Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 10

‘Manahafa An’Andriamanitra’, Rehefa Mampiasa Hery

‘Manahafa An’Andriamanitra’, Rehefa Mampiasa Hery

1. Inona ilay fandrika mahavoa ny olona tsy lavorary matetika?

“MAMANDRIKA foana ny fananana fahefana.” Miresaka momba ny loza miafina iray, dia ny fampiasana ratsy ny fahefana na hery, ireo tenin’ny poety iray tamin’ny taonjato faha-19 ireo. Mampalahelo fa mora voafandrik’izany ny olona tsy lavorary. Hita hatramin’izay tokoa fa “misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” (Mpitoriteny 8:9) Niteraka fijaliana maro be ny fampiasana hery tsy misy fitiavana.

2, 3. a) Inona no tsara homarihina momba ny fampiasan’i Jehovah hery? b) Inona no mety ho anisan’ny herintsika, ary ahoana no tokony hampiasantsika izany?

2 Tsara homarihina anefa fa tsy mampiasa hery amin’ny fomba ratsy mihitsy i Jehovah, na dia tsy voafetra aza ny heriny. Hitantsika tamin’ireo toko teo aloha fa ampiasainy araka ny fikasany feno fitiavana foana ny heriny, na hamoronana izany, na handringanana, na hiarovana, na hamerenana amin’ny laoniny. Voasarika hanatona azy isika, rehefa mandinika ny fomba ampiasany ny heriny. Mahatonga antsika “hanahaka an’Andriamanitra” izany, rehefa mampiasa hery isika. (Efesiana 5:1) Inona anefa no hery, na fahefana, ananantsika olombelona malemy?

3 Tadidio fa noforonina ‘tahaka ny endrik’Andriamanitra’, ny olombelona. (Genesisy 1:26, 27) Manana hery koa àry isika, na dia voafetra aza. Anisan’ny herintsika ny fahafahana manao zavatra, na miasa, mifehy na manana fahefana amin’ny olona, mitaona olon-kafa, indrindra fa ireo tia antsika, ny tanjaka ara-batana, na harena. Hoy ny mpanao salamo, momba an’i Jehovah: “Ao aminao no misy loharanon’aina.” (Salamo 36:9) Andriamanitra àry no loharanon’ny hery rehetra  mety hananantsika, ka tiantsika hampiasaina mba hampifaliana azy izany. Ahoana no hanaovantsika izany?

Zava-dehibe ny fitiavana

4, 5. a) Inona no zava-dehibe mba hampiasana tsara ny hery? Inona no ohatra navelan’i Jehovah momba izany? b) Lazao ny fomba anampian’ny fitiavana antsika hampiasa tsara ny fahefana.

4 Zava-dehibe mba hampiasana tsara ny hery ny fitiavana. Mampiseho izany tsara ny ohatr’Andriamanitra. Tadidio ny famakafakana tao amin’ny Toko 1, momba ireo toetrany efatra lehibe indrindra, dia ny hery, fitiavana ny rariny, fahendrena, ary fitiavana. Iza no lehibe indrindra amin’ireo? Ny fitiavana. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny 1 Jaona 4:8. Ny fitiavana no tena maha izy an’i Jehovah, ary misy heriny eo amin’ny zava-drehetra ataony izy io. Ny fitiavana foana àry no manosika azy rehefa mampiasa hery izy, ary ataony mba hahasoa an’ireo tia azy koa izany.

5 Manampy antsika hampiasa tsara ny herintsika koa ny fitiavana. Milaza tokoa ny Baiboly fa “mora fanahy” sy “tsy mitady ny azy” ny fitiavana. (1 Korintiana 13:4, 5) Izy io àry no manakana antsika tsy hasiaka na tsy hiantra an’ireo olona mety ho eo ambany fahefantsika. Hohajaintsika kosa ny fahamendrehan’izy ireo, ary ny zavatra ilaina sy fihetseham-pon’izy ireny no ataontsika ambonin’ny antsika.—Filipiana 2:3, 4.

6, 7. a) Inona ny tahotra an’Andriamanitra, ary nahoana izy io no manampy antsika hampiasa tsara ny herintsika? b) Ahoana no anoharanao ny fifandraisan’ny tahotra ny tsy hampifaly an’Andriamanitra sy ny fitiavana azy?

6 Mifandray amin’ny fitiavana koa ny tahotra an’Andriamanitra, izay anisan’ny manampy antsika tsy hampiasa hery amin’ny fomba ratsy. Nahoana izy io no sarobidy? Milaza ny Ohabolana 16:6 fa “ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy.” Anisan’ireo zava-dratsy tokony hohalavirintsika tokoa ny fampiasana ratsy ny hery, na fahefana. Tsy ho sahy hanao ratsy fitondra an’ireo eo ambany fahefantsika  isika, raha matahotra an’Andriamanitra. Nahoana? Satria fantatsika voalohany indrindra fa mbola hampamoahin’Andriamanitra momba ny fitondrantsika olona isika. (Nehemia 5:1-7, 15) Tsy izany ihany anefa no atao hoe matahotra an’Andriamanitra. Matetika ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “tahotra” no ampifandraisina amin’ny fanajana lalina an’Andriamanitra. Ampifandraisin’ny Baiboly àry ny fitiavana sy ny tahotra an’Andriamanitra. (Deoteronomia 10:12, 13) Hatahotra ny tsy hampifaly an’Andriamanitra isika raha manana io tahotra miharo fanajana io, ka tsy hoe ny mety ho vokatry ny ataontsika fotsiny no atahorantsika azy, fa satria koa tiantsika izy.

7 Indro misy ohatra: Eritrereto ny fifandraisan’ny ankizilahy kely sy ny dadany. Tsapan’ilay ankizy ny fitiavana sy fiahian’ny dadany azy. Fantany koa anefa ny zavatra takin’ilay dadany aminy, ary fantany fa ho voasazy izy, raha maditra. Tsy lasa matahotra be an’ilay dadany anefa ilay ankizy, fa vao mainka aza tia azy. Faly erỳ izy manao zavatra ankasitrahan’ilay dadany. Toy izany koa ny tahotra an’Andriamanitra. Tiantsika i Jehovah, Raintsika any an-danitra, ka matahotra isika sao hanao zavatra mety ‘hampalahelo ny fony.’ (Genesisy 6:6) Tena tiantsika kosa ny mampifaly ny fony. (Ohabolana 27:11) Izany no antony ampiasantsika tsara ny fahefantsika. Andeha hofakafakaintsika ny fomba azontsika anaovana izany.

Ao an-tokantrano

8. a) Inona no fahefan’ny lehilahy ao an-tokantranony, ary ahoana no tokony hampiharany izany? b) Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy fa manaja ny vadiny izy?

8 Hofakafakaintsika ny ao an-tokantrano. Milaza ny Efesiana 5:23 fa “ny lahy no lohan’ny vavy.” Ahoana no tokony hampiharan’ny lehilahy an’izany fahefana nomen’Andriamanitra azy izany? Milaza ny Baiboly fa ny lehilahy dia tokony hiara-mitoetra amin’ny vadiny “araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy  kokoa.” (1 Petera 3:7) Ny dikan’ilay teny grika hoe “manaja” eto dia hoe “manisy vidiny, mihevitra ho sarobidy, ... manome voninahitra.” Adika koa hoe ‘fanomezana’ sy ‘tsara’ ny teny mifandray amin’izy io. (Asan’ny Apostoly 28:10; 1 Petera 2:7) Tsy hamono ny vadiny mihitsy ny lehilahy, raha manaja azy. Tsy hanambany na hanabanty azy koa izy, ka hahatonga an’ilay vehivavy hihevi-tena ho tsy misy vidiny. Takatr’ilay lehilahy kosa ny hasarobidiny, ka homeny voninahitra izy. Asehony amin’ny teny sy ny ataony, na eny imason’olona na tsia, fa sarobidy aminy ny vadiny. (Ohabolana 31:28) Tsy vitan’ny hoe tian’ny vadiny izany lehilahy izany, fa ankasitrahan’Andriamanitra mihitsy koa.

Fomba tena tsara hampiasantsika ny herintsika ny fitoriana ny vaovao tsara

9. a) Inona no fahefan’ny vehivavy ao an-tokantrano? b) Inona no hanampy azy hampiasa ny fahaizany hanohanana ny vadiny? Inona no ho vokatr’izany?

9 Manana fahefana ao an-tokantrano koa ny vehivavy. Miresaka momba ny vehivavy tia an’Andriamanitra ny Baiboly. Manaraka ny fahefan’ny loham-pianakaviana izy, nefa mitaona ny vadiny hanao zavatra tsara, na tsy hanao fahadisoana koa. (Genesisy 21:9-12; 27:46–28:2) Mety ho kinga saina, na mahay noho ny vadiny ilay vehivavy. Tokony “hanaja” ny vadiny sy ‘hanaiky azy tahaka ny anekena ny Tompo’ anefa izy. (Efesiana 5:22, 33) Hampiasa ny fahaizany mba hanohanana ny vadiny ilay vehivavy, raha te hampifaly an’Andriamanitra, fa tsy hanambany, na hanandrana hifehy azy. Miara-miasa akaiky amin’ny vadiny izany “vehivavy hendry” izany, mba hanamafisana ny tokantranony. Mihavana amin’Andriamanitra hatrany koa izy, amin’izany.—Ohabolana 14:1.

10. a) Inona no fahefana nomen’Andriamanitra ny ray aman-dreny? b) Inona no dikan’ilay teny hoe “famaizana”, ary ahoana no tokony hanomezana azy io? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

10 Manana fahefana nomen’Andriamanitra azy koa ny ray aman-dreny. Hoy ny Baiboly: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” (Efesiana 6:4) Ny dikan’ilay teny  hoe “famaizana” ao amin’ny Baiboly dia hoe “fitaizana, fampiofanana, fampianarana.” Mila famaizana ny ankizy, ary mihamatotra izy rehefa omena toro lalana sy fepetra mazava. Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fitiavana izany famaizana izany. (Ohabolana 13:24) Tsy tokony hamely mafy ara-pihetseham-po, na ara-batana mihitsy àry ny “tsorakazo famaizana.” * (Ohabolana 22:15; 29:15) Manampatra fahefana ny ray aman-dreny raha henjana na masiaka loatra ary tsy misy fitiavana mihitsy, ka mety hampamoy fo an’ilay zaza. (Kolosiana 3:21) Tsy mba toy izany kosa ny famaizana araka ny antonony, satria ahitan’ilay ankizy fa tia azy ny ray aman-dreniny, ka liana amin’izay toetra amboleny tsikelikely.

11. Ahoana no azon’ny ankizy ampiasana tsara ny heriny?

11 Ary ny ankizy? Ahoana no azony ampiasana tsara ny heriny? “Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany”, hoy ny Ohabolana 20:29. Tsy misy fomba tsara kokoa hampiasan’ny tanora ny heriny noho ny hanompoana an’ilay Mpamorona. (Mpitoriteny 12:1) Tokony hotadidin’ny tanora fa misy fiantraikany eo amin’ny ray aman-dreniny ny zavatra ataony. (Ohabolana 23:24, 25) Mahafaly ny ray aman-dreniny matahotra an’Andriamanitra ny ankizy, rehefa mankatò sy hendry. (Efesiana 6:1) “Ankasitrahana ao amin’ny Tompo” izany toetra izany.—Kolosiana 3:20.

Eo anivon’ny fiangonana

12, 13. a) Ahoana no tokony hiheveran’ny anti-panahy ny fahefany eo anivon’ny fiangonana? b) Milazà fanoharana mba hanazavana hoe tokony hitondra ny andian’ondry amim-pitiavana ny anti-panahy.

12 Nanome mpiandraikitra hitarika ny fiangonana kristianina i Jehovah. (Hebreo 13:17) Tokony hampiasa ny fahefana nomen’Andriamanitra azy ireny lehilahy mahafeno fepetra  ireny mba hanampiana sy hanasoavana ny andian’ondry. Tokony hanjakazaka amin’ny mpiara-manompo ve izy ireo satria hoe anti-panahy? Tsy izany mihitsy! Tokony handanjalanja sy hanetry tena ny anti-panahy, eo am-panatontosana ny andraikiny. (1 Petera 5:2, 3) Milaza amin’ireo mpiandraikitra ny Baiboly fa ‘novidin’Andriamanitra’ tamin’ny ran’ny Zanany ny fiangonana. (Asan’ny Apostoly 20:28) Izany no antony lehibe tokony hitondrana ny ondry tsirairay amin-katsaram-panahy.

13 Indro misy fanoharana momba izany: Mangataka anao mba hikarakara zavatra iray sarobidy aminy ilay namanao. Fantatrao fa novidiny lafo izy io. Tsy hokarakarainao tsara sy hotandremanao ve izy io? Nampiandraiketin’Andriamanitra fananana tena sarobidy koa ny anti-panahy. Izany dia ny fiangonana, izay misy olona toy ny ondry. (Jaona 21:16, 17) Tena tian’i Jehovah tsy misy toy izany ny ondriny, ka novidiny tamin’ny ran’i Jesosy Kristy Zanany lahitokana. Tena vidiny ambony indrindra izany nividianan’i Jehovah azy ireo izany. Mitadidy izany ny anti-panahy manetry tena ka mitondra ny ondrin’i Jehovah mifanaraka amin’izany.

Ny herin’ny lela

14. Inona avy no vitan’ny lela?

14 “Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 18:21) Mety handravarava mihitsy ny lela. Iza tamintsika no mbola tsy voatsindron’ny teny tsy tsaroana? Manana heriny tsara koa anefa ny lela. “Ny lelan’ny marina dia fanasitranana”, hoy ny Ohabolana 12:18. Toy ny menaka malefaka sy manasitrana ny fo tokoa ny teny mahafinaritra sy mahasoa. Ireto misy ohatra:

15, 16. Ahoana avy no azontsika ampiasana ny lela mba hampaherezana?

15 “Ampaherezo ny reraka”, hoy ny 1 Tesaloniana 5:14. Mety ho kivy tokoa indraindray, na dia ny mpanompon’i Jehovah mahatoky aza. Ahoana no anampiantsika azy ireny? Manaova  teny fiderana voafaritra tsara sy feno fahatsorana, ary ampio izy ireny hahatsapa ny hasarobidiny eo imason’i Jehovah. Resaho amin’izy ireny ny andinin-teny mahery, izay mampiseho fa tena miahy sy tia an’ireo “manana fo mangorakoraka” sy “torotoro fanahy” i Jehovah. (Salamo 34:18) Rehefa mampiasa ny herin’ny lelantsika hampaherezana ny olon-kafa isika, dia mampiseho fa manahaka an’ilay Andriamanitsika mangoraka, “ilay mpanafaka alahelo ny ory.”—2 Korintiana 7:6, Fandikan-teny Katolika.

16 Azontsika ampiasaina hampaherezana olona koa ny herin’ny lelantsika. Nisy vao maty havan-tiana ve ny mpiray finoana? Mety hampahery azy ny teny feno fitiavana mampiseho ny fiahiantsika azy. Misy mahatsiaro ho tsy misy ilana azy ve amin’ireo rahalahy na anabavy zokiolona? Mety hahazo toky izy fa heverina ho sarobidy sy ankasitrahana, raha manao teny voahevitra tsara isika. Misy miady amin’ny aretina mitaiza ve? Mety ho tena hampahery azy ny teny feno hatsaram-panahy amin’ny telefaonina na mivantana. Tsy maintsy ho faly ilay Mpamorona antsika, raha teny “tsara ho fampandrosoana” no aloakan’ny vavantsika!—Efesiana 4:29.

Mampiasa tsara ny fahefany ny mpivady, rehefa mifankatia sy mifanaja

17. Inona no fomba lehibe ampiasantsika ny lelantsika mba hahasoa ny olon-kafa, ary nahoana isika no tokony hanao izany?

 17 Tsy misy fomba lehibe kokoa hampiasana ny herin’ny lela, noho ny firesahana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona. “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany”, hoy ny Ohabolana 3:27. Tokony hozaraintsika amin’ny olona ilay vaovao tsara mamonjy aina. Tsy mety ny mihazona hafatra maika nomen’i Jehovah malalaka ho antsika. (1 Korintiana 9:16, 22) Hatraiza anefa no antenain’i Jehovah handraisantsika anjara amin’io asa io?

Manompo an’i Jehovah amin’ny ‘hery rehetra’

18. Inona no antenain’i Jehovah amintsika?

18 Te handray anjara feno amin’ny fanompoana kristianina  isika, satria tia an’i Jehovah. Inona no antenain’i Jehovah amintsika amin’io lafiny io? Zavatra azontsika rehetra omena ity, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy antsika: “Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona.” (Kolosiana 3:23) Hoy i Jesosy, rehefa nilaza ny didy lehibe indrindra: ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny ainao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.’ (Marka 12:30) Antenain’i Jehovah ho tia sy hanompo azy amin’ny aintsika rehetra tokoa isika.

19, 20. a) Nahoana no mbola tononina ao amin’ny Marka 12:30 ny fo sy ny saina ary ny hery, nefa maharafitra ny aina izany? b) Inona no dikan’ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny aina rehetra?

19 Inona no dikan’ny hoe manompo an’Andriamanitra amin’ny aina rehetra? Ilay olona manontolo miaraka amin’ny herim-batany sy herin-tsainy no maharafitra ny ainy. Koa satria anisan’izany ny fo sy ny saina ary ny hery, nahoana ireo no mbola nolazaina tao amin’ny Marka 12:30 ihany? Indro misy ohatra: Afaka nivarotra ny tenany ho andevo ny olona, tamin’ny andron’ny Baiboly. Mety tsy hanompo an’ilay tompony amin’ny fony rehetra izy, mba hahasoa ilay tompony, ary mety tsy hampiasa ny heriny rehetra, na ny sainy, na fahaizany rehetra koa. (Kolosiana 3:22) Notononin’i Jesosy àry ireo zavatra telo ireo, mba hanantitranterana fa tsy maintsy manome ny zavatra rehetra isika, mba hanompoana an’Andriamanitra. Ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny aina rehetra dia midika hoe manome izay antsika, mampiasa ny herintsika amin’ny fomba feno araka izay azo atao, mba hanompoana azy.

20 Midika ve anefa izany hoe tsy maintsy mitovy ny fotoana sy hery lanintsika amin’ny fanompoana? Tsy hety mihitsy izany, satria samy hafa ny fiainana sy ny fahaizantsika tsirairay. Mety ho afaka hitory mandritra ny ora maro, ohatra, ny tanora salama sy tomady, nefa tsy ho afaka hanao toa azy ny  olona iray efa osaosa noho ny fandroson’ny taona. Afaka manao bebe kokoa noho ny olona manambady aman-janaka ny mpitovo tsy manana andraikitra ara-pianakaviana. Tokony ho velom-pankasitrahana isika raha manana hery sy ao anatin’ny tarehin-javatra mamela antsika hanao fanompoana betsaka! Mazava ho azy fa tsy tiantsika ny hanakiana, ka hampitaha ny tenantsika amin’ny olon-kafa. (Romana 14:10-12) Tiantsika kosa ny hampiasa ny herintsika mba hampaherezana ny olon-kafa.

21. Inona no fomba tsara indrindra sy lehibe indrindra hampiasantsika ny herintsika?

21 I Jehovah no ohatra lavorary ny amin’ny fampiasana tsara ny hery. Tiantsika ny hanahaka azy araka izay azontsika atao, ao anatin’ny fetran’ny tsy fahalavorariantsika. Mampiasa tsara ny herintsika isika, rehefa mitondra amim-pahamendrehana ny olona eo ambany fahefantsika. Tiantsika koa ny hanao amin’ny aintsika rehetra ny fitoriana nasain’i Jehovah hataontsika. (Romana 10:13, 14) Tadidio fa faly i Jehovah rehefa manome ny tsara indrindra ho azy ianao. Moa ve ny fonao tsy manosika anao hanao izay azonao atao mba hanompoana Andriamanitra tsara fanahy sy be fitiavana toy izany? Tsy misy fomba tsara kokoa na lehibe kokoa hampiasanao ny herinao noho izany.

^ feh. 10 Ilay teny hebreo, tamin’ny andron’ny Baiboly, nadika hoe “tsorakazo”, dia nidika hoe hazokely, na tehina, toy ny nampiasain’ny mpiandry ondry mba hitarihana ny ondriny. (Salamo 23:4) Tokony hisy fitarihana feno fitiavana, fa tsy masiaka na mampihatra sazy misy herisetra, koa ny fampiharan’ny ray aman-dreny ny fahefany.

Fanampim-panazavana

Vonona Hanao Sorona ho An’ilay Fanjakana ve Ianao?

Hita ato hoe ahoana no azo ampiasana ny fotoana, vola, hery, ary fahaizana mba hanohanana ny Fanjakan’Andriamanitra.