Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 6

Hery Natao Handringanana: Jehovah, “Mpiady Mahery”

Hery Natao Handringanana: Jehovah, “Mpiady Mahery”

1-3. a) Inona no zava-nampahatahotra natrehin’ny Isiraelita noho ny fanenjehan’ny Ejipsianina? b) Inona no nataon’i Jehovah mba hiadiana ho an’ny vahoakany?

TAMPINA ny lalan’ny Isiraelita, satria tendrombohitra tsy voahanika ny teo anilany, ary ranomasina no teo alohany. Nanenjika mafy azy ireo ny tafika tsy mifaditrovan’i Ejipta, tapa-kevitra ny handripaka azy ireo. * Nampirisihin’i Mosesy mba tsy ho kivy anefa ny vahoakan’Andriamanitra. “Jehovah hiady ho anareo”, hoy izy nanome toky azy ireo.—Eksodosy 14:14.

2 Niantso an’i Jehovah i Mosesy tamin’izay, nefa hoy Izy namaly: “Nahoana no mitaraina amiko hianao? ... Aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ny ranomasina ny tànanao, ka saraho ny rano.” (Eksodosy 14:15, 16) Eritrereto ange ny fandehan’ilay tantara e! Nomen’i Jehovah baiko avy hatrany ny anjeliny, ka nifindra tany aorian’ny Isiraelita ilay andry rahona, ary angamba nivelatra toy ny rindrina nanakana ny Ejipsianina tsy ho afaka hanafika. (Eksodosy 14:19, 20; Salamo 105:39) Naninjitra ny tanany i Mosesy. Nosarahin’ny rivotra mahery ny ranomasina. Nanjary toy ny nivaingana ilay ranomasina, ary lasa rindrina, ka nisy lalana nahafahan’ilay firenena manontolo nandeha!—Eksodosy 14:21; 15:8.

3 Tokony ho nibaiko ny tafiny mba hody i Farao, rehefa nahita izany hery lehibe izany. Niavonavona anefa izy, ka vao mainka nanome baiko hanafihana. (Eksodosy 14:23)  Nihazakazaka ho eo amin’ny fanambanin’ilay ranomasina ny Ejipsianina, kanjo nikorontana tampoka izy ireo, satria niala ny kodiaran’ny kalesiny. Nanome baiko an’i Mosesy toy izao i Jehovah, raha vao tafita ny Isiraelita: “Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tànanao, mba hikatonan’ny rano amin’ny Egyptiana mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.” Nianjera ireo rindrin-drano, ka maty tao i Farao sy ny tafiny!—Eksodosy 14:24-28; Salamo 136:15.

“Mpiady mahery” i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena

4. a) Inona no noporofoin’i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena? b) Ahoana no fiheveran’ny sasany an’io herin’i Jehovah io?

4 Vanim-potoana nanan-tantara teo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona ny nanafahana ny Isiraelita teo amin’ny Ranomasina Mena. Noporofoin’i Jehovah teo fa “mpiady mahery” izy. (Eksodosy 15:3) Ahoana anefa no fiheveranao izany? Marina aloha fa mitondra fahoriana ho an’ny olona ny ady. Mety hanjary hanakana, fa tsy hisarika anao hanatona an’Andriamanitra ve ny fampiasany ny heriny mba handringanana?

Adin’Andriamanitra sy adin’olombelona

5, 6. a) Nahoana no mety ny iantsoana an’i Jehovah hoe Jehovah tompon’ny tafika? b) Inona no maha samy hafa ny adin’Andriamanitra sy ny adin’olombelona?

5 Raha ny teny nanoratana ny Baiboly no jerena, dia miverina efa ho in-300 ao amin’ny Soratra Hebreo sy indroa ao amin’ny Soratra Grika, ny hoe “Jehovah tompon’ny maro”, na Jehovah tompon’ny tafika. (1 Samoela 1:11) Mibaiko tafika misy anjely maro be i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao. (Josoa 5:13-15; 1 Mpanjaka 22:19) Afaka mandringana sy mandrava zavatra maro io tafika io. (Isaia 37:36) Marina fa tsy mahafinaritra ny mahita ny fandringanana olona. Tokony hotadidintsika anefa fa tsy mitovy amin’ny ady kely ataon’olombelona ny adin’i Jehovah. Mety hilaza ny mpitarika miaramila sy mpanao politika fa misy antony  tsara hiadiany. Misy fitiavam-bola sy fitiavan-tena foana anefa ny adin’olombelona.

6 Tsy mba tarihin’ny fihetseham-po fotsiny kosa i Jehovah. Hoy ny Deoteronomia 32:4: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” Melohin’ny Tenin’Andriamanitra ny fahatezerana tsy voafehy sy ny habibiana ary ny herisetra. (Genesisy 49:7; Salamo 11:5) Misy antony foana àry matoa i Jehovah manao zavatra. Mahalana izy vao mampiasa ny heriny mba handringanana, ary tsy ampiasainy izany, raha tsy rehefa izay sisa no vahaolana. Izao no hevitr’i Jehovah: “Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy?”—Ezekiela 18:23.

7, 8. a) Inona no hevi-dison’i Joba momba ny fahoriany? b) Ahoana no nanitsian’i Eliho azy? d) Inona no fianarana raisintsika avy amin’izay nanjo an’i Joba?

7 Nahoana àry i Jehovah no mampiasa ny heriny mba handringanana? Horesahintsika aloha ny momba an’i Joba, lehilahy marina, alohan’ny hamaliantsika izany. Nilaza i Satana fa tsy maintsy hivadika i Joba sy ny olon-kafa rehetra, rehefa voasedra. Navelan’i Jehovah hitsapa ny tsy fivadihan’i Joba àry i Satana. Narary i Joba, ary namoy harena sy zanaka. (Joba 1:1–2:8) Noheverin’i Joba fa sazy tsy ara-drariny avy amin’Andriamanitra no nanjo azy, satria tsy fantany ny tena marina. Nanontany an’Andriamanitra izy hoe nahoana izy no lasa “fikendry”, na ‘fahavalon’Andriamanitra.’—Joba 7:20; 13:24.

8 Nolazain’i Eliho tanora toy izao ny hevi-dison’i Joba: “Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’Andriamanitra?” (Joba 35:2) Tsy fahendrena tokoa ny mihevitra fa mahay noho Andriamanitra isika, ka hilaza fa tsy rariny ny ataony. Nilaza i Eliho hoe: “Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy!” Hoy koa izy: “Ny  Tsitoha, tsy mahita Azy isika; izay lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana mbamin’ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.” (Joba 34:10; 36:22, 23; 37:23) Azontsika antoka fa misy antony tsara matoa miady Andriamanitra. Hotadidintsika izany izao eo am-pandinihana ny sasany amin’ireo antony iadian’ilay Andriamanitry ny fiadanana.—1 Korintiana 14:33.

Nahoana ilay Andriamanitry ny fiadanana no miady?

9. Nahoana no miady ilay Andriamanitry ny fiadanana?

9 Noderain’i Mosesy i Jehovah, noho Izy “mpiady mahery.” Nilaza koa anefa izy avy eo hoe: “Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ny fahamasinana”? (Eksodosy 15:11) Hoy koa i Habakoka mpaminany: “Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy ary tsy mahajery fahoriana.” (Habakoka 1:13) Andriamanitra fitiavana i Jehovah, nefa Andriamanitry ny fahamasinana sy ny fahamarinana ary ny rariny koa. Ireo toetrany ireo indraindray no manosika azy hampiasa ny heriny mba handringanana. (Isaia 59:15-19; Lioka 18:7) Tsy mandoto ny fahamasinany àry i Jehovah rehefa miady. Miady kosa izy, satria masina.—Levitikosy 19:2.

10. a) Oviana no tsy maintsy nanomboka niady Andriamanitra, ary nahoana? b) Inona ihany no tsy maintsy hiafaran’ilay ady noresahin’ny Genesisy 3:15, ary inona avy no soa hoentin’izany ho an’ny olo-marina?

10 Eritrereto ny zava-nitranga rehefa nikomy tamin’Andriamanitra i Adama sy Eva. (Genesisy 3:1-6) Ho nihena ny lanjan’i Jehovah amin’ny maha Tompon’izao Rehetra Izao azy, raha nandefitra ny tsy rariny nataon’izy ireo izy. Tsy maintsy nanameloka azy ireo ho faty izy, satria Andriamanitry ny rariny. (Romana 6:23) Efa nolazainy tao amin’ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly fa hiady ny mpanompony sy ny mpanaraka an’ilay “menarana”, dia i  Satana. (Apokalypsy 12:9; Genesisy 3:15) Ny fanapotehana an’i Satana no tsy maintsy hiafaran’io ady io. (Romana 16:20) Hahasoa ny olo-marina anefa izany didim-pitsarana izany, satria tsy ho afaka hifehy ny tany intsony i Satana, ka ho lasa paradisa ny tany. (Matio 19:28) Mandra-pahatongan’izay dia mbola mety hanimba ara-panahy na hamono ny vahoakan’Andriamanitra foana ireo miandany amin’i Satana. Ho voatery hisalovana i Jehovah, indraindray.

Manala ny faharatsiana Andriamanitra

11. Nahoana i Jehovah no nahatsapa fa tsy maintsy nanao safo-drano naneran-tany izy?

11 Nanao izany izy tamin’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa. Hoy ny Genesisy 6:11, 12: “Simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza; dia hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” Havelan’i Jehovah hanimba tanteraka ny toetra tsara sisa tavela teto an-tany ve ny ratsy fanahy? Tsia. Tsapany fa tsy maintsy nanao safo-drano naneran-tany izy, mba hanesorana an’ireo nahery setra sy ratsy fitondran-tena.

12. a) Inona no efa nolazain’i Jehovah momba ny ‘taranak’i Abrahama’? b) Nahoana no tokony haringana ny Amorita?

12 Toy izany koa ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny Kananita. Nolazain’i Jehovah fa ny ‘taranak’i Abrahama’ no hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany. Namoaka didy araka io fikasany io i Jehovah hoe homena ny taranak’i Abrahama ny tany Kanana, na dia nisy Amorita nipetraka aza tao. Rariny ve raha nanala an’ireo olona ireo an-keriny tao i Jehovah? Efa nilaza izy fa afaka 400 taona vao hesorina tao ireo olona ireo, izany hoe rehefa “tanteraka ny heloky ny Amorita.” * (Genesisy 12:1-3; 13:14, 15; 15:13, 16; 22:18) Niharatsy fitondran-tena hatrany ny Amorita, tao anatin’ izany fotoana izany. Feno fanompoan-tsampy sy ra mandriaka ary firaisana mamoafady i Kanana. (Eksodosy 23:24; 34:12, 13; Nomery 33:52) Namono ankizy mba hodorana ho sorona mihitsy aza ny Kananita. Hamela ny vahoakany hifankazatra amin’izany faharatsiana izany ve ilay Andriamanitra masina? Tsia! Hoy izy: “Efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina eo.” (Levitikosy 18:21-25) Tsy ny Kananita rehetra akory no novonoin’i Jehovah. Nisy vonona hiova tamin’ireo olona ireo, ka tsy maty, toa an-dRahaba sy ireo Gibeonita.—Josoa 6:25; 9:3-27.

Miady ho an’ny anarany

13, 14. a) Nahoana i Jehovah no tsy maintsy nanamasina ny anarany? b) Inona no nataony mba hanadiovana ny anarany?

13 Masina i Jehovah, ka masina ny anarany. (Levitikosy 22:32) Nampianarin’i Jesosy hivavaka toy izao ny mpianany: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Nandoto ny anaran’Andriamanitra ilay fikomiana tany Edena, ka nandoto ny lazan’Andriamanitra sy ny fomba fitondrany. Tsy afaka handefitra amin’izany fanendrikendrehana sy fikomiana izany mihitsy i Jehovah. Tsy maintsy nanadio ny anarany izy.—Isaia 48:11.

14 Diniho indray ny Isiraelita. Nampanantena Andriamanitra fa hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany ny Taranak’i Abrahama. Tsy hisy dikany izany raha mbola andevo tany Ejipta ny Isiraelita. Nanadio ny anarany anefa i Jehovah, rehefa nanafaka sy nanorina ny firenen’ny Isiraely. Nilaza tamin’ny alalan’ny vavaka àry i Daniela mpaminany fa i Jehovah no ‘nitondra ny olony nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny tanana mahery ka nanao anarana ho Azy.’—Daniela 9:15.

15. Nahoana i Jehovah no namonjy ny Jiosy babo tany Babylona?

15 Mbola nila an’i Jehovah hanao zavatra ho an’ny anarany indray ny Isiraelita, tamin’ny fotoana nanaovan’i Daniela  an’io vavaka io. Mbola babo tany Babylona ny Jiosy mafy loha tamin’izay. Rava i Jerosalema, renivohitr’izy ireo. Fantatr’i Daniela fa hisandratra ny anaran’i Jehovah, raha tafody tany an-tanindrazany ny Jiosy. Nivavaka àry i Daniela hoe: “Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô, noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin’ny anaranao.”Daniela 9:18, 19.

Miady ho an’ny vahoakany

16. Hazavao hoe nahoana ny fiarovan’i Jehovah ny anarany no tsy midika fa tsy miraika sy tia tena izy.

16 Niaro ny anarany tokoa i Jehovah. Midika ve izany fa tsy miraika sy tia tena izy? Tsia, satria miaro ny vahoakany koa izy, rehefa manao zavatra araka ny fahamasinany sy ny fitiavany ny rariny. Jereo ny Genesisy toko 14. Tantarainy ao fa nisy mpanjaka efatra nanafika, ary naka an’i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama, sy ny fianakavian’izy io. Nandresy i Abrahama, noho ny fanampian’Andriamanitra, na dia natanjaka lavitra noho izy aza ireo fahavalo! Io tantara io angamba no voalohany ao amin’ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah”, izay azo inoana fa boky nanoratana ny momba ireo ady tsy voasoratra ao amin’ny Baiboly. (Nomery 21:14) Hisy fandresena maro hafa hanaraka izany.

17. Inona no mampiseho fa niady ho an’ny Isiraelita i Jehovah rehefa tafiditra tany Kanana izy ireo? Manomeza ohatra.

17 Nanome toky ny Isiraelita toy izao i Mosesy, taloha kelin’ny nidirana tao amin’ny tany Kanana: “Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta.” (Deoteronomia 1:30; 20:1) Tena niady ho an’ny vahoakany tokoa i Jehovah, ka nanome azy fandresena miezinezina. Hita izany nanomboka tamin’ny andron’i Josoa, mpandimby an’i Mosesy, ka hatramin’ny andron’ireo Mpitsara sy ireo mpanjaka nahatoky tany Joda.—Josoa 10:1-14; Mpitsara 4:12-17; 2 Samoela 5:17-21.

18. a) Nahoana no ankasitrahantsika ny hoe tsy niova i Jehovah? b) Inona no hitranga rehefa ho tapitra ilay ady resahin’ny Genesisy 3:15?

 18 Tsy niova i Jehovah, ary tsy niova koa ny fikasany hanao ny tany ho paradisa. (Genesisy 1:27, 28) Mbola halany foana ny faharatsiana. Mbola tiany foana koa ny vahoakany, ary tsy ho ela izy dia hanao zavatra ho azy ireo. (Salamo 11:7) Efa kely tokoa sisa dia ampoizina fa hiova tanteraka sy amin’ny fomba mahery vaika ilay ady nolazain’ny Genesisy 3:15. Ho lasa “mpiady mahery” indray i Jehovah mba hanamasinana ny anarany sy hiarovana ny vahoakany!—Zakaria 14:3; Apokalypsy 16:14, 16.

19. a) Inona no fanoharana ampiasainao mba hanazavana fa tokony hahatonga antsika hanatona an’i Jehovah ny fampiasany ny heriny mba handringanana? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny fahavononan’i Jehovah hiady?

19 Indro misy fanoharana: Aoka hatao hoe tafihin’ny biby masiaka ny fianakavian’ny lehilahy iray. Niady avy hatrany izy ka matiny ilay biby. Heverinao ve fa hanjary handositra azy noho izany ny fianakaviany? Tsia, fa antenainao kosa hoe hanohina ny fon’izy ireo izany fitiavany izany. Tsy tokony  hampandositra antsika koa ny fampiasan’i Jehovah ny heriny mba handringanana. Tokony hampitombo ny fitiavantsika azy ny fahavononany hiady mba hiarovana antsika. Tokony hitombo koa ny fanajantsika ny heriny tsy misy fetra. Amin’izay dia afaka “manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana” isika.—Hebreo 12:28.

Manatòna an’ilay “Mpiady mahery”

20. Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa mahita tantara ao amin’ny Baiboly momba ny adin’Andriamanitra, ary nahoana?

20 Mazava ho azy fa tsy hazavain’ny Baiboly foana ny antony iadian’i Jehovah. Izao anefa no azontsika antoka: Tsy amin’ny zavatra tsy rariny, na ratsy na tsy misy antra mihitsy no ampiasan’i Jehovah ny heriny mba handringanana. Matetika ny fandinihana ilay tantara manontolo na ny zava-nitranga tamin’izany no manampy antsika hahita tsara ny zava-drehetra. (Ohabolana 18:13) Tsy fantatsika angamba ny tsipiriany rehetra, nefa mety hanala izay fisalasalana mety hitranga kosa ny fianarana bebe kokoa momba an’i Jehovah sy ny fisaintsainana ny toetrany sarobidy. Mahita antony ampy hatokisana an’i Jehovah Andriamanitsika isika, rehefa manao izany.—Joba 34:12.

21. “Mpiady mahery” i Jehovah indraindray, nefa inona no tena ao am-pony?

21 “Mpiady mahery” i Jehovah, rehefa ilaina izany. Tsy midika anefa izany hoe misy fitiavana ady ao am-pony ao. Hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana momba ny kalesy tany an-danitra fa vonona hiady amin’ny fahavalony i Jehovah. Hitan’i Ezekiela koa anefa fa nisy avana nanodidina an’Andriamanitra. Mariky ny fiadanana, na fihavanana izany. (Genesisy 9:13; Ezekiela 1:28; Apokalypsy 4:3) Hita fa tony sy tia fihavanana i Jehovah. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny apostoly Jaona. (1 Jaona 4:8) Mifandanja tanteraka ny toetran’i Jehovah rehetra. Manana tombontsoa tokoa isika afaka manatona Andriamanitra mahery, nefa be fitiavana toy izany!

^ feh. 1 Toy izao ny tafika nanenjika ny Hebreo, araka an’i Josèphe, mpahay tantara jiosy: “Kalesy 600 sy mpitaingin-tsoavaly 50 000 ary miaramila 200 000 mandeha an-tongotra mirongo fiadiana.”—Rakitry ny Ela Jiosy (anglisy), II, 324 [xv, 3].

^ feh. 12 Mazava ho azy fa ny mponin’i Kanana rehetra no resahina amin’ny hoe “Amorita” eto.—Deoteronomia 1:6-8, 19-2127; Josoa 24:15, 18.

Fanampim-panazavana

Inona no Atao hoe Andro Fitsarana?

Jereo ato fa hitondra fitahiana ho an’ny olona rehetra tsy mivadika ny Andro Fitsarana.