Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 24

Tsy Misy “Hahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

Tsy Misy “Hahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

1. Inona no eritreritra mahakivy ny maro, anisan’izany ny Kristianina marina sasany?

TIA anao ve i Jehovah Andriamanitra? Misy manaiky fa tia ny olona rehetra Andriamanitra, araka ny Jaona 3:16. Mihevitra anefa izy ireo hoe: ‘Tsy ho afaka ny ho tia ahy Andriamanitra.’ Mety hihevitra toy izany indraindray, na dia ny Kristianina marina aza. Hoy ny lehilahy iray kivy: “Sarotra amiko ny mino fa mihevitra ny momba ahy Andriamanitra.” Kivy noho ny fisalasalana toy izany ve ianao indraindray?

2, 3. Iza no te hampino antsika fa tsy misy vidiny sy tsy tian’i Jehovah isika, ary ahoana no hiadiantsika amin’izany eritreritra izany?

2 Tian’i Satana hino isika fa tsy tia antsika i Jehovah. Marina fa hararaotin’i Satana ny avonavona ao amin’ny olona matetika. (2 Korintiana 11:3) Tiany koa anefa ny hanapotika ny fiheveran-tenan’ireo mora kivy. (Jaona 7:47-49; 8:13, 44) Izany indrindra no ataony amin’izao andro farany izao. “Tsy manam-pitiavana” ny fianakavian’ny maro ankehitriny. Masiaka sy tia tena ary mafy loha ny olona ifaneraseran’ny sasany. (2 Timoty 3:1-5) Efa ela ny olona toy izany no natao ratsy fitondra, navakavahana, na nankahalaina, ka nanjary nihevi-tena ho tsy misy vidiny na tsy mendrika hotiavina.

3 Aza kivy raha mahatsapa izany ianao. Masiaka loatra amin’ny tenantsika ny maro amintsika indraindray. Tadidio anefa fa natao “ho fanitsiana izay diso” sy handravana ny zavatra efa mafy orina ny Tenin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16; 2 Korintiana 10:4) Hoy ny Baiboly: “Hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.”  (1 Jaona 3:19, 20) Andeha isika handinika lafiny efatra anomezan’ny Soratra Masina toky ny fontsika fa tia antsika i Jehovah.

Sarobidy amin’i Jehovah ianao

4, 5. Nahoana ny fanoharan’i Jesosy momba ny tsintsina no mampiseho fa sarobidy amin’i Jehovah isika?

4 Voalohany, milaza mivantana ny Baiboly fa hitan’i Jehovah ny zava-tsarobidy ao amin’ny mpanompony tsirairay. Hoy i Jesosy: “Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Matio 10:29-31) Andeha hodinihintsika ny dikan’ireo teny ireo ho an’ireo nihaino an’i Jesosy tamin’izany.

“Mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo”

5 Inona tokoa no antony nividianana tsintsina? Satria io no vorona mora indrindra azo nohanina tamin’izany. Mariho fa tsintsina roa no azon’ny vola madinika kely iray. Nilaza anefa i Jesosy tatỳ aoriana fa hahazo tsintsina dimy, fa tsy efatra, izay olona vonona handany vola madinika roa. Toy ny tsy nisy vidiny ilay vorona fahadimy. Tsy nisy vidiny tamin’ny olona angamba izy io, nefa ahoana no fiheveran’ilay Mpamorona azy io? Hoy i Jesosy: “Tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray [na ilay fanampiny] akory aza.” (Lioka 12:6, 7) Manomboka azontsika izao ny tenin’i Jesosy. Raha sarobidy amin’i Jehovah toy izany ny vorona kely, tsy vao mainka sarobidy lavitra noho izany ve ny olona? Nohazavain’i Jesosy fa mahalala ny tsipiriany rehetra momba antsika i Jehovah. Voaisany hatramin’ny volon-dohantsika aza!

6. Nahoana no azontsika antoka fa tsy nanita-dresaka i Jesosy rehefa nilaza fa voaisa ny volon-dohantsika?

6 Voaisa hoe ny volontsika? Mety hisy hilaza fa nanita-dresaka i Jesosy. Eritrereto anefa ny fitsanganana amin’ny maty.  Tsy maintsy ho fantatr’i Jehovah tsara isika mba hahafahany hamorona antsika indray! Sarobidy loatra aminy isika, ka tadidiny ny tsipiriany rehetra momba antsika, toy ny rafi-pandovan-toetra sy ireo zavatra tadidintsika sy niainantsika nandritra ny taona maro. * Tsotra kely raha oharina amin’izany ny fanisana volo, izay mety hisy 100 000 amin’ny loha salasalany.

Inona ao amintsika no sarobidy amin’i Jehovah?

7, 8. a) Inona avy no anisan’ny toetra mahafaly an’i Jehovah, rehefa mandinika ny fon’olombelona izy? b) Inona avy no anisan’ny asa sarobidy amin’i Jehovah?

7 Faharoa, resahin’ny Baiboly ny zavatra sarobidy amin’i Jehovah ao amin’ny mpanompony. Faly amin’ny toetra tsarantsika sy ny ezaka ataontsika izy, raha tsorina. Hoy i Davida Mpanjaka tamin’i Solomona zanany: “Jehovah dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa.” (1 Tantara 28:9) Mandinika ny fon’olombelona an’arivo tapitrisa i Jehovah, ka tena faly izy rehefa mahita fo tia fihavanana sy fahamarinana ary rariny, eo amin’ity tontolo feno herisetra sy fankahalana ity! Ahoana rehefa mahita fo tia azy Andriamanitra, izany hoe fo maniry hianatra momba azy sy hizara izany fahalalana izany? Lazainy amintsika fa hitany ireo miresaka momba azy amin’ny olona. Manana ‘boky fahatsiarovana’ mihitsy izy, hanoratany an’ireo “matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” (Malakia 3:16) Sarobidy aminy ireo toetra ireo.

8 Inona avy no anisan’ny asa tsara tian’i Jehovah? Ny ezaka ataontsika hanahafana an’i Jesosy Kristy Zanany. (1 Petera  2:21) Asa sarobidy aminy koa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakany. Hoy ny Romana 10:15: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!” Mety tsy hoheverintsika ho ‘tsara’ ny tongotsika. Ny ezaka ataon’ny mpanompon’i Jehovah mba hitoriana ny vaovao tsara anefa no lazaina hoe tongotra eto. Tsara sy sarobidy amin’i Jehovah ireny ezaka ireny.—Matio 24:14; 28:19, 20.

9, 10. a) Nahoana no azontsika antoka fa sarobidy amin’i Jehovah ny fiaretantsika ao anaty fahasahiranana? b) Inona ilay fomba fijery ratsy tsy ananan’i Jehovah mihitsy rehefa mijery ny mpanompony tsy mivadika izy?

9 Sarobidy amin’i Jehovah koa ny fiaretantsika. (Matio 24:13) Tadidio fa tian’i Satana hivadika amin’i Jehovah ianao. Raha tsy mivadika amin’i Jehovah mandritra ny iray andro monja ianao, dia efa midika izany fa anisan’ny mamaly ny fiampangan’i Satana ianao. (Ohabolana 27:11) Tsy mora ny miaritra indraindray. Mety ho fisedrana isan’andro ny tsy fahasalamana, fahasahiranana ara-bola, fijaliana, na zava-manahirana hafa. Mety hahakivy koa ny fahadisoam-panantenana. (Ohabolana 13:12) Tena sarobidy  amin’i Jehovah ny fiaretana ao anatin’izany. Izany no nangatahan’i Davida Mpanjaka tamin’i Jehovah mba hitahiry ny ranomasony tao ‘an-tavoahangy’, sady nilazany koa hoe “tsy eo amin’ny bokinao va ireny?” (Salamo 56:8) Sarobidy amin’i Jehovah sy tadidiny tokoa ny ranomaso sy fijaliana rehetra iaretantsika, eo am-piezahantsika tsy hivadika aminy.

Sarobidy amin’i Jehovah ny fiaretantsika ao anaty fisedrana

10 Mety hanameloka antsika anefa ny fontsika, ka tsy hekentsika ny porofo hoe sarobidy amin’Andriamanitra isika. Mety hilaza ny fontsika hoe: ‘Be dia be ange no fakan-tahaka lavitra noho izaho e! Tsy maintsy ho diso fanantenana i Jehovah rehefa ampitahainy amin’ireny aho.’ Tsy mampitaha anefa i Jehovah sady tsy masiaka na hentitra be. (Galatiana 6:4) Hainy tsara ny mamaky ny fontsika ary hitany izay tsara ao, na kely monja aza.

Avahan’i Jehovah ny toetra tsara sy ratsy

11. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba nitondran’i Jehovah an’i Abia?

11 Fahatelo, avahan’i Jehovah ny toetrantsika, ka hitany ny tsara, rehefa mandinika antsika izy. Ohatra: Nasain’i Jehovah novonoina ny taranak’i Jeroboama Mpanjaka rehetra, satria nivadi-pinoana. Nolazainy anefa fa tokony halevina amin’ny fomba mihaja i Abia, zanak’i Jeroboama. Nahoana? “Nahitana fahatsaram-panahy ny amin’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely” tao aminy. (1 Mpanjaka 14:1, 10-13) Nojeren’i Jehovah tsara ny fon’io tovolahy io, ka nahita zavatra tsara tao izy. Noheverin’i Jehovah fa mendrika hosoratana tao amin’ny Teniny izany, na dia toa kely aza. Novaliany soa mihitsy aza i Abia, ka namindrany fo, na dia anisan’ilay fianakaviana nivadi-pinoana aza.

12, 13. a) Nahoana ny ohatr’i Josafata no mampiseho fa mahita ny tsara ao amintsika i Jehovah, na manota aza isika? b) Nahoana no toy ny Ray be fitiavana i Jehovah, rehefa mandinika ny asa sy toetra tsarantsika?

12 Misongadina kokoa noho io ny ohatr’i Josafata Mpanjaka.  Nanao hadalana izy, ka hoy ny mpaminanin’i Jehovah taminy: “Noho izany dia tezitra aminao Jehovah.” Mampieritreritra izany! Tsy tapitra hatreo anefa ny tenin’i Jehovah, fa nitohy toy izao: “Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao.” (2 Tantara 19:1-3) Tsy nahatonga an’i Jehovah tsy hahita ny tsara tao amin’i Josafata àry ilay fahatezerany. Tsy mba toy izany ny olona tsy lavorary! Tsy hitantsika intsony ny toetra tsaran’ny olon-kafa, rehefa tezitra aminy isika. Tsy hitantsika intsony koa ny tsara ao amintsika rehefa manota isika, ka diso fanantenana sy menatra ary mahatsiaro ho meloka. Tadidio anefa fa avelan’i Jehovah isika raha mibebaka sy miezaka mafy tsy hamerina ny fahadisoantsika.

13 Tsy jeren’i Jehovah ireny ota ireny rehefa mandinika anao izy. Toy izany no ataon’ireo mpanasivana volamena: ariany ny fasika satria tsy ilaina. Ary ny toetra sy asa tsara ataonao? Ireny no ‘volamena’ tahirizin’i Jehovah! Misy ray aman-dreny be fitiavana, finaritra mijery indray ny sarisary na devoara nataon’ny zanany tamin’ny am-polo taona lasa, na efa tsy tsaroan’ilay zanaka intsony aza ilay izy. I Jehovah no Ray be fitiavana indrindra. Tsy hadinony mihitsy ny asa sy toetra  tsarantsika raha tsy mivadika aminy isika. Heveriny ho tsy rariny raha manadino izany izy, nefa tsy manao ny tsy rariny mihitsy izy. (Hebreo 6:10) Mandinika antsika amin’ny fomba hafa koa izy.

14, 15. a) Nahoana ny tsy fahalavorariantsika no tsy mahatonga an’i Jehovah tsy hahita ny tsara ao amintsika? Hazavao amin’ny ohatra. b) Inona no hataon’i Jehovah amin’ireo zavatra tsara hitany ao amintsika, ary ahoana no fahitany ny mpanompony tsy mivadika?

14 Mahita ny mety ho vitantsika sy ny ao ambadiky ny tsy fahalavorariantsika i Jehovah. Indro misy fanoharana: Ny olona tia zavakanto dia miezaka mafy manamboatra sary hoso-doko na zavakanto hafa simba. Nisy olona nitondra basy, ohatra, nanimba ny sary nataon’i Léonard de Vinci, tany amin’ny tranombakoka iray tany Angletera. Mety ho 30 tapitrisa dolara no vidin’izy io. Tsy nisy nilaza anefa hoe tokony hariana ilay sary satria simba. Nanomboka namboarina avy hatrany io sangan’asa vita tamin’ny 500 taona lasa io. Nahoana? Satria sarobidy tamin’ireo tia zavakanto izy io. Tsy sarobidy lavitra noho ny sary vita tamin’ny lakre sy pensilihazo ve ianao? Tena sarobidy amin’Andriamanitra ianao, na dia heverinao aza fa efa tena simban’ny tsy fahalavorariana ianao. (Salamo 72:12-14) Hanao izay rehetra tokony hatao i Jehovah Andriamanitra Mpamorona ny fianakavian’olombelona, mba hahalavorary indray an’ireo mandray ny fitiavany.—Asan’ny Apostoly 3:21; Romana 8:20-22.

15 Hitan’i Jehovah tokoa ny tsara ao amintsika, na dia mety tsy ho hitantsika aza. Hampitomboiny ireo zavatra tsara ireo, eo am-panompoantsika azy, mandra-pahatongantsika ho lavorary. Tsy maninona izay fomba itondran’ny tontolon’i Satana ny mpanompon’i Jehovah mahatoky, fa sarobidy amin’i Jehovah foana izy ireo.—Hagay 2:7.

Asehon’i Jehovah ny fitiavany

16. Inona no porofo lehibe indrindra fa tia antsika i Jehovah? Ahoana no hahalalantsika fa mahakasika antsika izany?

16 Fahefatra, miezaka mafy manaporofo ny fitiavany antsika  i Jehovah. Ny sorom-panavotan’i Kristy no manasongadina indrindra fa laingan’i Satana ny hoe tsy misy vidiny sy tsy mendrika hotiavina isika. Aza hadinoina mihitsy fa porofon’ny fitiavan’i Jehovah sy Jesosy antsika ny fijalian’i Jesosy talohan’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fahoriana bebe kokoa niaretan’i Jehovah teo am-pijerena izany. Mampalahelo fa sarotra amin’ny olona ny mino hoe mahakasika azy izany fitiavana izany. Mahatsiaro ho tsy mendrika an’izany izy. Tadidio fa mpanenjika ny mpianatr’i Kristy ny apostoly Paoly taloha. Hoy anefa izy: “Ny Zanak’Andriamanitra, ... efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.”Galatiana 1:13; 2:20.

17. Ahoana no itaoman’i Jehovah antsika ho aminy sy ho amin’ny Zanany?

17 Tia antsika i Jehovah ka manampy antsika tsirairay handray soa amin’ny soron’i Kristy. Hoy i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:44) Mitaona antsika tsirairay hanatona ny Zanany tokoa i Jehovah, mba hiainantsika mandrakizay. Ireto no fomba anaovany izany: Ny fitoriana, izay mahatratra antsika tsirairay; ny fanahy masina, izay ampiasain’i Jehovah hanampiana antsika hahazo sy hampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Teniny, na dia tsy mahay sy tsy lavorary aza isika. Afaka miteny toy izao amintsika, toy ny tamin’ny Isiraely, koa àry i Jehovah: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.”—Jeremia 31:3.

18, 19. a) Inona no fomba lehibe indrindra anehoan’i Jehovah ny fitiavany antsika, ary inona no mampiseho fa izy mihitsy no miandraikitra izany? b) Inona no porofo omen’ny Tenin’Andriamanitra fa mpihaino mangoraka i Jehovah?

18 Mety ho ny vavaka no ahitantsika tsara indrindra ny fitiavan’i Jehovah. ‘Mivavaha, ka aza mitsahatra’, hoy ny Baiboly amintsika. (1 Tesaloniana 5:17) Mihaino antsika Andriamanitra, ary antsoina hoe “Mpihaino vavaka” mihitsy izy.  (Salamo 65:2) Izy mihitsy no mihaino vavaka, fa tsy olon-kafa, ary tsy ny Zanany akory aza. Eritrereto ange! Mampirisika antsika hivavaka sy hiresaka malalaka aminy ilay Mpamorona. Tena mihaino ve izy, sa tsy miraharaha antsika? Tsy mba toy izany izy.

19 Mangoraka i Jehovah. Inona no dikan’izany? Nisy anti-panahy nilaza hoe: “Ny fangorahana dia hoe ny fijalianao tsapako ato am-poko.” Tena misy fiantraikany eo amin’i Jehovah ve ny fijaliantsika? Izao no vakintsika momba ny fijalian’ny Isiraely olony: “Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy.” (Isaia 63:9) Tsy vitan’ny hoe hitan’i Jehovah ny fijalian’izy ireo, fa tsapany mihitsy. Izao mihitsy no nolazain’i Jehovah tamin’ny mpanompony: ‘Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.’ * (Zakaria 2:12) Tena mampanaintaina izany! Mangoraka antsika i Jehovah, ka mijaly izy rehefa mijaly isika.

20. Inona no eritreritra tsy mety tokony hohalavirintsika, raha mankatò ny Romana 12:3 isika?

20 Tsy hampiasa izany porofon’ny fitiavan’Andriamanitra izany mba hiavonavonana na hitiavan-tena ny Kristianina mijoro tsara. Hoy ny apostoly Paoly: “Noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.” (Romana 12:3) Hoy ny fandikan-teny iray hafa: “Aza mihevi-tena mihoatra ny tokony hiheverana ny tena, fa aoka samy hihevi-tena amim-pahendrena.” (Dikanteny  Iombonana Eto Madagasikara) Na dia ankafizintsika tanteraka aza ny fitiavan’ilay Raintsika any an-danitra, dia tokony ho hendry isika ka hitadidy fa noho ny famindram-pon’i Jehovah no itiavany antsika.—Lioka 17:10.

21. Inona avy no laingan’i Satana tsy maintsy lavintsika foana, ary inona no fahamarinana tsy maintsy atokisantsika foana?

21 Aoka isika hiezaka mafy handa ireo laingan’i Satana, anisan’izany ilay hoe tsy misy vidiny sy tsy mendrika hotiavina isika. Ny zavatra niainanao dia mety hahatonga anao hihevitra fa tsy azon’Andriamanitra tiavina mihitsy ianao; na kely loatra ny asa tsara ataonao ka zara raha hitan’i Jehovah; na lehibe loatra ny fahotanao ka tsy ho voasaron’ny fahafatesan’ilay Zanaka malalany. Lainga daholo izany, ka lavo amin’ny fonao manontolo! Aoka ny fontsika hatoky ireto fahamarinana resahin’i Paoly ireto: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.”—Romana 8:38, 39.

^ feh. 6 Matetika no ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fitadidian’i Jehovah ny fitsanganana amin’ny maty. Hoy i Joba tamin’i Jehovah: ‘Enga anie Ianao hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy!’ (Joba 14:13) Niresaka momba ny fananganana “ny olona rehetra any am-pasana” i Jesosy. Ilay teny grika nadika hoe ‘fasana’ eto dia midika hoe “fasana fahatsiarovana.” Mety izany satria tsaroan’i Jehovah tsara ireo maty tiany hatsangana.—Jaona 5:28, 29.

^ feh. 19 Misy fandikan-teny milaza fa izay mikasika ny vahoakan’Andriamanitra dia mikasika ny mason’izy ireo, izany hoe ny mason’ny Isiraely, fa tsy ny mason’Andriamanitra. Fahadisoana nataon’ireo mpanora-dalàna io, satria noheverin’izy ireo fa tsy mety izany, ka namboariny kely. Nanjary tsy nazava ilay hevitra momba ny halehiben’ny fiantran’i Jehovah.

Fanampim-panazavana

Tena Tsy Mahomby ve Aho?

Maro no mahatsiaro tena ho tsy misy dikany na matahotra ny tsy hahomby. Miezaka mafy mba tsy ho toy izany ve ianao?