Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 8

Hery Hamerenana Amin’ny Laoniny: ‘Havaozin’i Jehovah ny Zavatra Rehetra’

Hery Hamerenana Amin’ny Laoniny: ‘Havaozin’i Jehovah ny Zavatra Rehetra’

1, 2. Inona avy no afoin’ny olombelona ankehitriny, ary inona no vokatr’izany eo amintsika?

MITOMANY be ilay zaza fa very na simba ny kilalaony. Mampalahelo ny mandre azy! Efa hitanao ve anefa ny hafaliany rehefa hita, na namboarin’ny rainy ilay kilalao? Mety ho mora amin’ilay ray ny nanao izany. Tena faly sy talanjona tanteraka anefa ilay zaza. Tafaverina indray ilay zavatra noheveriny fa nafoiny tanteraka!

2 Manana hery hamerenana ny zavatra heverin’ny zanany ho tsy azo antenaina intsony i Jehovah, ilay Ray tsara indrindra. Mazava ho azy fa tsy kilalao no resahintsika eto. Zavatra lehibe lavitra noho izany no afointsika amin’izao “andro mahory” izao. (2 Timoty 3:1-5) Voakasik’izany ny ankamaroan’ny zavatra tena tian’ny olona: ny tranony, fananany, asany, ary ny fahasalamany. Mety ho kivy koa isika mahita fa simba ny tontolo iainana ka mihalany tamingana ny karazan-javaboary maro. Tsy misy zavatra mampalahelo antsika kokoa noho ny fahafatesan’ny havan-tiantsika anefa. Mety havesatra be ilay fahabangana sy ny tsy fahafaha-manoatra.—2 Samoela 19:1.

3. Inona no zavatra mampahery resahin’ny Asan’ny Apostoly 3:21, ary ahoana no hanatanterahan’i Jehovah izany?

3 Tena mampahery àry ny hoe manana hery hamerenana amin’ny laoniny i Jehovah! Ho hitantsika fa mahafaoka zavatra maro ny zavatra azon’i Jehovah averina amin’ny laoniny ho an’ny zanany eto an-tany. Lazain’ny Baiboly mihitsy fa hampody, na hamerina amin’ny laoniny “ny zavatra rehetra” Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 3:21) Hampiasa ny Fanjakan’ny Mesia, tarihin’i Jesosy Kristy Zanany, i Jehovah mba hanatanterahana izany. Voaporofo fa nanomboka nanapaka  tany an-danitra tamin’ny 1914, io Fanjakana io. * (Matio 24:3-14) Inona no haverina amin’ny laoniny? Andeha hojerentsika ny sasany amin’ireo zavatra naverin’Andriamanitra tamin’ny laoniny. Hitantsika sy efa iainantsika ny iray amin’izany. Amin’ny hoavy kosa no tena hahitantsika ny hafa.

Famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana marina

4, 5. Inona no nitranga tamin’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny 607 T.K., ary inona no nampanantenain’i Jehovah azy ireo?

4 Ny fivavahana marina no iray amin’ireo zavatra efa naverin’i Jehovah tamin’ny laoniny. Hodinihintsika aloha ny tantaran’ny fanjakan’ny Joda, mba hahazoantsika izany. Ho hitantsika tsara avy amin’izany ny fomba fiasan’ny herin’i Jehovah mba hamerenana amin’ny laoniny.—Romana 15:4.

5 Eritrereto ny zavatra tsapan’ny Jiosy nahatoky, rehefa rava i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K. Potika ilay tanàna tsy foin’izy ireo, ary rava ny mandany. Rava mihitsy aza ilay tempoly kanto naorin’i Solomona, dia ilay foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah. (Salamo 79:1) Natao sesitany tany Babylona izay sisa tsy maty, ka lao sy lasa fonenan’ny bibidia ilay tany. (Jeremia 9:10) Tsy nisy fanantenana intsony, raha araka ny fijerin’olombelona. (Salamo 137:1) Efa nilaza momba io fandravana io anefa i Jehovah, sady nampanantena fa mbola hisy ny famerenana amin’ny laoniny.

6-8. a) Inona no hevitra resahin’ireo mpaminany hebreo foana, ary oviana no nanomboka tanteraka izany? b) Ahoana no nahatanterahan’ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny, tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny?

6 Anisan’ny zavatra noresahin’ireo mpaminany hebreo foana  ny famerenana amin’ny laoniny. * Nampanantenain’i Jehovah tamin’ny alalan’izy ireo fa haverina amin’ny laoniny sy hisy mponina indray ary ho lonaka ilay tany. Harovana amin’ny bibidia sy ny fahavalo koa izy ireo. Nolazainy mihitsy aza fa ho toy ny paradisa izy io! (Isaia 65:25; Ezekiela 34:25; 36:35) Ambonin’izany rehetra izany, dia haverina ny fivavahana marina ary haorina indray ny tempoly. (Mika 4:1-5) Nanome fanantenana ho an’ny Jiosy natao sesitany izany, ka nanampy azy ireo hiaritra nandritra ny 70 taona tany Babylona.

7 Tonga ihany ilay fotoana famerenana tamin’ny laoniny, rehefa ela ny ela. Nafahana avy tany Babylona ireo Jiosy, ka niverina tany Jerosalema sy nanorina indray ny tempolin’i Jehovah. (Ezra 1:1, 2) Notahin’i Jehovah izy ireo, ary lonaka sy nahavokatra foana ny taniny, raha mbola nanaraka ny fivavahana madio koa izy ireo. Narovan’i Jehovah tamin’ny fahavalo sy ny bibidia nipetraka nandritra ny am-polo taona teo amin’ilay tany koa, izy ireo. Tsy maintsy ho nahafinaritra azy ireo ny herin’i Jehovah hamerenana amin’ny laoniny! Mbola vao fanombohan’ny fahatanterahan’ireo faminaniana fotsiny anefa izany. “Any am-parany”, izany hoe ankehitriny, no tena tanteraka ny famerenana amin’ny laoniny, rehefa nahazo seza fiandrianana ilay Mpandova an’i Davida Mpanjaka, efa nampanantenaina hatry ny ela.—Isaia 2:2-4; 9:5, 6.

8 Nikarakara ny zavatra ara-panahy nilain’ny vahoakan’Andriamanitra i Jesosy, raha vao lasa Mpanjaka tany an-danitra tamin’ny 1914. Nanafaka ny Jiosy sisa tavela avy tany Babylona i Kyrosy, mpanjaka persanina, tamin’ny 537 T.K. Nafahan’i Jesosy koa ny sisa tamin’ny Jiosy ara-panahy, na ny mpanara-dia azy, mba tsy ho voataonan’i Babylona ankehitriny, na ny fivavahan-diso maneran-tany. (Romana 2:29; Apokalypsy 18:1-5) Naverina ho amin’ny toerana tokony hisy azy eo amin’ny fiainan’ny tena Kristianina ny fivavahana  marina, nanomboka tamin’ny 1919. (Malakia 3:1-5) Nivavaka tamin’i Jehovah tao amin’ny tempoliny ara-panahy, dia ny fomba fivavahana madio, ny vahoakany, nanomboka tamin’izay. Nahoana izany no zava-dehibe ho antsika?

Nahoana no zava-dehibe ny famerenana amin’ny laoniny ara-panahy?

9. Inona no nataon’ny Kristianisma Anarana momba ny fivavahana amin’Andriamanitra, rehefa maty ireo apostoly, nefa inona no ataon’i Jehovah ankehitriny?

9 Diniho ny tantara. Maro ny fitahiana ara-panahy noraisin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza anefa i Jesosy sy ny apostoly fa ho simba sy hanjavona ny fivavahana marina. (Matio 13:24-30; Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Nipoitra ny Kristianisma Anarana, rehefa maty ireo apostoly. Nanaraka fampianarana sy fomban’ny mpanompo sampy ireo mpitondra fivavahana. Nanjary tsy fantatra intsony koa Andriamanitra, satria nolazain’izy ireo fa telo izay iray. Nasainy niaiky heloka tamin’ny mompera ny olona, ary nasainy nivavaka tamin’i Maria sy “olo-masina” hafa, fa tsy tamin’i Jehovah. Inona no nataon’i Jehovah taorian’ny taonjato maro nisian’ny fanimbana toy izany? Nanao zavatra hamerenana ny fivavahana marina izy, teto anivon’ity tontolo simban’ny lainga ara-pivavahana sy fanao halany ity! Tsy manitatra isika raha milaza fa iray amin’ireo zava-nitranga lehibe indrindra ankehitriny io famerenana amin’ny laoniny io.

10, 11. a) Inona avy ireo lafiny roa mampiavaka ny paradisa ara-panahy, ary voakasik’izany ve ianao? b) Karazan’olona manao ahoana no angonin’i Jehovah ho ao amin’ilay paradisa ara-panahy, ary inona no mbola ho hitan’izy ireo?

10 Ao anatin’ny paradisa ara-panahy àry ny Kristianina marina ankehitriny. Inona no mampiavaka an’io paradisa io? Misy zavatra roa, ka ny voalohany, dia ny fivavahana madio amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Sady omeny fomba fivavahana tsy misy lainga sy fitaka isika, no omeny sakafo ara-panahy, ka afaka mianatra momba ilay Raintsika any an-danitra sy mampifaly azy ary manatona azy. (Jaona 4:24) Ny  faharoa kosa dia ny olona. Nilaza i Isaia fa hampianatra ny olony ho tia fihavanana i Jehovah, “any am-parany.” Nofoanany ny ady teo amintsika. Manampy antsika hitafy ny “toetra vaovao” izy, na dia tsy lavorary aza isika. Manampy antsika hiezaka amin’ny alalan’ny fanahiny izy, ka io fanahy io no mamoa vokatra tsara ao amintsika. (Efesiana 4:22-24; Galatiana 5:22, 23) Ao anatin’ilay paradisa ara-panahy ianao, rehefa manaraka ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra.

11 Nangonin’i Jehovah ho ao amin’io paradisa ara-panahy io ny karazan’olona tiany, dia ireo tia azy, tia fihavanana, ary tia zavatra ara-panahy. (Matio 5:3) Ireo olona ireo no hahazo tombontsoa hahita famerenana amin’ny laoniny lehibe kokoa, hahakasika ny olona rehetra eto an-tany.

“Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”

12, 13. a) Nahoana no tsy maintsy ho tanteraka amin’ny fomba hafa ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny? b) Inona no fikasan’i Jehovah momba ny tany, nolazainy tany Edena, ary nahoana izany no mahavelom-panantenana antsika?

12 Tsy zavatra ara-panahy fotsiny no voalazan’ny maro amin’ireo faminaniana fa haverina amin’ny laoniny. Noresahin’i Isaia, ohatra, fa hositranina ny marary, mandringa, jamba, marenina, ary hofoanana tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. (Isaia 25:8; 35:1-7) Tsy tanteraka ara-bakiteny tamin’ny Isiraely fahiny izany. Tanteraka amin’ny lafiny ara-panahy izany ankehitriny, nefa azontsika inoana fa mbola ho tanteraka ara-bakiteny sy amin’ny fomba feno izany, amin’ny hoavy. Nahoana?

13 Nolazain’i Jehovah mazava tany Edena ny fikasany hoe honenan’ny olona sambatra sy salama ary tafaray ny tany. Hikarakara ny tany sy ny zavamiaina eo aminy ny olona, mba hahatonga azy io ho paradisa. (Genesisy 1:28) Samy hafa be amin’ny zava-misy ankehitriny izany. Matokia anefa fa tsy misy mahasakana ny fikasan’i Jehovah mihitsy. (Isaia 55:10, 11) Hanova ny tany ho Paradisa i Jesosy, ilay Mesia Mpanjaka notendren’i Jehovah.—Lioka 23:43.

14, 15. a) Ahoana no ‘hanavaozan’i Jehovah ny zavatra rehetra’? b) Hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa, ary inona no tena ho tianao indrindra amin’izany?

 14 Eritrereto hoe lasa Paradisa ny tany! Hoy i Jehovah, momba izany: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” (Apokalypsy 21:5) Inona no ho dikan’izany? “Lanitra vaovao sy tany vaovao” sisa no ho eo, rehefa avy nampiasa ny heriny i Jehovah mba handringanana an’ity tontolo ratsy ity. Midika izany fa hisy fitondram-panjakana vaovao hanjaka avy any an-danitra, ka hifehy fitambaran’olona vaovao eto an-tany, izany hoe ireo tia an’i Jehovah sy manao ny sitrapony. (2 Petera 3:13) Tsy ho afa-miasa intsony i Satana sy ny demoniany. (Apokalypsy 20:3) Ela ny ela, taorian’ny an’arivo taona, ka tsy hisy intsony ilay fitaomana manimba sy feno fankahalana. Tena hahatsapa ho velombelona tanteraka ny olona.

15 Ela ny ela ka ho afaka hikarakara araka ny tokony ho izy an’ity tany tsara tarehy ity ihany isika. Afaka manamboatra ny tenany ny tany. Afaka manadio ny tenany ny farihy sy renirano, rehefa tsy misy mpandoto intsony. Hihatsara ny endriky ny tany, rehefa tsy misy intsony ny ady. Tena hahafinaritra ny hanampy ny tany hihatsara sy hiova ho zaridaina, hisy karazan-javatra tsy hita isa, toa an’i Edena! Tsy hanapotika karazam-biby sy zavamaniry intsony ny olona, fa toy ny hoe hihavana amin’ny zavaboary rehetra eto an-tany. Tsy hatahotra bibidia, na dia ny zazakely aza.—Isaia 9:5, 6; 11:1-9.

16. Inona no famerenana amin’ny laoniny hahakasika ny tsirairay, ao amin’ny Paradisa?

16 Haverina amin’ny laoniny koa ny olona tsirairay. Hositranina amin’ny fomba mahagaga daholo ireo ho tafita amin’ny Hara-magedona. Hanao toy ny nataony teto an-tany i Jesosy, ka hampiasa ny hery nomen’Andriamanitra azy mba hamerenana ny fahitan’ny jamba, ny fandrenesan’ny marenina, ary ny fahasalaman’ny mandringa, na kilemaina. (Matio 15:30) Ho faly ny antitra satria hanjary hatanjaka sy ho salama toy ny tanora indray. (Joba 33:25) Hiala ny ketrona, hihamatanjaka ny tongotra sy tanana, ary hahazo hery vao ny hozatra.  Ho tsapan’ny olona rehetra fa hiala tsikelikely ny vokatry ny fahotana sy tsy fahalavorariana. Hisaotra an’i Jehovah Andriamanitra isika noho ny heriny hamerenana amin’ny laoniny! Andeha isika izao hifantoka amin’ny lafiny mahafinaritra hafa amin’io famerenana amin’ny laoniny io.

Famerenana ny ain’ny maty

17, 18. a) Nahoana i Jesosy no niteny mafy ny Sadoseo? b) Inona no zava-nitranga nahatonga an’i Elia hangataka an’i Jehovah mba hanangana ny maty?

17 Nisy mpitondra fivavahana, nantsoina hoe Sadoseo, tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty, tamin’ny taonjato voalohany. Niteny mafy azy ireo toy izao i Jesosy: “Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.” (Matio 22:29) Asehon’ny Soratra Masina tokoa fa manana izany hery hamerenana ny ain’ny maty izany Andriamanitra. Andeha hofakafakaintsika izany.

18 Eritrereto ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Elia. Nitrotro ny vatana mangatsiakan’ilay zanany lahitokana ny mpitondratena iray. Tsy maintsy ho taitra izao i Elia, satria efa elaela izy no nivahiny tao amin’io mpitondratena io. Efa nanampy an’io ankizy io tsy ho fatin’ny hanoanana izy. Mety ho efa niraiki-po tamin’io zaza io mihitsy aza izy. Tsy hita izay ilazana ny alahelon’ilay reny. Io zaza io sisa no mba nahatsiarovany an’ilay vadiny efa maty. Mety ho nanantena izy fa io zanany io no hikarakara azy, rehefa antitra izy. Kivy tanteraka izy, ka nihevitra fa fanasaziana azy izao. Tsy zakan’i Elia ny nahita izany rehetra izany. Nalainy moramora teny an-tratran’ilay reny ilay faty, ka nentiny tany an’efitranony. Nangataka tamin’i Jehovah izy, mba hamerenany ny ain’ilay zaza.—1 Mpanjaka 17:8-21.

19, 20. a) Ahoana no nampisehoan’i Abrahama fa nino ny herin’i Jehovah izy, ary nahoana no rariny raha nino izany izy? b) Ahoana no namalian’i Jehovah soa ny finoan’i Elia?

19 Tsy i Elia no voalohany nino ny fitsanganana amin’ny maty. Nino i Abrahama, niaina taonjato maro talohany, fa afaka mamerina ny maty i Jehovah. Rariny raha nino izany izy, satria efa 100 taona izy, ary 90 i Saraha vadiny, rehefa naverin’i  Jehovah ny fahafahan’izy ireo miteraka, ka nanjary afaka nanana anaka indray i Saraha. (Genesisy 17:17; 21:2, 3) Nasain’i Jehovah nataon’i Abrahama sorona ilay zanany, rehefa lehibe. Naneho finoana i Abrahama, ka nilaza fa afaka namerina ny ain’i Isaka zanany i Jehovah. (Hebreo 11:17-19) Asehon’izany finoana matanjaka izany ny antony nanomezan’i Abrahama toky ny mpanompony hoe hiara-miverina izy sy Isaka, talohan’ny niakarany ho any an-tendrombohitra hanao sorona an’ilay zanany.—Genesisy 22:5.

“Inty, fa velona ny zanakao”!

20 Tsy navelan’i Jehovah ho faty i Isaka, ka tsy nilaina ny nananganana azy tamin’ny maty. Tena maty kosa ny zanak’ilay mpitondratena tamin’ny andron’i Elia. Tsy naharitra anefa izany, satria namaly soa ny finoan’ilay mpaminany i Jehovah, ka nanangana ilay zaza! Natolotr’i Elia an-dreniny ilay zaza, sady nilaza ireto teny tsy hay hadinoina ireto izy: “Inty, fa velona ny zanakao”!—1 Mpanjaka 17:22-24.

21, 22. a) Nahoana no misy fitantarana momba ny fananganana amin’ny maty ao amin’ny Soratra Masina? b) Ho betsaka ve ny hatsangana amin’ny maty ao amin’ny Paradisa, ary iza no hanao izany?

21 Hitantsika tamin’io àry ny fitantarana voalohany ao amin’ny Baiboly nampiasan’i Jehovah ny heriny mba hamerenana aina. Nomen’i Jehovah hery hamerenana ny ain’ny maty koa, tatỳ aoriana, i Elisa, Jesosy, Paoly, ary Petera. Mazava ho azy fa maty indray ireo olona natsangana. Ahafahantsika mahatsinjo sahady ny zavatra ho avy anefa ireny tantara ao amin’ny Baiboly ireny.

22 Ho “fananganana ny maty sy fiainana” i Jesosy, ao amin’ny Paradisa. (Jaona 11:25) Hanangana olona an-tapitrisa izy, ka hanome azy ireny fahafahana hiaina mandrakizay. (Jaona 5:28, 29) Eritrereto ny ho fihaonan’ireo mpinamana, mpihavana nosarahin’ny fahafatesana. Mifamihina izy ireo, ary tena faly tsy misy toy izany! Hidera an’i Jehovah ny olona rehetra, noho ny heriny nampiasainy mba hamerenana amin’ny laoniny.

23. Inona no fomba lehibe indrindra nanehoan’i Jehovah ny heriny? Nahoana izany no antoka fa ho tanteraka ny fanantenantsika?

 23 Nanome antoka i Jehovah fa ho tanteraka izany fanantenana izany. Ny fomba lehibe indrindra nanehoany ny heriny dia ny nananganany an’i Jesosy Zanany ho zavaboary ara-panahy, manana fahefana manarakaraka ny azy avy hatrany. Nisy vavolombelona an-jato nahita an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. (1 Korintiana 15:5, 6) Tokony ho ampy izany porofo izany, na dia ho an’ireo be fisalasalana aza. Manana hery hamerenana aina i Jehovah.

24. Nahoana isika no matoky fa hatsangan’i Jehovah ny maty, ary inona no fanantenana ankamamintsika rehetra?

24 Tsy vitan’ny hoe manana hery hamerenana ny ain’ny maty i Jehovah, fa tena maniry hanao izany koa. Nahazo tsindrimandry i Joba, lehilahy tsy nivadika, ary nilaza fa malahelo i Jehovah, ka maniry hanangana ny maty. (Joba 14:15) Tsy voasarika hanatona an’ilay Andriamanitsika ve ianao, noho izy maika hampiasa ny heriny amim-pitiavana toy izany? Tadidio anefa fa lafiny iray monja amin’ilay famerenana amin’ny laoniny hitranga ny fananganana amin’ny maty. Eo am-panatonanao akaiky kokoa an’i Jehovah, dia ankamamio foana ilay fanantenanao sarobidy hoe afaka ho eo ianao, mba hahita azy ‘hanavao ny zavatra rehetra.’—Apokalypsy 21:5.

^ feh. 3 Nanomboka ilay “andro fampodiana ny zavatra rehetra”, rehefa tafaorina ny Fanjakan’ny Mesia, notarihin’ny mpandova ny seza fiandrianan’i Davida Mpanjaka nahatoky. Nampanantena an’i Davida i Jehovah fa hisy taranany hanjaka mandrakizay. (Salamo 89:35-37) Tsy nisy taranak’i Davida nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah anefa, rehefa noravan’i Babylona i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K. Nanjary ilay Mpanjaka nampanantenaina hatry ny ela i Jesosy, mpandova an’i Davida, rehefa nomena seza fiandrianana tany an-danitra.

^ feh. 6 Samy namelabelatra an’io hevitra io daholo, ohatra, i Mosesy, Isaia, Jeremia, Ezekiela, Hosea, Joela, Amosa, Obadia, Mika, ary Zefania.

Fanampim-panazavana

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?

Ho tanteraka ve ny fikasan’Andriamanitra hanova ny tany ho paradisa? Raha eny, dia rahoviana?