Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

 TOKO 12

Aoka Isika Hanao Teny Mampahery

Aoka Isika Hanao Teny Mampahery

“Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo, fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa.”EFESIANINA 4:29.

1-3. a) Inona no fanomezana nomen’i Jehovah antsika, ary ahoana no mety hampiasana azy io amin’ny fomba ratsy? b) Ahoana no tokony hampiasantsika azy io, raha te ho tian’Andriamanitra foana isika?

AOKA hatao hoe nomenao fanomezana ny namanao. Inona no ho tsapanao raha fanahy iniany nanaovana zava-dratsy ilay izy? Bisikileta angamba no nomenao azy, nefa renao fa nentiny nitrifana ilay izy ka nandratra olona. Tsy halahelo ve ianao?

2 Fanomezana avy amin’i Jehovah ny fahafahana miteny. Izy no Mpanome “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jakoba 1:17) Mampiavaka ny olona amin’ny biby io fanomezana io, ary ahafahantsika mamoaka izay ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. Azo ampiasaina amin’ny fomba ratsy anefa izy io, toy ilay bisikileta ihany. Tena malahelo àry i Jehovah, raha tsy mitandrina isika rehefa mampiasa azy io, ka mandratra fo na mampalahelo olona!

3 Ho tian’Andriamanitra foana isika, raha mampiasa an’io fanomezany io araka ny nikasany azy. Lazainy mazava tsara hoe teny manao ahoana no tiany. Hoy ny Baiboly: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo, fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa, rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino.” (Efesianina 4:29)  Hodinihintsika hoe nahoana isika no mila mitandrina an’izay lazaintsika, teny manao ahoana no tsy tokony holazaintsika, ary ahoana no hanaovantsika “teny tsara ho fampaherezana.”

NAHOANA NO ILAINA NY MITANDRINA?

4, 5. Ahoana no ampisehoan’ny Ohabolana fa manan-kery ny teny?

4 Ny antony iray lehibe dia satria manan-kery ny teny. Hoy ny Ohabolana 15:4: “Hazon’aina ny tenin’ny olona tony, fa ny tenin’ny mpamitaka kosa mahakivy.” Velombelona ny hazo rehefa mahazo rano, ary velombelona toy izany koa isika rehefa mandre teny mampitony. Mahakivy kosa ny teny misy heviny ambadika ataon’ny olona ratsy saina. Mety hanasitrana na handratra àry ny teny.—Ohabolana 18:21.

5 Mazava be ny fomba ilazan’ny Ohabolana 12:18 ny herin’ny teny: “Misy manao teny tsy voahevitra, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra.” Mandratra fo sy manimba fihavanana ny teny tsy voahevitra ataon’ny olona mailaka hiteny. Asa raha efa nisy nanao teny maharary taminao, ka toy ny hoe voatsindron’ny sabatra ny fonao! Mampahery kosa ny tohin’io ohabolana io, manao hoe:  ‘Manasitrana ny tenin’ny hendry.’ Mety hanasitrana ratram-po sy handravona fihavanana ny teny voahevitra tsara lazain’ny olona hendry. Efa nisy fotoana ve nahatsapanao hoe nanasitrana anao ny teny feno hatsaram-panahy? (Vakio ny Ohabolana 16:24.) Hitantsika àry fa manan-kery ny teny, ka teny manasitrana no irintsika holazaina fa tsy teny mandratra fo.

Mamelombelona ny mandre teny mampitony

6. Nahoana no tena sarotra ny mifehy ny lela?

6 Tsy mahafehy tanteraka ny lelantsika anefa isika, na miezaka mafy toy inona aza. Ny antony faharoa tokony hitandremana izay lazaina àry dia satria tsy lavorary sy mpanota isika, ary mahatonga antsika hampiasa ny lela amin’ny fomba ratsy izany. Izay ao am-pon’ny olona no lazainy, nefa zava-dratsy matetika no ao. (Genesisy 8:21; Lioka 6:45) Tena sarotra àry ny mifehy ny lela. (Vakio ny Jakoba 3:2-4.) Tsy hahafehy tanteraka azy io isika, nefa afaka miezaka hatrany mba hahay hampiasa azy io. Mila miezaka foana, ohatra, ny olona milomano manohitra ny fikorianan’ny rano. Mila miezaka mafy foana koa isika mba hanohitra ny fakam-panahy hampiasa ny lelantsika amin’ny fomba ratsy.

7, 8. Ahoana no mety hiheveran’i Jehovah ny fanompoantsika azy raha tsy mitandrina an’izay lazaintsika isika?

7 Ny antony fahatelo tokony hitandremana an’izay lazaina dia satria ataon’i Jehovah ampamoaka noho ny tenintsika isika. Misy vokany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny olona sy eo amin’ny fiheveran’i Jehovah antsika ny fomba ampiasantsika ny lelantsika. Hoy ny Jakoba 1:26: “Raha misy olona mihevi-tena ho mpivavaka nefa tsy manisy lamboridy ny lelany, fa mbola mamitaka ny fony ihany izy, dia zava-poana ny fivavahana arahin’izany olona izany.” Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha fa tena misy ifandraisany ny teny lazaintsika sy ny  fanompoantsika an’Andriamanitra. Mety ho zava-poana aminy izay rehetra ataontsika hanompoana azy, raha tsy mifehy ny lelantsika isika, fa zatra manao teny mandratra fo, izay toy ny poizina mitera-doza. Tsy mampieritreritra ve izany?—Jakoba 3:8-10.

8 Mazava àry fa tena mila mitandrina isika mba tsy hampiasa an’io fanomezana io amin’ny fomba ratsy. Horesahintsika aloha hoe teny manao ahoana no tsy tokony holazain’ny tena Kristianina. Hodinihintsika avy eo hoe teny manao ahoana no mahasoa sy mampahery.

TENY MISY VOKANY RATSY

9, 10. a) Manao ahoana matetika ny fitenin’ny olona eto amin’ity tontolo ity? b) Nahoana isika no tsy tokony hanao resaka vetaveta? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

9 Resaka vetaveta. Fanaon’ny olona eto amin’ity tontolo ity ny manompa sy miteny ratsy ary manao resaka vetaveta. Maro no miteny ratsy mba hanamafisana an’izay lazainy, na rehefa tezitra. Mampiasa teny mamoafady sy miresaka an-kolaka momba ny firaisana koa ny mpanao hatsikana mba hampihomehezana. Tsy mampihomehy mihitsy anefa izany! Nanoro hevitra an’ireo Kristianina tany Kolosia i Paoly, 2 000 taona lasa izay, mba tsy hanao “resaka vetaveta.” (Kolosianina 3:8) Nilaza tamin’ireo Kristianina tany Efesosy koa izy fa anisan’ny zavatra tsy tokony ‘hotononina eo amin’ny’ tena Kristianina ny “vazivazy vetaveta.”—Efesianina 5:3, 4.

10 Maharikoriko an’i Jehovah ny resaka vetaveta, ka tokony haharikoriko an’izay tia azy koa. Tsy manao na mihaino resaka vetaveta àry isika. Nilaza i Paoly fa anisan’ny “asan’ny nofo” ny “fahalotoana”, ary anisan’ny fahalotoana ireny teny maloto ireny. (Galatianina 5:19-21) Tsy azo hamaivanina izany. Mety ho voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana ny olona iray, raha zatra milaza zavatra mamoafady  sy mampietry, nefa tsy mibebaka na dia efa nanarina imbetsaka aza. *

11, 12. a) Nahoana no ratsy ny mifosa? b) Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tsy tokony hanendrikendrika?

11 Fifosana, fanendrikendrehana. Ratsy foana ve ny miresaka olona? Tsy voatery ho izany, raha toa isika mampita vaovao tsara fotsiny na zavatra hafa tsara ho fantatra, toy ny hoe iza no vao natao batisa, na iza no mila ampaherezina. Tena tian’ireo Kristianina voalohany ho fantatra hoe manao ahoana ny mpiray finoana aminy. Nifampilaza vaovao momba azy ireny koa izy ireo. (Efesianina 6:21, 22; Kolosianina 4:8, 9) Ratsy kosa ny mifosa, satria mety hanova ny fomba ilazany ny zava-misy na hitantara fiainan’olona manokana ilay manao izany. Mety hanendrikendrika mihitsy aza ny olona mifosa, ary mitera-doza foana izany. ‘Miampanga olona ho nanao ratsy, ka manala baraka azy’ ny hoe manendrikendrika. Nanendrikendrika an’i Jesosy, ohatra, ny Fariseo mba hahatonga azy ho ratsy laza. (Matio 9:32-34; 12:22-24) Matetika no mampifanditra ny fanendrikendrehana.—Ohabolana 26:20.

12 Tsy avelan’i Jehovah ho afa-maina izay mampiasa ny fahafahana miteny, mba hanaratsiana ny hafa na mba hampisara-bazana. Halany ireo “mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy.” (Ohabolana 6:16-19) Diabôlôs no teny grika nadika hoe “mpanendrikendrika”, ary ilazana an’i Satana izy io. Izy no “Devoly”, na mpanendrikendrika an’Andriamanitra. (Apokalypsy 12:9, 10) Azo  antoka fa tsy tiantsika ny hilaza zavatra mety hahatonga antsika ho toy ny Devoly. Tsy tokony hisy hanendrikendrika eo anivon’ny fiangonana. Mahatonga asan’ny nofo, toy ny “fifandirana” sy “fisaratsarahana”, mantsy izany. (Galatianina 5:19-21) Eritrereto àry izao alohan’ny hilazanao zavatra momba ny hafa: ‘Marina ve ilay izy? Ho tsara fanahy amin’ilay olona ve aho raha milaza an’ilay izy? Ilaina ve ny hilazako an’izany? Mety ve izany?’—Vakio ny 1 Tesalonianina 4:11.

13, 14. a) Inona no tsapan’ny olona rehefa misy manevateva azy? b) Nahoana no lazaina hoe mitady loza izay zatra manevateva?

13 Fanevatevana. Efa hitantsika fa mety handratra fo ny teny sasany. Miaiky koa isika fa samy efa nilaza zavatra nanenenantsika. Tsy lavorary mantsy isika. Mampitandrina anefa ny Baiboly fa misy teny tsy tokony holazain’ny Kristianina mihitsy, na ao an-tranony na eo anivon’ny fiangonana. Hoy i Paoly: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.” (Efesianina 4:31) Adika hoe “ozona”, “teny mandratra fo”, ary “ompa” ny “fanevatevana” ao amin’ny Baiboly sasany. Anisan’ny hoe manevateva ny mametaka anarana manambany sy manakiana mafy tsy misy farany. Mety hahatsiaro ho afa-baraka sy tsy misy vidiny ny olona tevatevaina. Ny ankizy no tena mora malahelo amin’izany, satria matoky olona sady mora tohina.—Kolosianina 3:21.

14 Mampiasa teny faran’izay mahery ny Baiboly mba hampisehoana fa ratsy ny hoe zatra manevateva, izany hoe zatra milaza teny manambany na manivaiva. Mitady loza izay zatra manao an’izany satria mety hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana izy, raha tsy miova rehefa avy nampiana imbetsaka. Mety tsy ho afaka hiaina ao amin’ny tontolo vaovao koa izy. (1 Korintianina 5:11-13; 6:9, 10)  Mazava àry fa tena tsy afaka ny ho tian’Andriamanitra foana isika, raha zatra manao teny tsy mahasoa, tsy marina, ary tsy misy hatsaram-panahy. Misy vokany ratsy ny teny toy izany.

“TENY TSARA HO FAMPAHEREZANA”

15. Inona no mampiavaka ny “teny tsara ho fampaherezana”?

15 Ahoana àry no hampiasantsika an’io fanomezan’Andriamanitra io, araka ny nikasany azy? Tadidio fa ampirisihin’ny Baiboly isika hanao “teny tsara ho fampaherezana.” (Efesianina 4:29) Faly i Jehovah rehefa milaza teny mampahery isika. Mila mieritreritra tsara izay holazaintsika àry isika. Tsy manome lalàna mazava momba izany ny Baiboly, ary tsy manome lisitry ny karazana “teny mahasoa” koa. (Titosy 2:8) Mahasoa sy marina ary misy hatsaram-panahy ny teny mampahery. Mila mitadidy an’ireo zavatra tsotra nefa tena lehibe ireo isika, raha te hilaza “teny tsara ho fampaherezana.” Andao handinika ohatra vitsivitsy momba izany.—Jereo ilay efajoro hoe “ Mampahery ve ny Teniko?

16, 17. a) Nahoana isika no tokony hidera ny hafa? b) Rahoviana isika no afaka midera ny hafa eo anivon’ny fiangonana? Ary ao an-tokantrano?

16 Teny fiderana vokatry ny fo. Samy miaiky na i Jehovah na i Jesosy fa ilaina ny midera sy mankasitraka ny hafa. (Matio 3:17; 25:19-23; Jaona 1:47) Mety koa àry raha manao teny fiderana amim-pahatsorana isika Kristianina. Nahoana? Hoy ny Ohabolana 15:23: “Tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!” Eritrereto àry izao: ‘Inona no tsapako rehefa derain’ny olona amim-pahatsorana aho? Tsy mahafaly sy mampahery ahy ve izany?’ Izany tokoa, satria ny teny fiderana vokatry ny fo no ahafantaranao fa misy mahamarika sy misy miahy ianao, ary tsy very maina ny ezaka nataonao. Mihamatoky tena ianao  vokatr’izany, ary vao mainka te hanao tsara kokoa. Raha tianao àry ny hanaovana teny fiderana, tsy mba tokony hiezaka hanao teny fiderana koa ve ianao?—Vakio ny Matio 7:12.

17 Mianara mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona, ary manaova teny fiderana. Mety handre lahateny mirindra tsara, ohatra, ianao any am-pivoriana, na hahamarika tanora miezaka hanatratra tanjona eo amin’ny fanompoana, na zokiolona mivory tsy tapaka na dia efa mandroso taona aza. Mety hanohina ny fon’izy ireny ny teny fiderana vokatry ny fo, ary hampahery azy mihitsy. Ary ahoana ny ao an-tokantrano? Ilain’ny olona koa ny mandre teny fiderana sy fankasitrahana avy amin’ny vadiny. (Ohabolana 31:10, 28) Ny ankizy no tena faly rehefa mahatsapa hoe misy mahamarika sy mankasitraka azy. Toy ny zavamaniry mahazo tara-masoandro sy voatondraka tsara ny ankizy mahazo teny fiderana sy fankasitrahana. Ry ray aman-dreny, derao ny zanakareo isaky ny maneho toetra tsara sy miezaka manao zavatra tsara. Ho lasa be herim-po sy hatoky tena izy, ka vao mainka hiezaka mafy kokoa hanao ny tsara.

18, 19. Nahoana isika no tokony hiezaka mafy hampionona ny mpiray finoana amintsika, ary ahoana no azo anaovana izany?

18 Teny fampiononana. Tena miahy an’ireo “torotoro fo” i Jehovah. (Isaia 57:15) Mampirisika antsika ny Teniny mba ‘hifampionona hatrany’ sy “hanao teny mampahery ny kivy.” (1 Tesalonianina 5:11, 14) Tokony hiezaka hampionona ny mpiray finoana àry isika rehefa malahelo mafy izy ireo. Afaka mahazo antoka isika fa voamarik’i Jehovah sady ankasitrahany izany.

Faly i Jehovah rehefa manao teny mampahery isika

19 Inona àry no azonao lazaina mba hampaherezana Kristianina kivy na ketraka mafy? Aza mieritreritra hoe tsy maintsy mamaha ny olana mahazo azy ianao.  Teny tsotra fotsiny matetika dia efa tena mampahery azy. Omeo toky izy fa miahy azy ianao. Miaraha mivavaka aminy, ka iangavio i Jehovah mba hanampy azy hahatsapa fa tena tian’ny olona izy sady tena tian’Andriamanitra. (Jakoba 5:14, 15) Lazao aminy hoe tena ilaina sy sarobidy izy eo anivon’ny fiangonana. (1 Korintianina 12:12-26) Amakio andinin-teny mampahery izy mba hahazoany antoka fa tena miahy azy i Jehovah. (Salamo 34:18; Matio 10:29-31) Azo antoka fa hahatsiaro ho tiana sy ankasitrahana ny olona kivy, raha maka fotoana ampy tsara ianao mba hilazana “teny soa” aminy sy teny vokatry ny fonao.—Vakio ny Ohabolana 12:25.

20, 21. Inona avy no mahatonga ny torohevitra handaitra?

20 Torohevitra mandaitra. Mila torohevitra daholo isika indraindray satria tsy lavorary. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Henoy ny torohevitra, ary raiso ny anatra mba ho hendry ianao amin’ny hoavy.” (Ohabolana 19:20) Tsy ny anti-panahy ihany no afaka manoro hevitra. Manao izany amin’ny zanany koa ny ray aman-dreny. (Efesianina 6:4) Ny anabavy matotra koa mety hila hanoro hevitra ny vehivavy tanora. (Titosy 2:3-5) Raha manana fitiavana isika, dia hanome torohevitra mora raisina fa tsy mahakivy. Inona no hanampy antsika hanao izany? Ireto  misy zavatra telo mahatonga ny torohevitra handaitra kokoa: 1) Ny toe-tsain’ilay mpanome torohevitra sy ny antony manosika azy, 2) ny nakany an’ilay torohevitra, ary 3) ny fomba anomezany an’ilay izy.

21 Miankina amin’ilay mpanome torohevitra ny hahatonga azy io handaitra. Mieritrereta àry hoe: ‘Rehefa inona no hitako hoe mora raisina ny torohevitra omena ahy?’ Mora raisina izy io rehefa fantatrao fa miahy anao ilay manoro hevitra, sady tsy hoe sorena aminao na misy antony ambadika anomezany an’ilay izy. Tsy tokony ho toy izany koa àry ve ny toe-tsainao sy ny antony manosika anao, rehefa ianao no manoro hevitra? Misy vokany koa ny torohevitra raha avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16) Tokony hiorina amin’izy io foana ilay torohevitra, na hampiseho andinin-teny ianao na tsia. Mitandrina àry ny anti-panahy mba tsy hanery ny hafa hitovy hevitra aminy. Tsy manolana ny hevitry ny Soratra Masina koa izy ireo mba ho toy ny hoe manamarina izay lazainy ny Baiboly. Ankoatra izany, dia mandaitra kokoa ny torohevitra raha mety tsara ny fomba ilazana azy. Mora raisina, ohatra, izy io raha lazaina amin-katsaram-panahy. Mahatsapa hoe hajaina koa amin’izay ilay omena torohevitra.—Kolosianina 4:6.

22. Ahoana no tianao hampiasana ny fahafahana miteny, izay fanomezan’Andriamanitra?

22 Fanomezana sarobidy tokoa ny fahafahana miteny. Tokony hampiasa azy io amin’ny fomba tsara isika fa tsy amin’ny fomba ratsy, satria tia an’i Jehovah. Tadidio fa mety hampahery na hanakivy ny tenintsika. Miezaha mafy àry hampiasa an’io fanomezana io araka ny nikasan’ilay Mpanome azy, izany hoe mba ‘hampaherezana.’ Hahasoa ny hafa ny tenintsika amin’izay, sady hahatonga antsika ho tian’Andriamanitra foana.

^ feh. 10 Malalaka be ny hevitr’ilay teny hoe “fahalotoana” ao amin’ny Baiboly, satria milaza fahotana maromaro. Tsy ny fahalotoana rehetra no ilana hananganana komitim-pitsarana, nefa mety ho voaroaka ny olona zatra manao fahalotoana lehibe, raha tsy mibebaka.—2 Korintianina 12:21; Efesianina 4:19; jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2006.

Fanampim-panazavana

Moa ve Ianao Mitana ny Teninao?

Mila mitana ny teniny ny Kristianina fa tsy hivadibadi-dela. Ary ahoana raha tsy maintsy manafoana ny fotoanantsika tamin’olona isika? Tahafo ny apostoly Paoly.