Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 29

“Hahalala ny Fitiavan’i Kristy”

“Hahalala ny Fitiavan’i Kristy”

1-3. a) Inona no nahatonga an’i Jesosy haniry hitovy amin’ny Rainy? b) Inona avy ireo lafiny amin’ny fitiavan’i Jesosy hofakafakaintsika?

EFA nahita ankizilahikely miezaka hitovy amin’ny dadany ve ianao? Ataony ny fomba fandeha sy firesaka ary fanaovan’ny dadany zavatra. Mety ho tiany koa any aoriana ny fitondran-tena sy zavatra ara-panahy tian’ny rainy. Ny fitiavany sy fankasitrahany tokoa no mahatonga azy haniry hitovy amin’ilay dadany tia azy.

2 Ahoana ny fifandraisan’i Jesosy sy ilay Rainy any an-danitra? “Tiako ny Ray”, hoy i Jesosy. (Jaona 14:31) Tsy misy afaka ny ho tia kokoa an’i Jehovah noho io Zanaka io, satria efa niaraka ela be talohan’ny namoronana ny zavaboary hafa izy ireo. Io fitiavana io no mahatonga an’ilay Zanaka haniry hitovy amin’ny Rainy.—Jaona 14:9.

3 Efa noresahintsika tato amin’ity boky ity fa nitovy tanteraka tamin’i Jehovah i Jesosy rehefa nampiasa hery sy nanao ny rariny ary naneho fahendrena. Ahoana anefa no nanehoan’i Jesosy fitiavana toa an-dRainy? Hofakafakaintsika ny lafiny telo amin’ny fitiavan’i Jesosy: ny fahafoizan-tenany, ny fiantrany, ary ny famelany heloka.

“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao”

4. Hazavao fa i Jesosy no olombelona namela ohatra tsara indrindra tamin’ny fahafoizan-tena.

4 Tena niavaka ny fahafoizan-tenan’ i Jesosy. Ny olona mahafoy tena dia miahy izay zavatra ilaina sy mampanahy ny olon-kafa alohan’ny azy. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fitiavana toy izany? Hoy izy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:13) Nanome an-tsitrapo  ny ainy lavorary ho antsika i Jesosy. Io no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra nataon’olombelona hatramin’izay. Nahafoy tena tamin’ny lafiny hafa koa anefa i Jesosy.

5. Nahoana no sorona feno fitiavana ho an’ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra ny fialany tany an-danitra?

5 Nanana tombontsoa sy toerana ambony ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Nifandray akaiky tamin’i Jehovah sy ny anjely maro be izy. “Nofoanany [anefa] ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona.” (Filipiana 2:7) Nanaiky hiaina teo anivon’ny olombelona mpanota teto amin’ity tontolo “mipetraka eo amin’ilay ratsy” ity izy. (1 Jaona 5:19) Tsy sorona feno fitiavana ve izany nataon’ilay Zanak’Andriamanitra izany?

6, 7. a) Ahoana avy no nanehoan’i Jesosy fahafoizan-tena nandritra ny fanompoany teto an-tany? b) Inona no ohatra mampihetsi-po momba ny fitiavana tsy mitady valiny, ao amin’ny Jaona 19:25-27?

6 Nahafoy tena tamin’ny lafiny maro i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Tsy tia tena mihitsy izy. Tena variana tamin’ny fanompoana izy ka tsy mba niadana toy ny olona rehetra. Hoy izy: “Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” (Matio 8:20) Mpandrafitra nahay i Jesosy, ka nety ho afaka nanao trano hipetrahany na fanaka tsara hamidiny. Tsy nampiasainy mba hanangonam-bola anefa ny fahaizany.

‘Naninjitra ny tanany Izy, dia nanendry azy’

7 Mampihetsi-po ny fahafoizan-tenan’i Jesosy, voalazan’ny Jaona 19:25-27. Maro be ny zavatra tsy maintsy nibahana tao an-tsainy sy tao am-pony, tamin’ilay tolakandro talohan’ny hahafatesany. Nijaly teo amin’ny tsato-kazo izy, nefa nieritreritra ny amin’ny mpianany, ny asa fitoriana,  ary indrindra fa ny tsy fivadihany sy ny ho vokatr’izany teo amin’ny anaran’ny Rainy. Niankina taminy tokoa ny hoavin’ny olombelona! Mbola niahy koa an’i Maria reniny efa maty vady anefa i Jesosy, taloha kelin’ny hahafatesany. Nangatahin’i Jesosy ny apostoly Jaona mba hikarakara an’i Maria toy ny reniny. Nentin’i Jaona tany an-tranony i Maria taorian’izay. Nihevitra ny zavatra ara-batana sy ara-panahy nilain-dreniny àry i Jesosy, ary tena fitiavana tsy mitady valiny izany!

‘Onena azy Izy’

8. Inona no dikan’ilay teny grika ampiasain’ny Baiboly hanazavana ny fangorahan’i Jesosy?

8 Nangoraka toa an-dRainy i Jesosy. Milaza ny Soratra Masina fa niezaka nanatona an’ireo nijaly i Jesosy, satria nalahelo azy ireny. Nadika hoe “onena” ilay teny grika milazalaza ny fangorahan’i Jesosy, ao amin’ny Baiboly. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Izy io dia mampiseho ... fihetseham-po mahatonga olona iray halahelo hatrany anatiny lalina indrindra. Io no teny grika mahery indrindra hilazana ny fangorahana.” Hofakafakaintsika ny tarehin-javatra vitsivitsy nanehoan’i Jesosy izany fangorahana izany, ka nahatonga azy hanao zavatra.

9, 10. a) Inona no nahatonga an’i Jesosy sy ny apostoliny hitady toerana mangina? b) Inona no nataon’i Jesosy rehefa nanelingelina azy ny vahoaka, ary nahoana?

9 Niahy ny zavatra ara-panahy nilain’ny olona. Resahin’ny Marka 6:30-34 ny antony voalohany nahatonga an’i Jesosy hangoraka. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Falifaly be ireo apostoly, satria vao avy nitory tamin’ny faritra maro. Niverina tany amin’i Jesosy izy ireo mba hilaza ny zavatra hitany sy reny. Nisy vahoaka tonga anefa teo, ka tsy nanam-potoana hisakafoanana akory i Jesosy sy ny apostoliny. Hitan’i Jesosy fa reraka ireo apostoly. Hoy izy: “Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely.”  Nandeha sambo ho eny amin’ny morony avaratry ny Ranomasin’i Galilia àry izy ireo. Hitan’ilay vahoaka anefa ny nialan’izy ireo, ary nisy olon-kafa koa nandre izany. Nihazakazaka nanaraka ny morontsiraka avaratra ireo olona ireo, ka tonga teny ampita talohan’ilay sambo!

10 Tezitra ve i Jesosy satria nisy mpanelingelina? Tsy izany mihitsy! Nanohina ny fony ny nahita ireo olona an’arivo niandry azy. Hoy i Marka: “Nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.” Takatr’i Jesosy fa nila zavatra ara-panahy ireo olona tsirairay ireo. Toy ny ondry navela hirenireny izy ireo, ary tsy manana mpiandry mitarika na miaro azy. Fantatr’i Jesosy fa tsy niraharaha ny sarambaben’olona ireo mpitondra fivavahana mafy fo, izay tokony ho mpiandry ondry. (Jaona 7:47-49) Nalahelo an’ireo vahoaka izy, ka nampianariny “ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra” izy ireo. (Lioka 9:11) Mariho fa nalahelo an’ireo vahoaka i Jesosy, na dia mbola tsy fantany aza ny ho fandraisan’izy ireo ny fampianarany. Tsy vokatry ny fampianarany àry ny fangorahany, fa ny antony nampianarany kosa.

11, 12. a) Ahoana no fiheverana ny boka tamin’ny andron’ny Baiboly, nefa ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nisy lehilahy “heniky ny habokana” nanatona azy? b) Inona no mety ho vokatr’ilay fikasihan’i Jesosy teo amin’ilay boka? Lazao ny tantaran’ny dokotera iray mba hanasongadinana izany.

11 Nanamaivana ny fahoriana. Nanatona an’i Jesosy ny olona narary, satria fantany fa mangoraka Izy. Hita indrindra izany rehefa nisy lehilahy “heniky ny habokana” nanatona an’i Jesosy niaraka tamin’ny vahoaka. (Lioka 5:12) Natokan-toerana ny boka tamin’ny andron’ny Baiboly, mba tsy hamindra aretina. (Nomery 5:1-4) Nanjary ratsy loatra anefa ny fijerin’ireo mpampianatra lalàna ny olona  boka, ka nanao fitsipika henjana izy ireo. * Mariho kosa ny nataon’i Jesosy: “Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao. Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.” (Marka 1:40-42) Fantatr’i Jesosy fa tsy azon’ilay boka natao ny nanatona teo, araka ny lalàna. Tsy noroahiny anefa ilay boka fa nalahelo mafy azy kosa izy, ka nanao zavatra tsy azo noeritreretina. Nokasihin’i Jesosy ilay boka!

12 Azonao an-tsaina ve ny dikan’io fikasihana io ho an’ilay boka? Indro misy tantara kely: Nitsabo boka iray tany Inde ny Dr. Paul Brand, manam-pahaizana momba ny habokana. Napetrany teo an-tsorok’ilay boka ny tanany, tamin’izy nizaha azy, ka nohazavainy tamin’ny alalan’ny mpandika teny ny fitsaboana tsy maintsy harahin’ilay lehilahy. Nitomany tampoka teo ilay boka. “Nisy zavatra tsy nety nolazaiko ve teo?”, hoy ilay dokotera. Nanontany an’ilay tovolahy ilay mpandika teny, ary namaly hoe: “Tsy nisy akory kah! Mitomany, hono, izy satria napetrakao teo an-tsorony ny tananao. Tsy nisy olona nikasika azy nandritra ny taona maro talohan’ny nahatongavany teto.” Mbola nisy dikany lavitra noho izany ho an’ilay boka nanatona an’i Jesosy ny fikasihana azy. Niala ilay aretina nanarian’ny olona azy, taorian’io fikasihana io!

13, 14. a) Iza no nifanena tamin’i Jesosy rehefa hiditra ny tanànan’i Naina izy, ary nahoana no tena nampalahelo ilay tantara? b) Inona no nataon’i Jesosy ho an’ilay mpitondratena, noho ny fangorahany?

 13 Nanala ny alahelo. Nanohina ny fon’i Jesosy ny nahita ny alahelon’ny olona. Diniho ilay tantara ao amin’ny Lioka 7:11-15. Efa nisasaka ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany tamin’io, ary hiditra ny tanànan’i Naina, tany Galilia izy. Nisy mpandevina nifanena taminy, rehefa teo akaikin’ny vavahady izy. Nampalahelo ilay tantara. Maty ilay zanaka lahitokana ary efa maty vady ilay reniny. Mety ho efa nandevina toy izao ilay vehivavy teo aloha, ka ny vadiny no nalevina tamin’izay. Ny zanany indray izao no alevina, nefa io no mety mba hany nanohana azy. Mety ho nisy mpitomany nihira fitomaniana sy mpitendry zavamaneno nanao feon-kira fisaonana niaraka tamin’ireo mpandevina. (Jeremia 9:16, 17; Matio 9:23) Ilay reny vonton’alahelo anefa no nifantohan’i Jesosy. Mety ho nandeha teo akaikin’ilay tranovorona nilanjana ny fatin-janany, io vehivavy io.

14 “Onena” an’ilay reny i Jesosy. Nampahery azy izy hoe: “Aza mitomany.” Nanatona an’ilay tranovorona avy hatrany i Jesosy ary nikasika azy io. Nijanona ireo mpilanja, ary mety ho nijanona koa ny vahoaka. Feno fahefana ny tenin’i Jesosy tamin’ilay faty hoe: “Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.” Inona no nitranga? “Niarina ny maty sady niteny”, toy ny olona taitra tamin’ny torimasony! Nampihetsi-po ny faran’ilay fitantarana hoe: ‘Dia natolotr’i Jesosy an-dreniny ilay tovolahy.’

15. a) Inona no ifandraisan’ny fangorahana sy ny fanaovan-javatra, araka ny alahelon’i Jesosy hita ao amin’ny Baiboly? b) Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy amin’io lafiny io?

15 Inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara ireo? Jereo ny fifandraisan’ny fangorahana sy ny fanaovan-javatra. Tsy maintsy ho nalahelo i Jesosy rehefa nahita ny fahorian’ny olona, ary tsy maintsy nanao zavatra izy rehefa nangoraka. Ahoana no anahafantsika azy? Adidintsika Kristianina ny  mitory ny vaovao tsara sy manao mpianatra. Noho ny fitiavantsika an’Andriamanitra no anaovantsika izany. Tadidio koa anefa fa asa mampiseho fangorahana io asa io. Hampita ny vaovao tsara isika, raha mangoraka olona toa an’i Jesosy. (Matio 22:37-39) Ahoana kosa ny fangorahantsika ny mpiray finoana mijaly na malahelo? Tsy afaka manao fahagagana isika ka hanasitrana ny aretina na hanangana ny maty. Afaka mampiseho ny fiahiantsika anefa isika, noho ny fangorahantsika, ka hanampy araka izay azontsika atao.—Efesiana 4:32.

“Raiko ô, mamelà ny helony”

16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa mamela heloka izy, na dia teo amin’ny hazo fijaliana aza?

16 Naneho fitiavana toa an-dRainy tamin’ny fomba lehibe hafa koa i Jesosy, satria ‘namela heloka.’ (Salamo 86:5) Nisongadina izany na dia teo amin’ny hazo fijaliana aza izy. Nahamenatra ny fomba nahafatesany, satria nofantsihina ny tanany sy ny tongony. Inona anefa no nolazainy? Niantso an’i Jehovah mba hanafay an’ireo mpamono azy ve izy? Tsy izany mihitsy, fa ireto kosa no anisan’ny teniny farany: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”—Lioka 23:34. *

17-19. Ahoana avy no nampisehoan’i Jesosy fa namela ny heloky ny apostoly Petera, ilay nanda azy intelo, izy?

17 Mampihetsi-po kokoa angamba ny famelan’i Jesosy ny heloky ny apostoly Petera. Tena tia an’i Jesosy i Petera. Hoy  izy tamin’i Jesosy, tamin’ilay alina farany, izany hoe ny 14 Nisana: “Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-trano-maizina, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza.” Intelo anefa i Petera no nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesosy akory, ora vitsivitsy taorian’io! Izao no lazain’ny Baiboly, rehefa nanda an’i Jesosy fanintelony i Petera: “Ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera.” Tsy zakany ny fahotany, ka “nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.” Maty ny harivan’io i Jesosy, ka mety ho nanontany tena i Petera hoe: ‘Namela ny heloko ve ny Tompo?’—Lioka 22:33, 61, 62.

18 Tsy niandry ela i Petera mba hahalalana izany. Natsangana ny marainan’ny 16 Nisana i Jesosy, ary toa tamin’io andro io ihany izy dia niseho tamin’i Petera irery. (Lioka 24:34; 1 Korintiana 15:4-8) Nahoana i Jesosy no niahy manokana an’ilay apostoly nanda mafy azy? Mety ho te hanome toky an’i Petera nibebaka izy fa mbola tia azy sy nihevitra azy ho sarobidy ihany. Mihoatra noho izany anefa no nataon’i Jesosy.

19 Niseho tamin’ny mpianatra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy, taorian’io. Intelo izy no nanontany an’i Petera (ilay nanda ny Tompony intelo koa) raha tia Azy izy. Hoy i Petera nony farany: “Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho.” Nahay namantatra ny tao am-po i Jesosy ka fantany tsara ny fitiavan’i Petera azy. Nomen’i Jesosy fahafahana hanamafy ny fitiavany azy anefa i Petera. Nirahin’i Jesosy ‘hamahana’ sy ‘hiandry’ ny ‘ondrikeliny’ koa izy. (Jaona 21:15-17) Efa nirahina hitory i Petera talohan’io. (Lioka 5:10) Mbola nomeny andraikitra mavesatra kokoa anefa izao izy, dia ny hikarakara ireo ho mpanara-dia Azy, satria tena natokisany. Nomen’i Jesosy andraikitra lehibe teo amin’ny asan’ireo mpianany i Petera, fotoana fohy taorian’io. (Asan’ny Apostoly 2:1-41) Tsy maintsy ho maivamaivana erỳ izy rehefa nahalala fa namela ny helony sy mbola natoky azy ihany i Jesosy!

 ‘Mahalala ny fitiavan’i Kristy’ ve ianao?

20, 21. Ahoana no ‘hahalalantsika ny fitiavan’i Kristy’ amin’ny fomba feno?

20 Mampiseho tsara ny fitiavan’i Kristy tokoa ny Tenin’i Jehovah. Inona anefa no tokony hataontsika ho setrin’ny fitiavan’i Jesosy? Mampirisika antsika ny Baiboly mba “hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana.” (Efesiana 3:19) Hitantsika fa mampianatra antsika betsaka momba ny fitiavan’i Kristy ny Filazantsara. Tsy ny fahafantarana izay lazain’ny Baiboly momba an’i Kristy ihany anefa no ilaina raha te “hahalala ny fitiavan’i Kristy” amin’ny fomba feno isika.

21 Ilay teny grika nadika hoe ‘mahalala’ dia midika hoe mahafantatra “amin’ny alalan’ny zava-mitranga sy iainana.” Takatsika tsara ny fihetseham-pon’i Jesosy raha maneho fitiavana toy ny nataony isika, izany hoe tsy tia tena fa manome mba hahasoa ny olon-kafa, mangoraka sy manao zavatra ho azy ireny, ary mamela heloka amin’ny fontsika. Ny zavatra iainantsika amin’izay no ‘hahalalantsika ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana.’ Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa arakaraka ny anahafantsika an’i Kristy, no hanatonantsika kokoa an’ilay notahafiny, dia i Jehovah Andriamanitsika be fitiavana.

^ feh. 11 Araka ny fitsipik’ireo mpampianatra lalàna dia tsy azo atao ny manakaiky ny boka hatramin’ny efatra hakiho (1,8 metatra). Tokony ho any amin’ny 100 hakiho (45 metatra) miala amin’ny boka kosa no ijanonana, raha mitsoka ny rivotra. Milaza ny boky iray fa nisy raby iray niafina rehefa nisy boka, ary nisy iray hafa nitora-bato mba tsy hanatonan’ireo boka azy. Fantatry ny boka tsara àry ny fijaliana vokatry ny tsy fitiavan’ny olona sy ny fahatsapana ho nambanina sy tsy misy ilana azy.

^ feh. 16 Tsy hita ao amin’ny sora-tanana fahiny sasany ny tapany voalohany amin’ny Lioka 23:34. Hita ao amin’ny sora-tanana lehibe hafa anefa izy ireo, ka nampidirina ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ny fandikan-teny maro hafa. Niresaka momba ireo miaramila romanina namono azy i Jesosy teo. Tsy fantatr’izy ireo ny nataony, satria tsy tena fantany hoe iza i Jesosy. Mazava ho azy fa ireo mpitondra fivavahana nampamono an’i Jesosy no meloka kokoa, satria fantatr’izy ireo izay nataony sady ratsy fanahy izy ireo. Tsy hisy famelan-keloka ho azy ireo.—Jaona 11:45-53.

Fanampim-panazavana

Inona no Hanampy Antsika Hahafoy Tena Foana?

Misy fahavalo mahatonga antsika tsy hahafoy tena. Ho hitanao ato hoe inona izany ary ahoana no ampiasana ny Baiboly mba tsy ho resin’izy io.