Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 1

“Indro Andriamanitsika”!

“Indro Andriamanitsika”!

1, 2. a) Inona avy no zavatra tianao hanontaniana an’Andriamanitra? b) Inona no nanontanian’i Mosesy an’Andriamanitra?

ERITRERETO hoe miresaka mivantana amin’Andriamanitra ianao. Efa mampahatahotra, na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe ilay Tompon’izao rehetra izao no hiresaka aminao! Misalasala aloha ianao, nefa afaka mamaly azy ihany avy eo. Mihaino izy, ary mamaly sy manao izay tsy hampisalasala anao hametraka ny fanontaniana tianao hapetraka. Inona àry amin’izay no hanontanianao azy?

2 Nisy lehilahy tao anatin’ny tarehin-javatra toy io mihitsy, taloha ela be. Mosesy no anarany. Mety hahagaga anao anefa ny zavatra nanontaniany an’Andriamanitra. Tsy nanontany momba ny tenany na ny hoaviny, na ny momba ny fahorian’ny olombelona izy. Ny anaran’Andriamanitra kosa no nanontaniany. Hafahafa angamba izany, hoy ianao, satria efa fantatr’i Mosesy ny anaran’Andriamanitra. Zavatra lalina kokoa àry no tiany hanontaniana. Io fanontanian’i Mosesy io no fanontaniana misy heviny indrindra. Mahakasika antsika rehetra ny valiny. Hanampy anao hiezaka mafy hanatona an’Andriamanitra izany. Nahoana? Andeha hodinihintsika io resaka mahaliana io.

3, 4. Inona no zava-nitranga nahatonga an’i Mosesy sy Andriamanitra hiresaka? Inona no tena noresahin-dry zareo?

3 Valopolo taona i Mosesy tamin’izay, ary nipetraka 40 taona tany an-tany lavitra ny Isiraelita, izay andevo tany Ejipta. Nisy zavatra hafahafa hitany, teo am-piandrasana ny ondrin’ny rafozandahiny, indray andro. Nisy roimemy nirehitra, nefa tsy levon’ny afo. Nirehitra teo foana ilay izy, ka lasa toy ny jiro nanazava an’ilay tendrombohitra. Nanatona hijery an’ilay izy i Mosesy. Tsy maintsy ho taitra izy rehefa nandre feo niteny taminy avy tao anatin’ilay afo! Niresaka  ela teo tamin’ny alalan’ny anjely mpitondra teny izy sy Andriamanitra. Fantatrao angamba ny tohiny hoe nirahin’Andriamanitra hiverina tany Ejipta mba hanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana i Mosesy, na dia mbola nisalasala handao ny fiainany nilamina aza.—Eksodosy 3:1-12.

4 Afaka nanontany izay tiany hanontaniana i Mosesy teo. Izao anefa no nanontaniany: “Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?”—Eksodosy 3:13.

5, 6. a) Inona no fahamarinana tsotra nefa lehibe hitantsika avy amin’ny fanontanian’i Mosesy? b) Inona no heloka lehibe indrindra natao tamin’ny anaran’Andriamanitra? d) Nahoana no tena zava-dehibe ny nampahafantaran’Andriamanitra ny anarany tamin’ny olona?

5 Hitantsika avy amin’io fanontaniana io aloha fa manana anarana Andriamanitra. Tsy tokony hohamaivanintsika izany fahamarinana tsotra izany. Maro anefa no manamaivana izany. Maro be ny mpandika Baiboly nanala an’ilay anarana, ka nanolo azy io tamin’ny anaram-boninahitra hoe “Tompo”, na “Andriamanitra.” Izany no anisan’ny mampalahelo indrindra sy tena heloka lehibe indrindra nataon’ny fivavahana. Inona tokoa moa no tianao hofantarina, rehefa misy olona mihaona aminao voalohany? Tsy ny anarany ve? Toy izany koa ny fahafantarana an’Andriamanitra. Tsy zavatra tsy misy anarana sy lavitra be tsy takatry ny saintsika akory izy. Tena misy sy manana anarana mihitsy izy na dia tsy hitantsika aza. Jehovah no anarany.

6 Nisy zavatra niavaka sy nanaitra koa nadiva hiseho, rehefa nilaza ny anarany Andriamanitra. Manasa antsika hamantatra azy izy. Manasa antsika hanao ny safidy tsara indrindra izy, dia ny hanatona azy. Tsy ny nampahafantatra ny anarany fotsiny anefa no nataon’i Jehovah. Nampianariny antsika koa ny maha izy azy.

 Ny dikan’ny anaran’Andriamanitra

7. a) Heverina hoe inona no dikan’ny anaran’Andriamanitra? b) Inona no tena tian’i Mosesy ho fantatra tamin’izy nanontany ny anaran’Andriamanitra?

7 I Jehovah no nifidy ny anarany, ary tena misy heviny lehibe izy io. Misy mihevitra fa ny hoe “Jehovah” dia midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Tsy manan-tsahala i Jehovah, satria izy no namorona ny zavatra rehetra, ary ataony izay hahatanteraka ny fikasany rehetra. Tena mahatalanjona izany! Izay ihany ve anefa no tena dikan’ny anarany? Mihoatra noho izany no tian’i Mosesy ho fantatra. Efa fantany fa i Jehovah no Mpamorona, ary fantany ny anaran’Andriamanitra. Tsy zava-baovao ilay anarana, satria efa nampiasain’ny olona nandritra ny taonjato maro. Ny tena nanontanian’i Mosesy tokoa dia ny maha izy an’ilay tompon’io anarana io. Toy ny nanontany izy hoe: ‘Inona no holazaiko momba anao amin’ny Isiraely olonao, mba hahatonga azy hino anao, ka hanekeny fa tena hanafaka azy ireo ianao?’

8, 9. a) Ahoana no namalian’i Jehovah an’i Mosesy? Inona matetika no diso tamin’ny fomba nandikana ny valin-tenin’i Jehovah? b) Inona no dikan’ilay hoe “Hanatanteraka izay tiako hotanterahina aho”?

8 Nilaza zavatra iray mampiavaka azy i Jehovah rehefa namaly an’i Mosesy. Mifandray amin’ny dikan’ny anarany izy io. Hoy ny Eksodosy 3:14, araka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Hanatanteraka izay tiako hotanterahina aho.” Maro ny Baiboly mandika azy io hoe: “Izaho, Izay Izy Hatrizay Hatrizay ka ho Mandrakizay.” Tsy ny fisian’Andriamanitra fotsiny anefa no nohamafisiny teo, araka ny asehon’ireo dikan-teny natao tsara. Nampianarin’i Jehovah an’i Mosesy sy antsika rehetra kosa fa afaka ny ho tonga izay rehetra ilaina izy mba hanatanterahana ny fampanantenany. Izao no nandikan’i Joseph Rotherham an’io andininy io: “Ho Tonga izay rehetra mahafinaritra ahy aho.” Izao no anazavan’ny manam-pahaizana iray azy io: “Ho ‘tonga’ vahaolana amin’ny zavatra ilaina Andriamanitra, na inona na inona tarehin-javatra, na zavatra ilaina.”

9 Inona no dikan’izany ho an’ny Isiraelita? Ho tonga izay  rehetra ilaina i Jehovah mba hanafahana azy ireo tamin’ny fanandevozana sy hitondra azy any amin’ny Tany Nampanantenaina, na inona na inona sakana na zava-tsarotra mety ho hitany. Nahatonga azy ireo hatoky an’Andriamanitra tokoa ilay anarana, ary toy izany koa ny amintsika. (Salamo 9:10) Nahoana?

10, 11. Nahoana ny anaran’i Jehovah no manasa antsika hihevitra azy ho Ray tsara indrindra afaka manao zavatra maro? Hazavao.

10 Indro misy ohatra: Fantatry ny ray aman-dreny fa tsy maintsy mahay zavatra maro izy, mba hitaizany ny zanany. Ao anatin’ny iray andro monja izy dia mety ho sady mpitsabo no mpahandro, no mpampianatra, no mpibedy, no mpitsara, sy ny sisa. Mavesatra be amin’ny maro ireo zavatra antenaina hataony ireo. Tsapan’izy ireo fa mitoky tanteraka aminy ny zanany, ary tena mino mafy foana fa afaka mitsabo ny ratrany i Dada na i Neny, mandamina ny adiny, sady afaka manamboatra ny kilalaony simba, ary afaka mamaly izay fanontaniana rehetra tonga ao an-tsainy. Mahatsiaro ho tsy mendrika izany fitokisana izany ny ray aman-dreny sasany, ary kivy indraindray satria misy fetrany ihany ny vitany. Mahatsiaro ho tsy mahay manatontosa ny ankamaroan’ireo andraikitra ireo izy.

11 Ray be fitiavana koa i Jehovah. Na dia tsy mandika ny lalàna napetrany mihitsy aza anefa izy, dia tsy misy na inona na inona tsy ataony, mba hikarakarana ny zanany eto an-tany amin’ny fomba tsara indrindra. Manasa antsika hihevitra azy ho Ray tsara indrindra àry ilay anarany. (Jakoba 1:17) Tsy ela dia fantatr’i Mosesy sy ireo Isiraelita nahatoky fa mendrika ny hantsoina hoe Jehovah i Jehovah. Talanjona tanteraka izy ireo nijery azy lasa Mpitari-tafika tsy mety resy, sy Mpifehy ny zava-drehetra, Mpanome Lalàna tsy manan-tsahala, Mpitsara, Mpamolavola, Mpanome sakafo sy rano ary fitafiana sy kiraro, sy zavatra maro hafa koa.

12. Inona no naha samy hafa ny fiheveran’i Farao sy Mosesy an’i Jehovah?

12 Nampahafantatra ny anarany àry Andriamanitra sady  nanazava lafiny miavaka amin’ny maha izy azy. Noporofoiny mihitsy koa fa marina izay lazainy momba ny tenany. Tena tian’Andriamanitra hahafantatra azy isika. Inona no hasetrintsika izany? Te hahafantatra an’Andriamanitra i Mosesy. Namolavola ny fiainan’i Mosesy io faniriana mafy io, ka nahatonga azy hifandray akaiky tamin’ilay Rainy any an-danitra. (Nomery 12:6-8; Hebreo 11:27) Nampalahelo fa vitsy ny mpiara-belona tamin’i Mosesy naniry toy izany. Niavonavona, ohatra, i Farao, rehefa notononin’i Mosesy taminy ny anaran’i Jehovah. Hoy izy hoe: “Iza moa Jehovah”? (Eksodosy 5:2) Tsy te hahafantatra an’Andriamanitra i Farao. Nambaniny sy nataony tsinontsinona kosa io Andriamanitry ny Isiraely io. Betsaka koa no mihevitra toa azy ankehitriny. Manajamba ny olona tsy hahita ny iray amin’ireo fahamarinana lehibe indrindra izany, dia ny hoe Tompo Fara Tampony i Jehovah.

Jehovah Tompo Fara Tampony

13, 14. a) Nahoana i Jehovah no omen’ny Soratra Masina anaram-boninahitra maro? Manonòna vitsivitsy amin’izany. (Jereo ilay efajoro hoe “ Ny Sasany Amin’ireo Anaram-boninahitr’i Jehovah.”) b) Nahoana no i Jehovah ihany no mendrika hantsoina hoe Tompo Fara Tampony?

13 Manana toetra maro be i Jehovah, ka rariny raha omen’ny Soratra Masina anaram-boninahitra maro koa. Tsy mahasolo ny tena anarany ireny anaram-boninahitra ireny, fa manampy antsika hahafantatra ny toetrany kosa. Antsoina hoe “Andriamanitra Avo Indrindra”, na Tompo Fara Tampony, ohatra, izy. (Salamo 57:2) Hitantsika avy amin’io anaram-boninahitra, miseho imbetsaka ao amin’ny Baiboly io, fa tena ambony i Jehovah. Izy ihany no manan-jo ho Mpitondra an’izao rehetra izao. Nahoana?

14 Satria i Jehovah irery no Mpamorona. Hoy ny Apokalypsy 4:11: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” Tsy misy na iza na iza azo itenenana ireo teny be voninahitra ireo. I Jehovah no namorona  ny zava-drehetra! Tena mendrika ny haja sy hery ary voninahitra tokoa izy, satria Tompo Fara Tampony sy Mpamorona ny zava-drehetra.

15. Nahoana i Jehovah no antsoina hoe “Mpanjaka Mandrakizay”?

15 Anaram-boninahitra tsy mihatra afa-tsy amin’i Jehovah koa ny hoe “Mpanjaka Mandrakizay.” (1 Timoty 1:17; Apokalypsy 15:3) Inona no dikan’izany? Efa nisy foana i Jehovah, sady mbola hisy foana, na dia sarotra amintsika aza ny mahatakatra izany. Hoy ny Salamo 90:2: “Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” Tsy nanam-piandohana àry i Jehovah, fa efa nisy foana. Rariny raha antsoina hoe “Fahagola” izy, satria efa nisy foana talohan’ny zavaboary rehetra! (Daniela 7:9, 13, 22) Iza no ho afaka hilaza ara-drariny fa tsy mendrika ny ho Tompo Fara Tampony izy?

16, 17. a) Nahoana isika no tsy afaka mahita an’i Jehovah, ary nahoana no tsy mahagaga izany? b) Nahoana i Jehovah no azo lazaina fa misy kokoa noho ny zava-drehetra hitantsika sy azontsika tsapain-tanana?

16 Misy milaza, toa an’i Farao, anefa fa tsy manana izany zo izany i Jehovah. Anisan’ny mahatonga izany ny hoe tsy mino afa-tsy izay zavatra hitany ny olona. Tsy afaka mahita an’ilay Tompo Fara Tampony isika. Fanahy izy, ka tsy hitan’ny masontsika. (Jaona 4:24) Ho faty koa ny olona nofo sy ra, raha manatrika an’i Jehovah Andriamanitra. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Tsy mahazo mahita ny tavako hianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.”—Eksodosy 33:20; Jaona 1:18.

17 Tsy tokony hahagaga antsika izany. Ampahan’ny voninahitr’i Jehovah fotsiny no hitan’i Mosesy, tamin’ny alalan’ny anjely, nefa inona no vokany? Nanjary “namirapiratra ny hoditry ny tavany.” Natahotra ny hijery ny tarehin’i Mosesy mihitsy aza ny Isiraelita. (Eksodosy 33:21-23; 34:5-7, 29, 30) Tsy misy mihitsy àry olona afaka mijery an’ilay Tompo Fara Tampony amin’ny voninahiny rehetra! Midika ve izany fa tsy tena misy izy, satria tsy hita sady tsy azo tsapain-tanana? Tsy  izany mihitsy. Maro ny zavatra tsy hitantsika nefa ekentsika tsotra izao fa misy. Anisan’izany ny rivotra sy ny onjam-peo ary ny eritreritra. Maharitra sy tsy tontan’ny ela koa i Jehovah, na dia misy taona an’arivo tapitrisa tsy hita isa mandalo aza! Mbola misy kokoa noho ny zavatra azontsika tsapain-tanana sy hitantsika àry izy, satria mety ho simba ny zavatra hita maso, rehefa mandeha ireo taona. (Matio 6:19) Tokony hoheverintsika ho hery na zavatra nahatonga izao rehetra izao fotsiny tsy tena fantatra marina ve anefa izy? Andeha hodinihintsika izany.

Toetran’Andriamanitra

18. Inona no fahitana azon’i Ezekiela, ary inona no mifanitsy amin’ny tarehy efatr’ireo “zava-manan-aina” eo akaikin’i Jehovah?

18 Misy andinin-teny mahafinaritra ahitantsika taratry ny any an-danitra mihitsy ao amin’ny Baiboly, na dia tsy hitantsika aza Andriamanitra. Anisan’izany ny Ezekiela toko voalohany. Nahazo fahitana ny amin’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra i Ezekiela. Nahita kalesy lehibe izy. Tena manaitra ny firesahany momba ireo anjely mahery manodidina an’i Jehovah. (Ezekiela 1:4-10) Mifandray akaiky amin’i Jehovah ireo “zava-manan-aina” ireo, ka ahafantarantsika zavatra lehibe momba an’ilay Andriamanitra tompoiny ny endrik’izy ireo. Manana tarehy efatra izy rehetra, dia tarehin’omby, tarehin’ny liona sy voromahery, ary olona. Mifanitsy amin’ny toetran’Andriamanitra efatra lehibe indrindra ireo.—Apokalypsy 4:6-8, 10.

19. Inona no toetra mifanitsy amin’ny a) tarehin’omby? b) tarehin’ny liona? d) tarehin’ny voromahery? e) tarehin’olona?

19 Ny omby ao amin’ny Baiboly, dia mifanitsy amin’ny hery, satria biby matanjaka be tokoa izy io. Mifanitsy amin’ny rariny kosa ny liona, satria mitaky herim-po, izay mampiavaka ny liona, ny fampiharana ny rariny. Malaza kosa ny voromahery, noho izy mahita tsara, hatramin’ny zavatra madinika lavitra be. Mifanitsy amin’ny fahendren’Andriamanitra mahatsinjo ny lavitra àry ny voromahery. Ary ilay  tarehin’olona? Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olona, ka afaka maneho ny toetran’Andriamanitra lehibe indrindra, dia ny fitiavana. (Genesisy 1:26) Manasongadina an’ireo toetran’Andriamanitra efatra ireo ny Baiboly, ka lazaina fa ireo no toetran’Andriamanitra lehibe indrindra, dia ny hery, fitiavana ny rariny, fahendrena, ary fitiavana.

20. Tokony hatahotra ve isika sao niova ny toetran’i Jehovah? Nahoana ianao no mamaly toy izany?

20 Tokony hatahotra ve isika hoe mety ho efa niova Andriamanitra, fa tsy toy izay lazain’ny Baiboly tamin’ny an’arivo taona lasa intsony? Tsia, tsy miova mihitsy izy. Hoy izy amintsika: “Izaho Jehovah dia tsy miova.” (Malakia 3:6) Tsy mora miovaova hevitra i Jehovah, fa tena Ray modely kosa eo amin’ny fomba iatrehana ny tarehin-javatra tsirairay. Toetra mifanaraka amin’ilay toe-javatra eo no asehony. Ny fitiavana no tena misongadina amin’ireo toetra efatra. Misy an’io daholo ny zavatra ataon’Andriamanitra. Maneho fitiavana izy rehefa mampiasa ny heriny sy manao ny rariny ary maneho fahendrena. Milaza zavatra hafakely momba an’Andriamanitra sy ny fitiavany mihitsy ny Baiboly. Hoy izy: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Mariho fa tsy milaza  akory izy hoe manana fitiavana, na be fitiavana Andriamanitra. Milaza kosa izy io fa Andriamanitra mihitsy no fitiavana. Io no tena maha izy azy sy manosika azy amin’ny zava-drehetra ataony.

“Indro Andriamanitsika”

21. Inona no ho tsapantsika rehefa fantatsika tsara kokoa ireo toetran’i Jehovah?

21 Eritrereto ny ankizikely manondro ny rainy sady faly sy kevoka erỳ milaza amin’ilay namany hoe “Iny i dadanay!” Tokony hahatsapa toy izany koa momba an’i Jehovah ireo mpivavaka aminy. Efa nilaza ny Baiboly fa ho avy ny fotoana hilazan’ny olona tsy mivadika hoe “Indro Andriamanitsika.” (Isaia 25:8, 9) Ho tsapanao kokoa, arakaraka ny hahatakaranao ireo toetran’i Jehovah, fa manana Ray tsara indrindra ianao.

22, 23. Ahoana no fomba ilazalazan’ny Baiboly an’ilay Raintsika any an-danitra? Ahoana no ahafantarantsika fa tiany ho akaiky azy isika?

22 Tsy Ray mangatsiatsiaka na tsy miraika na lavitra loatra izy, na dia mampianatra izany aza ny mpampianatra momba ny fivavahana sy ny filozofa sasany. Tsy ho voasarika hanatona Andriamanitra tsy miraika mihitsy isika, ary tsy izany rahateo no toetran’ilay Raintsika any an-danitra, raha ny Baiboly no jerena. Lazainy kosa fa “Andriamanitra finaritra” izy io. (1 Timoty 1:11) Sady mety ho hentitra be izy, no mety hangoraka koa. ‘Malahelo ny fony’ rehefa mandika ny toro lalana omeny mba hahasoa azy ireo ny zavaboariny manan-tsaina. (Genesisy 6:6; Salamo 78:41) ‘Faly ny fony’, rehefa manao zavatra amim-pahendrena, araka ny Teniny, isika.—Ohabolana 27:11.

23 Tian’ilay Raintsika ho akaiky azy isika. Mampirisika antsika ny Teniny, mba “hitady an’Andriamanitra ..., raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.” (Asan’ny Apostoly 17:27) Ahoana anefa no ahafahan’ny olona hanatona an’ilay Tompo Fara Tampon’izao rehetra izao?