Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

 FANAZAVANA FANAMPINY

Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototra sy Teknika Fandidiana

Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototra sy Teknika Fandidiana

Zavatra avy amin’ny taharo fototra. Ireto avy ny taharo fototry ny ra: Liomena, liofotsy, plakety, ary plasma. Misy zavatra hafa ao amin’ny tsirairay amin’ireo. Misy hemoglobinina, ohatra, ao amin’ny liomena. Ampiasaina hitsaboana olona tena tsy ampy ra na very ra be, ny fanafody sasany misy hemoglobinina avy amin’ny olona na biby.

Rano ny 90 isan-jaton’ny plasma. Misy hormonina sy anzima be dia be ao anatin’izy io. Ao koa ny karazana sira sy zavatra mahavelona toy ny mineraly sy siramamy, ny zavatra mampandry ra sy miady amin’ny aretina, ary ny proteinina toy ny albiminina. Mety hasain’ny dokotera tsindronina gammaglobuline ny olona mety ho voa na efa voan’ny aretina iray. Avy amin’ny plasman’olona manana hery fiarovana io fanafody io. Ny liofotsy indray kosa mety ho azo akana zavatra hitsaboana kansera na aretina sasany azo avy amin’ny virosy.

 Tokony hanaiky fitsaboana ampiasana zavatra avy amin’ny taharo fototra ve ny Kristianina? Tsy manome tsipiriany momba izany ny Baiboly fa ny tsirairay no manapa-kevitra, arakaraka izay mety amin’ny feon’ny fieritreretany. Mety tsy hanaiky zavatra avy amin’ny taharo fototra ny olona sasany. Mieritreritra angamba izy fa tokony hararaka “amin’ny tany” ny ra esorina amin’ny zavamananaina, araka ny Lalàna nomena ny Israely. (Deoteronomia 12:22-24) Mety hanaiky kosa ny sasany, satria mihevitra izy fa tsy mifanitsy amin’ny aina intsony ireny zavatra avy amin’ny taharo fototra ireny.

Eritrereto àry izao rehefa hanapa-kevitra ianao: Fantatro ve fa raha tsy ekeko ny zavatra rehetra avy amin’ny taharo fototra, dia midika izany fa tsy ekeko ny fanafody sasany misy zavatra miady amin’ny aretina, na fanafody mampandry ra mba hampijanona ny ra very? Raha manaiky zavatra iray na maromaro avy amin’ny taharo fototra aho na tsy manaiky, ho haiko ve ny hanazava ny antony amin’ny dokotera?

Teknika fandidiana. Misy teknika samihafa azo atao mba hampihenana ny ra very. Avily hiala amin’ny vatana, ohatra, ny ra ary soloana ranoka. Averina ao amin’ny vatana ilay ra avy eo, amin’ny faran’ny fandidiana na mandritra an’ilay izy. Mety halaina koa ny ra very eo am-pandidiana, dia diovina na tantavanina, ary averina ao amin’ilay marary amin’ny faran’ny fandidiana na mandritra an’ilay izy. Samy manana ny fomba anatanterahany an’ireo teknika ireo ny dokotera, ka  tokony hanontany ny dokoterany ny Kristianina hoe ahoana no hataony.

Eritrereto izao rehefa hanapa-kevitra ianao: ‘Raha misy avily hiala amin’ny vatako ny rako ary angamba mety hijanona tsy hikoriana kely vetivety ilay izy, mbola heken’ny saiko ve hoe anisan’ny tenako ihany io ra io ka tsy voatery hararaka “amin’ny tany”? (Deoteronomia 12:23, 24) Hanenjika ahy ve  ny eritreritro raha anesorana ny rako mandritra ny fandidiana, ka asiana fanafody, ary avy eo averina ao amin’ny vatako? Fantatro ve fa raha tsy manaiky ny fitsaboana rehetra ampiasana ny rako aho, dia midika koa izany fa tsy hanaiky hakana ra hanaovana fitiliana aho, sady tsy hanaiky hatao dializy, na hampiasa milina solona fo sy havokavoka?’

Ny Kristianina tsirairay no hanapa-kevitra ny amin’izay hanaovana ny rany mandritra ny fandidiana. Izy ihany koa no hanapa-kevitra raha ekeny hoe hakana kely ny rany mba hanaovana fitiliana, na hampiasaina amin’ny fitsaboana ka angamba hasiana fanafody ary ampidirina ao aminy indray.