Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 26

Andriamanitra “Mamela Heloka”

Andriamanitra “Mamela Heloka”

1-3. a) Inona no nanavesatra an’i Davida mpanao salamo, ary ahoana no nahitany fampiononana? b) Inona no mety hanavesatra antsika raha nanota isika, nefa inona no toky omen’i Jehovah antsika?

HOY i Davida mpanao salamo: “Ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako. Marikoditra aho sady torovana indrindra.” (Salamo 38:4, 8) Fantatr’i Davida fa mavesatra ny enjehin’ny eritreritra. Nahita fampiononana ihany anefa izy. Fantany fa mankahala ny ota i Jehovah, nefa tsy mankahala an’ilay nanota, raha tena mibebaka sy manalavitra an’ilay fahotana izy io. Nino tanteraka i Davida fa vonona hamela an’ireo nibebaka i Jehovah, ka hoy izy: “Hianao, Tompo ô, no ... mamela heloka.”—Salamo 86:5.

2 Enjehin’ny eritreritsika koa isika rehefa nanota. Tsara izany fanenenana izany, satria mety hahatonga antsika hanitsy ny fahadisoantsika. Ratsy indray anefa raha manjary resin’ilay fahatsapana ho meloka isika. Mety hilaza ilay fontsika manameloka antsika fa tsy hamela antsika i Jehovah, na mibebaka toy inona aza isika. Mety handraman’i Satana hokivina tanteraka isika raha “resin’ny fitomboan’alahelo”, ka hanjary hieritreritra fa heverin’i Jehovah ho tsy mendrika hanompo azy isika.—2 Korintiana 2:5-11.

3 Izany ve no fomba fihevitr’i Jehovah? Tsy izany mihitsy! Lafiny iray amin’ny fitiavan’i Jehovah ny famelan-keloka. Manome toky antsika ny Teniny fa vonona hamela izy, raha tena mibebaka amin’ny fontsika isika. (Ohabolana 28:13) Hojerentsika izao ny antony sy ny fomba amelan’i Jehovah heloka, mba tsy hiheverantsika fa tsy hamela antsika izy.

 Nahoana no “mamela heloka” i Jehovah?

4. Inona no tsaroan’i Jehovah momba antsika, ary inona no akon’izany eo amin’ny fomba itondrany antsika?

4 Fantatr’i Jehovah ny fetrantsika. “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika”, hoy ny Salamo 103:14. Tsy hadinony fa vovoka isika, ka manana ny fahalementsika, vokatry ny tsy fahalavorariana. Ilay teny hoe “toetsika” dia mampahatsiahy antsika fa ampitahain’ny Baiboly amin’ny mpanefy tanimanga i Jehovah, ary toy ny vilany volavolainy isika. * (Jeremia 18:2-6) Heverin’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe ny fahalementsika vokatry ny maha mpanota antsika sy ny fandraisantsika ny fitarihany, rehefa mamolavola antsika izy.

5. Ahoana no anazavan’ny Romana ny herin’ny ota?

5 Fantatr’i Jehovah fa mahery ny ota. Lazain’ny Teniny fa hery lehibe mihazona ny olona izy io. Manao ahoana ny herin’izy io? Izao no nohazavain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana: “Mpanota” isika, na feheziny, toy ny miaramila fehezin’ny lehibeny (Romana 3:9); ‘nanjaka’ tamin’ny olona toy ny mpanjaka ny ota (Romana 5:21); “mitoetra” ao anatintsika izy io (Romana 7:17, 20); miasa ao amintsika foana ny ‘lalàn’izy’ io, ka mitady hifehy ny zavatra ataontsika. (Romana 7:23, 25) Tena manan-kery lehibe eo amintsika mpanota tokoa ny ota!—Romana 7:21, 24.

6, 7. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo mangataka ny famindram-pony amin’ny fo feno fanenenana? b) Nahoana isika no tsy tokony hanararaotra ny famindram-pony?

6 Fantatr’i Jehovah àry fa tsy hahavita hankatò tanteraka azy isika, na dia miezaka mafy toy inona aza. Tia antsika izy ka manome toky antsika fa hamela antsika raha mangataka ny famindram-pony amin’ny fo feno fanenenana isika. Hoy ny Salamo 51:17: “Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro, ny fo torotoro sy mangorakoraka,  Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” Tsy hanao tsinontsinona fo “torotoro sy mangorakoraka” vokatry ny fahatsapana ho meloka mihitsy i Jehovah.

7 Midika ve anefa izany fa afaka manararaotra ny famindram-pon’Andriamanitra isika, ka hanao ho fialan-tsiny ny maha mpanota antsika? Tsy izany mihitsy! Tsy entanin’ny fihetseham-po fotsiny i Jehovah. Misy fetrany ny famindram-pony. Tsy hamela mihitsy an’ireo mpanota mafy fo sy tsy mibebaka izy. (Hebreo 10:26) Mamela heloka kosa izy rehefa tena manenina ilay olona. Hojerentsika izao ny sasany amin’ireo teny ampiasain’ny Baiboly mba hilazana an’io lafiny amin’ny fitiavan’i Jehovah io.

Mamela heloka tanteraka i Jehovah

8. Toy ny manao inona i Jehovah rehefa mamela ny fahotantsika, ary inona no atokisantsika noho izany?

8 Hoy i Davida, rehefa nibebaka: “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. ... Ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” (Salamo 32:5) Ilay hoe “namela” eto dia fandikana ny teny hebreo midika hoe “manainga” na “mitondra.” Midika izy io eto hoe manala ny “fahatsiarovan-tena ho meloka sy ny ota ary fahadisoana.” Toy ny hoe ningain’i Jehovah àry ny fahotan’i Davida, ka nentiny lavitra. Tena nanamaivana ny fahatsapan’i Davida ho meloka izany. (Salamo 32:3) Afaka matoky tanteraka koa isika fa mitondra lavitra ny fahotan’ireo mitady famelana Andriamanitra, miorina amin’ny finoan’izy ireo ny sorom-panavotan’i Jesosy.—Matio 20:28.

9. Aiza ho aiza no ametrahan’i Jehovah ny fahotantsika?

9 Nampiasa teny mazava hafa i Davida mba hanazavana ny famelan’i Jehovah: “Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.” (Salamo 103:12) Mifanalavitra ve ny atsinanana sy andrefana? Raha ny tena izy dia any amin’ny farany lavitra indrindran’ny atsinanana ny andrefana, ka tsy ho afaka  hifanakaiky mihitsy ireo toerana ireo. Misy manam-pahaizana milaza fa ny tiana holazaina amin’ireo dia hoe “lavitra indrindra, farany lavitra azo eritreretina.” Midika ireo teny ara-tsindrimandry nosoratan’i Davida ireo fa apetrak’i Jehovah any amin’ny farany lavitra azontsika eritreretina ny fahotantsika, rehefa mamela antsika izy.

‘Ny fahotanareo dia ho fotsy tahaka ny orampanala’

10. Nahoana isika no tsy tokony hovesaran’ny fahotantsika mandra-pahafatintsika, rehefa avelan’i Jehovah ny helotsika?

10 Efa nanandrana nanala tasy tamin’ny akanjo ve ianao? Mety ho nanao zavatra betsaka ianao, nefa tsy afaka ilay izy. Mariho ny fahaizan’i Jehovah mamela heloka: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.” (Isaia 1:18) Ny loko “jaky” dia mena be. * Ny “sily” koa dia lamba na kofehy mena mivaivay  na midorehitra. Tsy afaka manala ny loto vokatry ny ota mihitsy raha isika samirery. Afaka manala ny fahotana mena midorehitra kosa i Jehovah, ka manova izany ho fotsy toy ny oram-panala, sy toy ny volon’ondry tsy miloko. Tsy voatery hovesaran’ny fahotantsika mandra-pahafatintsika isika, rehefa avelan’i Jehovah ny helotsika.

11. Inona no dikan’ny hoe arian’i Jehovah ao ivohony ny fahotantsika?

11 Nanao hira nampihetsi-po i Hezekia, rehefa tsy maty tamin’ny aretim-be nahazo azy. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.” (Isaia 38:17) Lazaina fa maka ny fahotan’ilay olona i Jehovah eto, ary manary izany ao ivohony, ka tsy hitany na voamariny intsony izany. Milaza ny boky iray fa mety holazaina toy izao ilay hevitra eto: “Heverinao ho toy ny tsy nataoko mihitsy ny fahotako.” Tena mampahery izany!

12. Ahoana no nampisehoan’i Mika fa esorin’i Jehovah tanteraka ny fahotantsika rehefa mamela antsika Izy?

12 Nanome fampanantenana i Mika mpaminany fa haverina tamin’ny taniny ny Isiraelita. Izao no fomba nilazany fa hamela ny fahotan’ny vahoakany nibebaka i Jehovah: “Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay ... mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? ... Eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.” (Mika 7:18, 19) Eritrereto ny dikan’ireo teny ireo tamin’ny andron’ny Baiboly. Mety mbola ho azo ve ny zavatra nariana tany “amin’ny ranomasina lalina”? Midika àry ny tenin’i Mika fa esorin’i Jehovah tanteraka ny fahotantsika rehefa mamela antsika izy.

13. Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe ‘mamelà ny trosanay’?

13 Nanao fanoharana momba ny mpitrosa sy ny tompon-trosa i Jesosy, mba hanazavana momba ny famelan’i Jehovah heloka. (Matio 18:23-35) Nampirisika antsika hivavaka toy izao i Jesosy: ‘Mamelà ny trosanay.’ (Matio 6:12, fanamarihana ambany pejy) Toy ny mitrosa amin’i Jehovah isika rehefa  manota. Milaza toy izao ny boky iray, rehefa nanazava ny dikan’ilay teny grika nadika hoe “mamela heloka”: “Mamela handeha na manafoana trosa, ka tsy mitaky azy io.” Toy ny manafoana ny trosa tokony haloantsika i Jehovah, rehefa mamela ny helotsika. Mampahery an’ireo nibebaka izany. Tsy hitaky trosa efa nofoanany mihitsy i Jehovah!—Salamo 32:1, 2.

14. Inona no hevitra mivoaka amin’ilay hoe “hamonoana ny fahotanareo”?

14 Miresaka ny famelan’i Jehovah koa ny Asan’ny Apostoly 3:19, milaza hoe: “Mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo.” Ilay hoe “hamonoana” eto dia mety ho dikan’ilay matoanteny grika midika hoe ‘mamafa, manafoana na manapotika.’ Misy manam-pahaizana milaza fa famafana sora-tanana no mety horesahina eo. Ahoana izany? Vita tamin’ny arina sy ditin-kazo ary rano ilay ranomainty fampiasa tamin’izany. Maty ilay soratra, raha fafana amin’ny sponjy lena, fotoana fohy taorian’ny nanoratana azy. Mampiseho tsara ny famindram-pon’i Jehovah izany. Toy ny maka sponjy sy mamafa ny fahotantsika izy, rehefa mamela antsika.

Tian’i Jehovah ho fantatsika fa “mamela heloka” izy

15. Inona no tian’i Jehovah ho fantatsika momba azy?

15 Rehefa mieritreritra an’ireo sarin-teny ireo isika, tsy mazava amintsika ve fa tian’i Jehovah ho fantatsika hoe mamela ny fahotantsika izy, raha tena mibebaka isika? Tsy tokony hatahorantsika ny hoe sao dia mbola hampahatsiahiviny antsika indray ny fahotantsika. Mampiseho zavatra hafa momba ny famindram-pon’i Jehovah koa mantsy ny Baiboly, dia ny hoe: Manadino i Jehovah rehefa mamela heloka.

“Tsy hotsarovako intsony ny fahotany”

16, 17. Inona no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe manadino ny fahotana i Jehovah? Hazavao.

16 Izao no nampanantenain’i Jehovah an’ireo andaniny amin’ny fanekena vaovao: “Havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jeremia 31:34) Midika ve  izany fa tsy afaka mahatsiaro fahotana intsony i Jehovah? Tsy azo inoana loatra izany. Resahin’ny Baiboly ny fahotan’ireo olona maro navelan’i Jehovah, toa an’i Davida. (2 Samoela 11:1-17; 12:13) Mazava àry fa mbola fantatr’i Jehovah ireny fahadisoana ireny. Nosoratana mba hahasoa antsika izy ireny sy ny fibebahan’ireo olona nanao izany ary ny famelan’Andriamanitra azy ireo. (Romana 15:4) Inona àry no tian’ny Baiboly holazaina rehefa niteny izy hoe tsy ‘mahatsiaro intsony’ ny fahotan’ireo olona navelany heloka i Jehovah?

17 Tsy fahatsiarovana ny lasa fotsiny no tiana hambara amin’ilay matoanteny hebreo nadika hoe “hotsarovako.” Milaza ny Rakibolana Teolojikan’ny Testamenta Taloha (anglisy) fa “tafiditra amin’io koa ny fanaovan-javatra ho setriny.”  Ny hoe ‘mahatsiaro’ àry dia midika hoe manao zavatra hamaliana an’ilay mpanota. (Hosea 9:9) Rehefa milaza kosa Andriamanitra hoe “tsy hotsarovako intsony ny fahotany”, dia manome toky antsika izy fa rehefa namela an’ilay nibebaka izy, dia tsy hampiasa an’io fahotany io intsony mba hamelezana azy. (Ezekiela 18:21, 22) Midika àry ilay hoe manadino i Jehovah fa tsy mampahatsiahy ny fahotantsika izy mba hanamelohana na hanasaziana antsika foana. Mampahery tokoa ny mahalala hoe sady mamela ilay Andriamanitsika no manadino.

Ary ny vokatr’ilay fahotana?

18. Nahoana ny famelan-keloka no tsy midika hoe tsy hisy vokany ratsy hianjady amin’ilay olona nibebaka?

18 Midika ve ny famelan’i Jehovah fa tsy hisy vokany ratsy amin’ilay olona nibebaka intsony ny fahotany? Tsy izany mihitsy. Tsy misy afa-maina amin’ny fahotany. Hoy i Paoly: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7) Mety tsy maintsy hiatrika ny vokatry ny fahotantsika isika. Tsy midika anefa izany hoe asian’i Jehovah loza mianjady amintsika, rehefa navelany ny fahotantsika. Tsy tokony hihevitra ny Kristianina sendra zava-manahirana hoe ‘sazin’i Jehovah noho ny fahotako angamba aho.’ (Jakoba 1:13) Tsy miaro antsika tsy hiharan’ny vokatry ny nataontsika koa anefa i Jehovah. Mety ho anisan’ny vokatra mampalahelo sy tsy azo ialana ny fisaraham-panambadiana, fananana anaka tsy nirina, aretina azo avy amin’ny firaisana, tsy atokisan’ny olona sy tsy hajainy intsony. Tadidio fa tsy nosakanan’i Jehovah tsy hianjady tamin’i Davida ny voka-dratsin’ny fahotany tamin’i Batseba sy Oria, na dia namela heloka aza izy.—2 Samoela 12:9-12.

19-21. a) Nahoana ny Lalàna ao amin’ny Levitikosy 5:20-26 no nahasoa an’ilay very fananana sy ilay mpangalatra? b) Inona no tian’i Jehovah hataontsika raha nisy nijaly noho ny fahotantsika?

19 Mety hisy vokany ratsy hafa ny fahotantsika, indrindra  fa raha nisy olona nijaly vokatr’ilay izy. Diniho ny fitantaran’ny Levitikosy toko faha-5. Resahin’ny Lalàn’i Mosesy eo ny fahotana lehibe ataon’ny olona iray maka ny fananan’ny Isiraelita namany, izany hoe nangalatra, na naka an-keriny, na nisandoka. Tsy nanaiky ho diso ilay olona, ary mbola sahy nianiana ihany. Tsy nisy porofo nahafahana nanameloka azy koa. Nanenjika azy anefa ny eritreriny tatỳ aoriana, ka niaiky ny helony izy. Nila nanao zavatra telo hafa izy, raha te ho voavela heloka: namerina izay nalainy, nandoa onitra 20 isan-jaton’ny vidin’ireo zavatra nangalariny, ary nanome ondrilahy ho fanati-panonerana. Izao koa no nolazain’ny lalàna: “Ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.”—Levitikosy 5:20-26.

20 Fisehoan’ny famindram-pon’Andriamanitra io lalàna io. Nahasoa an’ilay very fananana izy io, satria naverina ny fananany, ary maivamaivana izy rehefa niaiky ny fahotany ihany ilay mpangalatra. Nahasoa an’ilay nangalatra koa izy io, satria niasa ihany ny feon’ny fieritreretany ka niaiky ny helony sy nanonitra ny fahadisoany izy. Tsy hamela ny helony tokoa Andriamanitra, raha tsy nanao izany izy.

21 Tsy fehezin’ny Lalàn’i Mosesy intsony isika, nefa ahitantsika ny ao an-tsain’i Jehovah io Lalàna io, anisan’izany ny fiheverany ny famelan-keloka. (Kolosiana 2:13, 14) Faly Andriamanitra rehefa manonitra ny tsy nety isika, raha nisy nijaly noho ny fahotantsika. (Matio 5:23, 24) Mety ho anisan’izany ny fiekena ny fahotantsika sy ny fialan-tsiny amin’ilay olona mihitsy. Afaka mivavaka amin’i Jehovah, miorina amin’ny soron’i Jesosy, isika aorian’izay, ka matoky fa havelan’Andriamanitra.—Hebreo 10:21, 22.

22. Inona no mety hiaraka amin’ny famelan’i Jehovah?

22 Toy ny ray be fitiavana rehetra i Jehovah, ka mety harahiny famaizana ny famelany. (Ohabolana 3:11, 12) Mety ho very tombontsoa mandritra ny fotoana kelikely ilay Kristianina  nibebaka, ka tsy ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana, na mpanompo manontolo andro intsony. Mety hampalahelo azy izany, satria tena tiany ny tombontsoany. Tsy midika anefa ireny famaizana ireny hoe tsy navelan’i Jehovah ny helotsika. Tsy maintsy tadidintsika fa porofon’ny fitiavan’i Jehovah antsika ny famaizany. Tena mahasoa antsika ny manaiky sy mampihatra izany.—Hebreo 12:5-11.

23. Nahoana isika no tsy tokony hihevitra mihitsy fa tsy afaka hamindra fo amintsika i Jehovah, ary nahoana isika no tokony hamela heloka toa Azy?

23 Mampahery tokoa ny mahalala hoe “mamela heloka” ilay Andriamanitsika! Nanao fahadisoana isika, nefa tsy tokony hihevitra mihitsy fa tsy afaka hamindra fo amintsika i Jehovah. Afaka matoky tanteraka isika fa havelan’i Jehovah ny fahotantsika, raha tena mibebaka isika, manitsy ny tsy nety, ary mivavaka mafy mba hahazoana famelana, noho ny soron’i Jesosy. (1 Jaona 1:9) Andeha isika hamela heloka toa azy koa. Raha i Jehovah izay tsy manota aza afaka mamela antsika amim-pitiavana, tsy mba tokony hiezaka mafy hifamela koa ve isika mpanota?

^ feh. 4 Ilay teny hebreo nadika hoe “toetsika” dia ampiasaina koa amin’ireo zavatra notefen’ilay mpanefy tanimanga.—Isaia 29:16.

^ feh. 10 Misy manam-pahaizana milaza fa “loko mateza sy tsy miofo mihitsy ny jaky. Tsy mahafaka azy io na ranon’ando, na orana, na ny fanasana ilay lamba, na ny fahelan’ilay lamba.”

Fanampim-panazavana

Mahasoa Anao ny Famelan-kelok’i Jehovah

Miana-javatra betsaka momba ny famelan-kelok’i Jehovah isika, rehefa mandinika hoe ahoana no nataony rehefa nanota ny mpanompony fahiny.

Mahaiza Mifamela

Nahoana no sarotra ny mamela heloka? Afaka manampy anao ny Baiboly.

Hanampy Ahy ve Andriamanitra Raha Mivavaka Aminy Aho?

Fantatr’Andriamanitra ve ny olana mahazo anao?