Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Manatòna An’i Jehovah

 TOKO 18

Fahendrena ao Amin’ny “Tenin’Andriamanitra”

Fahendrena ao Amin’ny “Tenin’Andriamanitra”

1, 2. Inona ilay “taratasy” nosoratan’i Jehovah ho antsika, ary nahoana?

TADIDINAO ve hoe oviana ianao no naharay taratasy avy lavitra, avy tamin’ny olona iray tianao? Vitsy ny zavatra mahafinaritra antsika noho ny taratasy feno fitiavana avy amin’ny olona tiantsika. Faly isika mahafantatra ny toe-pahasalamany, ny zavatra iainany, ary izay kasainy hatao. Mampitombo ny fifankatiavana ireny taratasy ireny, na dia mifanalavitra aza ireo mifanoratra.

2 Inona àry no mahafinaritra antsika kokoa noho ny mandray hafatra voasoratra avy amin’ilay Andriamanitra tiantsika? Toy ny nanoratra “taratasy” ho antsika i Jehovah, dia ny Teniny, na ny Baiboly izany. Lazainy amintsika ao hoe iza izy, inona no efa nataony sy mbola hataony, ary zavatra maro hafa koa. Nomeny antsika ny Teniny, satria tiany hifandray akaiky aminy isika. Nifidy ny fomba tsara indrindra ilay Andriamanitsika tena hendry, mba hifandraisana amintsika. Tsy manam-paharoa ny fahendrena nampiasaina tamin’ny fomba nanoratana ny Baiboly sy ny zavatra raketin’izy io.

Nahoana no teny voasoratra?

3. Ahoana no nampitan’i Jehovah ny Lalàna tamin’i Mosesy?

3 Mety hisy hanontany hoe: ‘Nahoana i Jehovah no tsy nampiasa fomba hafakely, toy ny feo avy any an-danitra, mba hifandraisana amin’ny olona?’ Efa niteny avy tany an-danitra, tamin’ny alalan’ny anjely tokoa, i Jehovah. Nanao izany izy, ohatra, rehefa nanome ny Lalàna ho an’ny Isiraely. (Galatiana 3:19) Nampahatahotra ilay feo avy tany an-danitra. Nipararetra àry ny Isiraelita, ka nangataka mba tsy hiresahan’i Jehovah tamin’izy ireo mivantana, fa tamin’ny alalan’i  Mosesy. (Eksodosy 20:18-20) Nampitaina am-bava tamin’i Mosesy àry ny Lalàna, nisy fitsipika 600 teo ho eo.

4. Porofoy fa tsy fomba azo itokisana hampitana ny lalàn’Andriamanitra ny resaka nampitaina.

4 Ahoana anefa raha tsy nosoratana mihitsy io Lalàna io? Ho tadidin’i Mosesy tsara ve ilay izy, ka ho azony nampitaina tsy nisy diso tamin’ilay firenena? Ary ahoana ireo taranaka atỳ aoriana? Teny nampitaina fotsiny ve no hitokisan’izy ireo? Tsy ho azo nitokisana izany fomba fampitana ny lalàn’Andriamanitra izany. Eritrereto izay hitranga raha milaza tantara amin’ny olona maromaro ianao. Ilay olona voalohany ihany anefa no itantaranao azy, ary izy indray no hitantara izany amin’ilay manaraka azy, ary toy izany hatrany. Mety ho samy hafa tanteraka amin’izay notantarainao no ho ren’ilay olona farany. Tsy nidiran-doza toy izany ny Lalàn’Andriamanitra.

5, 6. Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Mosesy tamin’ny Teniny, ary nahoana no fitahiana ho antsika ny manana ny Tenin’i Jehovah voasoratra?

5 Hendry anefa i Jehovah ka nampanoratra ny teniny. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ny Isiraely.” (Eksodosy 34:27) Nanomboka tamin’izay ny fanoratana ny Baiboly, dia ny taona 1513 T.K. Niresaka “tamin’ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa” tamin’ny olona 40 nanoratra ny Baiboly i Jehovah, nandritra ireo 1 610 taona taorian’izay. (Hebreo 1:1) Nisy olona nazoto nanao dika mitovy tsara an’ireny sora-tanana ireny, tatỳ aoriana, mba tsy hahafoana ny Soratra Masina.—Ezra 7:6; Salamo 45:1.

6 Nitahy antsika tokoa i Jehovah, ka nifandray an-tsoratra tamintsika. Efa mba naharay taratasy tena tianao ve ianao, angamba nampahery anao indrindra, ka notehirizinao sy novakinao imbetsaka izy io? Toy izany ilay “taratasy” avy tamin’i Jehovah ho antsika. Afaka mamaky tsy tapaka sy  misaintsaina ny tenin’i Jehovah isika, satria nosoratany izy io. (Salamo 1:2) Afaka mahazo “fiononana avy amin’ny Soratra Masina” isika, rehefa mila izany.—Romana 15:4.

Nahoana no olona no nanoratra azy io?

7. Nahoana no mampiseho ny fahendren’i Jehovah ny nampiasany olona mba hanoratra ny Teniny?

7 Hendry i Jehovah, ka olona no nasainy nanoratra ny Teniny. Eritrereto ange e! Ho nanintona anao ve ny Baiboly, raha anjely no nampiasainy hanoratra azy io? Marina fa afaka nilazalaza tsara momba an’i Jehovah araka ny fahitany azy ny anjely; afaka nilaza ny fitiavan’izy ireo Azy koa; ary afaka nitantara an’ireo olombelona tsy nivadika tamin’Andriamanitra. Ho tena tsapantsika ve anefa izay tsapan’ireo anjely lavorary ireo? Ambony lavitra noho ny antsika mantsy ny fahalalana sy ny traikefany ary ny tanjany.—Hebreo 2:6, 7.

‘Ny soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra’

8. Ahoana no namelana ireo mpanoratra ny Baiboly hampiasa ny fahaizany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

8 Nanome izay tena ilaintsika i Jehovah, rehefa nampiasa olona mba hanoratra. Izany dia ny fitantarana “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”, nefa koa ahitana toetran’olombelona. (2 Timoty 3:16) Ahoana no nanaovany izany? Matetika no navelany hampiasa ny fahaizany ireo mpanoratra, rehefa nifidy ‘tenin’ny fahamarinana mahafinaritra sady mahitsy.’ (Mpitoriteny 12:10, 11) Izany no maha samihafa an’ireo fomba fanoratra ny Baiboly; hita avy amin’ireny ny fiainana sy toetran’ilay mpanoratra. * “Avy tamin’Andriamanitra [anefa] no nitenenan’ny olona [mpanoratra ny Baiboly] araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (2 Petera 1:21) Tena “tenin’Andriamanitra” àry no vokatr’izany.—1 Tesaloniana 2:13.

9, 10. Nahoana no hita kokoa fa feno fitiavana sy manintona ny Baiboly, rehefa olona no nanoratra azy?

 9 Feno fitiavana sy manintona ny Baiboly, satria olona no nanoratra azy. Olona toa antsika ihany ireo lehilahy nanoratra azy io. Tsy lavorary izy ireo, ary niatrika fisedrana sy fanerena toy ny hitantsika. Nomen’ny fanahin’i Jehovah tsindrimandry izy ireo indraindray mba hanoratra ny fihetseham-pony sy ny fisedrana nanjo azy. (2 Korintiana 12:7-10) Zavatra niainany manokana àry no nosoratan’izy ireo. Tsy ho afaka nanao izany mihitsy ny anjely.

10 Ohatra amin’izany i Davida, mpanjakan’ny Isiraely. Nanao fahotana lehibe izy, ary avy eo dia nanoratra salamo namborahany ny fihetseham-pony sy niangaviany ny famelan’Andriamanitra. Hoy izy: “Diovy aho mba ho afa-pahotana. Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro, ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” (Salamo 51:2, 3, 5, 11, 17) Tsy tsapanao ve ny fahorian’ilay mpanoratra eo? Iza, ankoatra ny olona tsy lavorary, no afaka nilaza fihetseham-po lalina toy izany?

Nahoana no miresaka momba ny olona izy io?

11. Momba ny inona ireo tantara tena nisy nosoratana “ho fianarantsika” ao amin’ny Baiboly?

11 Manintona amin’ny lafiny hafa koa ny Baiboly. Miresaka be dia be momba ny olona izy io, dia ireo manompo an’Andriamanitra sy tsy manompo azy. Vakintsika ao ny zavatra niainana sy ny fisedrana ary ny fifalian’izy ireny. Hitantsika ny vokatry ny safidin’izy ireo. Nosoratana “ho fianarantsika” ireny tantara ireny. (Romana 15:4) Manohina ny fontsika ny fomba ampianaran’i Jehovah antsika amin’ireny tantara tena nisy ireny. Ireto misy ohatra:

12. Nahoana no manampy antsika ireo tantara ao amin’ny Baiboly momba ny olona nivadika?

 12 Resahin’ny Baiboly ny momba ny olona nivadika sy ratsy fanahy sy ny zavatra nanjo azy ireny. Hita amin’ireny ny toetra ratsin’ilay olona, ka mora amintsika ny mahatakatra izany. Inona, ohatra, no didy mahery kokoa mba tsy hivadihana, ankoatra ilay ohatra velona momba ny toetran’i Jodasy, izay nanao teti-dratsy namadihana an’i Jesosy? (Matio 26:14-16, 46-50; 27:3-10) Manohina ny fontsika kokoa ireny tantara ireny, ka manampy antsika hamantatra sy hanalavitra ireo toetra maharikoriko.

13. Ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hamantatra ireo toetra tsara?

13 Miresaka momba ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika koa ny Baiboly. Resahiny ny fandavan-tena sy ny tsy fivadihan’izy ireny, ka hitantsika mazava ny toetra tokony hananantsika, mba hanatonana an’Andriamanitra. Anisan’izany ny finoana. Faritan’ny Baiboly ny atao hoe finoana ary asehony fa zava-dehibe izy io mba hampifaliana an’Andriamanitra. (Hebreo 11:1, 6) Mitantara momba ny olona nampiseho finoana koa anefa ny Baiboly. Eritrereto ny finoan’i Abrahama, tamin’izy saika hanao fanatitra an’i Isaka. (Genesisy toko 22; Hebreo 11:17-19) Misongadina sady mora azontsika kokoa, amin’ny alalan’ireny tantara ireny, ny atao hoe “finoana.” Hendry tokoa i Jehovah ka tsy vitan’ny hoe mampirisika antsika hanana toetra tsara izy, fa asehony amintsika koa ny ohatra momba izany!

14, 15. Inona no lazain’ny Baiboly amintsika momba ny vehivavy iray tonga tao amin’ny tempoly, ary inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’izany?

14 Matetika no mampianatra antsika momba ny toetran’i Jehovah ireo tantara tena nisy ao amin’ny Baiboly. Diniho ny tantaran’ilay vehivavy hitan’i Jesosy tao amin’ny tempoly. Nipetraka teo akaikin’ny fanantazan-drakitra i Jesosy mba hijery ny olona nandrotsaka ny fanomezany. Maro ny  mpanan-karena nandrotsaka “tamin’ny haben’ny fananany.” Nifantoka tamin’ilay mpitondratena nahantra anefa ny mason’i Jesosy. “Farantsakely roa ankevitry ny variroaventy avy” no narotsany. * Io no vola sisa tany aminy. Hoy i Jesosy, nampiseho ny fomba fihevitr’i Jehovah: “Io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra.” Araka izany, dia izy no nandrotsaka be indrindra noho ireo hafa rehetra nitambatra.—Marka 12:41-44; Lioka 21:1-4; Jaona 8:28.

15 Nahoana moa no io vehivavy io no nosinganina mba horesahina ao amin’ny Baiboly, tamin’ireo olona maro be tonga tao amin’ny tempoly? Ampianarin’i Jehovah antsika amin’io ohatra io fa Andriamanitra mahay mankasitraka izy. Faly izy manaiky ny fanomezana ataontsika amin’ny fo, na kely aza izany, oharina amin’ny omen’ny olon-kafa. Tsy nisy fomba tsara noho izany azon’i Jehovah nampianarana antsika an’io fahamarinana mahafinaritra io!

Ny tsy lazain’ny Baiboly

16, 17. Nahoana no mampiseho ny fahendren’i Jehovah ny zavatra tsy lazainy ao amin’ny Teniny?

16 Maro be ny zavatra azonao resahina, rehefa manoratra ho an’ny olona tianao ianao. Fidinao àry ny zavatra lazainao. Nifidy olona sy fisehoan-javatra hosoratana tao amin’ny Teniny koa i Jehovah. Tsy lazainy foana anefa ny tsipirian-javatra rehetra. (Jaona 21:25) Tsy voatery hamaly ny fanontaniantsika rehetra, ohatra, ny fitantaran’ny Baiboly momba ny fitsaran’Andriamanitra. Mbola mampiseho ny fahendren’i Jehovah koa ireo zavatra tsy nolazainy ao amin’ny Teniny. Ahoana izany?

 17 Mitsapa izay ao am-pontsika ny fomba nanoratana ny Baiboly. Hoy ny Hebreo 4:12: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ..., ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” Mamoaka ny ao anaty lalina sy mampiseho ny eritreritra sy ny antony anaovantsika zavatra ny Baiboly. Matetika ireo mpanakiana azy io no sosotra rehefa heveriny fa tsy ampy ny fanazavana ilainy. Mety hisalasala mihitsy izy ireny raha tena be fitiavana sy hendry ary manao ny rariny tokoa i Jehovah.

18, 19. a) Nahoana isika no tsy tokony ho sosotra rehefa misy fanontaniana tsy ahitantsika valiny avy hatrany, ao amin’ny Baiboly? b) Inona no ilaina mba hahazoana tsara ny Tenin’Andriamanitra, ary nahoana no porofon’ny fahendren’i Jehovah izany?

18 Rehefa tsotra kosa ny fontsika hoentintsika mandinika ny Baiboly, dia manjary hitantsika araka ny ilazan’ny Baiboly azy ny momba an’i Jehovah. Tsy sosotra àry isika rehefa misy fanontaniana tsy ahitantsika valiny avy hatrany. Rehefa mianatra Baiboly isika, dia takatsika tsikelikely ny toetran’i Jehovah Andriamanitra, ary mihamazava tsara ao an-tsaintsika. Mety tsy ho azontsika avy hatrany angamba ny tantara sasany, na ny fomba ifandraisan’izany amin’ny toetran’Andriamanitra. Efa nampianatra antsika zavatra betsaka momba an’Andriamanitra anefa ny Baiboly, ka hitantsika fa tena be fitiavana sy tsy manavaka ary manao ny rariny foana izy.

19 Tsy maintsy fo tsotra sy saina mivelatra àry no entintsika hamaky sy hianatra ny Tenin’Andriamanitra, raha tiantsika ny hahatakatra azy io. Tsy porofon’ny fahendrena lehiben’i Jehovah ve izany? Afaka manoratra boky tsy azon’ny olona afa-tsy ny “hendry sy ny manan-tsaina” ny olona mahay. Ny fahendren’Andriamanitra kosa no nahafahana nanoratra boky tsy azon’ny olona afa-tsy ireo manana fo tsara.—Matio 11:25.

 Bokin’ny “tena fahendrena”

20. Nahoana no i Jehovah ihany no afaka milaza amintsika ny fomba fiaina tsara indrindra, ary inona no raketin’ny Baiboly ka afaka manampy antsika?

20 Lazain’i Jehovah ao amin’ny Teniny ny fomba fiaina tsara indrindra. Izy no Mpamorona antsika, ka mahafantatra kokoa ny zavatra ilaintsika noho isika. Mitovy foana ny zavatra fototra ilain’ny olona, dia ny faniriana hotiavina, ho sambatra ary hifandray tsara amin’ny olona. Feno “tena fahendrena” ao amin’ny Baiboly, ary manampy antsika hanana fiainana misy dikany izy ireny. (Ohabolana 3:21) Misy toko miresaka ny fomba ampiharantsika ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly ny fizarana tsirairay amin’ity boky ity. Ohatra iray aloha no hojerentsika izao.

21-23. Inona no torohevitra feno fahendrena afaka manampy antsika tsy hitahiry fahatezerana sy lolompo?

21 Efa voamarikao ve fa manimba tena ireo olona mitahiry fahatezerana na mitana lolompo? Manavesatra ny fiainana ny lolompo. Mandreraka ny saintsika izy io, ary manakorontana antsika, sy mahavery ny fifaliantsika. Milaza ny mpahay siansa fa mety harary fo na ho voan’ny aretina mitaiza hafa ireo mitana lolompo. Efa ela talohan’izany fandinihana izany no nilaza izao teny feno fahendrena izao ny Baiboly: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana.” (Salamo 37:8) Ahoana anefa no anaovantsika izany?

22 Manome izao torohevitra feno fahendrena izao ny Tenin’Andriamanitra: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” (Ohabolana 19:11) Ny fahendrena resahina eto, dia ny fahaizana mamantatra ny zavatra tsy miseho ivelany, na miharihary. Ahatakaran-javatra io hakingan-tsaina io, satria manampy antsika hanavaka ny antony nitenenan’ilay olona, na nanaovany zavatra. Mety hanampy antsika hanala izay hevitra na fihetseham-po ratsy momba azy ny fiezahana hahatakatra ny antony nanaovany zavatra sy ny fihetseham-pony, ary ny fiainany.

 23 Milaza toy izao koa ny Baiboly: “Mifandefera, ka mifamelà heloka.” (Kolosiana 3:13) Ilay hoe “mifandefera” dia toa milaza hoe mila miaritra ny fahadisoan’ny olon-kafa isika, ka mandefitra amin’ny toetrany mahasosotra antsika. Manampy antsika tsy ho sosotra aminy foana izany. Ilay hoe ‘mamela’ kosa dia midika hoe tsy mitana lolompo. Fantatr’ilay Andriamanitra hendry fa ilaintsika ny mamela heloka, rehefa mety ny hanaovana izany. Tsy vitan’ny hoe hahasoa an’ilay olona izany, fa hampilamina ny saina sy ny fontsika koa. (Lioka 17:3, 4) Feno fahendrena tokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra!

24. Inona no mitranga rehefa miaina mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra isika?

24 Tsy misy fetra ny fitiavan’i Jehovah, ka maniry hifandray amintsika izy. Nifidy ny fomba tsara indrindra izy, dia “taratasy” nosoratan’olombelona teo ambany fitarihan’ny fanahy masina. Mirakitra ny fahendren’Andriamanitra izy io, noho izany. “Marina indrindra”, na azo itokisana, izany fahendrena izany. (Salamo 93:5) Vao mainka mihakaiky an’ilay Andriamanitsika tena hendry indrindra isika, rehefa miaina mifanaraka amin’ny fahendreny sy miresaka izany amin’ny olona. Horesahintsika ao amin’ny toko manaraka ny ohatra lehibe momba ny fahendren’i Jehovah mitsinjo ny lavitra, dia ny fahaizany manambara mialoha ny hoavy sy manatanteraka ny fikasany.

^ feh. 8 Nampiasa ohatra avy amin’ny fiainan’ny mpiandry ondry i Davida, satria mpiandry ondry izy. (Salamo 23) Mpamory hetra i Matio taloha, ka niresaka matetika momba ny tarehimarika sy ny vola. (Matio 17:27; 26:15; 27:3) Hita amin’ny zavatra nosoratan’i Lioka fa dokotera izy.—Lioka 4:38; 14:2; 16:20.

^ feh. 14 Leptona ireo vola madinika narotsany, ary io no vola jiosy tsy nisy vidiny indrindra tamin’izany. Mitovy amin’ny karama latsaka ny ampahefatry ny andro ny leptona roa. Tsy ampy akory izany mba hividianana tsintsina, izay vorona mora indrindra azon’ny mahantra natao sakafo.

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA

Ahoana no Handraisan-tsoa Amin’ny Famakiana Baiboly?

Tsy hahasoa antsika ny Baiboly raha tsy ianarantsika sy ampiharintsika. Hohazavaina ato hoe inona no azonao atao mba handraisanao soa amin’ny famakiana Baiboly.

IZA NO TENA MANAO NY SITRAPON’I JEHOVAH?

Nahoana Izahay no Namoaka Baiboly?

Inona no mampiavaka ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?