Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 25

‘Ny Famindram-pon’Andriamanitsika’

‘Ny Famindram-pon’Andriamanitsika’

1, 2. a) Inona no ataon’ny reny rehefa mitomany ny zanany? b) Inona no mbola mahery kokoa noho ny fitiavana na fangorahan’ny reny?

MITOMANY ilay zaza, rehefa misasaka ny alina. Mifoha haingana ny reniny. Tsy dia matory toy ny taloha izy, hatramin’ny nahaterahan’io zanany io. Nanjary fantany ny fomba fitomanin’ny zanany. Fantany raha te hinono, na te horaisina, na mila zavatra hafa, izy. Karakarainy foana anefa ilay zaza, na inona na inona antony itomaniany. Tsy mamela azy tsy hiraharaha ny zanany ny fitiavany.

2 Ny fitiavana na fangorahan’ny reny ny zanany no iray amin’ireo fihetseham-po lalina indrindra fantatsika. Mbola misy fihetseham-po mahery noho izany anefa, dia ny famindram-po, na fangorahan’i Jehovah Andriamanitsika. Manampy antsika hanatona an’i Jehovah ny fandinihana an’io toetra mahafinaritra io. Andeha àry hofakafakaintsika ny atao hoe fangorahana sy ny fomba anehoan’Andriamanitra azy io.

Inona no atao hoe fangorahana?

3. Inona no dikan’ilay teny hebreo nadika hoe “mamindra fo” na “miantra”?

3 Mitovy ny teny andikan’ny Baiboly malagasy ny hoe famindram-po sy ny hoe fangorahana. Mety izany satria mifandray akaiky ireo toetra roa ireo. Maro anefa ny teny hebreo sy grika mamoaka ny hevitry ny hoe fangorahana. Anisan’izany ilay matoanteny hebreo hoe ra·cham′. Matetika izy io no adika hoe “mamindra fo”, na “miantra.” Misy boky iray manazava fa io matoanteny hoe ra·cham′  io dia “milaza fangorahana lalina sy feno fitiavana, toy ny rehefa mahita ny fahalemena na fijalian’ireo olona tiantsika na mila ny fanampiantsika isika.” Ampiharin’i Jehovah amin’ny tenany io teny hebreo io, ary matetika ampifandraisina amin’ny hoe “kibo”, ka lazaina fa “fangorahan’ny reny.” *Eksodosy 33:19; Jeremia 33:26.

“Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy?”

4, 5. Ahoana no ampiasan’ny Baiboly ny fitiavan’ny reny mba hampianarana antsika ny fangorahan’i Jehovah?

4 Oharin’ny Baiboly amin’ny fangorahan’ny reny ny zanany ny fangorahan’i Jehovah ny olona. Hoy ny Isaia 49:15: “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo [ra·cham′] amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.” Asehon’izany fanazavana manohina ny fo izany fa lalina ny fangorahan’i Jehovah ny vahoakany. Ahoana izany?

5 Sarotra inoana ny hoe hanadino hikarakara ny zanany kely ny reny. Tsy manam-piarovana tokoa ny zazakely, ka mila ny fikarakarana sy fitiavan’ilay reniny andro aman’alina. Mampalahelo fa maro ny reny manao tsirambina ny zanany, indrindra fa amin’izao “andro mahory” mahabetsaka ny olona “tsy manam-pitiavana” izao. (2 Timoty 3:1, 3) Milaza anefa i Jehovah hoe: “Izaho kosa tsy mba manadino anao.” Tsy mety levona ny fangorahan’i Jehovah ny mpanompony. Matanjaka lavitra noho izay mety ho firaiketam-po rehetra izy io, eny fa na dia ny fangorahan’ny reny ny zanany minono aza. Tsy mahagaga raha nisy nanazava ny Isaia 49:15 toy izao: “Io no iray amin’ireo fomba lehibe, na ny lehibe indrindra mihitsy, ampisehoana ny fitiavan’Andriamanitra, ao amin’ny Testamenta Taloha.”

6. Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny fangorahana, nefa inona no toky omen’i Jehovah antsika?

 6 Mariky ny fahalemena ve ny fangorahana? Maro ny olona mihevitra izany. Anisan’izany i Sénèque, filozofa romanina niara-belona tamin’i Jesosy, manam-pahaizana be tany Roma tamin’izany. Nilaza izy fa “fahalemen-tsaina ny fiantrana.” Izy dia anisan’ireo nanantitrantitra hoe tokony ho tony sy hanana fo vato ny olona. Mety hanampy an’ireo mijaly ny olona hendry, hoy i Sénèque, nefa tsy tokony hiantra azy ireo, satria manjary tsy tony tsara izy raha manao izany. Tsy afaka nangoraka mihitsy ny olona tia tena toy izany. Soa ihany fa tsy toy izany i Jehovah! Manome toky antsika izy, ao amin’ny Teniny, fa “miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.” (Jakoba 5:11) Ho hitantsika fa tsy fahalemena ny fangorahana fa mampiseho hery sy tena lehibe kosa. Andeha hofakafakaintsika ny fomba anehoan’i Jehovah Ray be fitiavana azy io.

Nangoraka firenena iray i Jehovah

7, 8. Inona no fahoriana nanjo ny Isiraelita tany Ejipta, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Jehovah tamin’izany?

7 Hita mazava tamin’ny fitondran’i Jehovah ny Isiraely ny fangorahany. Andevo tany Ejipta ny Isiraelita, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-16 T.K., ka tena nijaly be. “[Nataon’ny Ejipsianina] mangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy, dia tamin’ny feta sy ny biriky.” (Eksodosy 1:11, 14) Niangavy ny fanampian’i Jehovah ny Isiraelita, rehefa nijaly. Ahoana no navalin’ilay Andriamanitra be fangorahana?

8 Tohina ny fon’i Jehovah. Hoy izy: “Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny  fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony.” (Eksodosy 3:7) Tsy afaka ny tsy hihontsina i Jehovah rehefa nahita ny fahorian’ny vahoakany, sy nandre ny fitarainan’izy ireo. Hitantsika tao amin’ny Toko 24 fa Andriamanitra mangoraka i Jehovah, ka mahatsapa ny fahorian’ny olona. Tsy nahatsapa izany fotsiny anefa izy, fa nanao zavatra ho azy ireo koa. Hoy ny Isaia 63:9: “Ny fitiavany sy ny famindrampony no nanavotany azy.” Nanafaka ny Isiraelita tany Ejipta, tamin’ny ‘tanana mahery’, i Jehovah. (Deoteronomia 4:34) Nomeny sakafo tamin’ny fomba mahagaga izy ireo taorian’izay, ary nomeny tany lonaka.

9, 10. a) Nahoana i Jehovah no nanafaka ny Isiraelita matetika, rehefa tafapetraka tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo? b) Nafahan’i Jehovah tamin’ny fampijalian’iza ny Isiraelita tamin’ny andron’i Jefta, ary nahoana Izy no nanao izany?

9 Tsy tapitra teo ny fangorahan’i Jehovah. Matetika ny Isiraelita no nivadika, rehefa tafapetraka tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ka nizaka ny vokatr’izany. Tonga saina anefa izy ireo ka niantso an’i Jehovah indray. Novonjen’i Jehovah foana izy ireo rehefa nanao izany. Nahoana? Satria “namindra fo tamin’ny olony” izy.—2 Tantara 36:15; Mpitsara 2:11-16.

10 Diniho izay nitranga tamin’ny andron’i Jefta. Nanompo andriamani-diso ny Isiraelita, ka navelan’i Jehovah hampahorin’ny Amonita nandritra ny 18 taona. Nibebaka ihany izy ireo tamin’ny farany. Hoy ny Baiboly: “Nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an’i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran’ny Isiraely.” * (Mpitsara 10:6-16)  Tsy zakan’i Jehovah intsony ny nijery ny vahoakany nijaly, rehefa tena nibebaka izy ireo. Nampiasain’ilay Andriamanitra mangoraka àry i Jefta mba hanafaka ny Isiraelita tamin’ireo fahavalony.—Mpitsara 11:30-33.

11. Inona no ianarantsika momba ny fangorahana, avy amin’ny nitondran’i Jehovah ny Isiraelita?

11 Maro ny zavatra ianarantsika momba ny fangorahana, avy amin’ny nitondran’i Jehovah ny Isiraely. Ohatra: Tsy fahafantarana fotsiny ny fahorian’ny olona no atao hoe fangorahana. Tadidio ilay reny mangoraka ny zanany mitomany ka manao zavatra hikarakarana azy. Tsy manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny vahoakany koa i Jehovah. Mahatonga azy hanamaivana ny fahorian’izy ireo ny fangorahany. Hitantsika tamin’ny nitondran’i Jehovah ny Isiraelita koa fa tsy fahalemena ny fangorahana, fa izy io kosa no nahatonga azy hanao zavatra hentitra sy nampiseho hery ho an’ny vahoakany. Ny mpanompony amin’ny fitambarany ihany ve anefa no angorahan’i Jehovah?

Mangoraka ny isam-batan’olona i Jehovah

12. Hazavao hoe nahoana no nampiseho ny fangorahan’i Jehovah ny isam-batan’olona ny Lalàna.

12 Hita avy tamin’ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Isiraely fa mangoraka ny isam-batan’olona izy. Anisan’izany ny fiahiany ny mahantra. Fantatr’i Jehovah fa mety hisy zavatra tsy ampoizina hitranga ka hampahantra ny Isiraelita iray. Ahoana no tokony hitondrana ny mahantra? Hentitra ny didin’i Jehovah, nanao hoe: “Aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tànanao, amin’ny rahalahinao malahelo; Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra.” (Deoteronomia 15:7, 10) Nilaza koa i Jehovah fa  tsy tokony hijinja ny vokatra eny amin’ny sisin’ny sahany ny Isiraelita, na hitsimpona ny ambiny, fa natao ho an’ny mahantra ireny. (Levitikosy 23:22; Rota 2:2-7) Tsy voatery nangataka sakafo ireo Isiraelita nahantra, raha nanaraka ireny lalàna nahasoa ny mahantra ireny ilay firenena. Tsy ahitana ny fangorahan’i Jehovah ve izany?

13, 14. a) Nahoana ny tenin’i Davida no manome toky antsika fa tena miahy ny isam-batan’olona i Jehovah? b) Ahoana no azo anoharana ny hoe eo akaikin’ireo manana “fo mangorakoraka”, na “torotoro fanahy”, i Jehovah?

13 Miahy antsika isam-batan’olona koa ilay Andriamanitra be fitiavana. Azontsika antoka fa fantany tsara ny fahoriantsika. Hoy i Davida mpanao salamo: “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:15, 18) Nisy fanazavana toy izao nomena momba ireo olona voaresaka eo: “Torotoro fo sy fanahy izy ireo, izany hoe lasa nietry noho ny fahotana, mihevi-tena ho tsy misy vidiny; ambany ny fiheverany ny tenany ary tsy matoky izy fa mba sarobidy ihany.” Mety hihevitra ny olona toy izany fa lavitra loatra i Jehovah, ary kely loatra izy ireo ka tsy hokarakarain’i Jehovah. Tsy marina anefa izany. Manome toky antsika ny tenin’i Davida fa tsy mandao an’ireo ‘mihevi-tena ho ambany’ i Jehovah. Fantatr’ilay Andriamanitra mangoraka fa amin’ny fotoana toy izany indrindra no ilantsika azy, ary eo akaikintsika izy.

14 Indro misy ohatra. Nivonto be ny lohatraokan’ilay zaza roa taona tany Etazonia, ka nentin-dreniny haingana tany amin’ny hopitaly izy. Nilaza ireo dokotera nijery an’ilay zaza fa tsy maintsy nijanona tany amin’ny hopitaly izy ireo tamin’io alina io. Taiza ilay reny no nandany an’ilay alina? Nipetraka teo akaikin’ny fandrianan’ilay zanany izy! Narary ilay zanany kely, ka tsy maintsy teo  akaikiny teo izy. Azo antoka fa afaka manantena zavatra be noho izany avy amin’ilay Raintsika be fitiavana isika! Noforonina araka ny endriny tokoa isika. (Genesisy 1:26) Manohina ny fo ny Salamo 34:18, satria eo ‘akaikintsika’ i Jehovah Ray be fitiavana sy mangoraka ary vonona hanampy antsika, rehefa manana “fo mangorakoraka”, na “torotoro fanahy” isika.

15. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika isam-batan’olona?

15 Ahoana àry no anampian’i Jehovah antsika isam-batan’olona? Tsy voatery hanala ny antony mampahory antsika izy. Nanao zavatra betsaka ho an’ireo mitady fanampiana aminy anefa i Jehovah. Manome torohevitra mahasoa ny Teniny, dia ny Baiboly izany. Manome mpiandraikitra mahafeno fepetra ara-panahy koa i Jehovah, ka ireo no miezaka mafy mampiseho ny fangorahany, rehefa manampy ny mpiara-mivavaka aminy. (Jakoba 5:14, 15) “Mpihaino vavaka” i Jehovah, ka ‘manome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy.’ (Salamo 65:2; Lioka 11:13) Afaka manome antsika ‘hery lehibe’ io fanahy io, mba hiaretantsika mandra-panalan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny zava-manahirana rehetra. (2 Korintiana 4:7) Tsy mankasitraka izany rehetra izany ve isika? Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa porofon’ny fangorahan’i Jehovah ireny.

16. Inona no manasongadina indrindra ny fangorahan’i Jehovah, ary inona no akon’izy io eo amintsika tsirairay?

16 Mazava ho azy fa ny nanomezan’i Jehovah an’Ilay tiany indrindra ho avotra ho antsika no manasongadina indrindra ny fangorahany. Sorona feno fitiavana nataon’i Jehovah ny avotra, sady hahazoantsika famonjena. Tadidio fa mahakasika antsika tsirairay ny avotra. Tsy mahagaga raha efa nilaza i Zakaria, rain’i Jaona Mpanao Batisa fa manasongadina ny ‘famindram-pon’Andriamanitsika’ ny avotra.—Lioka 1:78.

 Rahoviana i Jehovah no tsy mangoraka intsony?

17-19. a) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa misy fetrany ny fangorahan’i Jehovah? b) Inona no nahatonga an’i Jehovah tsy hangoraka ny vahoakany intsony?

17 Tokony hoheverintsika ho tsy misy fetrany ve ny fangorahan’i Jehovah? Asehon’ny Baiboly mazava anefa fa tsy angorahan’i Jehovah intsony ireo minia mandika ny fitsipiny marina. (Hebreo 10:28) Tadidio ny firenen’ny Isiraely, mba hahitantsika ny anton’izany.

18 Imbetsaka i Jehovah no nanafaka azy ireo tamin’ny fahavalony, nefa tsy nangorahany intsony izy ireo tatỳ aoriana. Nanompo sampy io vahoaka mafy loha io, ka nampiditra sampy maharikoriko tao amin’ny tempolin’i Jehovah mihitsy! (Ezekiela 5:11; 8:17, 18) Izao koa no nitranga: “Ny olona nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.” (2 Tantara 36:16) Tafahoatra ny nataon’ny Isiraelita, ka tsy mendrika ny nangorahana intsony izy ireo, sady rariny raha nahatezitra an’i Jehovah. Inona no vokany?

19 Tsy nangoraka ny vahoakany intsony i Jehovah. Hoy izy: “Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.” (Jeremia 13:14) Rava àry i Jerosalema sy ny tempoliny ary nentina ho babo tany Babylona ny Isiraelita. Loza ny iafarany rehefa minia mikomy ny olona ka manjary tsy mangoraka intsony Andriamanitra!—Fitomaniana 2:21.

20, 21. a) Inona no hitranga rehefa tsy mangoraka intsony i Jehovah ankehitriny? b) Inona no fangorahan’i Jehovah horesahina ao amin’ny toko manaraka?

20 Ary ankehitriny? Tsy niova i Jehovah. Mangoraka izy ka maniraka ny Vavolombelony hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maneran-tany. (Matio 24:14) Ampian’i Jehovah  hahatakatra ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona tso-po manaiky azy io. (Asan’ny Apostoly 16:14) Tsy hitohy mandrakizay anefa io asa io. Tsy mangoraka indray i Jehovah raha mamela ity tontolo ratsy sy be fahantrana sy fahoriana ity hisy mandrakizay. Horavany kosa izy io, rehefa tapitra ny fotoana fangorahany. Mbola hangoraka, na hamindra fo ihany anefa izy amin’izay, izany hoe ‘hamindra fo amin’ny anarany masina’ sy amin’ny mpanompony be zotom-po. (Ezekiela 36:20-23) Hanala ny faharatsiana rehetra i Jehovah, ka hitondra ilay tontolo vaovao sy marina. Hoy i Jehovah momba ireo ratsy fanahy: “Tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.”—Ezekiela 9:10.

21 Mangoraka ny olona i Jehovah mandra-pahatongan’izany, eny fa na dia ireo horinganina aza. Afaka mahazo famelan-keloka ireo mpanota tena mibebaka, ary io no anisan’ny fangorahana lehibe indrindra asehon’i Jehovah. Horesahintsika ao amin’ny toko manaraka ny sarin-teny mahafinaritra ilazan’ny Baiboly ny hoe mamela heloka amin’ny fomba feno i Jehovah.

^ feh. 3 Ny fiantrana, na fangorahan’ny ray ny zanany kosa no resahin’ilay matoanteny hebreo ra·cham′, ao amin’ny Salamo 103:13.

^ feh. 10 Ilay hoe “tsy nahatsindry ny fanahiny intsony”, dia midika ara-bakiteny hoe “nanjary fohy ny fanahiny, ritra ny faharetany.” Hoy ny Fandikan-teny Katolika: “[Izy dia] tsy nahajery fotsiny intsony ny fahorian’Israely.”

Fanampim-panazavana

Tsy Miraharaha Antsika ve Andriamanitra?

Tsy hoe tsy miraharaha ny fijaliantsika akory Andriamanitra. Nahoana isika no milaza izany?