Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 13

“Tsy Misy Tsiny ny Lalàn’i Jehovah”

“Tsy Misy Tsiny ny Lalàn’i Jehovah”

1, 2. Nahoana no maro no tsy miraharaha lalàna, nefa inona no mety ho tsapantsika momba ny lalàn’Andriamanitra?

“LAVAKA lalina ny lalàna, ary ... mitelina ny zavatra rehetra”, hoy ny boky iray natonta tamin’ny 1712. Nanazava ny momba ireo raharaham-pitsarana tamin’izany ilay mpanoratra. Nokarakaraina nandritra ny taona maro izy ireny, ka nanapitra ny haren’ireo nitady ny rariny. Sarotra sady feno tsy rariny ary fanavakavahana sy zavatra hafahafa ny fitsaran’ny tany maro, ka tsy miraharaha lalàna intsony ny olona.

2 Mifanohitra amin’izany kosa ireto teny nosoratana tamin’ny 2 700 taona lasa ireto: “Endrey ny fitiavako ny lalànao!” (Salamo 119:97) Nahoana ilay mpanao salamo no niteny toy izany? Satria avy amin’i Jehovah Andriamanitra ilay lalàna tiany, fa tsy avy amin’ny fanjakan’olombelona. Ho tsapanao tsikelikely izay tsapan’ilay mpanao salamo, rehefa mianatra ny lalàn’i Jehovah ianao. Hahitanao ny toe-tsain’ilay Mpitsara lehibe indrindra izany fianarana izany.

Mpanome Lalàna ambony indrindra

3, 4. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampisehoan’i Jehovah fa Mpanome Lalàna izy?

3 “Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara”, hoy ny Baiboly. (Jakoba 4:12) I Jehovah ihany no tena Mpanome Lalàna. Voafehin’ny “lalàn’ny lanitra” napetrany, na dia ny fivezivezen’ireo zavatra eny amin’ny lanitra aza. (Joba 38:33) Misy lalàna koa mifehy an’ireo anjely masina an’alina, sy ny ambaratongam-pahefany. Mpanompo eo ambany fiadidian’i Jehovah izy ireo.—Salamo 104:4; Hebreo 1:7, 14.

4 Nanome lalàna ho an’ny olona koa i Jehovah. Manana feon’ny fieritreretana daholo isika, ka taratry ny fitiavan’i Jehovah ny rariny izany. Toy ny lalàna ao anatintsika izy io, ka manampy antsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy. (Romana  2:14) Nomena feon’ny fieritreretana tonga lafatra ny ray aman-drenintsika voalohany, ka vitsy ihany ny lalàna nilainy. (Genesisy 2:15-17) Mila lalàna maro kokoa anefa ny olombelona tsy lavorary, mba hitarika azy hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nahazo lalàna avy tamin’i Jehovah Andriamanitra ny loham-pianakaviana toa an’i Noa sy Abrahama ary Jakoba, ary nampita izany tamin’ny fianakaviany kosa. (Genesisy 6:22; 9:3-6; 18:19; 26:4, 5) Nataon’i Jehovah izay hahatonga Azy ho Mpanome Lalàna tamin’ny fomba hafakely, rehefa nomeny lalàna tamin’ny alalan’i Mosesy ny Isiraely. Hitantsika tsara avy amin’io lalàna io ny fitiavan’i Jehovah ny rariny.

Fandinihana ny Lalàn’i Mosesy

5. Lalàna maro be tsy hita harahina ve ny Lalàn’i Mosesy, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?

5 Maro no toa mihevitra fa lalàna maro be tsy hita harahina ny Lalàn’i Mosesy. Tsy marina mihitsy anefa izany. Nisy lalàna 600 mahery tao anatin’izy io. Toa betsaka izany, saingy eritrereto izao: Nisy 150 000 pejy ireo bokin-dalàn’ireo fanjakan’i Etazonia, tamin’ny faran’ny taonjato faha-20. Misy lalàna 600 manampy izany isaky ny roa taona! Mbola resin’izany lavitra tokoa ny habetsahan’ny Lalàn’i Mosesy. Nifehy lafim-piainana mbola tsy voaresaky ny lalàn’olombelona mihitsy anefa ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraelita. Indro misy fanazavana momba izany.

6, 7. a) Inona no maha samy hafa ny Lalàn’i Mosesy amin’ny lalàna hafa, ary inona no didy lehibe indrindra amin’izy io? b) Ahoana no nampisehoan’ny Isiraelita fa nanaiky ny zon’i Jehovah hitondra izy?

6 Nanohana ny zon’i Jehovah hitondra, ny Lalàn’i Mosesy. Tsy azo ampitahaina amin’ny lalàna hafa akory àry izy io. Izao no didy lehibe indrindra aminy: “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ary tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” Ahoana no hampisehoan’ny vahoakan’i Jehovah fa tia azy izy ireo? Tokony hanompo azy  sy hanohana ny zony hitondra izy ireo.—Deoteronomia 6:4, 5; 11:13.

7 Raha nanaiky ny zon’i Jehovah hitondra ny Isiraelita tsirairay, dia nankatò an’ireo nomen’i Jehovah fahefana, izany hoe ny ray aman-dreny, filoha, mpitsara, mpisorona, ary mpanjaka. Heverin’i Jehovah ho toy ny fikomiana aminy ny fikomiana amin’ireo. Mety ho nampahatezitra an’i Jehovah koa ireo manam-pahefana ireo, raha nanao ny tsy rariny na nieboebo, rehefa nitondra ny vahoakany. (Eksodosy 20:12; 22:27; Deoteronomia 1:16, 17; 17:8-20; 19:16, 17) Samy tokony hanaiky ny zon’i Jehovah hitondra àry ny mpitondra sy ny entina.

8. Nahoana no hita tamin’ny Lalàna fa ambony ny fitsipik’i Jehovah momba ny fahamasinana?

8 Nasongadin’ny Lalàn’i Mosesy fa ambony ny fitsipik’i Jehovah momba ny fahamasinana. Miverina im-280 ao amin’izy io ny teny hoe “masina” sy “fahamasinana.” Nanampy ny vahoakan’Andriamanitra izy io mba hanavaka ny madio sy ny tsy madio, satria nanonona zavatra 70 mety hahatonga ny Isiraelita haloto. Voakasik’izany ny fahadiovan’ny vatana, sakafo, ary na dia ny fanariana ny maloto aza. Tena nahasalama izany lalàna izany. * Ambony kokoa anefa ny tanjon’izy ireny, dia ny hahatonga ilay vahoaka hankasitrahan’i Jehovah foana, ary tsy hanao ny fanao ratsin’ireo firenena ratsy fitondran-tena nanodidina azy ireo. Indro misy ohatra:

9, 10. Inona no noresahin’ny faneken’ny Lalàna, momba ny fiterahana sy ny firaisana, ary inona no soa azo avy amin’izany?

9 Voalazan’ilay Lalàna fa manjary maloto ny olona vao avy niteraka sy nanao firaisana, na dia mpivady aza. (Levitikosy 12:2-4; 15:16-18) Tsy nanambany an’ireo fanomezana madio avy amin’Andriamanitra ireo akory izany. (Genesisy 1:28; 2:18-25) Nasongadin’ireo lalàna ireo kosa fa masina i Jehovah,  ka tsy tokony haloto mihitsy ny mpivavaka aminy. Tsara homarihina fa nampifangaro ny fivavahany tamin’ny firaisana sy ny fombafomba fiterahana ireo firenena nanodidina ny Isiraely. Anisan’ny fivavahan’ny Kananita ny fivarotan-tenan’ny lehilahy sy vehivavy. Fahalotoam-pitondran-tena ratsy indrindra no nanjaka vokatr’izany. Nazava avy tamin’ny Lalàn’i Mosesy kosa fa tsy mifandray amin’ny fanaovana firaisana mihitsy ny fivavahana amin’i Jehovah. * Nisy soa hafa koa anefa.

10 Nampianatra fahamarinana tena lehibe ireny lalàna ireny. * Ahoana tokoa no ifindran’ny otan’i Adama ho amin’ny taranaka mandimby? Tsy amin’ny alalan’ny firaisana sy ny fiterahana ve? (Romana 5:12) Nampahatsiahy ny vahoakan’Andriamanitra tokoa ilay Lalàna fa mpanota izy ireo. Nateraka tamin’ny ota koa isika rehetra. (Salamo 51:5) Mila famelan-keloka sy fanavotana isika, mba hanatonantsika an’ilay Andriamanitsika masina.

11, 12. a) Inona no fitsipika momba ny rariny nasongadin’ilay Lalàna? b) Inona avy no didy napetraka mba tsy hanolanana ny rariny, tao amin’ilay Lalàna?

11 Nasongadin’ny Lalàna fa lavorary ny rariny ampiharin’i Jehovah. Nasongadiny ny fifandanjana, na fitoviana teo amin’ny raharaham-pitsarana. Izao no lazainy: “Aina no hataonao solon’ny aina, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tànana solon’ny tànana, tongotra solon’ny tongotra.” (Deoteronomia 19:21) Tsy maintsy nitovy lanja tamin’ilay heloka vita àry ny sazy nampiharina tamin’ireo nanao ilay fahotana. Hita taratra tamin’ilay Lalàna manontolo io lafiny amin’ny rariny  ampiharin’Andriamanitra io, ary tena ilaina mba hahatakarana ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy, araka ny hasehon’ny Toko 14.—1 Timoty 2:5, 6.

12 Nisy didy napetraka mba tsy hanolanana ny rariny koa tao amin’ilay Lalàna. Vavolombelona roa, fara fahakeliny, no notakina mba hanamarina ny fiampangana. Henjana ny sazin’ny vavolombelona mandainga. (Deoteronomia 19:15, 18, 19) Voarara mafy koa ny tsolotra. (Eksodosy 23:8; Deoteronomia 27:25) Tsy maintsy nanaraka ny fitsipiky ny rariny napetrak’i Jehovah Andriamanitra foana ny vahoakany, na dia tamin’ny raharaham-barotra aza. (Levitikosy 19:35, 36; Deoteronomia 23:20, 21) Fitahiana lehibe ho an’ny Isiraely izany fehezan-dalàna ambony sy tsy manavaka izany!

Lalàna nanasongadina ny famindram-po sy ny fitondrana ara-drariny

13, 14. Nahoana isika no milaza fa nanasongadina ny fomba mety hitondrana ny mpangalatra sy ny tsy manan-tsiny ny Lalàna?

13 Fitsipika hentitra sy tsy misy famindram-po ve ny Lalàn’i Mosesy? Tsy izany mihitsy! Nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao i Davida Mpanjaka: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah.” (Salamo 19:7) Fantany tsara fa nanasongadina ny famindram-po sy fitondrana ara-drariny ny Lalàna. Nahoana isika no milaza izany?

14 Toa ny jiolahy indray no andeferana sy omena tombontsoa amin’ny lalàn’ny tany sasany, fa tsy ireo tsy manan-tsiny. Mety higadra, ohatra, ireo mpangalatra. Mety ho mbola tsy niverina anefa ny fananan’ireo tsy manan-tsiny, nefa tsy maintsy mandoa hetra natao hanomezana trano sy sakafo ho an’ny jiolahy izy. Tsy nisy fonja toy ny ankehitriny teo amin’ny Isiraely fahiny. Nisy fetra hentitra momba ny fampiharana sazy. (Deoteronomia 25:1-3) Tsy maintsy manonitra ny zavatra nangalariny ny mpangalatra. Tsy maintsy nisy zavatra hafa naloany koa anefa. Niovaova ny habetsahan’izany. Nomena fahafahana ny mpitsara mba hijery ireo lafin-javatra rehetra, toy ny fibebahan’ilay mpanota. Izany angamba no  mety ho naha kely ny zavatra notakina tamin’ilay mpangalatra ao amin’ny Levitikosy 5:20-26, raha oharina amin’ilay ao amin’ny Eksodosy 22:6.

15. Ahoana no nanasongadinan’ny Lalàna ny famindram-po sy ny rariny, raha nisy namono olona tsy nahy?

15 Nisy famindram-po tao amin’ny Lalàna, ka nekeny fa tsy voatery ho niniana natao ny ratsy vita. Mety ho namono olona tsy nahy, ohatra, ny lehilahy iray. Tsy voatery novonoina izy, raha nandositra tany amin’ny iray amin’ireo tanàna fandosirana nisy nanerana ny Isiraely. Nandinika ny raharaha momba azy ny mpitsara mahay, ary tsy maintsy nijanona tao izy, mandra-pahafatin’ny mpisoronabe. Afaka nandeha tany amin’izay tiany handehanana izy taorian’izay. Nandray soa tamin’ny famindram-pon’Andriamanitra àry izy. Nasongadin’ilay lalàna koa anefa fa tena sarobidy ny ain’olombelona.—Nomery 15:30, 31; 35:12-25.

16. Ahoana no niarovan’ny Lalàna ny zon’ny tsirairay?

16 Niaro ny zon’ny tsirairay ny Lalàna. Diniho ny fomba niarovan’izy io ny mpitrosa. Noraran’ny Lalàna ny fidirana tao an-tranon’ilay olona, mba hakana an-keriny zavatra hatao antoka. Tokony hijanona tany an-tokotany kosa ilay tompon-trosa ka hamela an’ilay mpitrosa hitondra an’ilay antoka teo aminy. Voaro, araka izany, ny tranon’ilay olona. Raha akanjo ivelany no nalain’ilay tompon-trosa hatao antoka, dia tokony haveriny talohan’ny alina izany, satria azo inoana fa nilain’ilay mpitrosa mba hanafana azy tamin’ny alina.—Deoteronomia 24:10-14.

17, 18. Inona no naha hafa ny Isiraelita tamin’ny firenen-kafa raha ny ady no resahina? Nahoana?

17 Nisy fitsipika mihitsy aza nifehy ny ady. Tsy maintsy niady ny vahoakan’Andriamanitra, nefa tsy natao noho ny fitiavana fahefana na fandresena fotsiny izany, fa mba hanaovana ny “Adin’i Jehovah.” (Nomery 21:14) Matetika no tsy maintsy nametraka fepetra ho an’ireo nanaiky ho resy aloha ny Isiraelita. Azon’izy ireo natao ny nanafika an’ilay tanàna,  raha tsy nanaiky ho resy ireo olona tao, nefa tsy maintsy narahina ny fitsipik’Andriamanitra. Tsy mba toy ny miaramila rehetra hatramin’izay ireo miaramila Isiraelita, fa tsy nahazo nametaveta vehivavy, na namono tsy nisy indrafo. Tsy maintsy nanaja ny tontolo iainana mihitsy izy ireo, ka tsy nanapaka ny hazo fihinam-boa. * Tsy nanana lalàna toy izany ny tafika hafa.—Deoteronomia 20:10-15, 19, 20; 21:10-13.

18 Maharikoriko anao ve ny mandre fa misy ankizy ampiofanina ho miaramila any amin’ny tany sasany? Tsy azo nekena hanao miaramila ny lehilahy latsaka ny 20 taona teo amin’ny Isiraely fahiny. (Nomery 1:2, 3) Afaka tsy nanao miaramila koa ny lehilahy lehibe, raha natahotra be. Tsy nanao miaramila nandritra ny herintaona ny lehilahy vao nampaka-bady, mba hahafahany hahita ny mpandova azy, talohan’ny nandehanany niady. Nohazavain’ny Lalàna tamin’izany fa afaka ny “hampifaly” ny vadiny izy.—Deoteronomia 20:5, 6, 8; 24:5.

19. Inona no noresahin’ny Lalàna mahakasika ny fiarovana ny vehivavy, ny ankizy, ny fianakaviana, ny vehivavy maty vady, ary ny kamboty?

19 Niaro sy nikarakara ny vehivavy sy ny ankizy ary ny fianakaviana koa ny Lalàna. Nandidy ny ray aman-dreny izy io mba hihevitra foana ny zanany sy hampianatra zavatra ara-panahy azy ireo. (Deoteronomia 6:6, 7) Nandrara ny firaisana amin’ny havana akaiky izy io, ka nanameloka ho faty izay nanao izany. (Levitikosy toko 18) Norarany koa ny fanitsakitsaham-bady, satria matetika izany no mandrava fianakaviana sy manimba ny filaminany sy fahamendrehany. Niahy ny vehivavy maty vady sy ny kamboty ny Lalàna, ka nampiasa teny manan-danja indrindra mba handrarana ny fitondrana ratsy azy ireny.—Eksodosy 20:14; 22:21-23.

20, 21. a) Nahoana no tsy noraran’ny Lalàn’i Mosesy ny fananana vady maro teo amin’ny Isiraelita? b) Inona no maha samy hafa ny filamatra naverin’i Jesosy napetraka sy ny Lalàn’i Mosesy momba ny fisaraham-panambadiana?

 20 Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Nahoana ny Lalàna no tsy nandrara ny fananana vady maro?’ (Deoteronomia 21:15-17) Tsy maintsy dinihintsika ny tantara tamin’izany. Tsy hahatakatra tsara ny Lalàn’i Mosesy ireo mitsara azy io araka ny zava-misy sy ny kolontsaina ankehitriny. (Ohabolana 18:13) Fiarahana maharitra eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ny fanambadiana, araka ny filamatra napetrak’i Jehovah tany Edena. (Genesisy 2:18, 20-24) Efa taonjato maro talohan’ny nanomezan’i Jehovah ny Lalàn’i Mosesy anefa no nanana vady maro ny olona. Fantatr’i Jehovah fa tsy hanaraka ny fitsipika tsotra indrindra, toy ny fandrarana ny fanompoan-tsampy, ilay “firenena mafy hatoka.” (Eksodosy 32:9) Naneho fahendrena àry izy, ka tsy nifidy an’io fotoana io mba hanovana ny fanao rehetra mahakasika ny fanambadiana. Tadidio anefa fa tsy i Jehovah no namorona ny fananana vady maro. Nampiasa ny Lalàn’i Mosesy kosa izy, mba hamerana fitsipika momba azy io teo amin’ny vahoakany, sy hamefena izay mety ho zavatra tafahoatra momba azy io.

21 Navelan’ny Lalàn’i Mosesy koa ny lehilahy mba hisaraka amin’ny vadiny noho ny antony lehibe isan-karazany. (Deoteronomia 24:1-4) Nampahatsiahivin’i Jesosy fa ny antony namelan’Andriamanitra ny Jiosy hanao izany, dia noho ny ‘hamafin’ny fon’izy ireo.’ Vetivety ihany anefa izany. Naverin’i Jesosy ho an’ny mpanara-dia azy indray ny filamatra napetrak’i Jehovah ho an’ny fanambadiana.—Matio 19:8.

Nasongadin’ny Lalàna ny fitiavana

22. Ahoana no nanasongadinan’ny Lalàn’i Mosesy ny fitiavana, ary iza no tokony ho notiavina?

22 Mety hisy lalàna ankehitriny ve manasongadina ny fitiavana? Io indrindra no nasongadin’ny Lalàn’i Mosesy. Miverina in-20 mahery, ohatra, io teny io, ao amin’ny bokin’ny Deoteronomia fotsiny. Ilay hoe “tiava ny namanao tahaka ny tenanao”  no didy lehibe indrindra faharoa ao amin’ny Lalàna. (Levitikosy 19:18; Matio 22:37-40) Sady tokony hifankatia ny vahoakan’Andriamanitra no tokony ho tia an’ireo vahiny teo anivony koa, sady hitadidy fa efa vahiny koa izy taloha. Tokony ho tia ny mahantra sy ny ory izy ireo, ka hanampy sy tsy hanararaotra azy ireny. Tokony ho tsara fanahy sy hihevitra ny biby mpitondra entana mihitsy aza izy ireo.—Eksodosy 23:6; Levitikosy 19:14, 33, 34; Deoteronomia 22:4, 10; 24:17, 18.

23. Voatosika hanao inona ilay mpanoratra ny Salamo 119, ary tapa-kevitra hanao inona isika?

23 Iza no firenena nanana Lalàna tsara toy izany? Tsy mahagaga raha nanoratra ny mpanao salamo hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao!” Tsy fitiavana tao am-po fotsiny io fitiavany io, fa nanosika azy hanao zavatra koa. Niezaka nankatò sy niaina nifanaraka tamin’io lalàna io izy. Hoy koa ilay mpanao salamo: “Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Salamo 119:11, 97) Nanokana fotoana hianarana ny lalàn’i Jehovah tokoa izy. Tsy isalasalana fa nitombo ny fitiavany an’ireo lalàna ireo, rehefa nianatra azy ireo izy. Nitombo koa ny fitiavany an’i Jehovah Andriamanitra, Mpanome Lalàna. Eo am-panohizanao mianatra ny lalàn’i Jehovah, ilay Mpanome Lalàna sy Andriamanitry ny rariny, dia enga anie ka hanatona kokoa azy ianao.

^ feh. 8 Efa taonjato maro be atỳ aoriana, ohatra, ny olona vao mahalala fa mahasoa ireo lalàna toy ny fandevenana ny dikin’olombelona, ny fanokanana ny marary, ary ny fisasan’izay nikasika faty.—Levitikosy 13:4-8; Nomery 19:11-13, 17-19; Deoteronomia 23:14, 15.

^ feh. 9 Nisy efitrano fanaovana firaisana tao amin’ireo tempolin’ny Kananita, nefa nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa tsy afaka niditra tao amin’ny tempoly ireo naloto. Koa satria àry nahatonga ny olona haloto ny fanaovana firaisana, dia tsy nisy afaka nanao ny firaisana ho anisan’ny fivavahana tao an-tranon’i Jehovah.

^ feh. 10 Ny fampianarana no anisan’ny zava-kendren’ny Lalàna. Milaza ny Rakipahalalana Judaica (anglisy) fa midika hoe “fampianarana” ilay teny hebreo nadika hoe “lalàna” (toh·rah′).

^ feh. 17 Izao no fanontaniana tao amin’ny Lalàna: “Olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?” (Deoteronomia 20:19) Nanonona io lalàna io i Philon, manam-pahaizana jiosy tamin’ny taonjato voalohany, ka nanazava hoe heverin’Andriamanitra fa “tsy rariny raha fahatezerana amin’olona no hampiharina amin’ny zavatra tsy nanao ratsy mihitsy.”

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Tsara ny Fivavahana Iray Raha Mahatonga ny Olona Hifankatia

Mampisara-bazana ny olona ny firazanana, ny saranga, ary ny politika. Iza anefa ny fivavahana mampianatra antsika ho tia ny olon-drehetra?