Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 9

‘Kristy, Herin’Andriamanitra’

‘Kristy, Herin’Andriamanitra’

1-3. a) Inona no zava-nampahatahotra niainan’ireo mpianatra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia, ary inona no nataon’i Jesosy? b) Nahoana no mety ny iantsoana an’i Jesosy hoe ‘Kristy, herin’Andriamanitra’?

NATAHOTRA mafy ireo mpianatra. Teny an-tsambo niampita ny Ranomasin’i Galilia izy ireo, no nisy rivo-mahery namely tampoka. Azo antoka fa efa nahita rivo-mahery teo amin’io farihy io izy ireo. Mpanarato za-draharaha rahateo ny sasany taminy. * (Matio 4:18, 19) “Tafio-drivotra mahery” anefa izy io, ka vetivety dia nampisamboaravoara an’ilay ranomasina. Niezaka mafy namily an’ilay sambo ireo mpianatra, nefa nahery noho izy ireo ilay rivotra. Niantontan’ny onja ilay sambo, ary nanomboka ho feno rano. Natory be anefa i Jesosy, nandritra izany, satria reraka avy nampianatra vahoaka. Natahotra ny ho faty ireo mpianatra, ka nanaitra azy sy niangavy hoe: “Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!”—Marka 4:35-38; Matio 8:23-25.

2 Tsy natahotra i Jesosy. Natoky tanteraka izy, ka niteny tamin’ny rivotra sy ny ranomasina hoe: “Mangìna, mitsahara.” Nanaiky avy hatrany ny rivotra sy ny ranomasina, ka nitsahatra ilay rivo-mahery, nihatony ny onja, ary “tony tsara ny andro.” Nanjary natahotra tsy nisy toy izany ireo mpianatra. “Iza moa Ity?”, hoy izy ireo nifanontany moramora. Iza tokoa no olona afaka hiteny ny rivotra sy ny ranomasina, toy ny fibedesana zaza maditra?—Marka 4:39-41; Matio 8:26, 27.

3 Tsy toy ny olona rehetra anefa i Jesosy. Niseho tao aminy  ny herin’i Jehovah ary naseho tamin’ny alalany sy tamin’ny fomba niavaka. Mety indrindra ny nilazan’i Paoly hoe “Kristy, Izay herin’Andriamanitra.” (1 Korintiana 1:24) Ahoana avy no nisehoan’ny herin’Andriamanitra tao amin’i Jesosy? Ary inona no ifandraisan’ny herin’i Kristy amin’ny fiainantsika?

Ny herin’ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra

4, 5. a) Inona no hery sy fahefana nomen’i Jehovah an’ilay Zanany lahitokana? b) Ahoana no nahafahan’io Zanaka io nandray anjara tamin’ny famoronana nokasain’ny Rainy?

4 Eritrereto ny herin’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy. Nampiasa ny “heriny mandrakizay” i Jehovah rehefa namorona an’ilay Zanany lahitokana, ilay nantsoina hoe Jesosy Kristy. (Romana 1:20; Kolosiana 1:15) Nanome hery sy fahefana lehibe an’io Zanany io i Jehovah taorian’izay, ka nanendry azy io ho mpanatanteraka ny fikasany momba ny famoronana. Hoy ny Baiboly, momba an’io Zanaka io: “Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.”—Jaona 1:3.

5 Kely ihany no takatsika momba izany fanendrena izany. Eritrereto ny hery nilaina mba hamoronana an’ireo anjely mahery an-tapitrisa sy izao rehetra izao hita maso sy ireo vahindanitra an’arivo tapitrisa, ary ny tany sy ireo zavamiaina samihafa eo aminy. Nanana ny hery lehibe indrindra, dia ny fanahy masin’Andriamanitra, ilay Zanaka lahitokana, mba hanatanterahana an’ireo asa ireo. Tena faly io Zanaka io noho izy Mpità-marika, na Mpiasa Kinga, nampiasain’i Jehovah mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra.—Ohabolana 8:22-31.

6. Inona no hery sy fahefana nomena an’i Jesosy, rehefa natsangana tamin’ny maty izy?

6 Afaka nahazo hery sy fahefana bebe kokoa ve ilay Zanaka lahitokana? Hoy izy, rehefa avy natsangana tamin’ny maty teto an-tany: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Matio 28:18) Nomena fahaizana sy zo hitondra tokoa i Jesosy. “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny  tompo” izy, ary nomena fahafahana hanafoana “ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra” manohitra ny Rainy, na ny hita maso izany na ny tsy hita. (Apokalypsy 19:16; 1 Korintiana 15:24-26) “Tsy nisy izay tsy [nampaneken’Andriamanitra] azy.”—Hebreo 2:8; 1 Korintiana 15:27.

7. Nahoana no azontsika antoka fa tsy hanampatra ny hery nomen’i Jehovah azy mihitsy i Jesosy?

7 Tokony hatahotra ve isika hoe mety hanampatra ny heriny i Jesosy? Tsia dia tsia tokoa! Tena tia ny Rainy izy, ka tsy hanao zavatra mampalahelo azy mihitsy. (Jaona 8:29; 14:31) Fantatr’i Jesosy tsara fa tsy manampatra ny heriny tsitoha mihitsy Andriamanitra. Hitan’i Jesosy fa mitady fomba foana i Jehovah, mba “hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (2 Tantara 16:9) Tena tia ny olombelona toa an-dRainy i Jesosy, ka afaka matoky isika fa zavatra tsara foana no hampiasany ny heriny. (Jaona 13:1) Tena tsy misy tsininy i Jesosy, eo amin’iny lafiny iny. Andeha hodinihintsika ny heriny, tamin’izy teto an-tany sy ny fomba nampiasany izany.

‘Nahery tamin’ny teny’

8. Inona no hery nananan’i Jesosy, rehefa voahosotra izy, ary ahoana no nampiasany izany?

8 Tsy nanao fahagagana i Jesosy, tamin’izy ankizilahy nipetraka tany Nazareta. Niova anefa izany, rehefa vita batisa izy, tamin’ny taona 29, tamin’izy 30 taona teo ho eo. (Lioka 3:21-23) Hoy ny Baiboly: “Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery [i Jesosy] sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly.” (Asan’ny Apostoly 10:38) Tsy milaza ve ilay hoe “nanao soa” fa nampiasa ny heriny tamin’ny fomba tsara i Jesosy? Nanjary “mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny” izy, rehefa voahosotra.—Lioka 24:19.

9-11. a) Taiza i Jesosy matetika no nampianatra, ary inona no olana mahakasika izany? b) Nahoana no talanjona tamin’ny fomba fampianatr’i Jesosy ny olona?

9 Nahoana i Jesosy no lazaina hoe nahery tamin’ny teny?  Matetika izy no nampianatra teny an-kalamanjana, teny amorom-parihy, ohatra, na teny an-tehezan-tendrombohitra, na teny an-dalana sy teny an-tsena. (Marka 6:53-56; Lioka 5:1-3; 13:26) Niala teo fotsiny ny mpihaino azy, raha tsy nahaliana ny zavatra nolazainy. Tsy maintsy nitadidy sy nandatsaka am-po ny olona nihaino tsara tamin’izany, satria mbola tsy nisy ny boky. Tsy maintsy ho tena nahaliana sy mora azo ary mora tadidy àry ny fampianaran’i Jesosy. Tsy nanahirana an’i Jesosy anefa ny nanao izany. Diniho, ohatra, ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.

10 Nisy vahoaka niangona teo amin’ny tehezan-tendrombohitra tany akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, indray maraina, tamin’ny fiandohan’ny taona 31. Nisy avy tany Jodia sy Jerosalema, izany hoe 100 ka hatramin’ny 110 kilaometatra avy teo. Nisy avy tany Tyro sy Sidona, tanàna amoron-tsiraka tany avaratra. Maro ny marary nanatona mba hikasika an’i Jesosy, ary nositraniny daholo izy rehetra. Nanomboka nampianatra amin’izay izy, rehefa tsy nisy olona narary mafy intsony teo. (Lioka 6:17-19) Gaga tanteraka ny mpihaino azy, rehefa tapitra ny teniny. Nahoana?

11 Izao no nosoratan’ny iray tamin’ireo nihaino azy, taona maro taorian’izay: “Talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy.” (Matio 7:28, 29) Tsapan’izy ireo ny fahefan’i Jesosy, teo am-pitenenana. Nisolo tena an’Andriamanitra izy ary ny Tenin’Andriamanitra no nanohanany ny fampianarany. (Jaona 7:16) Nazava ny teniny, nandresy lahatra ny fampirisihany, ary tsy azo nolavina ny heviny. Nahafaoka ny ventin-kevitra ny zavatra nolazainy ary nanohina ny fon’ny mpihaino azy. Nampianariny azy ireo ny fomba mety hahasambatra, ny fomba ivavahana sy ikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra ary ny fomba hananana hoavy azo antoka. (Matio 5:3–7:27) Nanaitra ny fon’ireo noana ny fahamarinana sy ny rariny ny  teniny. Vonona ireny olona ireny “handa” ny tenany sy hamela ny zavatra rehetra, ka hanaraka azy. (Matio 16:24; Lioka 5:10, 11) Tena nanan-kery tokoa ny tenin’i Jesosy!

‘Nahery tamin’ny asa’

12, 13. Nahoana no lazaina hoe ‘nahery tamin’ny asa’ i Jesosy? Lazao ny fahasamihafan’ireo fahagagana nataony.

12 ‘Nahery tamin’ny asa’ koa i Jesosy. (Lioka 24:19) Mitantara fahagagana 30 mahery nataon’i Jesosy ny Filazantsara. Nataony tamin’ny “herin’ny Tompo” daholo izany. * (Lioka 5:17) Nahakasika olona an’arivo ny fahagagana nataony. Vahoaka niisa 20 000 teo ho eo, ohatra, no voakasiky ny fahagagana roa, dia ny nanomezana sakafo lehilahy 5 000 sy 4 000, “afa-tsy ny zaza amim-behivavy.”—Matio 14:13-21; 15:32-38.

“Nahita an’i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin’ny ranomasina” izy ireo

13 Nisy karazany maro ny fahagagana nataon’i Jesosy. Afaka nifehy ny demonia izy, ka tsy sahirana akory nandroaka azy ireo. (Lioka 9:37-43) Nampiasa ny heriny tamin-javatra izy, ka nanova ny rano ho divay. (Jaona 2:1-11) Gaga be ny mpianany nahita azy nandeha teo ambonin’ny onjan’ny Ranomasin’i Galilia. (Jaona 6:18, 19) Nanana hery nifehezana ny aretina izy, ka nanasitrana ny sampona tamin’ny taova, sy ny aretina mitaiza, ary ny aretina mety hahafaty. (Marka 3:1-5; Jaona 4:46-54) Nataony tamin’ny fomba samihafa ireny fanasitranana ireny. Tsy nifanatri-tava taminy ny olona sasany nositraniny, fa ny hafa kosa nokasihiny. (Matio 8:2, 3, 5-13) Ny sasany sitrana avy hatrany, fa ny hafa sitrana tsikelikely.—Marka 8:22-25; Lioka 8:43, 44.

14. Inona avy ireo tantara mampiseho fa manana hery eo amin’ny fahafatesana i Jesosy?

14 Nanana hery teo amin’ny fahafatesana mihitsy i Jesosy. Intelo ny fitantarana voasoratra no milaza fa nanangana ny maty izy: ankizivavy 12 taona natolony ny ray aman-dreniny,  zanaka lahitokan’ny vehivavy maty vady, lehilahy tsy foin’ireo anabaviny. (Lioka 7:11-15; 8:49-56; Jaona 11:38-44) Tsy nisy zavatra sarotra loatra taminy. Natsangany tamin’ny maty avy teo am-pandriany ilay zazavavy 12 taona, fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’izy io. Teo amin’ny filanjana hoentina halevina kosa no natsangany ny zanak’ilay vehivavy maty vady, ka azo inoana fa tamin’ny andro nahafatesan’izy io izany. Tany am-pasana i Lazarosy no natsangan’i Jesosy, rehefa maty efatra andro.

Tsy tia tena sy mandanjalanja ary manisy fiheverana, rehefa mampiasa hery

15, 16. Inona no manaporofo fa tsy tia tena i Jesosy, rehefa nampiasa ny heriny?

15 Ahoana hoy ianao, raha olona tsy lavorary no nanana ny hery nananan’i Jesosy? Soa ihany fa tsy nanota i Jesosy. (1 Petera 2:22) Tsy nanaiky ho voataonan’ny fitiavan-tena sy fitiavam-boninahitra ary fitiavan-karena izy. Ireo mantsy no mahatonga ny olona tsy lavorary hampiasa ny heriny hamelezana ny olon-kafa.

16 Tsy tia tena i Jesosy rehefa nampiasa ny heriny, satria tsy zavatra nahasoa azy manokana no nampiasany izany. Tsy nety nanova ny vato ho mofo hohaniny izy, rehefa noana. (Matio 4:1-4) Tsy nanankarena izy, ka manaporofo izany fa tsy nataony hahazoana harena ny heriny. (Matio 8:20) Misy porofo hafa koa ahitana fa tsy tia tena izy rehefa nampiasa hery. Nisy sorona nataony rehefa nanao fahagagana izy. Nisy hery niala taminy mantsy, rehefa nanasitrana ny marary izy. Fantany tsara fa nisy hery niala taminy, na dia rehefa olona iray monja aza no nositraniny. (Marka 5:25-34) Navelany hikasika azy anefa ny vahoaka, ka sitrana. (Lioka 6:19) Tsy tia tena tokoa izy!

17. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nandanjalanja izy, rehefa nampiasa ny heriny?

17 Nandanjalanja i Jesosy, rehefa nampiasa ny heriny. Tsy mba hisehosehoana na hanasongadinany ny tenany mihitsy  no nampiasany izany. (Matio 4:5-7) Tsy nety nanao famantarana izy rehefa nasain’i Heroda hanao izany, satria fahalianana hafahafa no nanosika an’i Heroda. (Lioka 23:8, 9) Tsy tian’i Jesosy ho fantatr’olona maro ny heriny, ka matetika no noteneniny ireo nositraniny mba tsy hitantara tamin’olona. (Marka 5:43; 7:36) Tsy tiany ho noho ny fitantarana manaitra no hahatonga ny olona hino azy.—Matio 12:15-19.

18-20. a) Inona no nitarika ny fomba nampiasan’i Jesosy ny heriny? b) Ahoana no fiheveranao ny fomba nanasitranan’i Jesosy an’ilay lehilahy marenina?

18 Tsy mba toy ny mpitondra olombelona i Jesosy rehefa nampiasa hery, na dia natanjaka aza. Tsy mihevitra ny zavatra ilaina na ny fanaintainan’ny olon-kafa mantsy ny olombelona. Niahy ny olona kosa i Jesosy. Nampihetsi-po azy, na dia ny fahitana fotsiny an’ireo nampahorina aza, hany ka voatosika hanao zavatra ho azy ireny izy. (Matio 14:14) Nihevitra ny fihetseham-po sy ny zavatra nilain’izy ireo izy, ary nisy akony teo amin’ny fomba nampiasany ny heriny izany fangorahana izany. Misy ohatra mampihetsi-po momba izany ao amin’ny Marka 7:31-37.

19 Nisy vahoaka be nahita an’i Jesosy, tamin’io, ka nitondra teo aminy ny marary, ary nositraniny daholo ireny. (Matio 15:29, 30) Nentin’i Jesosy nitokana anefa ny lehilahy iray, noho ny zavatra nilain’izy io. Narenina sy zara raha afaka niteny ilay lehilahy. Mety ho takatr’i Jesosy fa hendratrendratra sy nahatsiaro ho hafahafa io lehilahy io. Nentiny nitokana lavitra ny vahoaka àry izy io. Nisy fihetsika nataony avy eo, mba hahafantaran’ilay lehilahy ny zavatra hataony. “Nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tànany [i Jesosy], dia nandrora ka nanendry ny lelany.” * (Marka  7:33) Niandrandra ny lanitra i Jesosy, avy eo, ary nivavaka sady nisento. Toy ny niteny izy tamin’izany hoe: ‘Avy amin’ny herin’Andriamanitra no hanaovako izao zavatra hataoko ho anao izao.’ Hoy i Jesosy, nony farany: “Maladia.” (Marka 7:34) Nanjary nalady indray ny sofin’ilay lehilahy, ary afaka niteny ara-dalàna izy.

20 Mampihetsi-po tokoa ny mieritreritra fa nihevitra ny fihetseham-pon’ny olona foana i Jesosy, rehefa nampiasa ny hery nomen’Andriamanitra azy mba hanasitranana ireo nampahorina! Ary mampahery ny mahafantatra fa Mpanjaka be fiahiana toy izany no notendren’i Jehovah hitondra ny Fanjakan’ny Mesia!

Taratry ny zavatra hitranga

21, 22. a) Maneho taratry ny inona ireo fahagagana nataon’i Jesosy? b) Inona no azontsika antenaina rehefa Mpanjaka i Jesosy, satria hainy ny mifehy ny herin’ny natiora?

21 Taratra kelin’ny fitahiana lehibe kokoa eo ambany fitondran’i Jesosy ny asa nampiseho ny heriny nataony teto an-tany. Mbola hanao fahagagana maneran-tany mihitsy izy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra! Ireto ny sasany amin’izany:

22 Haverin’i Jesosy mba hifandanja tsara indray ny zavamananaina eto an-tany. Tadidio fa nifehy ny herin’ny natiora izy, rehefa nampitony ilay rivo-mahery. Azo antoka àry fa tsy hatahotra ny horavan’ny rivo-doza sy horohoron-tany na volkano, na hetraketraky ny natiora, ny olona, rehefa manjaka i Kristy. Fantatr’i Jesosy tsara ny rafitry ny tany, satria Mpiasa Kinga nampiasain’i Jehovah hamorona ny tany sy ny zavamiaina eo aminy izy. Hainy ny fomba hampiasana tsara ny haren’ny tany. Hovana ho Paradisa ity tany ity, rehefa Mpanjaka i Jesosy.—Lioka 23:43.

23. Ahoana no hanomezan’i Jesosy fahafaham-po ny zavatra ilain’ny olona, rehefa izy no Mpanjaka?

23 Ary ahoana ny zavatra ilain’ny olona? Afaka matoky isika fa tsy hisy olona ho noana rehefa i Jesosy no Mpanjaka, satria  hainy ny namahana olona an’arivo ho voky tsara, na dia sakafo kely fotsiny aza no nisy. Tsy hisy intsony koa ny noana, satria hisy sakafo betsaka ho voazara tsara. (Salamo 72:16) Nanala ny aretina rehetra izy, ka midika izany fa hositranina tanteraka sy mandrakizay ny marary, jamba, marenina, tapa-tongotra sy tanana, na malemy. (Isaia 33:24; 35:5, 6) Nahavita nanangana ny maty koa i Jesosy, ka matoky isika fa manana hery hananganana ireo olona an-tapitrisa tadidin’ny Rainy izy, rehefa Mpanjaka.—Jaona 5:28, 29.

24. Inona no tokony hotadidintsika eo am-pianarana momba ny herin’i Jesosy, ary nahoana?

24 Tsara ny mitadidy, eo am-pianarana momba ny herin’i Jesosy, fa nanahaka tanteraka ny Rainy izy. (Jaona 14:9) Hitantsika avy amin’ny fomba nampiasan’i Jesosy ny heriny àry ny fomba ampiasan’i Jehovah ny heriny. Eritrereto, ohatra, ny fangorahan’i Jesosy, rehefa nanasitrana an’ilay boka izy. Nahonena azy ilay lehilahy, ka nokasihiny, sady niteny izy hoe: “Mety aho.” (Marka 1:40-42) Hitantsika avy amin’ireny tantara ireny, fa toy ny milaza i Jehovah hoe: ‘Izany no fomba ampiasako ny heriko!’ Tsy voatosika ve ianao hidera an’ilay Andriamanitsika tsitoha sy hisaotra azy, noho izy mampiasa ny heriny amim-pitiavana toy izany?

^ feh. 1 Fahita eo amin’ny Ranomasin’i Galilia ny rivo-mahery tampoka. Ambany be ilay ranomasina (200 metatra eo ho eo ambanin’ny haabon’ny ranomasina), ary mafana kokoa noho ny rivotra manodidina azy ny rivotr’ilay ranomasina, ka mampikorontana ny rivotry ny habakabaka. Misy rivo-mahery midina avy any amin’ny Tendrombohitra Hermona, any avaratra, manaraka ny Lohasahan’i Jordana. Mety hivadika sy hisy rivo-mahery tampoka ilay toetrandro tony.

^ feh. 12 Atambatry ny Filazantsara ho ao anaty fitantarana iray koa ireo fahagagana, indraindray, ka lazalazainy ankapobe fotsiny. Lazainy, ohatra, fa tonga teo amin’i Jesosy ny “tao an-tanàna rehetra”, indray mandeha, ka “maro” no nositraniny.—Marka 1:32-34.

^ feh. 19 Fomba na famantarana neken’ny Jiosy sy Jentilisa ny fandrorana, ary misy tantara momba ny fampiasana rora, ao amin’ireo asa soratry ny raby. Mety mba hilazana tamin’ilay lehilahy fotsiny hoe efa ho sitrana izy, no antony nandroran’i Jesosy. Na ahoana na ahoana, dia tsy ny roran’i Jesosy no nanasitranany an’ilay lehilahy.

Fanampim-panazavana

Rahoviana no ‘ho Tonga Ilay Fanjakana’?

Nahoana isika no afaka matoky fa efa hanao zavatra ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, ka hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra?