Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 2

Tena Afaka ‘Manatona An’Andriamanitra’ ve Ianao?

Tena Afaka ‘Manatona An’Andriamanitra’ ve Ianao?

1, 2. a) Inona no mety tsy hampino ny maro, nefa inona no toky omen’ny Baiboly antsika? b) Inona no fifandraisana akaiky nananan’i Abrahama, ary nahoana?

AHOANA, hoy ianao, raha milaza momba anao ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany hoe “Namako io”? Tsy mampino izany, hoy ny maro. Ahoana tokoa moa no ahafahan’izay olombelona ho lasa naman’i Jehovah Andriamanitra? Manome toky antsika anefa ny Baiboly fa afaka ny ho naman’Andriamanitra isika.

2 Nanana izany fifandraisana akaiky izany i Abrahama. Niantso azy hoe “sakaizako” i Jehovah. (Isaia 41:8) Nentin’i Jehovah toy ny namany tokoa i Abrahama. Afaka nifandray akaiky tamin’Andriamanitra toy izany izy, satria “nino an’Andriamanitra.” (Jakoba 2:23) Mitady fomba ‘iraiketana’ amin’ireo manompo azy noho ny fitiavana koa i Jehovah, ankehitriny. (Deoteronomia 10:15) Hoy ny Teniny amintsika: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” (Jakoba 4:8) Sady fanasana no fampanantenana ho antsika ireo teny ireo.

3. Inona no fanasana ataon’i Jehovah amintsika, ary inona no fampanantenany mifandray amin’izany?

3 Manasa antsika hanatona azy i Jehovah. Vonona ny hankasitraka antsika sy ho tonga namantsika izy, ary tena maniry izany. Mampanantena koa izy fa hanatona antsika, raha manao dingana hanatona azy isika. Hanana zavatra tena sarobidy isika amin’izay, dia ny fisakaizan’i Jehovah. * (Ohabolana  3:32) Ny sakaiza dia iresahana ny tsiambaratelo izay tsy resahina afa-tsy amin’ny namana akaiky.

4. Manao ahoana izany hoe namana akaiky, araka ny hevitrao? Nahoana i Jehovah no azo lazaina fa namana toy izany ho an’ireo manatona azy?

4 Manana namana akaiky amborahanao tsiambaratelo ve ianao? Miahy anao ny namana toy izany. Matoky azy ianao, satria tsy mivadika aminao izy. Mitombo ny fifalianao rehefa zarainao aminy. Mihamaivana ny alahelonao, satria mangoraka izy mihaino anao. Tsapany ny manjo anao, na dia tsy misy mahatsapa izany aza ny olona. Toy izany koa rehefa manatona an’Andriamanitra ianao. Manjary manana Namana mihevitra anao ho sarobidy ianao, ary tena miahy anao sy mahatsapa tsara ny manjo anao izy. (Salamo 103:14; 1 Petera 5:7) Matoky azy amin’ny fonao rehetra ianao, satria fantatrao fa tsy mivadika amin’ireo tsy mivadika aminy izy. (Salamo 18:25) Tsy afaka ny ho sakaizan’Andriamanitra toy izany anefa isika, raha tsy izy no nanao izay hisian’izany.

Nanao ny dingana voalohany i Jehovah

5. Inona no nataon’i Jehovah mba hahafahantsika hanatona azy?

5 Tsy ho afaka hanatona an’Andriamanitra mihitsy isika samirery, satria mpanota. (Salamo 5:4) “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy”, hoy ny apostoly Paoly. (Romana 5:8) Nirahin’i Jehovah àry i Jesosy mba “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28) Ny finoantsika an’io sorona io no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra. “Efa tia antsika taloha” Andriamanitra, ka nanao izay hahafahantsika ho tonga sakaizany.—1 Jaona 4:19.

6, 7. a) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy Andriamanitra miafina sy tsy fantatra i Jehovah? b) Ahoana no nampahafantaran’Andriamanitra ny tenany?

6 Nanao dingana hafa koa i Jehovah: Mampahafantatra ny  tenany amintsika izy. Matoa mifandray akaiky ny mpinamana, dia noho izy ireo mifankahalala tsara sy samy mihevitra ny toetra sy ny fomban’ny ankilany ho sarobidy. Ahoana tokoa àry no hanatonantsika an’i Jehovah, raha Andriamanitra miafina sy tsy fantatra izy? Tsy nanafina ny tenany anefa izy, fa tiany kosa ny hahafantarantsika azy. (Isaia 45:19) Afaka mahafantatra ny zavatra nolazainy momba azy koa ny rehetra, na dia ireo mety hoheverin’izao tontolo izao ho ambany aza.—Matio 11:25.

Nampahafantatra ny tenany tamin’ny alalan’ny zavatra noforoniny sy ny Teniny i Jehovah

7 Ahoana no ampahafantaran’i Jehovah ny tenany amintsika? Mampahafantatra ny toetrany sasany ny zavatra noforoniny. Hita, ohatra, hoe lehibe ny heriny, tsy hita lany ny fahendreny, ary be ny fitiavany. (Romana 1:20) Tsy ny zavatra noforoniny ihany anefa no ampahafantarany ny tenany. Tia mampita hevitra foana koa izy, ka mampahafantatra ny tenany ao amin’ny Baiboly.

Jereo ny “fahasoavan’ny Tompo”

8. Nahoana no azo lazaina fa efa porofon’ny fitiavan’i Jehovah antsika ny Baiboly?

8 Efa porofon’ny fitiavan’i Jehovah antsika ny Baiboly. Mampahafantatra ny tenany amin’ny fomba takatsika izy ao. Manaporofo izany fa sady tia antsika izy, no tiany hahafantatra sy ho tia azy koa isika. Manampy antsika hahita ny “fahasoavan’ny Tompo”, na ny hatsarany, ny zavatra vakintsika ao amin’io boky sarobidy io, ka manosika antsika hanatona azy. (Salamo 90:17) Andeha hodinihintsika ny sasany amin’ireo fomba mankahery ampahafantaran’i Jehovah ny tenany ao amin’ny Teniny.

9. Milazà ohatra vitsivitsy ny amin’ny filazana mivantana ny toetran’i Jehovah ao amin’ny Baiboly.

9 Milaza mivantana ny toetran’Andriamanitra ny Soratra Masina. Ireto misy ohatra: “Jehovah tia rariny.” (Salamo 37:28) “Lehibe amin’ny hery” Andriamanitra. (Joba 37:23) “Andriamanitra mahatoky” Izy. (Deoteronomia 7:9) “Hendry am-po Izy.” (Joba 9:4) “Andriamanitra mamindra fo sy miantra  [Izy], mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.” (Eksodosy 34:6) “Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka.” (Salamo 86:5) Misy toetra iray tena miavaka, araka ny noresahina tao amin’ilay toko teo aloha, dia ny hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tsy voasarika hanatona an’io Andriamanitra tsy manan-tsahala io ve ianao, rehefa mieritreritra ireo toetrany mahafinaritra ireo?

Manampy antsika hanatona an’i Jehovah ny Baiboly

10, 11. a) Inona koa no nampidirin’i Jehovah ao amin’ny Teniny, mba hanampiana antsika hahita mazava kokoa ny toetrany? b) Inona no ohatra ao amin’ny Baiboly manampy antsika hahazo an-tsaina ny fiasan’ny herin’Andriamanitra?

10 Milaza amintsika ny toetran’i Jehovah ny Baiboly. Naneho fitiavana koa anefa i Jehovah ka mampiseho ohatra ny amin’ireo toetra ireo. Misy hevitra mivaingana tonga ao an-tsaintsika avy amin’ireny tantara ireny, ka manjary hitantsika tsara kokoa ireo lafiny samihafa amin’ny toetran’i Jehovah. Izany no mahatonga antsika hanatona azy. Indro misy ohatra.

11 Fantatsika fa ‘tsy toha ny herin’Andriamanitra.’ (Isaia 40:26) Misy heviny kokoa anefa izany rehefa mamaky ny nanafahany ny Isiraelita tao amin’ny Ranomasina Mena isika, ary mahita ny fomba nanampiany azy ireo tany an’efitra, nandritra ny 40 taona. Toy ny hitanao mihitsy ilay rano be misaraka; ilay firenena, izay nisy olona 3 000 000 angamba, namakivaky ny tany maina fanambanin’ilay ranomasina; ilay rano nivaingana toy ny rindrim-be teo amin’ny andaniny avy. (Eksodosy 14:21; 15:8) Hitanao fa niaro sy niahy azy ireo tany an’efitra Andriamanitra. Nisy rano nivoaka  avy tamin’ny vatolampy. Nisy sakafo toy ny voa fotsifotsy nipoitra tamin’ny tany. (Eksodosy 16:31; Nomery 20:11) Nasehon’i Jehovah teo fa sady manan-kery izy, no mampiasa izany hahasoa ny vahoakany. Tsy mampahery ve ny mahafantatra fa ilay Andriamanitra iantefan’ny vavaka ataontsika dia mahery sady “aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana”?—Salamo 46:1.

12. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika “hahita” azy amin’ny fomba takatry ny saintsika?

12 Tsy vitan’ny hoe nampahafantatra ny tenany tamintsika fotsiny anefa i Jehovah, ilay Andriamanitra fanahy. Ny zavatra hitan’ny maso ihany mantsy no fantatsika olombelona, ka tsy ho hitantsika mihitsy ny zavatra tsy hita maso. Tsy ho azontsika mihitsy ny endrik’i Jehovah, raha amin’ny fomba iresadresahana ny fanahy no anazavany izany amintsika. Izany dia mitovy amin’ny fanazavana ny endrikao, toy ny lokon’ny masonao na tandra amin’ny hoditrao, amin’ny olona teraka jamba. Tsara fanahy anefa i Jehovah, ka manampy antsika “hahita” azy, araka ny takatry ny saintsika. Mampiasa teny an’ohatra, na fampitahana, izy indraindray, ka mampitaha ny tenany amin-javatra fantatsika. Lazalazainy ho manana endrika toy ny an’ny olombelona mihitsy aza izy. *

13. Inona no sary tonga ao an-tsainao amin’ny Isaia 40:11, ary inona no vokatr’izany eo aminao?

13 Mariho ilay filazalazana an’i Jehovah ao amin’ny Isaia 40:11, manao hoe: “Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny.” Ampitahaina amin’ny mpiandry ondry maka ny ondriny ho eo ‘an-tsandriny’ i Jehovah eto. Milaza izany fa afaka miaro sy manampy ny vahoakany izy, eny fa na dia ireo mora voa indrindra aza.  Mandry feizay isika eo an-tsandriny matanjaka, satria tsy hahafoy antsika mihitsy izy, raha tsy mivadika aminy isika. (Romana 8:38, 39) ‘Hitrotro’ ny ondriny ilay Mpiandry Lehibe. Izany dia manondro an’ilay lamba miaraka amin’ny akanjo ambony, itondran’ny mpiandry ondry ny ondry vao teraka, indraindray. Manome toky antsika izany fa tia sy miahy antsika i Jehovah. Voasarika hanatona azy tsotra izao isika.

‘Tian’ny Zanaka ny hanehoana Azy’

14. Nahoana no azo lazaina fa asehon’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy ny tsipiriany momba azy?

14 Mampiseho ny tsipiriany momba azy i Jehovah ao amin’ny Teniny, amin’ny alalan’i Jesosy Zanany malala. Tsy misy afaka maneho taratra kokoa ny fisainana sy fihetseham-pon’Andriamanitra, na manazava tsara kokoa ny momba azy, noho i Jesosy. Efa niaraka tamin’ny Rainy tokoa io Zanaka lahimatoa io, talohan’ny namoronana ny zavaboary ara-panahy sy izao rehetra izao hita maso. (Kolosiana 1:15) Fantatr’i Jesosy tsara i Jehovah, ka afaka niteny izy hoe: “Tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray  afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.” (Lioka 10:22) Nampahafantatra ny momba ny Rainy i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Nisy fomba lehibe roa nanaovany izany.

15, 16. Inona avy ireo fomba roa nampahafantaran’i Jesosy ny Rainy?

15 Voalohany, manampy antsika hahafantatra ny Ray ny fampianaran’i Jesosy. Milazalaza an’i Jehovah amin’ny teny manohina ny fontsika izy. Nolazain’i Jesosy, ohatra, fa mamindra fo Andriamanitra, ka mandray tsara ny mpanota mibebaka. Nampitahainy tamin’ny ray mamela heloka i Jehovah tamin’izany. Nihetsi-po be io ray io rehefa nahita ny zanany adala niverina, ka lasa nihazakazaka namihina ny sorony sy nanoroka azy tamim-pitiavana. (Lioka 15:11-24) Nolazain’i Jesosy koa fa ‘mitaona’ ny olona tso-po i Jehovah, satria tia azy ireo isam-batan’olona. (Jaona 6:44) Fantany na dia ny tsintsina kely mianjera amin’ny tany aza. “Koa aza matahotra”, hoy i Jesosy, “fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Matio 10:29, 31) Tsy maintsy ho voataona hanatona an’io Andriamanitra tena miahy antsika io isika.

16 Faharoa, mampiseho ny toetran’i Jehovah ny ohatr’i Jesosy. Naneho taratry ny toetran’i Jehovah tamin’ny fomba lavorary i Jesosy, ka afaka niteny hoe: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray.” (Jaona 14:9) Toy ny mahita maso ny Rain’i Jesosy àry isika, rehefa mamaky momba an’i Jesosy ao amin’ireo Filazantsara, anisan’izany ny fihetseham-po nasehony sy ny fomba nitondrany ny olona. Tsy nisy fomba tsara kokoa nampahafantaran’i Jehovah ny toetrany noho izany. Nahoana?

17. Lazao ny fanoharana ny zavatra nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika hahafantatra ny toetrany.

17 Indro misy fanoharana: Aoka hatao hoe hanazava ny momba ny hatsaram-panahy ianao. Mety hanome famaritana an’ilay teny angamba ianao. Misy dikany sy mora azo kokoa anefa io teny io, raha misy olona naneho hatsaram-panahy ka azonao aseho hoe “toy iny olona iny no atao hoe tsara fanahy.” Toy izany koa no nataon’i Jehovah mba hanampiana  antsika hahafantatra ny toetrany. Nolazainy tamin’ny teny aloha izany, ary nomeny antsika i Jesosy avy eo, mba ho ohatra azo tsapain-tanana. Hita tao amin’i Jesosy ny toetran’Andriamanitra. Milazalaza an’i Jesosy ireo tantara ao amin’ny Filazantsara, ka toy ny milaza amintsika i Jehovah hoe: “Toy izany ny toetrako.” Ahoana no ilazan’ny tantara ara-tsindrimandry ny momba an’i Jesosy teto an-tany?

18. Ahoana no nanehoan’i Jesosy hery sy fitiavana ny rariny ary fahendrena?

18 Nisongadina tsara tao amin’i Jesosy ireo toetran’Andriamanitra efatra lehibe. Nanana hery nifehezana ny aretina sy ny hanoanana ary ny fahafatesana izy. Tsy nanampatra fahefana toy ireo olona tia tena anefa izy, ary tsy nampiasa ny heriny mahagaga mba hahasoa ny tenany sy hamelezana ny olona. (Matio 4:2-4) Tia rariny izy. Naharikoriko azy ny mpivarotra namitaka sy nanambaka vahoaka. (Matio 21:12, 13) Tsy nanavakavaka ny mahantra sy ny tsy nambinina izy, fa nanampy azy ireny “hahita fitsaharana” kosa. (Matio 11:4, 5, 28-30) Misy fahendrena tsy manam-paharoa ao amin’ny fampianaran’i Jesosy, ilay “lehibe noho Solomona.” (Matio 12:42) Tsy nampideradera ny fahendreny mihitsy anefa i Jesosy. Nanohina ny fon’ny sarambaben’olona ny fampianarany, satria nazava sy tsotra ary azo nampiharina.

19, 20. a) Nahoana i Jesosy no ohatra niavaka momba ny fitiavana? b) Inona no tokony hotadidintsika rehefa mamaky sy misaintsaina momba ny ohatra navelan’i Jesosy isika?

19 Ohatra niavaka momba ny fitiavana i Jesosy. Naneho izany tamin’ny fomba maro izy nandritra ny fanompoany. Nahay niara-niory sy nangoraka izy, ohatra. Nalahelo foana izy, rehefa nahita ny fahorian’ny olona. Nanao zavatra koa izy, fa tsy nijery izany fotsiny. (Matio 14:14) Nangoraka tamin’ny fomba lehibe kokoa i Jesosy, na dia nanasitrana sy nanome sakafo aza. Nanampy ny olona hahafantatra sy hanaiky ary ho tia ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy izy, satria io ihany no hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny olona. (Marka 6:34; Lioka 4:43) Ambonin’ny  zavatra rehetra, dia naneho fitiavana feno fahafoizan-tena i Jesosy, ka nanome ny ainy ho an’ny olona.—Jaona 15:13.

20 Mahagaga ve raha voasarika hanatona an’io lehilahy be fitiavana sy miantra io ny olona samy hafa taona sy fiaviana? (Marka 10:13-16) Aoka anefa hotadidintsika, rehefa mamaky sy misaintsaina momba ny ohatra navelan’i Jesosy isika, fa taratra mazavan’ny toetran’ny Rainy no hitantsika.—Hebreo 1:3.

Boky natao hanampiana antsika

21, 22. Inona no ilaina mba hitadiavana an’i Jehovah? Inona no voarakitra ato amin’ity boky ity, mba hanampiana antsika hanao izany?

21 Tena tian’i Jehovah hanatona azy isika, matoa nampahafantariny antsika mazava ao amin’ny Teniny ny momba azy. Tsy manery antsika hitady sitraka aminy koa anefa izy. Anjarantsika ny mitady an’i Jehovah, “dieny mbola akaiky Izy.” (Isaia 55:6) Ilaintsika amin’izany ny mahafantatra ny toetrany sy ny fombany, araka ny asehon’ny Baiboly. Natao hanampiana anao hanao izany ity boky ity.

22 Misy fizarana araka ireo toetran’i Jehovah efatra lehibe indrindra ity boky ity: hery, fitiavana ny rariny, fahendrena, ary fitiavana. Ny fanazavana ankapobe momba ilay toetra no manokatra ny fizarana tsirairay. Miresaka ny fanehoan’i Jehovah  an’ilay toetra amin’ny fomba samihafa ireo toko vitsivitsy aorian’izay. Misy toko miresaka ny fomba nanehoan’i Jesosy an’ilay toetra koa ao amin’ireo fizarana tsirairay, ary misy toko mamelabelatra ny fomba azontsika anehoana izany eo amin’ny fiainantsika.

23, 24. a) Hazavao ilay faritra manokana hoe “Fanontaniana Hosaintsainina.” b) Nahoana ny fisaintsainana no manampy antsika hanatona kokoa an’Andriamanitra?

23 Misy faritra manokana hoe “Fanontaniana Hosaintsainina”, manomboka amin’ity toko ity. Jereo, ohatra, ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy 24. Tsy natao hamerenana an’ilay toko ireo andinin-teny sy fanontaniana eo, fa natao hanampiana anao hisaintsaina lafiny lehibe hafa amin’ilay foto-kevitra kosa. Ahoana no hampiasanao tsara an’io faritra voafefy io? Jereo sy vakio tsara ireo andinin-teny omeny. Vakio ny fanontaniana miaraka amin’ilay andininy. Eritrereto ny valiny. Mety hanao fikarohana kely ianao. Mametraha fanontaniana hafa, toy ny hoe: ‘Inona no lazain’izany amiko momba ny toetran’i Jehovah? Inona no akon’izany eo amin’ny fiainako? Ahoana no hampiasako izany hanampiana ny olona?’

24 Manampy antsika hanatona kokoa an’i Jehovah izany fisaintsainana izany. Nahoana? Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fo ny fisaintsainana. (Salamo 19:14) Rehefa mankasitraka sy misaintsaina ny zavatra ianarantsika momba an’Andriamanitra isika, dia midina ao am-pontsika ilay fanazavana, ka misy vokany amin’ny fisainantsika sy manaitra ny fihetseham-pontsika, ary manosika antsika hanao zavatra. Mitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra, ary io fitiavana io kosa no mahatonga antsika haniry hankasitrahan’ilay Namantsika akaiky indrindra. (1 Jaona 5:3) Tsy maintsy mahafantatra ny toetra sy fomban’Andriamanitra isika, mba hifandraisana aminy toy izany. Andeha aloha anefa horesahintsika ny lafin-toetran’Andriamanitra mahatonga antsika hanatona azy, dia ny fahamasinany.

^ feh. 3 Ampiasaina ao amin’ny Amosa 3:7 koa ilay teny Hebreo nadika hoe “fisakaizana.” Lazainy ao fa milaza ny “heviny”, na tsiambaratelo, amin’ny mpanompony i Jehovah Tompo. Midika izany fa mampahafantatra mialoha ny zavatra eritreretiny hatao izy.

^ feh. 12 Resahin’ny Baiboly, ohatra, ny tavan’Andriamanitra, ny masony, sofiny, vavorony, vavany, sandriny, ary tongony. (Salamo 18:15; 27:8; 44:3; Isaia 60:13; Matio 4:4; 1 Petera 3:12) Tsy tokony horaisina ara-bakiteny ireny teny an’ohatra ireny, sy ireo filazana an’i Jehovah hoe “Vatolampy”, na “Ampinga.”—Deoteronomia 32:4; Salamo 84:11.

Fanampim-panazavana

Miahy Anao Tokoa ve i Jehovah?

Sarotra aminao ve ny mino hoe sarobidy amin’Andriamanitra ianao? Hita amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:44 fa miahy anao manokana Andriamanitra.