Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 11

‘Ny Lalany Rehetra dia Amin’ny Rariny Avokoa’

‘Ny Lalany Rehetra dia Amin’ny Rariny Avokoa’

1, 2. a) Inona no tsy rariny nanjo an’i Josefa? b) Ahoana no nanitsian’i Jehovah ny tsy rariny tamin’izany?

TENA tsy rariny ilay izy. Tsy nisy heloka nataon’ilay tovolahy tsara tarehy, nefa nalefa tao amin’ny lakalin’ny tranomaizina izy satria nendrikendrehina ho saika hanolana vehivavy. Tsy vao izay ihany anefa izy no niharan’ny tsy rariny. Vao 17 taona io tovolahy atao hoe Josefa io, taona vitsivitsy talohan’io, dia efa nivadihan’ny rahalahiny, izay saika namono azy mihitsy. Namidy ho andevo tany an-tany hafa izy taorian’izay. Tsy nanaiky ny fanambatambazan’ny vadin’ny tompony izy tany. Io vehivavy io no namolavola an’ilay fanendrikendrehana, ka izay no nampigadra azy. Nampalahelo fa toa tsy mba nisy olona afaka niaro an’i Josefa.

Nijaly tsy ara-drariny tao amin’ny ‘lavaky’ ny fonja i Josefa

2 Nahita izany anefa ilay Andriamanitra “tia fahamarinana sy rariny.” (Salamo 33:5) Nanao zavatra hanitsiana izany tsy rariny izany izy, ka nitarika ny zava-nitranga mba hanafahana an’i Josefa. Nanjary nomena toeram-piandraiketana lehibe sy nomem-boninahitra be mihitsy i Josefa, ilay lehilahy nalefa tao amin’ny ‘lavaky’ ny fonja. (Genesisy 40:15; 41:41-43; Salamo 105:17, 18) Voaporofo ihany tamin’ny farany fa tsy nanan-tsiny i Josefa, ary nomena toerana ambony izy, mba hanatanterahana sitrapon’Andriamanitra hafa.—Genesisy 45:5-8.

3. Nahoana no tsy mahagaga raha tiantsika rehetra ny hoentina ara-drariny?

3 Azo antoka fa tsapantsika ny nanjo an’i Josefa teo. Iza tamintsika no mbola tsy niharan’ny tsy rariny, na nahita olona toy izany? Irintsika rehetra tokoa ny hoentina ara-drariny  sy tsy avakavahana. Tsy mahagaga izany, satria nomen’i Jehovah toetra mitovy amin’ny azy isika, ary iray amin’ireo toetrany lehibe indrindra ny fitiavana ny rariny. (Genesisy 1:27) Tsy maintsy mamantatra ny fitiavan’i Jehovah ny rariny isika, raha te hahafantatra tsara azy. Amin’izay dia ho hitantsika tsara kokoa ny toetrany mahafinaritra, ary ho voasarika hanatona azy isika.

Inona no atao hoe rariny?

4. Ahoana matetika no fiheveran’ny olombelona ny atao hoe rariny?

4 Araka ny fijerin’olombelona, dia fampiharana tsara ny lalàna fotsiny ny atao hoe rariny, na fahamarinana. Milaza ilay boky hoe Zo sy Fahaizana: Fitsipika ao Amin’ny Teoria sy ny Zava-misy (anglisy) fa “ny rariny dia ampifandraisina amin’ny lalàna sy adidy ary zo, ka ny fitoviana sy fahamendrehana no andrefesana ny hatsarany.” Tsy fampiharana lalàna araka ny adidy fotsiny anefa no tafiditra amin’ny rariny ampiharin’i Jehovah.

5, 6. a) Inona no dikan’ireo teny tany am-boalohany nadika hoe “rariny”? b) Inona no dikan’ny hoe manao ny rariny Andriamanitra?

5 Ho takatsika kokoa ny halehibe sy halalin’ny rariny ampiharin’i Jehovah, raha fakafakaintsika ireo teny nanoratana ny Baiboly. Teny lehibe telo no ampiasain’ny Soratra Hebreo. Azo adika hoe “mahitsy” koa ilay teny adika matetika hoe “rariny.” Adika hoe “fahamarinana” ireo teny hafa. Ilay teny nadika hoe “fahamarinana” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina dia nofaritana hoe “toetran’izay mahitsy na marina.” Tsy misy fahasamihafany loatra àry ny fahamarinana sy ny rariny.

6 Rehefa milaza àry ny Baiboly hoe manao ny rariny Andriamanitra, dia midika izany fa manao izay mahitsy sy mety mandrakariva izy, sady tsy manavakavaka. (Romana 2:11) Tena tsy azo inoana hanao zavatra mifanohitra amin’izany izy. Hoy i Eliho nahatoky: “Lavitra an’Andriamanitra  ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!” (Joba 34:10) Tena tsy “hanao meloka”, na tsy rariny, mihitsy i Jehovah. Nahoana? Noho ny antony roa lehibe.

7, 8. a) Nahoana no tsy hain’i Jehovah ny manao ny tsy rariny? b) Inona no manosika azy hanao ny marina, na rariny?

7 Voalohany, dia satria masina izy. Hitantsika tao amin’ny Toko 3 fa madio sy marina amin’ny heviny feno i Jehovah. Tsy afaka ny hanao ny tsy rariny mihitsy àry izy. Hevero ny dikan’izany. Masina ilay Raintsika any an-danitra, ka matoky tanteraka isika fa tsy hanao ratsy fitondra ny zanany mihitsy izy. Natoky an’izany i Jesosy. Nivavaka toy izao izy, tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany: ‘Ray masina ô, tehirizo amin’ny anaranao [ireo mpianatra].’ (Jaona 17:11) I Jehovah ihany no antsoina hoe “Ray masina” ao amin’ny Soratra Masina. Mety izany, satria tsy misy ray olombelona afaka mifampitaha amin’ny fahamasinan’i Jehovah. Natoky tanteraka i Jesosy fa tsy haninona ny mpianany raha eo an-tanan’ny Rainy, izay madio tanteraka sy tafasaraka amin’ny ota rehetra.—Matio 23:9.

8 Faharoa, dia satria ny fitiavana tsy mitady valiny no tena toetran’Andriamanitra. Io fitiavana io no mahatonga azy ho marina sy hanao ny rariny, eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa. Ny fitsiriritana tafahoatra sy ny fitiavan-tena, izay mifanohitra amin’ny fitiavana, kosa no mahatonga ny tsy rariny rehetra, anisan’izany ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fiangarana. Manome toky antsika toy izao, momba an’ilay Andriamanitra fitiavana, ny Baiboly: “Marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany.” (Salamo 11:7) Hoy i Jehovah: “Izaho Jehovah dia tia rariny.” (Isaia 61:8) Tsy mampahery antsika ve ny mahafantatra fa tian’Andriamanitra ny manao izay mahitsy, na rariny?—Jeremia 9:23.

 Famindram-po sy rariny tanteraka no asehon’i Jehovah

9-11. a) Inona no ifandraisan’ny rariny sy ny famindram-pon’i Jehovah? b) Lazao ny fomba isehoan’ny rariny sy ny famindram-pon’i Jehovah eo amin’ny fomba itondrany ny mpanota.

9 Lavorary tanteraka ny rariny ampiharin’i Jehovah, ary tsy misy hafa amin’ireo toetrany tsy manam-paharoa hafa. Nidera an’i Jehovah toy izao i Mosesy: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:3, 4) Tsy misy tsininy ny rariny rehetra ampiharin’i Jehovah, sady tsy diso mandefitra no tsy diso masiaka.

10 Mifandray akaiky koa ny rariny sy famindram-pon’i Jehovah. Hoy ny Salamo 116:5: “Mamindra fo sy marina Jehovah; eny, miantra Andriamanitsika.” Sady manao ny marina, na rariny, i Jehovah, no mamindra fo. Tsy mifanohitra ireo toetrany roa ireo. Tsy manalefaka ny rariny akory ny famindram-pony, ka toy ny hoe masiaka loatra ny fanaovany ny rariny. Miaraka asehony kosa ireo toetra ireo matetika. Indro misy ohatra:

11 Mendrika ho faty daholo ny olona, satria nandova ota. (Romana 5:12) Tsy zavatra mahafinaritra an’i Jehovah anefa ny fahafatesan’ny mpanota. ‘Andriamanitry ny famelan-keloka [Izy], ka miantra sy mamindra fo.’ (Nehemia 9:17) Masina koa anefa izy, ka tsy mandefitra amin’ny tsy fahamarinana. Ahoana àry no namindrany fo tamin’ny olombelona nandova ota? Mamaly izany ny iray amin’ireo fahamarinana sarobidy indrindra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny nanomezan’i Jehovah avotra ho an’ny olombelona. Hianarantsika bebe kokoa ao amin’ny Toko 14 ny momba izany. Sady araka ny rariny tanteraka izy io no feno famindram-po koa. Amin’ny alalan’izy io  no hamindran’i Jehovah fo amin’ny mpanota nibebaka, no sady hampiharany ny rariny lavorary koa.—Romana 3:21-26.

Mankahery ny rariny ataon’i Jehovah

12, 13. a) Nahoana ny fanaovan’i Jehovah ny rariny no mahatonga antsika hanatona azy? b) Inona no fanatsoahan-kevitr’i Davida momba ny fanaovan’i Jehovah ny rariny? Nahoana izany no mampahery antsika?

12 Tsy mampandositra antsika ny rariny ataon’i Jehovah, fa mahatonga antsika hanatona azy kosa. Lazain’ny Baiboly fa miantra koa i Jehovah rehefa manao ny rariny, na marina. Andeha hofakafakaintsika ny sasany amin’ireo fomba mankahery anaovan’i Jehovah rariny.

13 Mahatonga an’i Jehovah tsy hivadika amin’ny mpanompony ny fanaovany ny rariny. Hitan’i Davida mpanao salamo tsara izany lafiny amin’ny rariny ataon’i Jehovah izany. Inona no fanatsoahan-keviny avy amin’ny zavatra niainany sy ny fianarany ny zavatra nataon’Andriamanitra? Hoy izy: “Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; harovana mandrakizay ireo.” (Salamo 37:28) Mampahery tokoa izany fanomezan-toky izany! Tsy hanary izay tsy mivadika aminy mihitsy Andriamanitra. Afaka manantena àry isika fa ho akaiky antsika sy hiahy antsika foana izy. Antoka amin’izany ny fanaovany ny rariny!—Ohabolana 2:7, 8.

14. Inona no nolazain’ny Lalàna, ka mampiseho fa miahy an’ireo niangaran’ny fiainana i Jehovah?

14 Mahita ny zavatra ilain’ireo ory sy niangaran’ny fiainana Andriamanitra, rehefa manao ny rariny. Miharihary eo amin’ny Lalàna nomeny ny Isiraely izany. Nisy fitsipika nolazain’izy io, ohatra, mba hikarakarana ny kamboty sy ny vehivavy maty vady. (Deoteronomia 24:17-21) Fantatr’i Jehovah fa tena sarotra ny fiainan’ny olona toy izany, ka nanjary Ray sy Mpitsara ary Mpiaro azy ireo izy, dia  ilay “manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena.” (Deoteronomia 10:18; Salamo 68:5) Nampitandrina ny Isiraelita i Jehovah fa hihaino ny fitarainan’ireo kamboty sy maty vady izy, raha nisy nampahory azy ireo. Hoy izy: “Hirehitra ny fahatezerako.” (Eksodosy 22:21-23) Marina fa tsy toetra mampiavaka an’i Jehovah ny fahatezerana, nefa tena tezitra izy rehefa misy minia manao ny tsy rariny, indrindra fa raha ny ambany sy tsy manam-piarovana no anaovana izany.—Salamo 103:6.

15, 16. Inona no iray amin’ireo ohatra tena miavaka momba ny tsy fizahan’i Jehovah tavan’olona?

15 Manome toky antsika koa i Jehovah fa “tsy mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly” izy. (Deoteronomia 10:17) Tsy toy ny manam-pahefana olombelona i Jehovah, ka tsy voasariky ny harena na ny endrika ivelany. Tsy misy fiangarana mihitsy ao aminy. Indro misy ohatra tena miavaka momba izany. Tsy olona manokana vitsivitsy monja no afaka ho tonga mpivavaka marina aminy sy hiaina mandrakizay. “Fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina [kosa] no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Misokatra ho an’ny rehetra izany, na manao ahoana na manao ahoana ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina, na ny volon-kodiny, na ny firenena misy azy. Tsy izany ve no tena rariny?

16 Misy lafiny hafa amin’ny rariny ataon’i Jehovah koa anefa mendrika ny hodinihintsika sy hohajaintsika. Izany dia ny fomba itondrany an’ireo nandika ny fitsipiny marina.

Tsy manamarina ny meloka

17. Nahoana ny tsy rariny eo amin’ity tontolo ity no tsy manamatroka ny rariny ataon’i Jehovah?

17 Mety hisy hanontany hoe: ‘Raha tsy mandefitra amin’ny tsy fahamarinana àry i Jehovah, nahoana no mbola  avelany hisy ny fijaliana sy ny zava-dratsy fahita ankehitriny?’ Tsy manamatroka ny rariny ataon’i Jehovah mihitsy ireny zava-mitranga ireny. Vokatry ny fahotana nolovan’ny olombelona avy tamin’i Adama ny tsy rariny eto amin’ity tontolo ratsy ity. Manjaka ny tsy rariny eo amin’ny tontolon’ny olona tsy lavorary sy manao izay tiany hatao. Tsy haharitra anefa izany.—Deoteronomia 32:5.

18, 19. Inona no mampiseho fa tsy handefitra mandrakizay amin’ireo minia mandika ny lalàny marina i Jehovah?

18 Mamindra fo amin’ireo manatona azy amim-pahatsorana i Jehovah, nefa tsy handefitra mandrakizay amin’ny tarehin-javatra manala baraka ny anarany masina. (Salamo 74:10, 22, 23) Tsy azo vazivazina ilay Andriamanitry ny rariny. Tsy hiaro an’ireo minia manota izy, fa tsy maintsy hiharan’ny didim-pitsarana mendrika azy izy ireny. I Jehovah dia “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, ... kanefa tsy mety manamarina ny meloka.” (Eksodosy 34:6, 7) Hitan’i Jehovah, indraindray, araka ireo teny ireo, fa tsy maintsy mampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo minia mandika ny lalàny izy.

19 Diniho, ohatra, ny fomba nitondran’Andriamanitra ny Isiraely fahiny. Nivadika taminy matetika ny Isiraelita, na dia efa tafapetraka tao amin’ny Tany Nampanantenaina aza. Tsy avy hatrany dia narian’i Jehovah tanteraka anefa izy ireo, na dia ‘nalahelo’ aza izy. (Salamo 78:38-41) Namindrany fo kosa izy ireo, ka nomeny fahafahana hiova. Niangavy azy ireo toy izao izy: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny làlan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo, ry taranak’Isiraely?” (Ezekiela 33:11) Sarobidy amin’i Jehovah ny aina, ka namerimberina naniraka mpaminany izy, mba hialan’ny Isiraelita tamin’ny lalan-dratsiny. Tsy nety nihaino sy  nibebaka anefa ireo vahoaka mafy fo ireo. Navelan’i Jehovah ho resin’ny fahavalony àry izy ireo, noho ny anarany masina sy ny dikan’io anarany io.—Nehemia 9:26-30.

20. a) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, avy amin’ny fomba nitondrany ny Isiraely? b) Nahoana ny liona no mety tsara mba ho mariky ny rariny ataon’i Jehovah?

20 Mampianatra antsika zavatra betsaka momba an’i Jehovah ny fomba nitondrany ny Isiraely. Fantatsika fa hitany tsara ny tsy rariny, ary misy akony lehibe aminy izany. (Ohabolana 15:3) Mampahery antsika koa ny mahafantatra fa vonona hamindra fo izy, rehefa misy antony hanaovana izany. Mbola fantatsika koa fa tsy ataony maimaika ny fanaovany ny rariny. Maharitra sy mahari-po i Jehovah, ka heverin’ny maro fa tsy hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy mihitsy izy. Tsy marina velively anefa izany, satria hitantsika tamin’ny nataon’Andriamanitra tamin’ny Isiraely fa misy fetrany ny faharetany. Hentitra amin’ny fahamarinana izy. Miahotra hanao ny rariny matetika ny olombelona, fa ampy tsara kosa ny herim-pon’Andriamanitra hijoroana ho amin’izay mahitsy. Mety indrindra raha mariky ny rariny aseho amin-kerim-po ny liona, ary ampifandraisina amin’ny fanatrehan’Andriamanitra  sy ny seza fiandrianany. * (Ezekiela 1:10; Apokalypsy 4:7) Azontsika antoka àry fa hesoriny, araka ny nampanantenainy, ny tsy rariny eto an-tany. Azo fintinina toy izao tokoa ny fomba fitsarany: hentitra rehefa ilaina izany, mamindra fo rehefa tokony hamindra fo.—2 Petera 3:9.

Manatona an’ilay Andriamanitry ny rariny

21. Rehefa mieritreritra ny fomba anaovan’Andriamanitra ny rariny isika, ahoana no tokony hiheverantsika azy, ary nahoana?

21 Rehefa mieritreritra ny fomba anaovan’i Jehovah ny rariny isika, dia tsy tokony hihevitra azy ho mpitsara tsy miraika sy hentitra be izay tsy liana afa-tsy ny hanameloka ny mpanao ratsy. Tokony hoheverintsika kosa izy hoe Ray be fitiavana nefa hentitra, ary mitondra ny zanany amin’ny fomba tsara indrindra. Ray manao ny rariny i Jehovah, ka ampifandanjainy tsara ny hoe hentitra sy ny rariny, miaraka amin’ny famindram-po amin’ireo zanany eto an-tany mila ny fanampiany sy ny famelany.—Salamo 103:10, 13.

22. Hoavy manao ahoana no homen’i Jehovah antsika, noho ny fanaovany ny rariny, ary nahoana no manao izany amintsika izy?

22 Tokony hankasitrahantsika tokoa ny hoe tsy fanamelohana ny mpanao ratsy fotsiny no tafiditra amin’ny rariny ataon’Andriamanitra! Manao ny rariny i Jehovah, ka nataony izay hananantsika hoavy tena hafakely, dia fiainana lavorary sy mandrakizay ao amin’ny tontolo “izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13) Manao izany amintsika ilay Andriamanitsika, satria famonjena no anton’ilay rariny ataony, fa tsy fanamelohana. Mahatonga antsika hanatona an’i Jehovah tokoa ny fahatakarantsika tsara kokoa ny fitiavany ny rariny! Hojerentsika ao amin’ireo toko manaraka ny fomba anehoan’i Jehovah an’io toetra mahafinaritra io.

^ feh. 20 Mahaliana fa mampitaha ny tenany amin’ny liona mampihatra didim-pitsarana amin’ny Isiraely nivadika i Jehovah.—Jeremia 25:38; Hosea 5:14.

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Inona no Hitranga Amin’ny Andro Fitsarana?

Mampahatahotra ve ny Andro Fitsarana? Inona no hitranga amin’izany?

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Tsindry Hazo Lena?

Resahin’ny Baiboly izay efa ataon’Andriamanitra momba ny tsindry hazo lena sy izay hataony amin’ny hoavy.