Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 15

‘Hanorina Rariny Amin’ny Tany’ i Jesosy

‘Hanorina Rariny Amin’ny Tany’ i Jesosy

1, 2. Oviana i Jesosy no tezitra, ary nahoana?

HITA fa tezitra i Jesosy, ary rariny ny azy. Mety ho sarotra aminao ny mieritreritra izany, satria olona tena nalemy fanahy izy. (Matio 21:5) Voafehiny tsara anefa izany fahatezerany ara-drariny izany. * Inona anefa no nahatezitra an’io lehilahy tia fihavanana io? Zavatra tena tsy rariny.

2 Tena tian’i Jesosy ny tempoly tany Jerosalema. Io irery no toerana masina teto an-tany natokana hivavahana tamin’ilay Rainy tany an-danitra. Tonga avy lavitra mba hivavaka tao ny Jiosy avy tany amin’ny tany maro. Nisy Jentilisa natahotra an’Andriamanitra koa tonga tao, ka niditra teo amin’ny kianjan’ny tempoly natokana ho azy ireo. Nisy zavatra nahatsiravina hitan’i Jesosy anefa tao, teo am-piandohan’ny fanompoany. Lasa tsena ilay tempoly, fa tsy trano fivavahana! Feno mpivarotra sy mpanakalo vola tao. Inona anefa no tsy rariny tamin’izany? Toy ny toerana hanararaotana olona sy hangalarana mihitsy ny tempoly, ho an’ireo olona ireo. Ahoana izany?—Jaona 2:14.

3, 4. Inona no fanararaotana niseho tao an-tranon’i Jehovah, ary inona no nataon’i Jesosy momba izany?

3 Namoaka didy ny mpitondra fivavahana fa vola madinika manokana no azo nandoavana hetra ho an’ny tempoly. Tsy maintsy nanakalo vola ireo mpitsidika mba hahazoana izany. Napetrak’ireo mpanakalo vola tao anatin’ny tempoly àry ny latabany, ary nasainy nandoa vola amboniny ireo nanakalo  vola. Nahazoam-bola be koa ny fivarotana biby. Afaka nividy biby tamin’ny mpivarotra teo an-tanàna ireo vahiny, nefa nety ho nolazain’ireo mpiandraikitra ny tempoly fa tsy mety hatao fanatitra ilay biby. Nekena kosa ireo biby novidina tao amin’ny tempoly. Nataon’ireo mpivarotra lafo be àry indraindray ireo biby, satria tsy maintsy nividy teo ny olona. * Ratsy noho ny varotra fanararaotana izany, satria halatra mihitsy!

“Ento mivoaka ireto zavatra ireto”!

4 Tsy nandefitra tamin’izany tsy rariny izany i Jesosy. Tranon’ilay Rainy io! Nanao karavasy izy, ka nandroaka an’ireo biby hivoaka ny tempoly. Nanao dingan-dava nanatona an’ireo mpanakalo vola izy avy eo, ka nanjera ny latabatr’izy ireo. Eritrereto ireo vola madinika niparitaka teo amin’ilay gorodona marbra! Hentitra izy niteny an’ireo mpivarotra voromahailala hoe: “Ento mivoaka ireto zavatra ireto”! (Jaona 2:15, 16) Toa tsy nisy sahy nanohitra an’io lehilahy be herim-po io.

Manahaka ny Rainy ilay Zanaka

5-7. a) Inona no vokatry ny fiainan’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy, teo amin’ny fitiavany ny rariny, ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra navelany? b) Ahoana no niadian’i Kristy tamin’ny tsy rariny nahakasika ny zon’i Jehovah hitondra sy ny anarany?

5 Mazava ho azy fa niverina indray ireo mpivarotra. Mbola hitan’i Jesosy indray ireo tsy rariny ireo, telo taona teo ho eo taorian’io. Ny tenin’i Jehovah manameloka an’ireo manao ny tranony ho “zohy fieren’ny jiolahy” kosa no nampiasainy tamin’izay. (Matio 21:13; Jeremia 7:11) Nahatsapa izay tsapan’ny Rainy i Jesosy, rehefa nahita ireo fanararaotana sy fandotoana ny tempoly ireo. Tsy mahagaga izany! Efa  nampianarin’ny Rainy nandritra ny an-tapitrisa taona izy. Tia rariny toa an’i Jehovah mihitsy àry izy. Nanahaka ny Rainy tokoa ilay Zanaka teo. Raha tiantsika ho hita tsara àry ny fitiavan’i Jehovah ny rariny, dia tsy misy tsara kokoa noho ny fieritreretana ny ohatr’i Jesosy Kristy.—Jaona 14:9, 10.

6 Teo ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra rehefa nampangain’i Satana ho mpandainga i Jehovah, ka nolazainy fa tsy manan-jo hitondra. Fanendrikendrehana tsotra izao izany! Ren’ilay Zanaka ihany koa i Satana tatỳ aoriana, rehefa nilaza hoe tsy hisy hanompo an’i Jehovah noho ny fitiavana tsy mitady valiny. Tsy maintsy ho nampalahelo an’ilay Zanaka tia fahamarinana izany rehetra izany. Tsy maintsy ho faly anefa izy rehefa nahafantatra fa hanana anjara lehibe amin’ny fanitsiana izany! (2 Korintiana 1:20) Ahoana no hanaovany izany?

7 Nianarantsika tao amin’ny Toko 14 fa novalian’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra ny fiampangan’i Satana hoe tsy maintsy hivadika ny zavaboarin’i Jehovah. Naorin’i Jesosy tamin’izay ny fototra farany hanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra sy hanamasinana ny anarany. Hanorina ny rariny eto an-tany i Jesosy, ilay Fiasana Lehibe Indrindra. (Asan’ny Apostoly 5:31) Naneho taratry ny rariny ampiharin’Andriamanitra koa ny fiainany teto an-tany. Hoy i Jehovah momba an’i Jesosy: “Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hitory ny rariny amin’ny jentilisa Izy.” (Matio 12:18) Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy izany?

Nampianatra ny rariny i Jesosy

8-10. a) Inona no fitsipiky ny lalàna am-bava nanavakavaka ny tsy Jiosy sy ny vehivavy? b) Nahoana ny lalàna am-bava no nanao ny lalàna momba ny Sabatan’i Jehovah ho enta-mavesatra?

8 Tian’i Jesosy ny Lalàn’i Jehovah, ka nampihariny. Nanolana sy nampihatra tamin’ny fomba diso ny Lalàna kosa ireo  mpitondra fivavahana tamin’ny androny. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! ... Navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana.” (Matio 23:23) Tsy nanazava ny tena rariny tokoa ireo mpampianatra ny Lalàn’Andriamanitra ireo. Vao mainka aza nohamaizininy ny rariny ampiharin’Andriamanitra. Ahoana izany? Ireto misy ohatra vitsivitsy.

9 Nilaza i Jehovah fa tsy tokony hifandray be tamin’ireo mpanompo sampy nanodidina azy ireo ny vahoakany. (1 Mpanjaka 11:1, 2) Nisy mpitondra fivavahana nafana fo be anefa nampirisika ny olona hanavakavaka ny tsy Jiosy rehetra. Izao no didy tao amin’ny Mishnah: “Tsy tokony havela any amin’ny hotely fatorian’ny jentilisa ny biby, satria mety hanaovan’izy ireo firaisana.” Tena tsy rariny sy nifanohitra tanteraka tamin’ny votoatin’ny Lalàn’i Mosesy izany fitsarana an-tendrony ny tsy Jiosy rehetra izany. (Levitikosy 19:34) Nanambany vehivavy ny fitsipika sasany noforonin’izy ireo. Nilaza ny lalàna am-bava fa tsy mahazo milahatra amin’ny vadiny ny vehivavy, rehefa mandeha, fa tokony ho any aoriany. Nampitandremana ny lehilahy mba tsy hiresaka ampahibemaso tamin’ny vehivavy, na dia vadiny aza. Tsy navela hijoro ho vavolombelona teo amin’ny fitsarana, toy ny andevo, ny vehivavy. Nisy vavaka tsianjery mihitsy aza natao hisaorana an’Andriamanitra noho ny tsy naha vehivavy ny tena.

10 Notakonan’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny lalàna maro be noforoniny ny Lalàn’Andriamanitra. Tsotra, ohatra, ny lalàna momba ny andro Sabata: tsy azo atao ny miasa, fa atokana ivavahana sy ikarakarana ny zavatra ara-pivavahana, ary ialana sasatra izy io. Nataon’ny Fariseo ho enta-mavesatra anefa izy io. Nofaritan’izy ireo ny atao hoe “asa.” Nisy zavatra 39 nolazain’izy ireo hoe asa, toy ny fijinjana sy fihazana. Nanjary nahatonga fanontaniana be dia be izany. Mihaza ve ianao raha mamono parasy amin’ny Sabata? Mijinja  ve ianao, raha mikosoka voa amin’ny tananao mba hohaninao, rehefa mandalo eny an-tanimbary? Miasa ve ianao raha manasitrana ny marary? Nisy fitsipika hentitra be nifehy izany rehetra izany.

11, 12. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny fanoherany ny fomba tsy araka ny Soratra Masina napetraky ny Fariseo?

11 Ahoana no hampianaran’i Jesosy ny rariny, ao anatin’izany rivo-piainana izany? Tsy natahotra izy niatrika an’ireo mpitondra fivavahana, tamin’ny fampianarany sy ny fomba fiainany. Diniho ny sasany tamin’ny fampianarany. Nanameloka nivantana an’ireo fitsipika napetrak’olombelona izy. Hoy izy: “Foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo.”—Marka 7:13.

12 Nilaza mazava i Jesosy fa diso ny fiheveran’ny Fariseo ny Sabata, ary tena tsy azon’izy ireo ny votoatin’io lalàna io. Nolazainy fa ny Mesia no “Tompon’ny Sabata”, ka nanam-pahefana hanasitrana olona tamin’ny Sabata. (Matio 12:8) Nanao fahagagana ampahibemaso izy, tamin’ny andro Sabata, mba hanamafisana izany. (Lioka 6:7-10) Taratry ny fanasitranana hataony maneran-tany amin’ny Fanjakany Arivo Taona izany. Ho Sabata lehibe koa io arivo taona io, satria hiala sasatra ny olombelona, rehefa reraky ny asa mbamin’ny ota sy fahafatesana.

13. Inona no lalàna vaovao nampiharina, vokatry ny fanompoan’i Kristy teto an-tany, ary inona no maha samy hafa azy io amin’ny Lalàn’i Mosesy?

13 Nohazavain’i Jesosy koa ny atao hoe rariny, ka nisy lalàna vaovao nampiharina, rehefa vita ny fanompoany teto an-tany. Ny “lalàn’i Kristy” izany. (Galatiana 6:2) Tsy toy ilay Lalàn’i Mosesy izy io, ka tsy lalàna an-tsoratra be dia be, fa toro lalana kosa. Misy didy hentitra koa anefa ao amin’izy io. Iray amin’ireny ny “didy vaovao.” Nampianarin’i Jesosy ny mpianany fa tokony hifankatia izy ireo, toy ny nitiavany azy ireo. (Jaona 13:34, 35) Tokony hampiavaka an’ireo manaraka ny “lalàn’i Kristy” tokoa ny fitiavana tsy mitady valiny.

 Ohatra velona mampiseho ny rariny

14, 15. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nekeny ny fetran’ny fahefany, ary nahoana no mampahery izany?

14 Tsy nampianatra momba ny fitiavana fotsiny i Jesosy, fa nampihatra ny “lalàn’i Kristy” koa. Hita tamin’ny fiainany izany. Diniho ny fomba telo nampihariharian’i Jesosy ny rariny.

15 Voalohany, niezaka mafy mba tsy hanao ny tsy rariny izy. Tsikaritrao angamba fa misy ny tsy rariny rehefa manjary miavonavona ny olona tsy lavorary, ka mihoatra ny fahefana nomena azy. Tsy nanao izany i Jesosy. Nisy lehilahy nanatona azy indray mandeha, niteny hoe: “Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.” Ahoana hoy izy? “Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?” (Lioka 12:13, 14) Mendri-komarihina izany. Kinga saina i Jesosy, nahay ary nanana fahefana avy tamin’Andriamanitra, ka tsy nisy nitovy taminy. Tsy nety niditra tamin’io raharaha io anefa izy, satria tsy nomena fahefana hanao izany. Nanetry tena foana i Jesosy, na dia nandritra ireo taona maro be talohan’ny naha olombelona azy aza. (Joda 9) Midika izany fa nanetry tena i Jesosy sady nanao izay nolazain’i Jehovah fa rariny.

16, 17. a) Ahoana no nanaovan’i Jesosy ny rariny, rehefa nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy? b) Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa namindra fo izy rehefa nampihatra ny rariny?

16 Faharoa, nampiseho ny rariny ny fomba nitoriany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy niangatra izy. Niezaka mafy kosa izy mba hiresaka tamin’ny karazan’olona rehetra, na mahantra na manana. Ny Fariseo kosa tsy niraharaha ny mahantra, nanilika ny sarambabem-bahoaka sy nanambany azy tamin’ny anarana hoe ʽam-ha·ʼa′rets, na “olon’ny tany.” Sahy nanitsy izany tsy rariny izany i Jesosy. Nasongadin’i Jesosy fa manao ny rariny ilay Andriamanitra te hamonjy ny karazan’olona rehetra. Nasongadin’i Jesosy izany rehefa nampianatra ny vaovao tsara izy, na niara-nisakafo  tamin’ny olona, na nanome sakafo azy ireny, na nanangana azy ireny tamin’ny maty. *1 Timoty 2:4.

17 Fahatelo, tena namindra fo i Jesosy, rehefa nampihatra ny rariny. Niezaka nanampy ny mpanota izy. (Matio 9:11-13) Nanampy avy hatrany an’ireo tsy nanan-kery hiarovan-tena izy. Tsy niray hevitra tamin’ireo mpitondra fivavahana tsy natoky ny Jentilisa rehetra izy, ohatra. Namindrany fo ny Jentilisa sasany ka nampianariny, na dia ny Jiosy aza no nanirahana azy voalohany. Nekeny ny hanasitrana manamboninahitra romanina iray tamin’ny fomba mahagaga, ka hoy izy: “Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ny Isiraely aza.”—Matio 8:5-13.

18, 19. a) Ahoana no nanomezan’i Jesosy voninahitra ny vehivavy? b) Inona no ifandraisan’ny herim-po sy ny rariny, raha jerentsika ny ohatr’i Jesosy?

18 Tsy nihevitra ny vehivavy toy ny nataon’ny olona koa i Jesosy. Sahy nanao izay mahitsy kosa izy. Noheverina ho maloto toy ny Jentilisa ny vehivavy samaritanina. Tsy niahotra nitory tamin’ilay vehivavy samaritanina teo amin’ny fantsakan’i Sykara anefa i Jesosy. Io vehivavy io mihitsy aza no nilazany mivantana voalohany hoe izy no ilay Mesia nampanantenaina. (Jaona 4:6, 25, 26) Nilaza ny Fariseo fa tsy tokony hampianarina ny Lalàn’Andriamanitra ny vehivavy. Nandany fotoana sy hery nampianarana azy ireny anefa i Jesosy. (Lioka 10:38-42) Nilaza koa ny lovantsofina fa tsy azo itokisana ny fanambarana ataon’ny vehivavy. Nomen’i Jesosy voninahitra anefa ny vehivavy vitsivitsy, ka nahita azy voalohany taorian’ny nitsanganany. Nasainy nanambara tamin’ireo mpianany lehilahy momba io fisehoan-javatra lehibe indrindra io mihitsy aza izy ireo!—Matio 28:1-10.

 19 Nasehon’i Jesosy tamin’ireo firenena ny atao hoe rariny, na dia nety ho nampidi-doza aza izany matetika. Hitantsika avy amin’izany fa mitaky herim-po ny fanaovana ny rariny. Mety indrindra ny niantsoana azy hoe “Liona avy amin’ny firenen’i Joda.” (Apokalypsy 5:5) Tadidio fa mampiseho ny herim-po ny liona. Mbola hanao rariny lehibe kokoa aza i Jesosy, aoriana kely. Tena ‘hanorina ny rariny amin’ny tany’ amin’ny fomba feno izy.—Isaia 42:4.

‘Manorina rariny amin’ny tany’ ilay Mesia Mpanjaka

20, 21. Ahoana no nanorenan’ilay Mesia Mpanjaka rariny naneran-tany sy teo anivon’ny fiangonana, ankehitriny?

20 Nanorina rariny teto an-tany i Jesosy, nanomboka tamin’ny naha Mpanjaka azy tamin’ny 1914. Ahoana izany? Nanao izay hahatanterahan’ny faminanian’ny Matio 24:14 izy. Nampianatra ny fahamarinana momba ny Fanjakan’i Jehovah tamin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra ireo mpianany. Tsy nanavaka sy nanao ny rariny, toa an’i Jesosy, izy ireo, rehefa nitory tamin’ny rehetra, na antitra na tanora, na mahantra na manana, na lehilahy na vehivavy. Nampahafantariny ny momba an’i Jehovah, Andriamanitry ny rariny, ireny olona ireny.

21 Nanorina rariny teo anivon’ny fiangonana kristianina koa i Jesosy, Lohan’ny fiangonana. Araka ny faminaniana dia nanolotra lehilahy ho fanomezana izy, dia anti-panahy tsy mivadika mitarika ny fiangonana. (Efesiana 4:8-12) Manahaka an’i Jesosy Kristy ireny lehilahy ireny, rehefa miandry ny ondry sarobidin’Andriamanitra, ka manao ny rariny. Tadidin’izy ireo foana fa tian’i Jesosy hoentina ara-drariny ny ondriny, ka tsy havahana ny toerany, na ny lazany, na ny fananany.

22. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny tsy rariny manjaka ankehitriny, ary notendreny hanao inona momba izany ny Zanany?

22 Efa hanorina rariny eto an-tany, tsy toy ny nisy hatramin’ izay, anefa i Jesosy. Be ny tsy rariny eo amin’ity tontolo ratsy ity. Tena tsy rariny ny manjo ireo zaza matin’ny hanoanana, indrindra rehefa heverina fa be dia be ny vola sy fotoana lany hanamboarana fitaovam-piadiana sy hanomezana fahafaham-po ny fitiavan-tenan’ireo mpitady fahafinaretana. Anisan’ny tsy rariny koa ireo an-tapitrisa matimaty foana isan-taona, ka rariny raha hahatezitra an’i Jehovah izany. Notendreny ny Zanany mba hanao ady marina amin’ity tontolo ratsy ity, mba hanafoana tanteraka ny tsy rariny.—Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-15.

23. Ahoana no hanasongadinan’i Kristy mandrakizay ny rariny, aorian’ny Hara-magedona?

23 Tsy ny fandringanana ny ratsy ihany anefa no tafiditra amin’ny fanaovan’i Jehovah ny rariny. Notendreny ho “Andrian’ny fiadanana” koa ny Zanany. Hanorina fiadanana maneran-tany ny fanjakan’i Jesosy, aorian’ny Hara-magedona, ary “amin’ny rariny” no hanjakany. (Isaia 9:5, 6) Ho faly i Jesosy amin’izay hanala ny tsy rariny nampahory ny olona. Hanasongadina mandrakizay ny rariny tonga lafatra ampiharin’i Jehovah izy. Tena tokony hanahaka ny rariny ampiharin’i Jehovah àry isika dieny izao. Andeha hojerentsika ny fomba hanaovana izany.

^ feh. 1 Nanao toa an’i Jehovah i Jesosy, rehefa tezitra ara-drariny. “Be fahatezerana” amin’ny faharatsiana rehetra i Jehovah. (Nahoma 1:2) Notenenin’i Jehovah, ohatra, ny vahoakany hoe nataon’izy ireo “zohy fieren’ny jiolahy” ny tranony. Hoy koa izy taorian’izay: “Ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin’ity tany ity.”—Jeremia 7:11, 20.

^ feh. 3 Araka ny Mishnah, dia nanohitra ny vidim-boromahailala lafo be tao amin’ny tempoly ny olona, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nihena efa ho 99 isan-jato avy hatrany ilay vidiny! Iza no nahazo tombony tamin’izany? Misy mpahay tantara milaza fa i Anasy Mpisoronabe no tompon’ireo tsena, ka izany no nampanan-karena azy sy ny fianakaviany.—Jaona 18:13.

^ feh. 16 Nolazain’ny Fariseo fa “voaozona” ny olona ambany, tsy mahay Lalàna. (Jaona 7:49) Nolazainy fa tsy azo atao ny mampianatra, na manao raharaham-barotra, na miara-misakafo, na miara-mivavaka amin’izy ireny. Tsy azo nomena ho vadin’izy ireny ny zanakavavin’ny tena, satria ratsy noho ny nanome azy hohanin’ny bibidia izany. Nolazainy fa tsy mendrika ny hatsangana amin’ny maty ireo olona ambany.

Fanampim-panazavana

Ny Zava-bitan’ilay Fanjakana Tato Anatin’

ny 100 Taona

Inona no soa entin’ilay Fanjakana ho antsika? Diniho ato ny ataon’ilay Mesia Mpanjaka mba hanadiovana sy hampianarana ary handaminana ny vahoakany.