Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 22

Hita Amin’ny Fiainanao ve ny ‘Fahendrena avy any Ambony’?

Hita Amin’ny Fiainanao ve ny ‘Fahendrena avy any Ambony’?

1-3. a) Ahoana no nanehoan’i Solomona fahendrena hafakely tamin’ny fomba nandaminany ilay adin’ireo reny roa? b) Inona no nolazain’i Jehovah fa homeny antsika, ary inona avy no fanontaniana mipoitra?

SAROTRA ny nitsara ny raharahan’ireo vehivavy roa niady zaza iray. Niara-nipetraka izy ireo, ary samy niteraka, nielanelana andro vitsy monja. Maty ny iray tamin’ireo zaza, ka samy nilaza izy ireo fa zanany ilay zaza velona. * Tsy nisy vavolombelona hafa nahita izay nitranga. Azo inoana fa efa notsaraina tany amin’ny fitsarana ambany kokoa ilay raharaha, nefa tsy voalamina. Nentina tany amin’i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely, àry ilay izy. Hahita ny tena marina ve izy?

2 Nangataka sabatra i Solomona, rehefa avy nihaino ny adihevitr’ireo vehivavy. Nasehony ho toy ny vonona hanao zavatra mihitsy izy, ka nasainy nozaraina roa ilay zaza, ka homena antsasany avy izy roa vavy. Niangavy haingana ilay tena reniny mba homena an’ilay vehivavy iray ilay zanany malalany. Nasain’ilay vehivavy iray hozaraina roa ihany anefa ilay zaza. Fantatr’i Solomona izao ny tena marina. Fantany ny fitiavan’ny reny ny zanany naterany, ka nampiasainy izany fahalalana izany mba handaminana ilay ady. Afa-po tokoa ilay tena reny rehefa nomen’i Solomona azy ny zanany, ka hoy i Solomona hoe: “Io mihitsy no reniny.”—1 Mpanjaka 3:16-27.

 3 Hafakely izany raha fahendrena! Natahotra ny olona rehefa nandre ny fomba nandaminan’i Solomona an’ilay raharaha, ‘satria hitany fa nisy fahendren’Andriamanitra tao am-pony.’ Fanomezana avy tamin’Andriamanitra ny fahendren’i Solomona. Nomen’i Jehovah “saina hendry sady mahiratra” izy. (1 Mpanjaka 3:12, 28) Ary isika? Afaka mahazo ny fahendren’Andriamanitra koa ve isika? Eny, satria nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao i Solomona: “Jehovah no manome fahendrena.” (Ohabolana 2:6) Nampanantena hanome fahendrena ho an’ireo tena mitady azy io i Jehovah. Ny fahendrena dia ny fahaizana mampiasa tsara ny fahalalana sy fahatakarana ary fahaiza-manavaka. Ahoana no ahazoantsika ny fahendrena avy any ambony? Ary ahoana no ahitana izany eo amin’ny fiainantsika?

Ahoana no ‘ahazoana fahendrena’?

4-7. Inona avy ireo zavatra efatra ilaina mba hahazoana fahendrena?

4 Tsy maintsy ho kinga saina be na nahita fianarana ve vao mahazo ny fahendren’Andriamanitra? Tsia. Vonona hanome ny fahendreny ho antsika i Jehovah, fa tsy mampaninona azy izay fiaviantsika sy fianarana hitantsika. (1 Korintiana 1:26-29) Tsy maintsy manao zavatra anefa isika, satria mampirisika antsika ny Baiboly hoe “mahazoa fahendrena.” (Ohabolana 4:7) Ahoana no anaovantsika izany?

5 Voalohany, tokony hatahotra an’Andriamanitra isika. Milaza ny Ohabolana 9:10 hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.” Ny tahotra an’Andriamanitra no dingana voalohany, na fototry ny tena fahendrena. Nahoana? Tadidio fa fahaizana mampiasa tsara ny fahalalana no atao hoe fahendrena. Tsy hoe mipararetra eo anatrehan’i Jehovah akory ny hoe matahotra azy, fa manaja sy matoky azy kosa. Tsara io tahotra io ary mahatonga antsika hanao zavatra tsara. Izy io no mahatonga antsika hiaina mifanaraka amin’ny fahalalantsika ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fomba fiasany. Tsy misy zavatra feno fahendrena kokoa  noho izany, satria mahasoa foana an’izay manaraka azy ny fitsipik’i Jehovah.

6 Faharoa, tsy maintsy manetry tena isika. Tsy maintsy miaraka foana ny fahendren’Andriamanitra sy ny fanetren-tena. (Ohabolana 11:2) Nahoana? Raha manetry tena isika, dia vonona hanaiky fa tsy voatery ho haintsika ny zava-drehetra, tsy voatery ho marina foana isika, ary mila mahafantatra ny hevitr’i Jehovah isika. “Manohitra ny mpiavonavona” i Jehovah, fa faly kosa manome fahendrena an’ireo manetry tena.—Jakoba 4:6.

Tsy maintsy miezaka mikaroka isika, raha te hahazo ny fahendren’Andriamanitra

7 Zavatra fahatelo tena ilaina ny mianatra ny Tenin’Andriamanitra. Hita ao amin’izy io ny fahendren’i Jehovah. Tsy maintsy miezaka mikaroka isika, raha te hahazo an’io fahendrena io. (Ohabolana 2:1-5) Zavatra ilaina fahefatra ny vavaka. Hanome fahendrena be antsika i Jehovah, raha mangataka amim-pahatsorana isika. (Jakoba 1:5) Hanome ny fanahiny izy, raha mangataka izany isika. Io fanahiny io no manampy antsika hahita ny harena ao amin’ny Teniny, izay afaka manampy antsika hamaha olana, hanalavitra loza, ary handray fanapahan-kevitra feno fahendrena.—Lioka 11:13.

8. Ahoana no ahitana raha tena nahazo ny fahendren’Andriamanitra isika?

8 Hitantsika tao amin’ny Toko 17 fa mahasoa ny fahendren’i Jehovah. Hiharihary eo amin’ny fitondran-tenantsika àry raha nahazo ny fahendren’Andriamanitra isika. Izao no nolazain’i Jakoba fa vokatry ny fahendren’Andriamanitra: “Ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.” (Jakoba 3:17) Afaka manontany tena toy izao isika, eo am-pamakafakana ireo lafiny amin’ny fahendren’Andriamanitra ireo: ‘Hita amin’ny fiainako ve ny fahendrena avy any ambony?’

 “Madio aloha, ary tia fihavanana”

9. Inona no dikan’ny hoe madio, ary nahoana no mety ny hanononana azy voalohany ho lafiny mampiavaka ny fahendrena?

9 “Madio aloha.” Ny hoe madio dia midika hoe tsy misy fangarony, tsy misy loto, tsy ivelany fotsiny fa anatiny koa. Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fo ny fahendrena. Tsy afaka hisy ao amin’ny fo voaloton’ny eritreri-dratsy na fanirian-dratsy kosa ny fahendrena avy any an-danitra. (Ohabolana 2:10; Matio 15:19, 20) ‘Hanalavitra ny ratsy sy hanao soa’ kosa isika, raha madio ny fontsika, izany hoe madio araka izay vitan’ny olona tsy lavorary. (Salamo 37:27; Ohabolana 3:7) Mety tokoa raha ny fahadiovana no nolazaina voalohany fa lafiny mampiavaka ny fahendrena. Raha tsy madio ara-pitondran-tena sy ara-panahy tokoa isika, ahoana no anehoantsika ireo lafiny hafa mampiavaka ny fahendrena avy any ambony?

10, 11. a) Nahoana no tokony ho tia fihavanana isika? b) Raha nisy mpiara-mivavaka sosotra taminao, ahoana no ampisehoanao fa tia fihavanana ianao? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

10 “Tia fihavanana.” Mahatonga antsika ho tia fihavanana, na fiadanana, ny fahendrena avy any an-danitra, ary anisan’ny vokatry ny fanahy izy io. (Galatiana 5:22) Miezaka isika mba tsy hanapaka ny “fehim-pihavanana” mampiray ny vahoakan’i Jehovah. (Efesiana 4:3) Manao izay azontsika atao koa isika mba hamitranam-pihavanana, raha simba izany. Nahoana no tena ilaina izany? Hoy ny Baiboly: “Mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.” (2 Korintiana 13:11) Hiaro antsika foana ilay Andriamanitry ny fihavanana, raha tia fihavanana isika. Misy akony mivantana amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fomba itondrantsika ny mpiara-mivavaka amintsika. Ahoana no ahitana fa tia fihavanana isika? Indro misy ohatra:

11 Inona no tokony hataonao raha nisy mpiara-mivavaka aminao sosotra taminao? Hoy i Jesosy: “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo  no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.” (Matio 5:23, 24) Mampihatra izany ianao, raha manatona an’ilay rahalahinao. Inona no zava-kendrenao amin’izay? Ny ‘hihavana’ aminy. * Tsy maintsy ekenao àry, fa tsy lavinao, hoe voadona ny fihetseham-pony. Azo inoana fa hisava ny tsy fifankahazoan-kevitra, hisy fialan-tsiny hatao, ary hisy famelan-keloka, raha ny hamitram-pihavanana no kendrenao sy tadidinao. Hita fa tarihin’ny fahendren’Andriamanitra ianao, raha miezaka hamitram-pihavanana, na dia tsy mora aza izany.

 “Mandefitra, mora alahatra”

12, 13. a) Inona no dikan’ilay hoe “mandefitra” ao amin’ny Jakoba 3:17? b) Ahoana no azontsika anehoana fa mandefitra isika?

12 “Mandefitra.” Inona no dikan’ny hoe mandefitra? Milaza ireo manam-pahaizana fa sarotra adika ilay teny grika nadika hoe “mandefitra”, ao amin’ny Jakoba 3:17. Efa nadika hoe “tsara fanahy”, “mizaka”, ary “feno fiheverana” izy io. Araka ny teny grika tany am-boalohany, dia midika hoe “tsy hentitra loatra” izy io. Ahoana no ahitana fa misy an’io lafiny amin’ny fahendrena avy any ambony io ny fiainantsika?

13 “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo”, hoy ny Filipiana 4:5. Hoy ny fandikan-teny hafa: “Aoka ianao halaza ho mpandefitra.” (Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Anglisy Maoderina, J. Phillips) Mariho fa tsy ny fomba fijerintsika antsika no zava-dehibe, fa ny fomba fijerin’ny olona antsika sy ny ahafantaran’izy ireny antsika. Tsy manizingizina ny hanarahana ara-bakiteny ny lalàna na hanaovana zavatra araka izay tiany foana ny olona mandefitra. Vonona hihaino kosa izy, ary mampandefitra ny faniriany, rehefa mety izany. Tsara fanahy amin’ny olona koa izy, fa tsy masiaka. Tokony haneho izany ny Kristianina rehetra, indrindra fa ny anti-panahy. Mora hatonina ny anti-panahy raha tsara fanahy. (1 Tesaloniana 2:7, 8) Tsara raha manontany tena isika hoe: ‘Malaza ho be fiheverana sy tsy hentitra loatra ary tsara fanahy ve aho?’

14. Ahoana no ampisehoantsika fa “mora alahatra” isika?

14 “Mora alahatra.” Eto ihany no ahitana ilay teny grika nadika hoe “mora alahatra”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. ‘Matetika io teny io no ampiasaina amin’ny miaramila’, hoy ny manam-pahaizana iray. Ny dikan’izy io dia hoe “mora manaiky”, “mankatò.” Manaiky avy hatrany izay lazain’ny Soratra Masina ireo fehezin’ny fahendrena avy any ambony. Tsy mba fanaony ny hoe manapa-kevitra, ka avy eo dia tsy manaiky izay zavatra tsy mitovy amin’ny noeritreretiny.  Vonona hiova haingana kosa izy rehefa misy porofo mazava araka ny Soratra Masina fa diso hevitra izy, na tsy nety ny fanatsoahan-keviny. Toy izany ve no ahafantaran’ny olona anao?

‘Be famindram-po sy be voka-tsoa’

15. Inona no atao hoe famindram-po, ary nahoana no mety ny ampiarahana ny “famindram-po” sy “voka-tsoa” ao amin’ny Jakoba 3:17?

15 ‘Be famindram-po sy be voka-tsoa.’ Lafiny lehibe mampiavaka ny fahendrena avy any ambony ny famindram-po, satria lazaina hoe ‘be famindram-po’ izy io. Mariho fa ampiarahina ny “famindram-po” sy ny “voka-tsoa.” Mety izany, satria matetika no lazain’ny Baiboly fa ny hoe famindram-po dia fiahiana olona aseho amin’ny zavatra atao, ary fangorahana miteraka asa feno hatsaram-panahy. Milaza ny boky iray fa mamindra fo ny olona iray rehefa “malahelo ny toe-javatra ratsy manjo ny olona hafa ary manjary maniry hanao zavatra momba izany.” Tsy any an-tsaina fotsiny, na tsy misy fitiavana, àry ny fahendren’Andriamanitra. Misy fitiavana sy avy any am-po kosa izy io. Ahoana no anehoantsika fa be famindram-po isika?

16, 17. a) Inona koa, ankoatra ny fitiavana an’Andriamanitra, no mahatonga antsika hitory, ary nahoana? b) Ahoana avy no anehoantsika fa be famindram-po isika?

16 Fomba lehibe hanaovana izany ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahoana isika no manao io asa io? Voalohany, satria tia an’Andriamanitra isika. Mamindra fo, na miantra ny olona koa anefa isika. (Matio 22:37-39) Maro ankehitriny no ‘nampahantraina ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.’ (Matio 9:36) Tsy niraharaha sy nanajamba ara-panahy azy ireo ny mpiandrin’ny fivavahan-diso. Tsy fantatr’izy ireo àry ny tari-dalana feno fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ireo fitahiana harotsak’ilay Fanjakana tsy ho ela eto an-tany. Rehefa mieritreritra ny zavatra ara-panahy ilain’ireo manodidina antsika àry isika,  dia manjary mangoraka azy ireo ka manao izay azontsika atao mba hiresahana aminy ny fikasan’i Jehovah.

Maneho ny ‘fahendrena avy any ambony’ isika, rehefa mamindra fo na miantra olona

17 Ahoana koa no anehoantsika fa be famindram-po isika? Tadidio ny fanoharan’i Jesosy momba ilay Samaritanina nahita ilay olona torana teo amoron-dalana, satria nisy nandroba sy nikapoka. Namindra fo sy “niantra” azy io ilay Samaritanina, ka namehy ny feriny sy nikarakara azy. (Lioka 10:29-37) Tsy mampiseho ve izany fa manampy an’ireo mila fanampiana ny olona mamindra fo? Mampirisika antsika ny Baiboly mba “hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Galatiana 6:10) Ireto, ohatra, no azo anehoana izany: Mety hila fitaterana mba handehanana hivory ny mpiray finoana be taona. Mety hila olona hanamboatra ny tranony ny anabavy iray maty vady. (Jakoba 1:27) Mety hila “teny soa” ny rahalahy na anabavy iray kivy, mba hampitraka azy. (Ohabolana 12:25) Hita amin’ny fiainantsika ilay fahendrena avy any ambony, rehefa mamindra fo toy izany isika.

“Tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy”

18. Inona no tsy maintsy iezahantsika esorina ao am-pontsika raha tarihin’ny fahendrena avy any ambony isika, ary nahoana?

18 “Tsy miangatra.” (Kat.) Tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy firenena ny fahendren’Andriamanitra. Hiezaka mafy hanala ao am-pontsika izay mety ho faniriana hiangatra isika, raha tarihin’io fahendrena io. (Jakoba 2:9) Tsy manavaka isika, na dia samy hafa aza ny fianarana azon’ny olona, ny fananany, ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana. Tsy manambany an’ireo mpiara-mivavaka koa isika, na dia mety hoheverina ho ambany aza izy ireny. Nanehoan’i Jehovah ny fitiavany ireny olona ireny, ka tsy maintsy heverintsika ho mendrika ny fitiavantsika koa.

19, 20. a) Hazavao ny niavian’ilay teny grika nadika hoe “mihatsaravelatsihy.” b) Ahoana no anehoantsika “fitiavan-drahalahy tsy miangatra”, ary nahoana izany no tena ilaina?

19 “Tsy mihatsaravelatsihy.” Mety hanondro “mpilalao tantara”  ny teny grika nadika hoe “mihatsaravelatsihy.” Nanao saron-tava lehibe ireo mpilalao tantara grika sy romanina fahiny. Nanjary nanondro an’ireo manafin-kilema na tsy mampiseho ny tena toetrany àry ny teny grika nadika hoe “mihatsaravelatsihy.” Mahakasika ny fomba itondrantsika sy fiheverantsika ny mpiara-mivavaka amintsika io lafiny amin’ny fahendren’Andriamanitra io.

20 Nilaza ny apostoly Petera fa “amin’ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra” no ‘anarahana ny fahamarinana.’ (1 Petera 1:22) Tsy endrika ivelany fotsiny ny fitiavantsika ny rahalahintsika. Tsy manao saron-tava na milalao tantara mba hamitahana olona isika. Tena izy sy avy ao am-po ny fitiavantsika. Hatoky antsika ny mpiray finoana amintsika raha manao izany isika, satria fantany hoe tena tsotra isika. Mifandray tsara sy amim-pahatsorana ary mifampatoky ny Kristianina raha manana fitiavana toy izany.

 “Raketo ny tena fahendrena”

21, 22. a) Nahoana no nanjary tsy niaro ny fahendrena intsony i Solomona? b) Ahoana no iarovantsika ny fahendrena, ary inona avy no soa azontsika avy amin’izany?

21 Fanomezana avy amin’i Jehovah ny fahendrena, ka tokony horaketina, na harovana. Hoy i Solomona: “Anaka, ... raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava.” (Ohabolana 3:21) Mampalahelo fa tsy nanatanteraka izany na dia i Solomona aza. Hendry foana izy rehefa nanana fo nankatò. Navilin’ireo vadiny hafa firenena anefa ny fony, ka tsy nanaraka ny fivavahana madio tamin’i Jehovah intsony izy. (1 Mpanjaka 11:1-8) Hita avy amin’ny niafaran’i Solomona fa tsy misy vidiny ny fahalalana raha tsy ampiasaina tsara.

22 Ahoana no hiarovantsika ny tena fahendrena? Tsy maintsy mamaky tsy tapaka ny Baiboly sy ireo boky miorina amin’ny Baiboly, navoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’, isika, ary tsy maintsy miezaka mafy mampihatra izay ianarantsika. (Matio 24:45) Tena tokony hampiseho ny fahendren’Andriamanitra isika. Izy io no hahatsara kokoa ny fomba fiainantsika dieny izao. Izy io koa no hahafahantsika hahazo ny “tena fiainana”, dia ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (1 Timoty 6:19) Zava-dehibe indrindra koa ny hoe mampifandray antsika kokoa amin’i Jehovah Andriamanitra, loharanon’ny fahendrena rehetra, ny fanehoana fahendrena avy any ambony.

^ feh. 1 “Vehivavy janga” izy ireo, araka ny 1 Mpanjaka 3:16. Hoy ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay): “Mety tsy ho mpivaro-tena izy ireo, fa nijangajanga fotsiny. Mety ho Jiosy izy ireo, nefa azo inoana koa fa vehivavy vahiny.”—Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 11 Ilay teny grika nadika hoe “ataovy izay hihavananao”, dia avy amin’ny matoanteny midika hoe “‘manisy fiovana, mifanakalo’, ka noho izany dia, ‘mamitram-pihavanana.’” Ny zava-kendrenao àry dia ny hanisy fiovana, hanala ny lonilony ao am-pon’ilay sosotra.—Romana 12:18.

Fanampim-panazavana

Ahoana no Handraisan-tsoa Amin’ny Famakiana Baiboly?

Tsy hahasoa antsika ny Baiboly raha tsy ianarantsika sy ampiharintsika. Hohazavaina ato hoe inona no azonao atao mba handraisanao soa amin’ny famakiana Baiboly.

Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra mba Hanampiana ny Tenanao sy ny Olon-kafa

Sarobidy aminao ve ny Baiboly? Hanampy anao mba hatoky kokoa an’io fanomezana avy amin’i Jehovah io ny fandinihana ny 2 Timoty 3:16.