Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 20

“Hendry Am-po”, Nefa Manetry Tena

“Hendry Am-po”, Nefa Manetry Tena

1-3. Nahoana no azontsika antoka fa manetry tena i Jehovah?

TE HAMPIANATRA zava-dehibe an’ilay zanany kely ilay ray, ary te hanohina ny fony. Ahoana no hanaovany izany? Hitsangana hampitahotra an’ilay zanany ve izy, ary hasiaka aminy? Sa hidina mba hitovy halava amin-janany ka hiteny amin-katsaram-panahy? Azo antoka fa hiteny amin-katsaram-panahy izy raha hendry sy manetry tena.

2 Ray manao ahoana i Jehovah? Miavona sa manetry tena? Masiaka sa tsara fanahy? Mahalala zavatra betsaka sy tena hendry i Jehovah. Voamarikao ve anefa fa tsy mahatonga ny olona hanetry tena raha ny fahalalana sy hakingan-tsaina fotsiny? “Ny fahalalana mampieboebo”, hoy ny Baiboly. (1 Korintiana 3:19; 8:1) Manetry tena koa anefa i Jehovah, ilay “hendry am-po.” (Joba 9:4) Tsy midika akory izany fa ambany na tsy misy vidiny izy, fa tsy miavonavona kosa izy. Nahoana?

3 Masina i Jehovah. Toetra maloto ny avonavona, ka tsy mba miavonavona izy. (Marka 7:20-22) Izao koa no nolazain’i Jeremia mpaminany, momba an’i Jehovah: “Hahatsiaro mihitsy ianao, ka hiondrika hijery ahy.” * (Fitomaniana 3:20, NW) Eritrereto ange! “Niondrika” i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampon’izao rehetra izao, mba hanisy fiheverana an’i Jeremia, olona tsy lavorary. (Salamo 113:7) Manetry tena tokoa i Jehovah. Inona anefa no tafiditra amin’io toetrany io? Inona no  ifandraisan’izy io amin’ny fahendrena? Nahoana izy io no zava-dehibe ho antsika?

Fomba isehoan’ny fanetren-tenan’i Jehovah

4, 5. a) Inona no atao hoe fanetren-tena, ahoana no isehoan’izy io, ary nahoana izy io no tsy tokony hoheverina mihitsy ho fahalemena na fahamenarana? b) Ahoana no nanehoan’i Jehovah fanetren-tena rehefa nifandray tamin’i Davida izy? Nahoana no zava-dehibe amintsika ny fanetren-tenan’i Jehovah?

4 Ny atao hoe fanetren-tena dia tsy fisian’ny avonavona sy hambom-po, tsy manambony tena. Toetran’ny fo ny fanetren-tena, ka hita amin’ny toetra toy ny fahalemem-panahy, faharetana ary fandeferana. (Galatiana 5:22, 23) Tsy tokony hoheverina ho fahalemena na fahamenarana mihitsy anefa ireo toetra tian’Andriamanitra ireo. Miaraka tsara amin’ny fahatezerana ara-drariny asehon’Andriamanitra sy ny fampiasany ny heriny mba handringanana izy ireo. Ny fanetren-tena sy ny fahalemem-panahiny mihitsy aza no manampy an’i Jehovah hampiseho ny heriny lehibe sy ny fahaizany mifehy tena tanteraka. (Isaia 42:14) Inona no ifandraisan’ny  fanetren-tena sy ny fahendrena? Hoy ny boky iray manazava ny Baiboly: “Voalaza rehefa ela ny ela fa ny fanetren-tena ... dia tsy fisian’ny fitiavan-tena sady tena fototry ny fahendrena rehetra.” Tsy maintsy miaraka amin’ny fanetren-tena foana àry ny tena fahendrena. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fanetren-tenan’i Jehovah?

Manetry tena sy malemy fanahy ny ray hendry, rehefa mifandray amin’ny zanany

5 Nihira toy izao tamin’i Jehovah i Davida Mpanjaka: “Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao; ny tànanao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.” (Salamo 18:35) Niondrika mihitsy i Jehovah mba hifandraisana tamin’io olona tsy lavorary io, sy hiarovana ary hanohanana azy isan’andro. Takatr’i Davida fa noho ny fahavononan’i Jehovah hanetry tena toy izany ihany no hahavoavonjy azy, ary mety hahatonga azy ho mpanjaka miavaka. Iza amintsika tokoa no hanantena ho voavonjy raha tsy nanetry tena i Jehovah, ka niondrika mba hifandray amintsika toy ny Ray tsara fanahy sy be fitiavana?

6, 7. a) Inona no dikan’ny fanetren-tenan’i Jehovah? b) Inona no ifandraisan’ny fahalemem-panahy sy ny fahendrena, ary iza no ohatra tsara indrindra amin’izany?

6 Toetra tsara tokony hananan’ny olona tsy mivadika ny fanetren-tena. Mifandray amin’ny fahendrena izy io. Milaza toy izao, ohatra, ny Ohabolana 11:2: “Ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.” Tsy mitovy amin’ny fanetren-tena asehon’ny olona mihitsy anefa no iresahan’ny Baiboly momba ny fanetren-tenan’i Jehovah. Nahoana? Raha olona no manetry tena dia midika izany fa mahalala ny fetran’ny tenany izy. Tsy misy zavatra mametra an’i Jehovah mihitsy anefa, ankoatra ireo zavatra napetrany noho ny fitsipiny marina. (Marka 10:27; Titosy 1:2) Tsy misy olona ambony noho izy koa, satria izy no Avo Indrindra. Tsy mitovy amin’ny an’ny olona mihitsy ny fanetren-tenan’i Jehovah.

7 Ny fanetren-tenan’i Jehovah kosa dia midika hoe vonona hifandray amin’ny olona ambany izy. Malemy fanahy koa izy, ary mampianatra ny mpanompony fa tena ilaina mba  hananana tena fahendrena ny fahalemem-panahy. Miresaka momba ny “fahalemem-panahin’ny fahendrena” ny Teniny. * (Jakoba 3:13) I Jehovah no ohatra tsara indrindra amin’izany. Andeha hofakafakaintsika ny momba izany.

Manetry tena i Jehovah ka mizara andraikitra sy mihaino

8-10. a) Nahoana no mendri-komarihina ny hoe vonona hizara andraikitra sy hihaino i Jehovah? b) Ahoana no nanehoan’i Jehovah fanetren-tena teo am-pifandraisana tamin’ireo anjeliny?

8 Manaporofo tsara ny fanetren-tenan’i Jehovah ny fahavononany hizara andraikitra sy hihaino. Efa mahagaga sahady izany, satria tsy mila fanampiana na torohevitra izy. (Isaia 40:13, 14; Romana 11:34, 35) Milaza foana anefa ny Baiboly fa manetry tena toy izany i Jehovah.

9 Diniho ny zava-nitranga tamin’ny fiainan’i Abrahama. Nisy olona telo nitsidika azy, ka “Jehovah” no niantsoany ny iray tamin’ireo. Anjely ireo mpitsidika ireo, raha ny marina, nefa solontenan’i Jehovah ny iray taminy, ka nanao zavatra tamin’ny anarany. Toy ny hoe i Jehovah mihitsy no niteny sy nanao zavatra, rehefa niteny sy nanao zavatra io anjely io. Tamin’izany no nitenenan’i Jehovah tamin’i Abrahama fa reny ny “fitarainan’i Sodoma sy Gomora.” Hoy i Jehovah: “Hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.” (Genesisy 18:3, 20, 21) Mazava ho azy fa tsy midika izany hoe ‘nidina’ ara-bakiteny tetỳ an-tany i Jehovah Tsitoha. Nandefa anjely kosa izy mba hisolo tena azy. (Genesisy 19:1) Nahoana? Mahita ny zava-drehetra i Jehovah, ka tsy ho vitany tamin’izao ve ny ‘hamantatra’ ny tena zava-nitranga? Tena vitany tokoa, saingy nanetry tena izy, ka nasainy nanadihady momba ilay raharaha  ireo anjely ireo, ary nitsidika ny fianakavian’i Lota tany Sodoma.

10 Mihaino koa i Jehovah. Nanontany ny anjeliny izy, indray mandeha, mba hahitana fomba samihafa handringanana an’i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy. Tsy nila fanampiana toy izany i Jehovah. Nekeny anefa ny soso-kevitry ny anjely iray, ary nirahiny io anjely io mba hanatanteraka izany. (1 Mpanjaka 22:19-22) Tsy fanetren-tena ve izany?

11, 12. Ahoana no nanjary nahafantaran’i Abrahama ny fanetren-tenan’i Jehovah?

11 Vonona mihitsy i Jehovah mba hihaino ny olona tsy lavorary te hilaza ny heviny. Sahiran-tsaina, ohatra, i Abrahama, rehefa nandre fa horavan’i Jehovah i Sodoma sy Gomora. Hoy izy: “Sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” Nanontany izy raha tsy handrava an’ireo tanàna ireo i Jehovah, raha nisy olo-marina 50 tao. Nanome toky azy i Jehovah fa tsy hanao izany izy. Mbola nanontany indray anefa i Abrahama, ka nahenany ho 45 ilay isa, avy eo 40, ary nahenany hatrany. Nanome toky azy foana i Jehovah, nefa mbola nahenany hatramin’ny folo ilay isa. Mbola tsy takany tsara angamba fa tena be famindram-po i Jehovah. Naharitra sy nanetry tena anefa i Jehovah, ka navelany hilaza ny heviny foana i Abrahama sakaizany sy mpanompony.—Genesisy 18:23-33.

12 Firy ny olona manam-pahaizana vonona hihaino amim-paharetana ny olona tsy nahita fianarana? * Tsy toy izany anefa Andriamanitra, fa manetry tena. Hitan’i Abrahama nandritra ilay resaka koa fa “mahari-po”, na tsy mora tezitra, i Jehovah. (Eksodosy 34:6) Takatr’i Abrahama angamba fa tsy nanan-jo hanakiana ny zavatra ataon’ilay Avo Indrindra izy, ka niangavy indroa toy izao izy: “Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao Tompo, ô.” (Genesisy 18:30, 32) Mazava ho azy fa  tsy tezitra i Jehovah. Tena manana ilay “fahalemem-panahin’ny fahendrena” tokoa izy.

Mandefitra i Jehovah

13. Inona no dikan’ny hoe “mandefitra” ao amin’ny Baiboly, ary nahoana izany no mety tsara ilazana an’i Jehovah?

13 Hita amin’ny toetra tsara iray hafa koa ny fanetren-tenan’i Jehovah, dia ny fandeferany. Mampalahelo fa vitsy ny olona mandefitra. Tsy vitan’ny hoe vonona hihaino ny zavaboariny manan-tsaina anefa i Jehovah, fa vonona ny handefitra koa rehefa tsy manohitra ny fitsipiny marina izany. Midika hoe “tsy hentitra loatra” koa ilay hoe “mandefitra” ao amin’ny Baiboly. Anisan’ny mampiavaka ny fahendren’Andriamanitra koa àry izany. Hoy ny Jakoba 3:17: “Ny fahendrena izay avy any ambony dia ... mandefitra.” Inona no dikan’ny hoe mandefitra i Jehovah, ilay tena hendry? Satria mahay mifanaraka amin’ny toe-javatra izy. Tadidio fa midika ilay anarany hoe afaka ny ho tonga izay rehetra ilaina izy mba hanatanterahany ny fikasany. (Eksodosy 3:14) Tsy midika ve izany fa mahay mifanaraka amin’ny toe-javatra sy mandefitra izy?

14, 15. Inona no ampianarin’ny fahitan’i Ezekiela momba ilay kalesy antsika, mahakasika ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra? Inona no maha samy hafa azy io amin’ny fandaminan’olombelona?

14 Misy zavatra lazain’ny Baiboly manampy antsika hanomboka hahatakatra ny fahaizan’i Jehovah mifanaraka amin’ny toe-javatra. Nomena fahitana momba ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, misy ny anjeliny, i Ezekiela. Nahita kalesy tena lehibe izy. Toy ny “fiaran’i” Jehovah voafehiny tsara izy io. Mahaliana indrindra ny fomba fihetsehan’izy io. Misy lafiny efatra ireo kodiarany lehibe feno maso, ka hitany foana izay lalana tiany haleha tampoka. Tsy mila mijanona na mihodina akory izy rehefa miova lalana. Tsy mavesatra be toy ny fiara namboarin’olona koa io kalesy tena goavana io. Toy ny hafainganam-pandehan’ny tselatra ny hafainganam-pandehany, ary afaka mihodina amin’ny zorony mahitsy aza  izy! (Ezekiela 1:1, 14-28) Afaka mifanaraka amin’ny toe-javatra tokoa ny fandaminan’i Jehovah, sy ilay Mpanjaka tsitoha mifehy azy io. Afaka manao zavatra araka ny tarehin-javatra sy zavatra ilaina miovaova tampoka izy io.

15 Miezaka hanahaka izany koa ny olona. Matetika anefa izy sy ny fandaminany no hentitra be sy tsy mandefitra mihitsy. Ohatra: Tena lehibe sy matanjaka ny sambo be mpitatitra solika sy ny fiarandalamby mpitondra entana. Afaka mifanaraka amin’ny toe-javatra miova tampoka ve anefa ireo? Tsy afaka mivily mihitsy ilay fiarandalamby raha sendra misy zavatra mianjera manakana ny lalany. Tsy afaka mijanona tampoka koa izy. Na andramana ajanona aza izy, dia afaka iray kilaometatra mahery vao mety ho tafajanona! Toy izany koa ilay sambo. Any amin’ny valo kilaometatra izy vao ho tafajanona na dia vonoina aza ny maoterany. Ary na dia alefa mihemotra aza ireo maoterany, dia mbola ho afaka telo kilaometatra izy vao ho tafajanona! Hentitra loatra sy tsy mandefitra mihitsy toy izany ny fandaminan’olombelona. Miavonavona ny olona ka tsy manaiky hifanaraka amin’ny tarehin-javatra vaovao. Izany no naha bankirompitra ny orinasa lehibe sasany sy nampirodana fitondrana mihitsy. (Ohabolana 16:18) Sambatra tokoa anefa isika, satria tsy mba toy izany na i Jehovah na ny fandaminany!

Fomba anehoan’i Jehovah fandeferana

16. Ahoana no nandeferan’i Jehovah rehefa niresaka tamin’i Lota izy, talohan’ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora?

16 Diniho indray ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora. Nahazo toromarika mazava avy amin’ilay anjely toy izao i Lota sy ny fianakaviany: “Mandosira any an-tendrombohitra.” Tsy vonona hanao izany anefa i Lota. Niangavy izy hoe: “Aza an’izany, Tompo ô!” Nangataka izy mba handosiran’izy mianakavy tany Zoara, tanàna teo akaiky teo, satria ninoany fa ho faty izy ireo raha handositra any an-tendrombohitra. Saika horavan’i Jehovah koa anefa io tanàna io, sady tsy  marim-pototra ny tahotr’i Lota. Azo antoka fa afaka niaro ny ain’i Lota i Jehovah, raha nandeha tany an-tendrombohitra izy! Nanaiky ny fiangavian’i Lota anefa i Jehovah, ka tsy nandrava an’i Zoara. Hoy ilay anjely tamin’i Lota: “Indro, efa nekeko koa hianao tamin’izany zavatra izany.” (Genesisy 19:17-22) Tena mandefitra tokoa i Jehovah!

17, 18. Ahoana no nandeferan’i Jehovah tamin’ny mponin’i Ninive?

17 Manaiky ny fibebahana avy amin’ny fo koa i Jehovah, ka mamindra fo sy manao ny rariny foana. Diniho izay nitranga rehefa nirahiny ho any Ninive, tanàna ratsy fanahy sy mahery setra i Jona mpaminany. Tsotra ny hafatra nambarany nanerana ilay tanàna: Horavana rehefa afaka 40 andro ilay tanàna mahery. Niova tampoka anefa ireo mponina tao. Nibebaka izy ireo!—Jona toko 3.

18 Misy zavatra azo ianarana avy amin’ny fihetsik’i Jehovah sy ny fihetsik’i Jona tamin’io fiovana tampoka io. Nifanaraka tamin’ny toe-javatra i Jehovah teo, ka tonga Mpamela heloka, fa tsy “mpiady mahery.” * (Eksodosy 15:3) Hentitra be sy tsy namindra fo kosa i Jona. Tsy nandefitra toa an’i Jehovah izy, fa nanjary toy ilay fiarandalamby sy ilay sambo voalaza tetsy ambony. Fandringanana no nambarany, ka tsy nanaiky izy raha tsy nitranga izany! Naharitra taminy anefa i Jehovah, ka nampianatra azy zavatra lehibe momba ny fandeferana sy famindram-po.—Jona toko 4.

Mandefitra i Jehovah, ary mahatakatra ny fetrantsika

19. a) Nahoana no azontsika antoka fa tsy hentitra loatra i Jehovah amin’ny zavatra antenainy amintsika? b) Ahoana no ampisehoan’ny Ohabolana 19:17 fa Tompo “tsara sy malemy fanahy” i Jehovah, ary tena manetry tena?

19 Tsy hentitra loatra koa i Jehovah amin’ny zavatra antenainy amintsika. Hoy i Davida Mpanjaka: “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:14) I Jehovah aza no mahafantatra kokoa noho isika ny fetrantsika sy  ny tsy fahalavorariantsika. Tsy mitaky zavatra mihoatra noho izay vitantsika izy. Ampifanoherin’ny Baiboly ny tompo olombelona “tsara sy malemy fanahy” na mandefitra, sy ireo “saro-po” na sarotra ampifalina. (1 Petera 2:18) Tompo manao ahoana i Jehovah? Hoy ny Ohabolana 19:17: “Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah.” Ny Tompo tsara sy mandefitra ihany no hahamarika izay hatsaram-panahy rehetra aseho amin’ireo ambany. Asehon’io andininy io koa fa mihevitra ny tenany ho ananan’ny olona mamindra fo toy izany trosa ilay Mpamorona an’izao rehetra izao! Fanetren-tena tokoa izany.

20. Nahoana isika no matoky fa mihaino sy mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah?

20 Mbola tsara fanahy sy mandefitra amin’ny mpanompony ankehitriny koa i Jehovah. Mihaino antsika izy rehefa mivavaka amim-pinoana isika. Ary tsy tokony hoheverintsika ho tsy mamaly vavaka izy, na dia tsy mandefa anjely hiresaka amintsika aza. Tadidio fa nasain’i Paoly nivavaka tsy tapaka ho azy ny mpiray finoana taminy, mba hivoahany tany am-ponja. Hoy koa izy hoe: “Mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo [aho].” (Hebreo 13:18, 19) Mety hahatonga an’i Jehovah hanao zavatra tsy noeritreretiny mihitsy àry ny vavaka ataontsika!—Jakoba 5:16.

21. Inona no tsy tokony hoeritreretintsika mihitsy noho ny fanetren-tenan’i Jehovah? Inona kosa no tokony hankasitrahantsika aminy?

 21 Malemy fanahy, vonona hihaino, maharitra, ary mandefitra i Jehovah, ary fisehoan’ny fanetren-tenany daholo izany. Tsy midika anefa ireo fa hampandefitra ny fitsipiny marina izy. Mety hieritreritra ireo mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana fa mandefitra izy ireo rehefa miteny zavatra mahafinaritra ny ondriny, nefa manao tsinontsinona ny fitsipi-pitondran-tena napetrak’i Jehovah. (2 Timoty 4:3) Tsy misy ifandraisany amin’ny fandeferan’i Jehovah mihitsy anefa ny fandeferan’ny olona mba hampifaliana ny namany. Masina i Jehovah, ka tsy handoto ny fitsipiny marina mihitsy. (Levitikosy 11:44) Hotiavintsika àry ny fandeferan’i Jehovah satria tena porofon’ny fanetren-tenany. Tsy mahatonga anao hatahotra an’i Jehovah ve ny hoe izy no hendry indrindra eo amin’izao rehetra izao, nefa manetry tena indrindra koa? Fahafinaretana tokoa ny manatona an’io Andriamanitra mahatahotra nefa malemy fanahy sy maharitra ary mandefitra io!

^ feh. 3 Novan’ireo mpanoratra fahiny, antsoina hoe Soferima, io andinin-teny io, ka nolazain’izy ireo fa i Jeremia fa tsy i Jehovah no miondrika. Noheverin’izy ireo fa tsy mety ny milaza hoe manetry tena toy izany Andriamanitra. Fandikan-teny maro àry no tsy nahadika tsara ny hevitr’io andininy mahafinaritra io. Marina kosa ny nandikan’ny Baiboly Anglisy Vaovao ny tenin’i Jeremia hoe: “Tsarovy, eny tsarovy aho, ary miondreha hijery ahy.”

^ feh. 7 Misy fandikan-teny milaza hoe “fanetren-tena avy amin’ny fahendrena”, sy “fahalemem-panahy izay tena mampiavaka ny fahendrena.”

^ feh. 12 Ampifanoherin’ny Baiboly amin’ny avonavona ny fahari-po, na faharetana. (Mpitoriteny 7:8) Manaporofo ny fanetren-tenan’i Jehovah koa ny faharetany.—2 Petera 3:9.

^ feh. 18 Lazain’ny Salamo 86:5 fa “tsara sady mamela heloka” i Jehovah. Nadika hoe “mandefitra” (e·pi·ei·kes′) ilay hoe “mamela heloka”, rehefa nadika tamin’ny teny grika io salamo io.