Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 21

Nampiseho ny ‘Fahendrena avy Amin’Andriamanitra’ i Jesosy

Nampiseho ny ‘Fahendrena avy Amin’Andriamanitra’ i Jesosy

1-3. Ahoana no nandraisan’ny mpiara-monina tamin’i Jesosy ny fampianarany, ary inona no tsy neken’izy ireo momba azy?

GAGA ireo mpihaino. Nitsangana teo anoloan’izy ireo sy nampianatra azy tao amin’ny synagoga, i Jesosy, lehilahy tanora. Fantatr’izy ireo tsara izy, satria ankizy nihalehibe teo an-tanànany, ary efa mpandrafitra teo amin’izy ireo nandritra ny taona maro. Mety ho i Jesosy mihitsy no nanao ny tranon’ny sasany tamin’izy ireo, na ny angadinomby sy zioga nampiasainy. * Ahoana anefa no fandraisan’izy ireo ny fampianaran’io mpandrafitra taloha io?

2 Gaga ny ankamaroan’ireo mpihaino, sady nanontany hoe: ‘Avy taiza no nahazoan’Ilehity izany fahendrena izany?’ Hoy koa anefa izy ireo: ‘Tsy ilay mpandrafitra, zanak’i Maria ve Ilehity?’ (Matio 13:54-58; Marka 6:1-3) Nampalahelo fa toy ny nilaza ireo mpiara-belona tamin’i Jesosy hoe ‘olona toa antsika ihany ity mpandrafitra ity.’ Nolavin’izy ireo izy, na dia feno fahendrena aza ny teniny. Tsy fantatr’izy ireo akory fa tsy avy aminy ny fahendreny.

3 Avy aiza tokoa ny fahendren’i Jesosy? Hoy izy: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 7:16) Nanazava ny apostoly Paoly fa ‘nataon’Andriamanitra fahendrena ho antsika’ i Jesosy. (1 Korintiana 1:30) Niharihary tamin’ny alalan’i Jesosy Zanany ny fahendren’i Jehovah. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany.” (Jaona 10:30) Andeha isika  handinika lafiny telo nanehoan’i Jesosy ny ‘fahendrena avy amin’Andriamanitra.’

Ny zavatra nampianariny

4. a) Inona no foto-kevitry ny fampianaran’i Jesosy, ary nahoana no tena zava-dehibe izany? b) Nahoana no nahasoa ny mpihaino azy foana ny torohevitr’i Jesosy?

4 Diniho aloha ny zavatra nampianarin’i Jesosy. Ny vaovao tsaran’ilay fanjakana no foto-keviny. (Lioka 4:43) Tena zava-dehibe izany satria hanana anjara amin’ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra izy io, ary hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny olona. Nanome torohevitra feno fahendrena momba ny fiainana andavanandro koa i Jesosy. Tena ‘Mpanolo-tsaina mahagaga’ tokoa izy. (Isaia 9:5) Nahoana tokoa no tsy hahagaga ny toroheviny? Lalina ny fahalalany ny Teny sy sitrapon’Andriamanitra, takany tsara ny toetran’olombelona, ary tena tiany izy ireo. Nahasoa ny mpihaino azy foana àry ny toroheviny. Nilaza “tenin’ny fiainana mandrakizay” i Jesosy. Hamonjy tokoa ny toroheviny, rehefa arahina.—Jaona 6:68.

5. Inona no anisan’ny hevitra nohazavain’i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra?

5 Ohatra miavaka amin’ny fahendrena tsy manam-paharoa tamin’ny fampianaran’i Jesosy ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Mety ho 20 minitra monja dia ho vita io toriteny voasoratra ao amin’ny Matio 5:3–7:27 io. Tsy tontan’ny ela anefa ny toroheviny, ka nahasoa tamin’izany ka hatramin’izao. Maro ny zavatra nambaran’i Jesosy, anisan’izany ny fanatsarana ny fifandraisana amin’olona (5:23-26, 38-42; 7:1-512), ny hananana fitondran-tena madio hatrany (5:27-32), ary ny hananana fiainana misy dikany (6:19-24; 7:24-27). Tsy hoe nilaza ny fihetsika feno fahendrena tokony harahina fotsiny anefa i Jesosy, fa nasehony tamin’ny fanazavana tsara sy porofo koa izany.

6-8. a) Nahoana isika no tsy tokony hanahy, araka ny torohevitr’i Jesosy? b) Inona no mampiseho fa porofon’ny fahendrena avy any ambony ny torohevitr’i Jesosy?

 6 Diniho, ohatra, ny torohevitra feno fahendrena nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio toko 6, mba hiatrehana ny fanahiana eo amin’ny fiainana. Hoy izy: “Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.” (And. 25) Zavatra fototra ilaina ny sakafo sy fitafiana, ary rariny raha manahy ny amin’izany isika. Nilaza anefa i Jesosy hoe “aza manahy.” * Nahoana?

7 Henoy ny fandresen-dahatr’i Jesosy. I Jehovah no nanome aina sy vatana antsika, ka tsy ho afaka hanome sakafo mahavelona sy fitafiana ve izy? (And. 25) Omen’Andriamanitra sakafo ny vorona, ary omeny fitafiana tsara tarehy ny voninkazo. Tsy hiahy kokoa ny olona mpivavaka aminy ve izy? (And. 26, 28-30) Tsy marim-pototra tokoa àry ilay fanahiana. Tsy afaka hanampy kely akory ny androm-piainantsika izany. * (And. 27) Ahoana no hahatonga antsika tsy hanahy? Hoy i Jesosy: Ataovy loha laharana eo amin’ny fiainana foana ny fivavahana amin’Andriamanitra. Afaka matoky isika amin’izay fa ‘hanampy’ an’ireo zavatra ireo ho antsika ilay Raintsika any an-danitra. (And. 33) Nanome ny torohevitra mahasoa indrindra i Jesosy, dia ny hoe ny andro tsirairay ihany atrehina. Nahoana no ampiana ny fanahiana rahampitso ny fanahiana androany? (And. 34) Nahoana koa no hanahy ny amin-javatra mety tsy hitranga mihitsy? Tsy harary fo amin’ny zava-manahirana ankehitriny isika raha mampihatra izany.

 8 Nahasoa tamin’izany sy hatramin’izao 2 000 taona atỳ aoriana izao tokoa ny torohevitr’i Jesosy. Tsy porofon’ny fahendrena avy any ambony ve izany? Lany andro sy averina dinihina ary soloana foana ny torohevitra tsara indrindra avy amin’olombelona. Tsy tontan’ny ela anefa ny fampianaran’i Jesosy. Tsy tokony hahagaga antsika izany, satria ‘milaza ny tenin’Andriamanitra’ io Mpanolo-tsaina Mahagaga io.—Jaona 3:34.

Fomba fampianarany

9. Inona no nolazain’ireo miaramila momba ny fampianaran’i Jesosy, ary nahoana no tsy fanitaran-dresaka izany?

9 Lafiny faharoa nanehoan’i Jesosy ny fahendren’Andriamanitra ny fomba fampianarany. Nisy miaramila nirahina hisambotra azy, indray mandeha. Niverim-potsiny anefa izy ireo, sady niteny hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” (Jaona 7:45, 46) Tsy nanita-dresaka mihitsy izy ireo. I Jesosy, ilay “avy any ambony”, no nanam-pahalalana sy traikefa be indrindra noho ny olona rehetra hatramin’izay. (Jaona 8:23) Tsy nisy olona nahay nampianatra toa azy mihitsy. Hodinihintsika ny roa amin’ireo fomba fampianatr’io Mpampianatra hendry io.

“Talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany”

10, 11. a) Nahoana no tsy maintsy mahagaga antsika ny fampiasan’i Jesosy fanoharana? b) Inona no mampiseho fa misy vokany tsara ny fampianaran’i Jesosy, rehefa manao tantara kely izy?

10 Fahaiza-mampiasa fanoharana. Lazaina fa “fanoharana no nilazan’i Jesosy” zavatra tamin’ny vahoaka, ary “tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin’ny fanoharana.” (Matio 13:34) Tsy maintsy mahagaga antsika ny fahaizany nampianatra fahamarinana lalina tamin’ny alalan’ny zavatra fahita isan’andro. Efa imbetsaka ny mpihaino azy no nahita mpamboly namafy voa, vehivavy nikarakara mofo handrahoina, ankizy nilalao teny an-tsena, mpanarato nitarika ny haratony, ary mpiandry ondry nitady ondry very. Milentika haingana kokoa sy lalina kokoa ao an-tsaina sy  ao am-po ny fahamarinana lehibe, rehefa ampifandraisina amin-javatra fahita.—Matio 11:16-19; 13:3-8, 33, 47-50; 18:12-14.

11 Matetika koa i Jesosy no nanao tantara kely nandraisana fianarana. Noho ireny tantara kely misy fanazavana tsotra ireny, dia mora azo sy mora tadidy ny fampianaran’i Jesosy. Misy teny mazava iresahan’i Jesosy momba ny Rainy ao amin’izy ireny, ka tadidy foana. Iza, ohatra, no tsy hahatakatra ny tiana holazaina amin’ny tantaran’ilay zanaka adala? Takatra fa hangoraka sy handray indray ny olona nania i Jehovah, raha tena mibebaka izy io.—Lioka 15:11-32.

12. a) Ahoana no nametrahan’i Jesosy fanontaniana rehefa nampianatra? b) Ahoana no nampanginan’i Jesosy an’ireo nisalasala momba ny fahefany?

12 Fahaiza-mametraka fanontaniana. Nametraka fanontaniana i Jesosy mba hahatonga ny mpihaino azy hanatsoaka hevitra, handinika ny antony anaovany zavatra, na hanapa-kevitra. (Matio 12:24-30; 17:24-27; 22:41-46) Tsy nino ireo mpitondra fivavahana fa nahazo fahefana avy tamin’Andriamanitra i Jesosy. Hoy àry Izy tamin’izy ireo: “Ny batisan’i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ny olona?” Sahiran-tsaina tamin’ilay fanontaniana izy ireo, ka niresaka hoe: “Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy hianareo? Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona,—natahotra ny olona izy, satria neken’ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.” Farany dia namaly izy ireo hoe: “Tsy fantatray.” (Marka 11:27-33; Matio 21:23-27) Tsotra ilay fanontanian’i Jesosy, nefa tsy hitan’izy ireo izay navaly azy, ary niharihary ny zava-dratsy tao am-pon’izy ireo.

13-15. Nahoana no mampiseho ny fahendren’i Jesosy ilay tantara kely momba ilay Samaritanina tia namana?

13 Sady nametraka fanontaniana mampisaintsaina i Jesosy indraindray no nanao fanoharana. Nanontany azy ny Jiosy iray mpahay lalàna hoe inona no takina mba hiainana  mandrakizay. Noresahin’i Jesosy taminy ny Lalàn’i Mosesy, izay nandidy hoe tokony hotiavina Andriamanitra sy ny namana. Te hanamarin-tena ilay lehilahy, ka nanontany hoe: ‘Iza àry no namako?’ Tantara kely no namalian’i Jesosy an’ilay fanontaniana. Nisy lehilahy jiosy nandeha irery ka notafihin’ny jiolahy, ary saika maty. Nisy jiosy roa lahy nandalo teo aminy, ka mpisorona ny iray, ary Levita ilay faharoa. Nojeren’izy ireo fotsiny anefa izy. Nisy Samaritanina nandalo kosa, ka niantra azy sy nitsabo ny feriny, ary nitondra azy tany amin’ny tranom-bahiny mba hialany sasatra. Namarana ilay tantara tamin’ny fanontaniana toy izao i Jesosy: “Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?” Tsy maintsy namaly ilay lehilahy hoe: “Ilay niantra azy.”—Lioka 10:25-37.

14 Nahoana no nampiseho ny fahendren’i Jesosy io tantara kely io? Ireo nanaraka ny fomban’izy ireo ihany no nantsoin’ny Jiosy tamin’izany hoe “namana”, fa tsy ny Samaritanina mihitsy. (Jaona 4:9) Ho afaka ve ilay fitsarana an-tendrony raha Samaritanina no nolazain’i Jesosy hoe nisy nanafika ary Jiosy ilay namonjy? Hendry anefa i Jesosy ka nolazainy fa Samaritanina no nikarakara tsara an’ilay Jiosy. Mariho koa ilay fanontaniana napetrak’i Jesosy tamin’ny farany. Nanjary ilay “namana” indray no nifantohan’ny resany. Nanontany tokoa ilay mpahay lalàna hoe: ‘Iza no tokony ho namana hotiaviko?’ Nanontany anefa i Jesosy hoe: “Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?” Tsy ilay nanehoana hatsaram-panahy no nifantohan’i Jesosy, fa ilay naneho hatsaram-panahy, dia ilay Samaritanina naneho ny tena fitiava-namana, na inona na inona firazanan’ilay olona. Hain’i Jesosy tsara ny nanazava ilay hevitra.

15 Mahagaga ve raha talanjona “noho ny fampianarany” ny olona, ka te hihaino azy foana? (Matio 7:28, 29) Efa nisy aza ‘vahoaka betsaka’ niaraka taminy nandritra ny telo andro, nefa tsy nisakafo!—Marka 8:1, 2.

 Fomba fiainany

16. Ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa nisy fahendren’Andriamanitra tao aminy?

16 Ny fomba fiainany no lafiny fahatelo nanehoan’i Jesosy ny fahendren’i Jehovah. Mahasoa sy ahitam-bokatra ny fahendrena. “Iza eo aminareo no hendry?”, hoy i Jakoba mpianatra. Izy ihany no namaly hoe: ‘Aoka hasehony amin’ny fitondran-tena tsara’ izany. (Jakoba 3:13) ‘Nampiseho’, na nanaporofo ny fahendren’Andriamanitra tao aminy ny fomba fiainan’i Jesosy. Andeha hojerentsika ny fomba nanehoany fahaiza-mandinika tsara teo amin’ny fiainany sy ny fitondrany ny olona.

17. Inona avy no mampiseho fa nahay nandanjalanja tanteraka i Jesosy teo amin’ny fiainany?

17 Voamarikao ve fa manao zavatra tafahoatra matetika ny olona tsy mandinika tsara? Mitaky fahendrena kosa ny fahaiza-mandanjalanja. Nahay nandanjalanja tanteraka i Jesosy satria nanana ny fahendren’Andriamanitra. Ambonin’ny zava-drehetra, dia ny zavatra ara-panahy no voalohany teo amin’ny fiainany. Nazoto nanambara ny vaovao tsara foana izy. “Izany no nahatongavako”, hoy izy. (Marka 1:38) Mazava ho azy fa tsy ny zavatra nilain’ny vatany no zava-dehibe taminy. Toa nahantra ihany izy. (Matio 8:20) Tsy nampijaly tena anefa izy, fa falifaly toa an’ilay “Andriamanitra finaritra” Rainy, ary nampifaly ny olona koa. (1 Timoty 1:11; 6:15) Ohatra: nanatrika fanasana fampakaram-bady izy, ary tsy nanao izay hahatonga azy io ho fisehoan-javatra mampalahelo. Matetika no nisy mozika sy hira ary fifaliana tamin’izy ireny. Tsy ampy intsony ny divay tao, ka novany ho divay ny rano. Zava-pisotro “mampifaly ny olona” ny divay. (Salamo 104:15; Jaona 2:1-11) Nandeha tamin’ny fanasana hisakafo i Jesosy matetika, ary nanararaotra izany mba hampianarana.—Lioka 10:38-42; 14:1-6.

18. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa nandinika tsara ny mpianany izy?

 18 Nasehon’i Jesosy teo amin’ny fifandraisany tamin’ny olona fa nandinika tsara izy. Takany tsara ny toetran’ny mpianany satria fantany ny toetran’olombelona. Fantany fa tsy lavorary izy ireo. Hitany koa anefa ny toetra tsaran’izy ireo. Hitany ny zavatra mety ho vitan’ireo mpianany notaomin’i Jehovah ireo. (Jaona 6:44) Nasehon’i Jesosy fa natoky azy ireo izy, na dia fantany aza ny kileman’izy ireo. Nanankinany andraikitra lehibe tokoa izy ireo satria natokisany. Nirahiny hitory ny vaovao tsara izy ireo, ary natoky ny fahaizan’izy ireo hamita izany iraka izany izy. (Matio 28:19, 20) Porofoin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa nanatontosa io asa io tokoa ny mpianany. (Asan’ny Apostoly 2:41, 42; 4:33; 5:27-32) Hendry àry i Jesosy, rehefa natoky azy ireo.

19. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy?

19 Hitantsika tao amin’ny Toko 20 fa ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fanetren-tena sy fahalemem-panahy ny fahendrena. Mazava ho azy fa i Jehovah no ohatra tsara indrindra amin’izany. Ary i Jesosy? Mahafinaritra ny mahita ny fanetren-tenan’i Jesosy tamin’ny fifandraisany tamin’ny mpianany. Lavorary izy ary ambony noho izy ireo. Tsy nanambany ny mpianany anefa izy, ary tsy nanao izay  hahatsapan’izy ireo ho ambany sy tsy mahay. Nihevitra ny fetran’izy ireo kosa izy ary niaritra ny fahalemen’izy ireo. (Marka 14:34-38; Jaona 16:12) Tsy zava-dehibe ve ny hoe nahazo aina hatramin’ny ankizy, rehefa niaraka tamin’i Jesosy? Nanatona azy tokoa izy ireo, satria tsapan’izy ireo fa “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy.—Matio 11:29; Marka 10:13-16.

20. Ahoana no nandeferan’i Jesosy tamin’ilay vehivavy jentilisa nanan-janaka nampijalin’ny demonia?

20 Naneho fanetren-tena tamin’ny fomba lehibe hafa koa i Jesosy. Nandefitra, na tsy hentitra loatra izy, rehefa tokony hamindra fo. Niangavy azy hanasitrana ny zanany nampijalin’ny demonia, ohatra, ny vehivavy jentilisa iray. Nasehon’i Jesosy tamin’ny fomba telo samy hafa aloha fa tsy hanasitrana an’ilay ankizy izy: Voalohany, tsy namaly an’ilay vehivavy izy; faharoa, nilaza nivantana izy fa ho any amin’ny Jiosy no nanirahana azy fa tsy ho any amin’ny Jentilisa; ary fahatelo, nanao fanoharana izy mba hanamafisana tamin-katsaram-panahy an’io hevitra io. Nanam-pinoana lehibe anefa ilay vehivavy, ka nisisika ihany. Inona no nataon’i Jesosy tamin’io toe-javatra naningana io? Nanao ny zavatra nolazainy fa tsy hataony mihitsy izy, izany hoe nositraniny ny zanak’ilay vehivavy. (Matio 15:21-28) Tsy fanetren-tena lehibe ve izany? Tadidio fa fototry ny tena fahendrena ny fanetren-tena.

21. Nahoana isika no tokony hiezaka mafy hanahaka ny toetra sy fiteny ary fomba fiainan’i Jesosy?

21 Ankasitrahantsika tokoa ny fanehoan’ireo Filazantsara amintsika ny teny sy fihetsik’ilay lehilahy hendry indrindra! Hotadidintsika fa nanahaka tanteraka ny Rainy i Jesosy. Mampiseho ny fahendrena avy any ambony isika rehefa manahaka ny toetra sy fiteny ary fomba fiainan’i Jesosy. Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka ny fomba hanehoantsika ny fahendren’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.

^ feh. 1 Nanao trano ny mpandrafitra tamin’ny andron’ny Baiboly, sady nanao fanaka sy fitaovam-pambolena. Izao no nosoratan’i Justin Maritiora, tamin’ny taonjato faharoa, momba an’i Jesosy: “Efa mpandrafitra foana izy, ka nanao angadinomby sy zioga.”

^ feh. 6 Midika hoe “manana saina miriorio” ilay teny grika nadika hoe “manahy.” Araka ny Matio 6:25, dia manondro tahotra mampiriorio na mampizarazara ny saina izy io, ka mahavery ny fifaliana.

^ feh. 7 Milaza ny manam-pahaizana fa mety hankarary ny fo sy ny taova mifandray aminy ny fanahiana be sy ny faneren’ny fiainana, ary hiteraka aretina hafa manafohy ny andro iainana.

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Inona no Nataon’i Jesosy?

Nahoana no zava-dehibe tamin’i Jesosy ny nanao ny sitrapon’Andriamanitra, ary ahoana no nanaovany an’izany?