Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 17

‘Endrey ny Halalin’ny Fahendren’Andriamanitra!’

‘Endrey ny Halalin’ny Fahendren’Andriamanitra!’

1, 2. Inona no fikasan’i Jehovah ho an’ilay andro fahafito, ary nahoana no nitsapa ny fahendreny ny fiandohan’io andro io?

POTIKA! Nietry tampoka teo ny olombelona, ilay voninahitry ny andro famoronana fahenina. Nolazain’i Jehovah fa “tsara indrindra” ny zavatra “rehetra nataony”, anisan’izany ny olona. (Genesisy 1:31) Nifidy ny hikomy niaraka tamin’i Satana anefa i Adama sy Eva, tamin’ny fiandohan’ilay andro fahafito. Nanjary mpanota sy tsy lavorary izy ireo, ary maty.

2 Toa nanjary rava tanteraka ny fikasan’i Jehovah ho an’io andro fahafito io. Naharitra an’arivo taona izy io sy ireo andro enina teo alohany. Nolazain’i Jehovah fa masina izy io, ary hanjary paradisa feno fianakavian’olombelona lavorary ny tany, amin’ny faran’izy io. (Genesisy 1:28; 2:3) Ahoana anefa no hahatanterahan’izany taorian’ilay fikomiana nahatsiravina? Inona no hataon’Andriamanitra? Tena fitsapana lehibe ny fahendreny izany, ary angamba ny fitsapana lehibe indrindra mihitsy.

3, 4. a) Nahoana ny fihetsik’i Jehovah nanoloana ny fikomiana tany Edena no ohatra hafakely momba ny fahendreny? b) Inona no hotadidintsika, raha manetry tena isika eo am-pianarana ny fahendren’Andriamanitra?

3 Nanao zavatra avy hatrany i Jehovah. Nanameloka an’ireo mpikomy tany Edena izy, sady efa niresaka sahady momba ny zavatra iray tena hafakely, dia ny fikasany hanarina ny zavatra tsy nety vokatry ny nataon’ireo mpikomy ireo. (Genesisy 3:15) Nahakasika ireo an’arivo taona maro taorian’io, sy mbola amin’ny hoavy lavitra, io fikasan’i Jehovah mahatsinjo lavitra io. Tena tsotra izy io, nefa lalina, ka afaka mandany ny androm-piainany mba hianarana sy handinihana azy io ny mpamaky ny Baiboly. Tena azo antoka ho tanteraka koa ny fikasan’i Jehovah. Hamarana ny faharatsiana sy ny fahotana ary  ny fahafatesana izy io. Hahatonga ny olona tsy mivadika ho lavorary izy io. Ho vita alohan’ny faran’ilay andro fahafito izany rehetra izany, ka ho tanteraka ara-potoana tsara ny fikasan’i Jehovah momba ny tany sy ny olona, na inona na inona mitranga!

4 Mahatalanjona tanteraka antsika izany fahendrena izany, sa ahoana? Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: ‘Endrey ny halalin’ny fahendren’Andriamanitra!’ (Romana 11:33) Hianatra momba ny lafiny samihafa amin’ny fahendren’Andriamanitra isika izao. Tokony hanetry tena àry isika, ka hitadidy fa ny sombin’ny fahendrena tsy hita lany ananan’Andriamanitra fotsiny no ho hitantsika. (Joba 26:14) Andeha aloha hofaritantsika ny atao hoe fahendren’Andriamanitra.

Inona no atao hoe fahendren’Andriamanitra?

5, 6. Inona no ifandraisan’ny fahalalana sy ny fahendrena, ary manao ahoana ny halehiben’ny fahalalan’i Jehovah?

5 Tsy mitovy amin’ny fahalalana ny fahendrena. Afaka mitahiry fahalalana be ny ordinatera, nefa tsy azo inoana hoe hendry mihitsy. Mifandray koa anefa ny fahalalana sy ny fahendrena. (Ohabolana 10:14) Aoka hatao hoe mila torohevitra feno fahendrena ianao, mba hitsaboana aretim-be iray. Olona tsy mahalala na inona na inona momba ny fitsaboana ve no hanontanianao? Tsy izay mihitsy! Ilaina àry ny fahalalana, mba hananana ny tena fahendrena.

6 Manana fahalalana tsy hita fetra i Jehovah. “Mpanjaka mandrakizay” izy, ka velona hatramin’izay sy ho mandrakizay. (Apokalypsy 15:3) Nahafantatra ny zava-drehetra izy nandritra izany fotoana izany. Hoy ny Baiboly: “Tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika.” (Hebreo 4:13; Ohabolana 15:3) I Jehovah no Mpamorona, ka fantany daholo ny zavatra nataony, sady efa nodinihiny hatramin’ny voalohany ny zavatra ataon’ny olona. Mandinika ny fon’olombelona tsirairay izy, ka tsy misy tsy hitany izay ao. (1 Tantara 28:9) Noforoniny hanana safidy malalaka  isika, ka faly izy rehefa hitany fa mandray fanapahan-kevitra feno fahendrena isika. “Mpihaino vavaka” izy, ka mihaino vavaka maro be indray mandeha! (Salamo 65:2) Mazava ho azy koa fa tonga lafatra ny fitadidian’i Jehovah.

7, 8. Ahoana no anehoan’i Jehovah fahatakarana sy fahaiza-manavaka ary fahendrena?

7 Tsy fahalalana ihany anefa no ananan’i Jehovah. Fantany koa ny fifandraisan’ireo zava-misy ary mandinika ireo tsipirian’izany izy, ka hitany ny ankapoben’izy ireny. Dinihiny tsara sy tsarainy izany, ary avahany ny tsara sy ny ratsy, ny zava-dehibe sy ny madinika. Mahita ny ao ambadiky ny miseho ivelany koa izy, ary mijery ny ao am-po mihitsy. (1 Samoela 16:7) Mahatakatra sy mahay manavaka àry izy. Lehibe lavitra noho ny fahalalana izany, nefa mbola ambony noho izany ny fahendrena.

8 Ny olona hendry dia sady manam-pahalalana no mahay manavaka sy mahatakatra. Misy teny tao amin’ny Baiboly nadika hoe “fahendrena”, midika hoe “mahita vokatra rehefa miasa”, na “fahendrena mahasoa.” Tsy resaka fotsiny àry ny fahendren’Andriamanitra. Mahasoa sy mahomby izany. Mampiasa ny fahalalany lehibe sy ny fahatakarany lalina izy, ka mandray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra, sy manatanteraka izany amin’ny fomba tsara indrindra foana. Izany no tena fahendrena! Asehon’i Jehovah fa marina ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.” (Matio 11:19) Manaporofo ny fahendren’i Jehovah ny asany eo amin’izao rehetra izao.

Porofon’ny fahendren’Andriamanitra

9, 10. a) Inona no karazam-pahendrena asehon’i Jehovah, ary ahoana no nanehoany azy io? b) Nahoana no manaporofo ny fahendren’i Jehovah ny sela?

9 Tsy mahagaga anao ve ny fahaizan’ny olona iray manamboatra zavatra tsara sy mandeha tsara? Porofon’ny fahendrena izany. (Eksodosy 31:1-3) I Jehovah mihitsy no loharano sy tena tompon’izany fahendrena izany. Hoy i Davida Mpanjaka,  momba an’i Jehovah: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:14) Arakaraka ny ianarantsika momba ny vatan’olombelona tokoa, no mahatonga antsika ho talanjona amin’ny fahendren’i Jehovah.

10 Indro misy ohatra: Sela tokana ianao tamin’ny voalohany, na atody iray avy tamin’ny reninao, nitambatra tamin’ny tsirin’aina avy tamin’ny rainao. Nanomboka nizara io sela io, ka nanjary nisy 100 tapitrisa tapitrisa ny niafarany, dia ianao io izany. Tena bitika tokoa ny sela iray. Mitovy amin’ny loham-panjaitra ny haben’ny sela salasalany miisa 10 000. Tena misy zavatra hafakely anefa ao anatin’ny tsirairay amin’izy ireo. Mbola mahagaga lavitra noho izay mety ho fitaovana na orinasa noforonin’olombelona ny sela. Milaza ny mpahay siansa fa toy ny tanàna mifefy tamboho ny sela: misy vavahady idirana sy ivoahana, fomba fitaterana, fomba fifandraisana, tobin’angovo, toerana mpamokatra, fanariana maloto sy fanodinana izany, mpiambina, ary misy mpitantana mihitsy ao amin’ny farany anatiny. Afaka manamboatra sela iray mitovy tanteraka aminy koa ny sela, ao anatin’ny ora vitsy monja!

11, 12. a) Inona no mahatonga ny asan’ireo selan’ny tsaika ho samy hafa, ary nahoana izany no mifanaraka amin’ny Salamo 139:16? b) Nahoana ny atidohantsika no mampiseho fa ‘mahatalanjona ny nanaovana’ antsika?

11 Mazava ho azy fa tsy mitovy ny sela rehetra. Samy hafa ny asan’ny sela tsirairay, rehefa mitombo ilay tsaika ao an-kibo. Ho lasa hozatra ny sasany, ny hafa ho taolana, ra, na selan’ny maso. Ny ADN ao amin’ny sela no toy ny boky mirakitra an’izany fahasamihafana rehetra izany. Nilaza toy izao tamin’i Jehovah tokoa i Davida: “Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry.”—Salamo 139:16.

12 Tena be tsipiriany ny tapany sasany amin’ny vatana. Ohatra amin’izany ny atidoha. Nisy niantso azy io hoe ny zavatra tena mahagaga indrindra eo amin’izao rehetra izao. Misy selan-kozatra  100 000 tapitrisa eo ho eo ao anatin’izy io, ary efa hitovy amin’ny isan’ny kintana ao amin’ny vahindanitra misy antsika izany. Mifandray amin’ny sela an’arivo hafa ireo sela tsirairay ireo. Milaza ny mpahay siansa fa afaka mitahiry ny zavatra rehetra voalazan’ny boky rehetra eo amin’izao tontolo izao ny atidoha, ary mety tsy ho voafetra mihitsy ny zavatra azo ampidirina ao. Efa nandinika an’io zavatra ‘mahatalanjona’ io nandritra ny am-polo taona ireo manam-pahaizana, nefa niaiky fa tsy takany tanteraka ny fomba fiasan’izy io.

13, 14. a) Ahoana no ampisehoan’ny vitsika sy ny zavaboary hafa fa “hendry sady mahay” izy, ary inona no ampianarin’izany antsika momba ny Mpamorona azy ireny? b) Nahoana no afaka milaza isika fa ‘fahendrena no nanaovana’ ny zavaboary toy ny tranon-kala?

13 Iray monja amin’ireo zavatra mampiseho ny fahendren’Andriamanitra tamin’ny famoronana anefa ny olombelona. Hoy ny Salamo 104:24: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” Hita amin’ny zavatra rehetra manodidina antsika ny fahendren’i Jehovah. “Hendry sady mahay”, ohatra, ny vitsika. (Ohabolana 30:24) Tena voalamina tokoa ny andiam-bitsika. Miambina sy mampiantrano ary mihinana bibikely antsoina hoe haon-kazo, ohatra, ny andiam-bitsika sasany, ka toy ny hoe biby fiompy ho azy izany. Mpamboly ny vitsika sasany, ka mamboly sy mikarakara holatra. Misy zavaboary maro hafa noforonina hanao zavatra mahagaga. Manidina amin’ny fomba hafakely ny lalitra, ka na dia ny fiaramanidina tsara indrindra noforonin’olombelona aza tsy mahavita ny vitany. Misy vorona mpifindra monina manaraka ny kintana, na ny sahan’andriamby amin’ny tany, na manaraka ny zavatra tsapan’ny vatany fotsiny. Mandany taona maro ireo mpandinika ny biby mba handinihana ny toetra hafakely nampidirina tao amin’ireny zavaboary ireny. Tsy maintsy ho tena hendry tokoa ilay Andriamanitra Mpamorona!

14 Niana-javatra betsaka avy tamin’ny fahendren’i Jehovah teo amin’ny famoronana ny mpahay siansa. Misy siansa manokana mihitsy natao hakana tahaka ny fiasan’ny natiora.  Mety hahagaga anao, ohatra, ny tranon-kala. Zava-bita tena hafakely anefa no fahitan’ny mpahay siansa azy io. Malemy no fahitana azy, nefa mafy kokoa izy raha oharina amin’ny vy na fibra ampiasaina amin’ny akanjo tsy laitran’ny bala, mitovy habe aminy. Manao ahoana anefa ny tanjany? Eritrereto hoe nohalehibeazina hitovy amin’ny haben’ny haraton’ny mpanjono ilay tranon-kala. Ho mafy be izy amin’izay ka ho afaka hampijanona fiaramanidina lehibe eny am-panidinana! “Fahendrena” tokoa no nanaovan’i Jehovah ireny zavatra ireny.

Iza no nanao ny zavaboary eto an-tany ho “hendry sady mahay”?

Tsy ny zavatra eto an-tany ihany no ahitana ilay fahendrena

15, 16. a) Inona no porofoin’ny lanitra feno kintana, momba ny fahendren’i Jehovah? b) Nahoana ny maha Mpitari-tafika ambony indrindra an’i Jehovah no manaporofo ny fahendreny amin’ny maha Mpitantana azy?

15 Miharihary amin’ny asany eran’izao rehetra izao ny fahendren’i Jehovah. Tsy napetrapetraka foana eny ambony eny ny lanitra feno kintana, noresahintsika betsaka tao amin’ny Toko 5. Ny fahendren’i Jehovah no nanaovany “lalàn’ny lanitra” ka mampilamina tsara ny kintana ho vahindahitra. Ireny indray kosa no mitambatra ho vondrom-bahindanitra, ary mitambatambatra ho vondrom-bahindanitra lehibe koa aza ireo vondrom-bahindanitra. (Joba 38:33) Tsy mahagaga raha nolazain’i Jehovah hoe “antoko”, na ‘tafika’ izy ireny. (Isaia 40:26) Mbola misy tafika hafa manasongadina kokoa ny fahendren’i Jehovah anefa.

16 Noresahintsika tao amin’ny Toko 4 fa antsoina hoe “Jehovah Tompon’ny tafika” Andriamanitra, satria izy no Mpitari-tafika ambony indrindra ao amin’ilay tafika misy anjely an-jato tapitrisa. Manaporofo ny herin’i Jehovah izany. Nahoana anefa no mahakasika ny fahendreny izany? Diniho izao: Tsy mitsahatra miasa mihitsy i Jehovah sy Jesosy. (Jaona 5:17) Azo  antoka koa àry fa tsy mitsahatra miasa mihitsy ireo anjely manompo an’ilay Avo Indrindra. Tadidio fa ambony noho ny olona ireo anjely, tena kinga saina, ary matanjaka be. (Hebreo 1:7; 2:7) Nomen’i Jehovah asa foana anefa izy ireo, ary faly manao asa mahafinaritra, dia ny “mankatò ny didiny” sy “manao ny sitrapony”, nandritra ny taona maro tsy hita isa. (Salamo 103:20, 21) Lehibe tokoa izany fahendren’ilay Mpitantana izany!

Jehovah no “hany hendry”

17, 18. Nahoana ny Baiboly no milaza fa i Jehovah no “hany hendry”, ary nahoana no tokony hahatonga antsika hatahotra azy ny fahendreny?

17 Rehefa jerena ireo porofo ireo, mahagaga ve raha lazain’ny Baiboly fa ambony indrindra ny fahendren’i Jehovah? Lazainy, ohatra, fa i Jehovah no “hany hendry.” (Romana 16:27, Fandikan-teny Katolika) I Jehovah irery no hendry amin’ny fomba feno. Izy no loharanon’ny tena fahendrena rehetra. (Ohabolana 2:6) Marina fa i Jesosy no hendry indrindra tamin’ny zavaboarin’i Jehovah. Tsy niantehitra tamin’ny fahendreny anefa izy, fa niteny araka ny toromarika nomen’ny Rainy azy kosa.—Jaona 12:48-50.

18 Mariho ny fomba nilazan’ny apostoly Paoly ny hoe tsy manam-paharoa ny fahendren’i Jehovah: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” (Romana 11:33) Matoa i Paoly nilaza hoe “Endrey”, dia midika izany fa nisy fihetseham-po mafy tao amin’ny teniny, dia ny tahotra izany. Mifandray akaiky amin’ilay teny nadika hoe “lavaka tsy hita noanoa” ny teny grika nampiasain’i Paoly ho an’ilay hoe ‘halaliny’ eto. Misy hevitra lehibe àry tonga ao an-tsain’ny mpamaky. Rehefa mijery ny fahendren’i Jehovah isika, dia toy ny mitazana ao anaty lavaka mangitsokitsoka, ary lalina sy lehibe ka tsy hitantsika mihitsy ny habeny. Vao mainka tsy ho haintsika koa ny hamaritra na hamantatra azy io amin’ny an-tsipiriany. (Salamo 92:5) Tsy mahatonga antsika hanetry tena ve izany?

19, 20. a) Nahoana ny voromahery no mety tsara mba hanoharana ny fahendren’Andriamanitra? b) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa afaka mahita ny hoavy izy?

 19 Misy dikany hafa koa ilay hoe “hany hendry” i Jehovah: Izy ihany no afaka mamantatra ny hoavy. Tadidio fa ohariny amin’ny voromahery mahita lavitra ny fahendreny. Mety ho dimy kilao monja no lanjan’ny voromahery volombolamena, nefa lehibe noho ny mason’olon-dehibe ny masony. Mahita tsara mihitsy izy, ka na dia eny amin’ny an-jato metatra eny ambony aza izy dia mahatazana remby tena kely etỳ ambany, angamba iray kilaometatra mahery lavitra azy! Nilaza toy izao momba ny voromahery i Jehovah, indray mandeha: “Mahatsinjo lavitra ny masony.” (Joba 39:29) “Mahatsinjo lavitra” ny fotoana koa i Jehovah, ka mahita ny zavatra mbola hitranga!

20 Maro ny zavatra lazain’ny Baiboly manaporofo izany. Misy an-jato ny faminaniana, na tantara nosoratana mialoha, ao anatin’izy io. Lazaina mialoha ao ny hiafaran’ny ady, ny fisandratana sy faharesen’ireo fanjakana matanjaka indrindra, ary na dia ny fomba fiadin’ireo mpitari-tafika aza. Nisy  efa nolazaina an-jato taona mialoha amin’izy ireny.—Isaia 44:25–45:4; Daniela 8:2-8, 20-22.

21, 22. a) Nahoana no diso ny mihevitra fa efa fantatr’i Jehovah mialoha ny safidy hataontsika? Ahoana no azo anoharana izany? b) Ahoana no ahafantarantsika fa manana fitiavana sy fihetseham-po i Jehovah, rehefa mampiasa ny fahendreny?

21 Midika ve anefa izany fa efa hitan’Andriamanitra mialoha ny safidy hataonao? Misy manizingizina fa efa mandahatra ny fiainana toy izany Andriamanitra. Manambany ny fahendren’i Jehovah anefa izany, satria toa midika fa tsy afaka mifehy ny fahaizany mahita ny hoavy izy. Indro misy ohatra: Raha tena tsara be ny feonao, tsy manan-tsafidy ve ianao fa dia tsy maintsy mihira foana? Hafahafa izany! Mahay mamantatra ny hoavy koa i Jehovah, nefa tsy mampiasa izany fahaizany izany foana. Mety hanakana ny safidintsika malalaka izany, nefa fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ny safidy malalaka, ka tsy halainy amintsika mihitsy.—Deoteronomia 30:19, 20.

22 Mbola ratsy kokoa aza, fa midika ilay hoe lahatra fa tsy misy fitiavana sy fihetseham-po, na mangoraka i Jehovah, rehefa mampiasa ny fahendreny. Tena tsy marina anefa izany! Milaza amintsika ny Baiboly fa “hendry am-po” i Jehovah. (Joba 9:4) Tsy manana fo ara-bakiteny akory izy, fa mampiasa ny teny hoe fo kosa ny Baiboly mba hilazana ny toetra anaty, anisan’izany ny antony anaovan-javatra sy ny fihetseham-po toy ny fitiavana. Voafehin’ny fitiavana àry ny fahendren’i Jehovah, toy ireo toetrany hafa koa.—1 Jaona 4:8.

23. Tokony hahatonga antsika hanao inona ny maha ambony ny fahendren’i Jehovah?

23 Mazava ho azy fa azo itokisana tanteraka ny fahendren’i Jehovah. Ambony lavitra noho ny fahendrentsika izy io, ka mampirisika antsika toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:5, 6) Andeha àry isika izao handalina ny fahendren’i Jehovah, mba hampifandray antsika kokoa amin’io Andriamanitsika tena hendry io.