Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 23

“Izy Efa Tia Antsika Taloha”

“Izy Efa Tia Antsika Taloha”

1-3. Inona no anisan’ny nahatonga ny fahafatesan’i Jesosy ho hafa noho ny rehetra?

INDRAY andro lohataona, efa ho 2 000 taona lasa izay, dia notsaraina ilay lehilahy tsy nanan-tsiny, nohelohina, ary nampijalijalina mandra-pahafatiny. Mampalahelo fa sady tsy voalohany io no tsy farany amin’ny famonoana feno habibiana sy tsy ara-drariny. Tsy toy ny fahafatesana rehetra anefa izy io.

2 Nanamarika an’io fisehoan-javatra lehibe io hatramin’ny lanitra, rehefa nijaly nandritra ny ora farany niainany ilay lehilahy. Mitataovovonana tamin’izay, nefa maizina tampoka ny tany. Nilaza ny mpahay tantara iray fa “nihamaizina ny masoandro.” (Lioka 23:44, 45) Niteny izao teny tsy hay hadinoina izao ilay lehilahy, teo am-pialana aina: “Vita!” Nahavita zavatra hafakely tokoa izy rehefa nanome ny ainy. Io sorona nataony io no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra nataon’olombelona hatramin’izay.—Jaona 15:13; 19:30.

3 I Jesosy Kristy io lehilahy io. Fantatra tsara ny fijaliany sy fahafatesany tamin’io andro nanjombona, tamin’ny 14 Nisana taona 33 io. Misy lafiny lehibe hadino foana anefa amin’izy io. Nijaly mafy i Jesosy, nefa mbola nisy nijaly noho izy. Nanao sorona lehibe noho izy mihitsy io Olona io, tamin’io andro io, ka izany no zavatra nisy fanehoam-pitiavana lehibe indrindra hatramin’izay. Inona izany zavatra izany? Teny fampidirana tsara mba handinihana ny fitiavan’i Jehovah ny valin’izany.

Fanehoam-pitiavana lehibe indrindra

4. Ahoana no nahitan’ilay miaramila romanina fa tsy toy ny olona rehetra i Jesosy, ary inona no nolazainy?

4 Gaga ilay miaramila romanina niandraikitra ny famonoana  an’i Jesosy, rehefa nahita ny haizina talohan’ny nahafatesany sy ilay horohoron-tany nahery taorian’izay. Hoy izy: “Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io.” (Matio 27:54) Tsy toy ny olona rehetra tokoa i Jesosy. Anisan’ny namono ilay Zanaka lahitokan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra io miaramila io! Nanao ahoana anefa ny halehiben’ny fitiavan’io Ray io an’ilay Zanany?

5. Firy taona no mety ho efa niarahan’i Jehovah sy ny Zanany tany an-danitra?

5 Antsoin’ny Baiboly hoe “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” i Jesosy. (Kolosiana 1:15) Eritrereto fa efa nisy talohan’izao rehetra izao io Zanak’i Jehovah io. Hafiriana no efa niarahan’izy mianaka? Milaza ny mpahay siansa fa mety ho efa 13 000 tapitrisa taona no nisian’izao rehetra izao. Azonao an-tsaina ve izany? Na dia atao hoe marina aza izany tombana izany, dia mbola kely izany raha oharina amin’ny halavan’ny fiainan’ilay Zanak’i Jehovah! Inona no nataony nandritra izany taona rehetra izany?

6. a) Inona no nataon’ilay Zanak’i Jehovah talohan’ny naha olombelona azy? b) Manao ahoana ny fifankatiavan’i Jehovah sy ilay Zanany?

6 Faly io Zanaka io tamin’izy “mpità-marika”, na Mpiasa Kinga teo anilan’ny Rainy. (Ohabolana 8:30) Hoy ny Baiboly: “Raha tsy Izy [Zanaka] dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.” (Jaona 1:3) Niara-niasa mba hamorona ny zavatra hafa rehetra àry i Jehovah sy ilay Zanany. Nahafinaritra tokoa ny fiarahan’izy ireo tamin’izany! Ekentsika angamba fa tena mafy ny fatoram-pitiavan’ny ray aman-dreny sy zanaka. Ary “fehin’ny fahatanterahana” ny fitiavana. (Kolosiana 3:14) Iza amintsika àry no afaka mahatakatra ny hamafin’ny fifankatiavana efa nisy nandritra izany fotoana lava be izany? Fatoram-pitiavana mafy indrindra tokoa no mampifamatotra an’i Jehovah sy ilay Zanany.

7. Inona no nolazain’i Jehovah momba ny Zanany, rehefa natao batisa i Jesosy?

7 Nalefan’ilay Ray ho etỳ an-tany mba hanjary zazakely olombelona anefa ilay Zanany. Midika izany fa tsy maintsy nandefitra  kely izy satria tsy ho afaka hifandray akaiky tamin’ilay Zanany toy ny teo aloha, nandritra ny am-polo taona. Liana be izy nijery avy any an-danitra, rehefa nihalehibe i Jesosy, olona lavorary. Natao batisa i Jesosy, tamin’izy 30 taona teo ho eo. Fantatsika tsara ny zavatra tsapan’i Jehovah Rainy tamin’izay. Niteny avy tany an-danitra mihitsy izy hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17) Tsy maintsy ho tena faly ilay Ray, rehefa nahita an’i Jesosy nanatanteraka tsara ireo faminaniana sy ny zavatra nangatahina taminy!—Jaona 5:36; 17:4.

8, 9. a) Inona avy no nanjo an’i Jesosy tamin’ny 14 Nisana taona 33, ary inona no tsapan’ilay Rainy tamin’izany? b) Nahoana no navelan’i Jehovah hijaly sy ho faty ilay Zanany?

8 Inona kosa no tsapan’i Jehovah tamin’ny 14 Nisana taona 33? Inona no tsapany rehefa nisy namadika i Jesosy, ary nosamborin’ny vahoaka tamin’ny alina? Ary rehefa nilaozan’ny namany i Jesosy ka notsaraina tsy ara-drariny? Rehefa nesoina sy nororana ary nasiana totohondry i Jesosy? Rehefa nokapohina izy ka rovitra ny lamosiny? Ary rehefa nofantsihina tamin’ny tsato-kazo ny tanana sy tongotr’i Jesosy ka nahantona teo izy, sady nanompa azy ihany ny olona? Inona no tsapan’ilay Ray rehefa niantso azy ilay Zanany tao anatin’ny fanaintainana mafy? Inona no tsapan’i Jehovah rehefa tapitra ny ain’i Jesosy, ka vao voalohany tamin’izay no nanjary tsy nisy intsony izy?—Matio 26:14-16, 46, 47, 56, 59, 67; 27:38-44, 46; Jaona 19:1.

‘Nomen’Andriamanitra ny Zanany lahitokana’

9 Tsy hitantsika izay holazaina. Tsy haintsika ny hanambara ny fihetseham-po sy alahelon’i Jehovah tamin’ny nahafatesan’ilay Zanany. Azo lazaina anefa ny antony namelan’i Jehovah an’izany hitranga. Nahoana tokoa ilay Ray no namela ny tenany hahatsapa izany? Nilaza zavatra mahafinaritra amintsika i Jehovah, ao amin’ny Jaona 3:16, dia ilay andininy azo lazaina hoe mamintina ny Filazantsara. Hoy izy io: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino  Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Ny fitiavana àry no antony nanaovan’i Jehovah izany. Fanehoam-pitiavana lehibe indrindra io fanomezan’i Jehovah io, izany hoe ny nandefasany ny Zanany hijaly sy ho faty ho antsika.

Inona no atao hoe fitiavan’Andriamanitra?

10. Inona no ilain’ny olona, ary inona no nitranga tamin’ny dikan’ilay teny hoe “fitiavana”?

10 Inona no dikan’ilay teny hoe “fitiavana”? Nolazaina fa io no zavatra lehibe indrindra ilain’ny olona. Mitady azy io ny olona raha vao teraka ka mandra-pahafatiny, mivelatra izy rehefa mahatsapa azy io, ary mijaly sy maty kosa rehefa tsy mahatsapa azy io. Mahagaga anefa fa sarotra ny mamaritra hoe inona izy io. Marina fa miresaka betsaka momba ny fitiavana ny olona. Misy boky sy hira ary tononkalo maro momba azy io. Tsy tena manazava ny dikan’ny hoe fitiavana anefa izany. Ampiasaina be loatra aza izy io, ka vao mainka sarotra takarina ny heviny.

11, 12. a) Ahoana no ahafantarantsika betsaka momba ny fitiavana, ary nahoana? b) Inona no karazam-pitiavana noresahin’ny teny grika fahiny, ary inona amin’ireo no ampiasaina matetika indrindra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.) d) Inona ny a·ga′pe?

11 Mampianatra mazava momba ny fitiavana anefa ny Baiboly. Hoy ny Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy), nataon’i Vine: “Ny zavatra atao vokatry ny fitiavana ihany no ahafantarana ny fitiavana.” Mampianatra zavatra betsaka momba ny fitiavana ny fitantaran’ny Baiboly momba izay nataon’i Jehovah. Ny fitiavan’i Jehovah dia asehony mba hahasoa ny zavaboariny. Inona, ohatra, no afaka manambara bebe kokoa momba ny fitiavana, ankoatra ilay fanehoam-pitiavana lehibe indrindra noresahina tetsy ambony? Ho hitantsika amin’ireo toko manaraka ny ohatra maro hafa momba ny fitiavan’i Jehovah. Ahafantarantsika zavatra koa ireo teny nanoratana ny Baiboly nadika hoe “fitiavana.” Nisy teny efatra nadika hoe “fitiavana” tamin’ny  teny grika fahiny. * Ilay hoe a·ga′pe no ampiasaina matetika indrindra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Misy diksionera milaza azy io hoe ny “teny manan-danja indrindra ilazana ny fitiavana.” Nahoana?

12 Fitiavana fehezin’ny toro lalana ny a·ga′pe. Tsy fitia mifamaly fotsiny àry izy io. Lehibe kokoa izy io, ampiasana saina, ary iniana aseho. Tsy misy fitiavan-tena mihitsy ny a·ga′pe. Jereo indray, ohatra, ny Jaona 3:16. Iza ilay “izao tontolo izao” tian’Andriamanitra ka nanomezany ny Zanany lahitokana? Ny olombelona rehetra azo vonjena, anisan’izany ireo mpanota maro be. Tian’i Jehovah toy ny namany akaiky, sahala amin’ny nitiavany an’i Abrahama nahatoky, ve ireny olona ireny? (Jakoba 2:23) Tsia, saingy anehoany hatsaram-panahy daholo izy ireny, na dia mafy aminy aza izany. Tiany hibebaka sy hiova ny rehetra. (2 Petera 3:9) Maro no manao izany, ka tonga sakaizany.

13, 14. Inona no mampiseho fa misy firaiketam-po lalina matetika mifandray amin’ny a·ga′pe?

13 Misy diso hevitra momba ny a·ga′pe anefa. Heverin’izy ireo fa fitiavana mangatsiaka sy ao an-tsaina fotsiny izy io. Misy firaiketam-po lalina anefa miaraka amin’ilay a·ga′pe. Io, ohatra, no teny nampiasain’i Jaona, rehefa nilaza izy hoe “ny Ray tia ny Zanaka.” Tsy misy firaiketam-po lalina ve amin’izany? Tena misy mihitsy. Nampiasa teny mifandray amin’ilay hoe phi·le′o (firaiketam-po mafy) i Jesosy, ao amin’ny Jaona 5:20. (Jaona 3:35) Matetika no mifandray amin’ny firaiketam-po lalina ny fitiavan’i Jehovah. Tsy entanim-pihetseham-po fotsiny anefa ny fitiavany, fa ny toro  lalany feno fahendrena sy marina foana kosa no mitarika azy io.

14 Efa hitantsika fa mahagaga sy lavorary ary manintona ireo toetran’i Jehovah. Ny fitiavany anefa no tena manintona indrindra. Tsy misy zavatra hafa manintona antsika kokoa noho izany ka mahatonga antsika hanatona an’i Jehovah. Soa ihany fa io no toetrany lehibe indrindra. Ahoana no hahalalantsika izany?

“Andriamanitra dia fitiavana”

15. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fitiavana izay toetran’i Jehovah, ary nahoana no miavaka izany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

15 Tsy mitovy ny fomba ilazan’ny Baiboly ny fitiavan’i Jehovah, raha oharina amin’ireo toetrany lehibe hafa. Tsy milaza ny Soratra Masina hoe Andriamanitra dia hery, na Andriamanitra dia rariny, na Andriamanitra dia fahendrena. Manana an’ireo toetra ireo izy, ary loharanon’izy ireo sady ohatra tsara indrindra mampiseho azy ireo. Lalina kokoa anefa no ilazany ilay toetrany lehibe fahefatra, dia ny hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” * (1 Jaona 4:8) Inona no dikan’izany?

16-18. a) Nahoana no milaza ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana”? b) Nahoana no mety ny hoe olona no mariky ny fitiavan’i Jehovah?

16 Tsy filazana tsotra toy ny hoe “Andriamanitra mira fitiavana” akory ilay hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” Tsy azontsika avadika hoe “ny fitiavana dia Andriamanitra” koa izy io. Tsy azo ampitahaina amin’ny toetra tsy azo tsapain-tanana  i Jehovah. Olona manana fihetseham-po sy toetra maro samihafa izy, ankoatra ny fitiavana. Ny fitiavana anefa no tena ao anatiny ao. Hoy ny boky iray, nanazava io andininy io: “Ny fitiavana no tena maha izy an’Andriamanitra.” Azontsika raisina toy izao izany: Ny herin’i Jehovah no ahafahany manao zavatra. Ny rariny sy ny fahendreny no mitarika izay ataony. Fa ny fitiavan’i Jehovah kosa no mahatonga azy hanao zavatra. Hita amin’ny fampiasany ny toetrany hafa foana koa ny fitiavany.

17 Matetika no lazaina fa i Jehovah no fisehoana velon’ny fitiavana. Tsy maintsy mianatra momba Azy àry isika, raha te hianatra momba ny fitiavana fehezin’ny toro lalana. Mazava ho azy fa hitantsika ao amin’ny olona koa io toetra io. Nahoana anefa no manana fitiavana ny olona? Niteny toy izao tamin’ilay Zanany i Jehovah, tamin’ny andron’ny famoronana: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika.” (Genesisy 1:26) Ny olona ihany no afaka mifidy ny ho tia sy hanahaka an’ilay Rainy any an-danitra, amin’ny zavaboary rehetra eto an-tany. Tadidio fa nampiasa biby samy hafa i Jehovah mba hampisehoana ireo toetrany lehibe. Ny olona, izay zavaboariny ambony indrindra eto an-tany, kosa no nofidiny mba ho famantarana ny fitiavana, izay toetrany lehibe indrindra.—Ezekiela 1:10.

18 Mampiseho ny toetra lehibe indrindran’i Jehovah isika rehefa maneho fitiavana tsy mitady valiny sy fehezin’ny toro lalana. Hoy indrindra ny apostoly Jaona: “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” (1 Jaona 4:19) Ahoana anefa no nitiavan’i Jehovah antsika taloha?

Nanao ny dingana voalohany i Jehovah

19. Nahoana no azo lazaina fa nanana anjara lehibe tamin’ny famoronana nataon’i Jehovah ny fitiavana?

19 Tsy zava-baovao ny fitiavana. Inona tokoa no nahatonga an’i Jehovah hamorona? Tsy hoe nanirery akory izy ka nila namana. Efa feno i Jehovah, ary tsy misy tsy ampy ao aminy.  Ny fitiavany kosa no nahatonga azy haniry hizara ny fifalian’ny fiainana tamin’ny zavaboary manan-tsaina, izay afaka mankasitraka an’io fanomezana io. Ilay Zanany lahitokana no “niandohan’izao zavatra noharìn’Andriamanitra izao.” (Apokalypsy 3:14) Nampiasainy avy eo io Mpiasa Kinga io mba hamorona ny zavatra hafa rehetra, nanomboka tamin’ny anjely. (Joba 38:4, 7; Kolosiana 1:16) Nomena fahalalahana sy hakingan-tsaina ary fihetseham-po ireny fanahy mahery ireny, ka afaka nanamafy ny fifankatiavany sy ny fitiavany an’i Jehovah Andriamanitra. (2 Korintiana 3:17) Tia àry izy ireo, satria efa notiavina aloha.

20, 21. Inona no porofo nahitan’i Adama sy Eva fa tia azy ireo i Jehovah, nefa inona no nasetrin’izy ireo izany?

20 Toy izany koa tamin’ny olombelona. Nilomano tao anatin’ny fitiavana i Adama sy Eva, hatramin’ny voalohany. Hitan’izy ireo nanodidina azy tao Edena Paradisa ny porofon’ny fitiavan’ilay Rainy azy ireo. Hoy ny Baiboly: “Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.” (Genesisy 2:8) Efa mba tao anaty zaridaina tsara tarehy ve ianao? Inona no nahafinaritra anao indrindra tao? Ny hazavana eny anelanelan’ny alok’ireo ravina ve? Sa ny lokom-boninkazo maro be? Sa ny feon’ny rano misasasasa, na ny siokam-borona, na ny fimonomonon’ny bibikely? Sa ny fofona manitr’ireo hazo sy voankazo ary ny felam-boninkazo? Tsy misy zaridaina afaka mifampitaha amin’i Edena anefa ankehitriny. Nahoana?

21 I Jehovah mihitsy no nanao io zaridaina io! Tsy maintsy ho tena tsara tarehy izy io. Tao daholo ny hazo tsara sy fihinam-boa rehetra. Nisy rano tsara ilay izy, nalalaka, ary nisy biby maro be mahafinaritra. Tsy nisy izay tsy nananan’i Adama sy Eva mba hahasambatra sy hahafeno ny fiainany, anisan’izany ny asa sy fiarahana tonga lafatra. Tia azy ireo taloha i Jehovah, ary tokony ho fitiavana koa no nasetrin’izy ireo izany. Tsy nanao izany anefa izy ireo. Tsy nankatò an’ilay  Rainy izy ireo, fa tia tena kosa ka nikomy taminy.—Genesisy toko 2.

22. Nahoana ny fihetsik’i Jehovah teo anoloan’ilay fikomiana tany Edena no mampiseho fa tsy mivadika izy?

22 Tsy maintsy ho nampalahelo an’i Jehovah izany! Nanimba ny fitiavany ve anefa io fikomiana io? Tsia! “Mandrakizay ny famindrampony [na, fitiavany tsy mivadika].” (Salamo 136:1) Nanao zavatra feno fitiavana avy hatrany izy mba hamonjena ny taranak’i Adama sy Eva vonona hankatò azy. Hitantsika fa anisan’izany ny sorom-panavotan’ny Zanany malala, izay tena lafo be tamin’ilay Ray mihitsy.—1 Jaona 4:10.

23. Inona no anisan’ny antony iantsoana an’i Jehovah hoe “Andriamanitra finaritra”, ary inona no fanontaniana lehibe horesahina ao amin’ny toko manaraka?

23 Nanao dingana voalohany mba hitiavana ny olona foana i Jehovah, hatramin’izay. “Tia antsika taloha” tamin’ny fomba maro tsy hita isa izy. Mampilamina sy mahafaly ny fitiavana, ka tsy mahagaga raha lazaina hoe “Andriamanitra finaritra” i Jehovah. (1 Timoty 1:11) Misy fanontaniana lehibe mipoitra anefa. Tena tia antsika isam-batan’olona ve i Jehovah? Hiresaka izany ny toko manaraka.

^ feh. 11 Ampiasaina matetika ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ilay matoanteny hoe phi·le′o, midika hoe “miraiki-po, mankasitraka” (namana akaiky na rahalahy). Ampiasaina ao amin’ny 2 Timoty 3:3 ny endrik’ilay teny hoe stor·ge′, na fitiavana eo amin’ny mpianakavy, mba hampisehoana fa tena tsy ho ampy io fitiavana io amin’ny andro farany. Tsy ampiasaina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ilay hoe e′ros, na fitiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy, na dia hazavain’ny Baiboly aza ny momba azy io.—Ohabolana 5:15-20.

^ feh. 15 Mitovy amin’ireo koa ny teny hafa ao amin’ny Soratra Masina. Ohatra: “Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra”, ary “Andriamanitsika dia afo mandevona.” (Salamo 84:11; Hebreo 12:29) Fanoharana ihany anefa ny teny toy ireo, mba hampitahana an’i Jehovah amin’ny zavatra hita maso. Toy ny masoandro i Jehovah, satria izy no loharanon’ny hazavana sy fiainana ary angovo. Toy ny afo koa izy rehefa mampiasa ny heriny mba handringanana.