Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 27

“Akory ny Hasoany!”

“Akory ny Hasoany!”

1, 2. Manao ahoana ny haben’ny fahatsaran’Andriamanitra, ary ahoana no anamafisan’ny Baiboly izany?

MANKAFỲ ny lokon’ny masoandro mody ireto mpinamana hatry ny ela, sady miara-misakafo sy mihomehy ary miresaka. Mitazana ny taniny kosa ilay mpamboly, ka mitsiky satria misy rahona miforona mba handatsaka ny orana. Faly erỳ ireto mpivady mitazana ny zanany mibakabaka miana-mamindra.

2 Noho ny fahatsaran’i Jehovah Andriamanitra no ahazoan’ireo olona ireo izany soa izany, na fantatr’izy ireo izany na tsia. Matetika ny mpivavaka no miteny hoe “Tsara Andriamanitra.” Manamafy izany ny Baiboly hoe: “Akory ny hasoany!” (Zakaria 9:17) Toa vitsy anefa no tena mahalala ny dikan’ireo teny ireo. Inona tokoa no tafiditra amin’ny fahatsaran’i Jehovah, ary nahoana no mahakasika antsika tsirairay io toetrany io?

Lafiny lehibe amin’ny fitiavan’Andriamanitra

3, 4. Inona ny fahatsarana ary nahoana ny fahatsaran’i Jehovah no tsara kokoa raha lazaina hoe porofon’ny fitiavany?

3 Ilazan-javatra ankapobe ny hoe “tsara” amin’ny fiteny maro. Tsy zavatra ankapobe toy izany anefa no ilazan’ny Baiboly azy io. Manondro hatsaran-toetra izy io, voalohany indrindra. Afaka milaza àry isika fa feno fahatsarana i Jehovah. Tsara tanteraka ny toetrany rehetra, anisan’izany ny heriny sy ny fanaovany ny rariny ary ny fahendreny. Porofon’ny fitiavan’i Jehovah anefa no tsara kokoa ilazana ny fahatsarana. Nahoana?

4 Toetra aseho amin’olona ny fahatsarana. Nolazain’ny apostoly Paoly fa mbola tian’ny olona kokoa noho ny fahamarinana izy io. (Romana 5:7) Azo itokisana hanara-dalàna  ny olo-marina, fa manao mihoatra noho izany kosa ny olona tsara. Miezaka mitady fomba hanasoavana olona izy. Ho hitantsika fa izany no fomba isehoan’ny fahatsaran’i Jehovah. Avy amin’ny fitiavana tsy manam-petran’i Jehovah tokoa ny fahatsarana.

5-7. Nahoana i Jesosy no tsy nety nantsoina hoe “Mpampianatra tsara”, ary inona no fahamarinana lalina nohamafisiny tamin’izany?

5 Tsy misy tsara toa an’i Jehovah koa. Nisy lehilahy nanontany an’i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany, ka niantso azy hoe “Mpampianatra tsara.” Hoy anefa i Jesosy: “Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.” (Marka 10:17, 18) Mety hahagaga anao izany valin-teny izany. Nahoana no nahitsin’i Jesosy ny tenin’ilay lehilahy? Tsy “Mpampianatra tsara” ve Izy?

6 Toa fandokafana no antony nilazan’ilay lehilahy hoe “Mpampianatra tsara.” Nanetry tena i Jesosy, ka i Jehovah Rainy no nomeny an’ilay voninahitra, satria Izy no tsara amin’ny fomba feno. (Ohabolana 11:2) Nanamafy fahamarinana lalina iray koa anefa i Jesosy teo. Jehovah ihany no filamatry ny tsara. Izy irery no manana ny zo ambony indrindra hamaritra izay tsara sy ratsy. Nitady haka an’io zo io i Adama sy Eva, rehefa nikomy ka nihinana tamin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Tsy toa azy ireo i Jesosy fa nanetry tena ka namela ny Rainy hanapaka momba izany.

7 Fantatr’i Jesosy koa fa i Jehovah no iavian’ny zavatra tena tsara rehetra, satria izy no Mpanome ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra.” (Jakoba 1:17) Andeha hofakafakaintsika ny fitiavan’i Jehovah manome, satria mampiharihary ny fahatsarany izany.

Porofon’ny fahatsaran’i Jehovah

8. Ahoana no anehoan’i Jehovah ny fahatsarany amin’ny olona rehetra?

8 Nandray soa tamin’ny fahatsaran’i Jehovah daholo ny  olona rehetra hatramin’izay. Hoy ny Salamo 145:9: “Manisy soa izao tontolo izao Jehovah.” Inona no anisan’ny mampiseho an’io fahatsarany io? Hoy ny Baiboly: “Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana.” (Asan’ny Apostoly 14:17) Efa nahatsiaro fifaliana ve ianao rehefa mihinana sakafo tianao? Tsy hisy ny sakafo raha tsy noho ny fahatsaran’i Jehovah tamin’ny nanaovany ny tany sy ny tsingerin’ny rano mitohy hatrany. Izany no mampisy ny “taon-jina”, na fiakaran’ny vokatra. Tsy ireo tia azy ihany no nanehoan’i Jehovah izany fahatsarana izany fa ny rehetra. Hoy i Jesosy: “Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.”—Matio 5:45.

Jehovah “mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina”

9. Hazavao ny fahatsaran’i Jehovah hita amin’ny paoma.

 9 Maro no tsy manisy vidiny firy ny fitiavan’i Jehovah manome zavatra, satria efa eo foana ny masoandro sy orana ary taom-pahavokarana. Diniho, ohatra, ny paoma. Voankazo fahita any amin’ny tany maro izy io. Tsara tarehy anefa izy io, sady matsiro no misy rano mamelombelona sy otrikaina hafa. Fantatrao ve fa misy karazana paoma 7 500 maneran-tany? Miovaova manomboka amin’ny mena ka hatramin’ny maitso manopy mavo ny lokony ary mitovitovy amin’ny serizy ka hatramin’ny pamplemosy kosa ny habeny. Kely dia kely ny voany. Avy amin’io anefa no anirian’ilay hazo tena mahafinaritra. (Tonon-kiran’i Solomona 2:3) Mamelana be  dia be mahafinaritra ilay izy isaky ny lohataona, ary mamoa aorian’izay. Hamoaka paoma 19 sobika milanja 20 kilao eo ho eo avy ny fototra paoma iray isan-taona, mandritra ny 75 taona!

Io voa kely io no lasa hazo manome sakafo sy fifaliana ho an’ny olona mandritra ny am-polo taona

10, 11. Hazavao hoe nahoana ireo vavahadin-tsaina no manasongadina ny fahatsaran’i Jehovah.

10 Tsy misy fetrany ny fahatsaran’i Jehovah, ka ‘mahatalanjona ny nanaovany’ ny vatantsika. Nomeny vavahadin-tsaina isika, mba hahitantsika ny asany sy hifaliantsika amin’izany. (Salamo 139:14) Eritrereto indray ireo zava-mitranga voaresaka etsy am-piandohana. Inona avy no zavatra hita mahafaly amin’ny fotoana toy ireo? Ny takolaka menamenan’ny zaza falifaly. Ny orana mirotsaka eny an-tsaha. Ny masoandro mody miloko mena manopy mavo ary volomparasy. Natao hahita loko 300 000 ny mason’ny olona! Ary ny fandrenesantsika dia mahay manavaka ny feon’ny olona tiantsika, ny bitsiky ny rivotra eny anelanelan’ny hazo, ny fikakakakan’ny zazakely. Ahoana no ahafahantsika mankafy izany fahitana sy fandrenesana izany? Hoy ny Baiboly: “Ny sofina mandre sy ny maso mahita dia samy nataon’i Jehovah avokoa.” (Ohabolana 20:12) Roa monja amin’ny vavahadin-tsaina anefa ireo.

11 Porofon’ny fahatsaran’i Jehovah koa ny fandrenesana fofona. Afaka mamantatra fofona 10 000 ny orontsika: ny fofon’ny sakafo tianao, voninkazo, ravina maina, setroky ny afo amindroana, sy ny hafa koa. Tsapan’ny vatanao ny tsio-drivotra malefaka eo amin’ny tarehinao sy ny famihinan’ny havan-tianao, ary tsapan’ny hoditrao fa malamalama ilay voankazo eny an-tananao. Ilainao kosa ny fahatsapana tsiron-kanina, rehefa manaikitra an’ilay voankazo ianao. Fantatrao ireo tsiro samihafa raha vao mikasika ny lelanao ilay voankazo, satria tsapany ny fahasamihafan’ireo zavatra simika mitambatra ao anatin’ilay voankazo. Tena tokony hiteny toy izao momba an’i Jehovah tokoa isika: “Akory re ny haben’ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ny matahotra Anao!”  (Salamo 31:19) Ahoana anefa no ‘niraketan’i’ Jehovah zavatra tsara ho an’ireo matahotra azy?

Fahatsarana mitondra soa mandrakizay

12. Inona no zavatra lehibe indrindra omen’i Jehovah, ary nahoana?

12 Hoy i Jesosy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.’” (Matio 4:4) Mahasoa antsika kokoa noho ny zavatra ara-batana ny zavatra ara-panahy omen’i Jehovah, satria ahazoana fiainana mandrakizay. Hitantsika tao amin’ny Toko 8 fa mampiasa ny heriny mba hamerenana amin’ny laoniny i Jehovah amin’izao andro farany izao, mba hisian’ny paradisa ara-panahy. Anisan’ny mampiavaka an’io paradisa io ny fahabetsahan’ny sakafo ara-panahy.

13, 14. a) Inona no hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana ary inona no dikan’izany ho antsika? b) Inona no zavatra ara-panahy omen’i Jehovah ny mpanompony mahatoky?

13 Nahazo fahitana momba ny tempoly voaorina indray sy nomem-boninahitra i Ezekiela, tao amin’ny iray tamin’ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny. Nisy loharano nikoriana avy ao amin’io tempoly io, ka nihalehibe sy nihalalina, mandra-pahatongany ho “ony tondraka.” Nitondra fitahiana ho an’izay nandalovany io ony io. Nisy voankazo natao sakafo sy manasitrana teo amoron’izy io. Namelona sy nampamokatra ny Ranomasina Maty mihitsy aza ilay ony! (Ezekiela 47:1-12) Inona no dikan’izany rehetra izany?

14 Midika ilay fahitana fa haverin’i Jehovah amin’ny laoniny, toy ilay tempoly hitan’i Ezekiela, ny fivavahana madio. Toy ilay renirano ny zavatra ataon’Andriamanitra mba hahazoana fiainana, ka mikoriana bebe kokoa ho an’ny vahoakany. Nisy zavatra maro manome aina omen’i Jehovah nanomboka tamin’ny namerenana tamin’ny laoniny ny fivavahana marina, tamin’ny 1919. Inona avy izany? Nahafahana nampita ny fahamarinana manome aina tamin’ny  olona an-tapitrisa ireo Baiboly sy boky aman-gazety miorina amin’ny Baiboly, ary fivoriana sy fivoriambe. Ireny no nampianaran’i Jehovah ny vahoakany momba ny zavatra lehibe indrindra ahazoana fiainana, dia ny sorom-panavotan’i Kristy. Izy io no ahafahan’ireo tena tia sy matahotra an’Andriamanitra ho madio eo anatrehany sy hahazo fiainana mandrakizay. * Mankafy sakafo ara-panahy tondraka àry ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, fa noana ara-panahy kosa ity tontolo ity.—Isaia 65:13.

15. Inona no soa horaisin’ny olona mahatoky noho ny fahatsaran’i Jehovah, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy?

15 Mbola hikoriana ihany ilay ony hitan’i Ezekiela, rehefa rava ity tontolo ity, ary hikoriana bebe kokoa aza mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Amin’ny alalan’io Fanjakan’ny Mesia io avy eo no hampiharan’i Jehovah amin’ny fomba feno ny vidin’ny soron’i Jesosy, ka hahatonga ny olombelona ho lavorary tsikelikely. Tena hihoby ny fahatsaran’i Jehovah tokoa isika amin’izay!

Lafiny hafa mampiavaka ny fahatsaran’i Jehovah

16. Ahoana no anehoan’ny Baiboly fa hita amin’ny toetra hafa ny fahatsaran’i Jehovah? Lazao ny sasany amin’izany.

16 Tsy ny fitiavana manome fotsiny no tafiditra amin’ny fahatsaran’i Jehovah. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’i Jehovah eo anatrehanao.” Hoy koa ilay fitantarana: “Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.” (Eksodosy 33:19; 34:6) Misy toetra maromaro koa àry ahitana ny fahatsaran’i Jehovah, ka hofakafakaintsika ny roa amin’izany.

17. Ahoana no itondran’i Jehovah ny olona, ary inona no toetrany mahatonga azy hanao izany?

 17 “Miantra.” Io toetran’i Jehovah io no mahatonga azy hanaja ny zavaboariny sy ho mora hatonina. Tsy masiaka na tsy misy fitiavana na manjakazaka toy ny fanaon’ny matanjaka izy, fa tsara fanahy kosa. Ohatra: Hoy i Jehovah tamin’i Abrama: “Atopazy ny masonao, ka hatramin’ity tany itoeranao ity dia mitazàna mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana.” (Genesisy 13:14) Milaza ireo manam-pahaizana fa misy teny kely tamin’ny teny hebreo nanoratana ny Baiboly nampiseho fa tsy baiko io andininy io fa fiangaviana kosa. Misy andininy hafa mampiseho izany koa. (Genesisy 31:12; Ezekiela 8:5) Eritrereto fa ilay Tompon’izao rehetra izao no mangataka amim-panajana toy izany rehefa miresaka amin’ny olona! Masiaka sy tsy manaja ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, ka tsy mampahery ve ny mahita fa mahafinaritra sy mora hatonina toy izany i Jehovah, ilay Andriamanitsika miantra?

18. Nahoana no lazaina hoe ‘be fahamarinana’ i Jehovah, ary nahoana no mampahery izany?

18 ‘Be fahamarinana.’ Manao ny tsy marina ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Hoy anefa ny Baiboly: “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga.” (Nomery 23:19) Milaza mihitsy ny Titosy 1:2 hoe “Andriamanitra tsy mahay mandainga.” Tsara loatra izy ka tsy ho afaka handainga. Azo itokisana tanteraka àry ny fampanantenan’i Jehovah, ary azo antoka ho tanteraka ny teniny. Antsoina hoe “Andriamanitry ny fahamarinana” mihitsy Izy. (Salamo 31:5) Tsy vitan’ny hoe tsy mandainga izy, fa miresaka zavatra marina koa. Tsy mitokantokana na tsy be teny, na tsy tia miresaka izy, fa tia mizara ny fahendreny amin’ny mpanompony mahatoky kosa. * Ampianariny azy  ireo mihitsy ny fomba ‘handehanan’izy ireo hatrany araka ny fahamarinana’ omeny. (3 Jaona 3) Inona no tokony ho vokatry ny fahatsaran’i Jehovah eo amintsika tsirairay?

‘Mihobia amin’ny zava-tsoan’i Jehovah’

19, 20. a) Ahoana no nampihenan’i Satana ny fatokisan’i Eva ny fahatsaran’i Jehovah, ary inona no vokany? b) Inona no tokony ho vokatry ny fahatsaran’i Jehovah eo amintsika, ary nahoana?

19 Nataon’i Satana izay hampihena ny fatokisan’i Eva ny fahatsaran’i Jehovah, rehefa naka fanahy azy tany Edena izy. Hoy i Jehovah tamin’i Adama: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany.” Hazo iray monja no tsy navelan’i Jehovah hihinanana, tamin’ireo an’arivo nandravaka an’ilay zaridaina. Mariho anefa ny fanontaniana voalohany napetrak’i Satana tamin’i Eva: “Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin’ny hazo rehetra amin’ny saha hianareo?” (Genesisy 2:9, 16; 3:2, Kat.) Namboamboarin’i Satana ny tenin’i Jehovah, mba hahatonga an’i Eva hieritreritra hoe nisy zavatra tsara tsy nomen’i Jehovah azy ireo. Nampalahelo fa nahomby ilay tetika. Nanomboka tsy nino ny fahatsaran’i Jehovah intsony i Eva sy ny olona maro taorian’izay, na dia i Jehovah aza no nanome ny zavatra rehetra nananany.

20 Fantatsika ny haben’ny alahelo sy fahoriana naterak’izany tsy finoana izany. Horaisintsika am-po àry ny tenin’ny Jeremia 31:12, manao hoe: “Dia ho avy ireny ka hihoby ... amin’ny zava-tsoan’i Jehovah.” Tokony hahatonga antsika hanao hobim-pifaliana tokoa ny fahatsaran’i Jehovah. Tsy tokony hampisalasala antsika mihitsy ny antony anaovan’Andriamanitra zavatra, satria feno fahatsarana izy. Afaka mitoky tanteraka aminy isika, satria izay hahasoa an’ireo tia azy foana no kendreny.

21, 22. a) Inona avy no zavatra azonao atao ho setrin’ny fahatsaran’i Jehovah? b) Inona no toetra horesahintsika ao amin’ny toko manaraka, ary inona no maha samy hafa azy io amin’ny fahatsarana?

 21 Faly koa isika rehefa afaka miresaka amin’ny olona momba ny fahatsaran’Andriamanitra. Hoy ny Salamo 145:7, momba ny vahoakan’i Jehovah: “Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy.” Mandray soa avy amin’ny fahatsaran’i Jehovah isika isan’andro. Nahoana raha atao fanao ny misaotra an’i Jehovah isan’andro noho ny fahatsarany, ka milaza zavatra voafaritra tsara araka izay azo atao? Hanampy antsika ho tsara toa an’i Jehovah ny fieritreretana ny fahatsarany sy ny fisaorana azy isan’andro noho izany, ary ny firesahana momba izany amin’ny olona. Hanatona kokoa an’i Jehovah isika, raha mitady fomba hanaovana soa toa azy. Hoy ny apostoly Jaona, efa be taona: “Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra.”—3 Jaona 11.

22 Mifandray amin’ny toetra hafa koa ny fahatsaran’i Jehovah. Ohatra: Andriamanitra dia ‘be famindram-po’, na fitiavana tsy mivadika. (Eksodosy 34:6) Voafaritra kokoa noho ny fahatsarana io toetra io, satria asehon’i Jehovah indrindra amin’ny mpanompony mahatoky. Hojerentsika ao amin’ny toko manaraka ny fomba anaovany izany.

^ feh. 14 Ny avotra no manasongadina indrindra ny fahatsaran’i Jehovah. An-tapitrisa ireo anjely, nefa ilay Zanany tiany sady lahitokana no nofidiny ho faty ho antsika.

^ feh. 18 Rariny raha ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fahazavana ny fahamarinana. “Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao”, hoy ny mpanao salamo. (Salamo 43:3) Manome hazavana be ho an’ireo te hampianariny na hohazavainy i Jehovah.—2 Korintiana 4:6; 1 Jaona 1:5.

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

‘Mahavoky ny Fontsika Andriamanitra’

Tsara fanahy Andriamanitra ka manao soa amin’ny olona isan’andro, na dia amin’ny olona tsy mahay mankasitraka indrindra aza.