny hanao ny rariny toa azy, dia tsy maintsy tia an’izay tiany isika, ary mankahala izay halany.—Salamo 97:10.

6 Tsy mora amin’ny olona tsy lavorary ny mitady ny fahamarinana. Tsy maintsy esorintsika ny toetra taloha sy ny ota miaraka aminy, ary tafintsika ny toetra vaovao. Milaza ny Baiboly fa “havaozina” amin’ny alalan’ny fahalalana marina ny toetra vaovao. (Kolosiana 3:9, 10) Ilay hoe “havaozina” dia midika fa zavatra mitohy ny fitafiana ny toetra vaovao, ary mitaky ezaka be. Indraindray anefa, noho isika mpanota, dia mety hieritreritra, na hiteny, na hanao zavatra tsy mety isika, na dia miezaka mafy hanao ny marina aza.—Romana 7:14-20; Jakoba 3:2.

7. Inona no tokony hoeritreretintsika raha lavo indray isika, rehefa niezaka hitady ny fahamarinana?

7 Inona no tokony hoeritreretintsika raha lavo indray isika, rehefa niezaka hitady ny fahamarinana? Mazava ho azy fa tsy tiantsika hohamaivanina ny fahotana. Tsy tokony ho kivy  koa anefa isika, ka hihevitra fa tsy mendrika hanompo an’i Jehovah, satria nanota. Mamindra fo izy, ka nataony izay hahatonga ireo nibebaka hahazo ny fankasitrahany indray. Eritrereto ireto fanomezan-toky nataon’ny apostoly Jaona ireto: “Izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo.” Niteny ny zava-misy indray anefa izy hoe: “Ary raha misy manota [noho ny tsy fahalavorariana nolovana], dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina.” (1 Jaona 2:1) Nanome ny sorom-panavotan’i Jesosy tokoa i Jehovah, mba hahafahantsika hanompo azy, na dia mpanota aza isika. Moa ve izany tsy mandrisika antsika hanao izay vitantsika mba hahafaly an’i Jehovah?

Ny vaovao tsara sy ny rariny ataon’Andriamanitra

8, 9. Nahoana ny fitoriana ny vaovao tsara no mampiseho ny rariny ataon’i Jehovah?

8 Afaka manao ny rariny isika, ka hanahaka an’Andriamanitra, rehefa mandray anjara feno amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Inona no ifandraisan’ny rariny ataon’i Jehovah sy ny vaovao tsara?

9 Tsy hamarana an’ity tontolo ratsy ity i Jehovah, raha tsy efa avy nandefa fampitandremana. Hoy i Jesosy, tao amin’ny faminaniany momba izay hitranga amin’ny fotoan’ny farany: “Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.” (Marka 13:10; Matio 24:3) Ilay teny hoe “aloha” dia midika fa hisy zavatra hafa hitranga aorian’ilay fitoriana atao maneran-tany. Anisan’izany ilay fahoriana lehibe, izay handringana ny ratsy fanahy sy hitondra ilay tontolo vaovao sy marina. (Matio 24:14, 21, 22) Tsy misy afaka milaza an’i Jehovah ho manao ny tsy rariny amin’ny ratsy fanahy. Efa omeny fahafahana hiova izy ireny, mba tsy ho ringana, satria efa asainy alefa ny fampitandremana.—Jona 3:1-10.

Manao ny rariny toa an’i Jehovah ireo anti-panahy rehefa mampahery ny ketraka

10, 11. Nahoana no manao ny rariny toa an’Andriamanitra isika, rehefa mitory ny vaovao tsara?

10 Nahoana no manome taratry ny rariny ataon’Andriamanitra  ny fitoriantsika ny vaovao tsara? Voalohany, satria rariny raha manao izay azontsika atao isika mba hahavoavonjy ny olon-kafa. Eritrereto indray ilay famonjena avy ao amin’ilay sambo efa hilentika. Efa voavonjy ao anaty lakan’aina ianao, ka azo antoka fa te hamonjy olon-kafa mbola ao anaty rano. Manana adidy toy izany koa isika, amin’ireo miady amin’ny “rano” iray hafa, dia ity tontolo ratsy ity. Marina fa maro no mandà ny hafatra entintsika. Raha mbola mahari-po koa anefa i Jehovah, dia manana andraikitra hanome azy ireny fahafahana “ho tonga amin’ny fibebahana” isika, mba hahavoavonjy azy ireny.—2 Petera 3:9.

11 Manao ny rariny koa isika raha tsy manavaka rehefa mitory ny vaovao tsara amin’ireo olona hitantsika. Tadidio fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Tsy tokony hitsara mialoha ny olona isika, raha manao ny rariny toa an’i Jehovah. Tokony hitoriantsika ny vaovao tsara foana kosa ny olona, ka tsy hojerentsika ny firazanany, na ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina, na ny fananany. Ataontsika àry izay hahafahan’ny rehetra handre ka hanaiky ny vaovao tsara.—Romana 10:11-13.

Ny fomba itondrantsika ny olona

12, 13. a) Nahoana isika no tsy tokony ho may hitsara olona? b) Inona no dikan’ilay anatr’i Jesosy hoe “aza mitsara” sy “aza manameloka”? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

12 Manao ny rariny koa isika, rehefa mitondra ny olona araka ny itondran’i Jehovah antsika. Mora ny mitsara olona sy mitsikera ny fahadisoany ary mihevitra azy ireny ho ratsy saina. Iza amintsika anefa no maniry hataon’i Jehovah toy izany, ka tsy hamindrany fo mihitsy? Tsy izany no fomba itondran’i Jehovah antsika. Hoy ny mpanao salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3) Tsy velom-pankasitrahana ve  isika satria tsy mandinika ny fahadisoantsika ilay Andriamanitsika manao ny rariny sy mamindra fo? (Salamo 103:8-10) Ahoana àry no tokony hitondrantsika ny olona?

13 Raha takatsika fa mamindra fo Andriamanitra rehefa manao ny rariny, dia tsy ho may hitsara olona isika, rehefa misy raharaha tsy mahakasika antsika loatra, na tsy lehibe loatra. Nampitandrina toy izao i Jesosy, nandritra ilay Toriteny teo An-tendrombohitra: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo.” (Matio 7:1) Niteny toy izao koa i Jesosy, araka ny fitantaran’i Lioka: “Aza manameloka, dia tsy hohelohina hianareo.” * (Lioka 6:37) Nasehon’i Jesosy fa takany hoe tsy lavorary ny olona, ka tia mitsara ny namany. Tokony tsy hitsara olona intsony ireo mpihaino azy izay efa zatra nitsara olona tsy nisy antra.

14. Inona avy no antony tsy tokony hitsarantsika olona?

14 Nahoana isika no tsy tokony hitsara olona? Satria voafetra ny fahefantsika. Mampahatsiahy antsika i Jakoba mpianatra hoe: “Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara”, dia i Jehovah. Nanontany àry i Jakoba hoe: “Iza moa hianao, no mitsara ny namanao?” (Jakoba 4:12; Romana 14:1-4) Mora ho antsika koa ny manao fitsarana miangatra, satria mpanota isika. Mety hanimba ny fomba fijerintsika ny olon-kafa ny toetra sy toe-tsaina samihafa, toy ny fanavakavahana, hambom-po voaratra, fialonana, ary fanamarinan-tena. Misy zavatra hafa koa mametra antsika, ka tokony hanakana antsika tsy ho may hitsingoloka ny fahadisoan’ny namantsika ny fieritreretana izany. Tsy afaka mamaky ny ao am-po isika, sady tsy fantatsika ny tarehin-javatra misy ny olona tsirairay. Iza àry isika no ho afaka hitsara ny mpiray finoana amintsika, na hitsikera ny ezaka ataon’izy ireo hanompoana an’Andriamanitra? Tena tsara kokoa raha manahaka an’i Jehovah isika,  ka hitady izay tsara ao amin’ireo rahalahy sy anabavintsika, fa tsy hifantoka amin’ny fahalemen’izy ireny!

15. Inona no teny sy fomba fitondra olona tsy mety amin’ny mpivavaka amin’Andriamanitra, ary nahoana?

15 Ary ny mpianakavintsika? Mampalahelo fa ao an-trano indray ankehitriny no ahitana fitsarana masiaka indrindra, na dia ao aza no tokony ho fialofana tsara indrindra. Tsy mahalana no misy lehilahy, na vehivavy manambady, na ray aman-dreny masiaka sy ‘manasazy’ ny mpianakaviny amin’ny alalan’ny teny mahery sy ny famonoana. Tsy mety amin’ny mpivavaka amin’Andriamanitra anefa ny teny ratsy, vazivazy manambany ary ny herisetra. (Efesiana 4:29, 31; 5:33; 6:4) Mbola mihatra foana ireo torohevitr’i Jesosy hoe “aza mitsara” sy “aza manameloka”, na dia ao an-trano aza. Tadidio fa anisan’ny fanaovana ny rariny ny fitondrana ny olona toy ny itondran’i Jehovah antsika. Tsy masiaka na tsy misy  antra mihitsy ny fitondran’ilay Andriamanitsika antsika. Tena “miantra indrindra” an’ireo tia azy kosa izy. (Jakoba 5:11) Ohatra tsara tokony harahina izany!

Anti-panahy manompo “araka ny rariny”

16, 17. a) Inona no antenain’i Jehovah amin’ireo anti-panahy? b) Inona no tsy maintsy atao rehefa tsy tena mibebaka ny olona iray nanota, ary nahoana?

16 Isika rehetra no tokony hanao ny rariny, indrindra indrindra fa ireo anti-panahy. Mariho ny filazalazana an’ireo andriana, na anti-panahy, resahin’i Isaia: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny.” (Isaia 32:1) Antenain’i Jehovah hanao ny rariny tokoa ireo anti-panahy. Ahoana no anaovan’izy ireo izany?

17 Fantatr’ireny lehilahy mahafeno fepetra ara-panahy ireny tsara fa mitaky ny hihazonana ny fiangonana ho madio hatrany ny rariny. Voatery mitsara fanaovan-dratsy lehibe ireo anti-panahy, indraindray. Tadidin’izy ireo amin’izany fa mitaky famindram-po ny rariny ataon’Andriamanitra, raha mbola mety koa izany. Miezaka hitarika ilay nanota mba hibebaka àry izy ireo. Ahoana anefa raha tsy tena mibebaka izy io, na dia nampiana be aza? Milaza ny rariny tanteraka ny Tenin’i Jehovah, ka manoro ny dingana hentitra tokony harahina: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy.” Midika izany hoe horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana izy. (1 Korintiana 5:11-13; 2 Jaona 9-11) Malahelo ireo anti-panahy rehefa voatery manao izany, nefa takatr’izy ireo fa ilaina izany mba hiarovana ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ara-panahin’ny fiangonana. Mbola manantena koa anefa izy ireo fa hody ny sain’ilay nanao ratsy, ary ho anisan’ny fiangonana indray izy indray andro any.—Lioka 15:17, 18.

18. Inona no tadidin’ireo anti-panahy rehefa manoro hevitra miorina amin’ny Baiboly izy ireo?

18 Anisan’ny fanompoana araka ny rariny koa ny fanoroana hevitra miorina amin’ny Soratra Masina, rehefa ilaina izany.  Mazava ho azy fa tsy mitady kilema amin’ny olon-kafa ireo anti-panahy. Tsy manararaotra ny zava-mitranga mba hanomezana fanitsiana koa izy ireo. Mety ho “azon’ny ota tsy nahy” anefa ny mpiray finoana. Mahatsiaro ireo anti-panahy fa tsy lozabe na mafy fo ny rariny ataon’Andriamanitra, ka miezaka izy ireo mba ‘hanangana ilay olona amin’ny fahamorana.’ (Galatiana 6:1) Tsy handevilevy na hanao teny mahery amin’ilay nanao fahadisoana àry ireo anti-panahy. Mampahery an’ilay olona omena azy kosa ny torohevitra omena amim-pitiavana. Mety ho fananarana mafy anefa no omen’ireo anti-panahy, izany hoe milaza mivantana ny voka-dratsin’ny fahadisoana. Na izany aza, dia hotadidin’izy ireo fa ondrin’i Jehovah ilay olona nanao fahadisoana. * (Lioka 15:7) Mora kokoa amin’ilay nanao fahadisoana ny miova, rehefa ny fitiavana no antony anomezana torohevitra sy fananarana.

19. Inona avy no fanapahan-kevitra asaina raisin’ireo anti-panahy, ary tokony hiorina amin’inona izany?

19 Matetika ny anti-panahy no asaina mandray fanapahan-kevitra mahakasika ny mpiray finoana. Mivory tsindraindray, ohatra, izy ireo, mba handinika raha mahafeno fepetra hatolotra ho anti-panahy, na mpanampy amin’ny fanompoana, ireo rahalahy eo anivon’ny fiangonana. Fantatr’ireo anti-panahy fa zava-dehibe ny tsy manavakavaka. Avelan’izy ireo hitarika azy amin’ny fanapahan-keviny ny fepetra takin’Andriamanitra amin’ireny fanendrena ireny, fa tsy miantehitra amin’ny fihetseham-pony fotsiny izy ireo. “Tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin’ny fiangarana” àry izy ireo.—1 Timoty 5:21.

20, 21. a) Miezaka ho inona ireo anti-panahy, ary nahoana? b) Inona no azon’ny anti-panahy atao mba ‘hampaherezana ny reraka’?

 20 Manao ny rariny toa an’Andriamanitra amin’ny fomba hafa koa ireo anti-panahy. Nilaza i Isaia fa hanompo “araka ny rariny” ireo anti-panahy. Hoy koa anefa izy: “Hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.” (Isaia 32:2) Miezaka àry ireo anti-panahy mba ho fampiononana sy famelombelomana ho an’ireo mpiara-mivavaka aminy.

21 Maro ankehitriny no mila fankaherezana, satria be ny zava-manahirana mahakivy. Inona no azonareo anti-panahy atao mba ‘hampaherezana ny reraka’? (1 Tesaloniana 5:14) Henoy izy ireo, ary miaraha miory aminy. (Jakoba 1:19) Mety hila ny hiresaka ny ‘alahelo ao am-pony’ amin’ny olona azony itokisana izy ireny. (Ohabolana 12:25) Omeo toky izy ireny  fa ilaina sy sarobidy ary tiana, eo imason’i Jehovah sy ireo rahalahy sy anabaviny izy ireo. (1 Petera 1:22; 5:6, 7) Afaka miara-mivavaka amin’izy ireny sy mivavaka mitokana ho azy koa ianareo. Tena mampahery ny mandre anti-panahy manao vavaka avy amin’ny fo ho azy ireny. (Jakoba 5:14, 15) Ho voamarik’ilay Andriamanitry ny rariny ny ezaka feno fitiavana ataonareo mba hanampiana ny ketraka.

Manao ny rariny toa an’Andriamanitra isika rehefa tsy manavakavaka mitory ny vaovao tsara

22. Ahoana avy no anaovantsika ny rariny toa an’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany?

22 Mihakaiky an’i Jehovah hatrany tokoa isika rehefa manao ny rariny toa azy! Manao rariny toa azy isika rehefa manaraka ny fitsipiny marina, mitory ny vaovao tsara mety hamonjy ny ain’ny olona, ary mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olon-kafa fa tsy amin’ny kileman’izy ireny. Manao ny rariny toa an’Andriamanitra koa ianareo anti-panahy, rehefa miaro ny fahadiovan’ny fiangonana, manome torohevitra mampahery avy ao amin’ny Soratra Masina, mandray fanapahan-kevitra tsy misy fanavakavahana, ary mampahery ny ketraka. Tsy maintsy hahafinaritra an’i Jehovah ny miondrika any an-danitra ka mahita ny vahoakany miezaka mafy ‘hanao ny marina’, eo am-piaraha-mandeha Aminy!

^ feh. 13 Filaza mandidy amin’ny endriny (mitohy) ankehitriny no nampiasain’ilay mpanoratra ny Baiboly teto. Noho izany, dia zavatra mbola nitohy tamin’ilay fotoana resahiny no nolazainy teo, kanefa tokony hatsahatra amin’izay.

^ feh. 18 Milaza ny 2 Timoty 4:2 fa tsy maintsy ‘mandresy lahatra, mampirisika, mananatra mafy’ ny anti-panahy, indraindray. Ilay teny grika nadika hoe ‘mananatra mafy’ (pa·ra·ka·le′o) dia mety hidika hoe “mampahery.” Mety hanondro mpisolovava any amin’ny fitsarana ilay teny grika mifandray amin’io hoe pa·ra′kle·tos. Tokony hanampy an’ireo mila fanampiana ara-panahy àry ireo anti-panahy, na dia rehefa mananatra mafy aza.

Fanampim-panazavana

‘Mpiara-miasa mba Hahazoantsika Fifaliana’ ny Anti-panahy

Hita ato hoe ahoana no ataon’ny anti-panahy mba hahatonga an’ireo rahalahy sy anabavy ho faly manompo an’Andriamanitra.