Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

 TOKO 5

Misaraha Amin’izao Tontolo Izao

Misaraha Amin’izao Tontolo Izao

“Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo.”JAONA 15:19.

1. Inona no nantitranterin’i Jesosy ny alina talohan’ny nahafatesany?

TENA nanahy momba ny hoavin’ny mpianany i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany. Nivavaka mafy momba izany tamin-dRainy mihitsy aza izy hoe: “Tsy ny hanalanao azy eto amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny mba hiarovanao azy amin’ilay ratsy. Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:15, 16) Hita eo fa tena tiany ny mpianany, ary tena zava-dehibe ilay zavatra nolazainy tamin’ny sasany tamin’izy ireo talohan’izay hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo.” (Jaona 15:19) Nantitranterin’i Jesosy àry fa tena tokony hisaraka amin’ity tontolo ity ny mpianany!

2. Inona ilay “tontolo” noresahin’i Jesosy?

2 Ilay hoe “izao tontolo izao”, dia ny olona rehetra tsy mihavana amin’Andriamanitra sy fehezin’i Satana ary tia tena sy manambony tena toa azy. (Jaona 14:30; Efesianina 2:2; 1 Jaona 5:19) ‘Fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’io tontolo io.’ (Jakoba 4:4) Tokony hisaraka amin’izy io àry izay rehetra te ho tian’Andriamanitra foana. Ahoana no hahavitana izany nefa isika miaina eo amin’io tontolo io? Hahavita izany isika raha: 1) Tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy tsy manao politika, 2) manohitra ny fanahin’ity tontolo ity, 3) manao fitafiana sy fihaingo maotina, 4) manana fiainana tsotra, ary 5) mitafy ny fiadiana fiarovana.

 AZA MIVADIKA ARY AZA MANAO POLITIKA

3. a) Nahoana i Jesosy no tsy nanao politika? b) Nahoana ny voahosotra no toy ny ambasadaoro? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

3 Tsy nanao politika i Jesosy fa nanokana ny fiainany hitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy no ho Mpanjakan’io fitondram-panjakana any an-danitra io. (Daniela 7:13, 14; Lioka 4:43; 17:20, 21) Afaka nilaza tamin’i Pontio Pilato, governora romanina, àry izy hoe: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Manahaka an’i Kristy ny tena mpanara-dia azy, ka tsy mivadika aminy sy ny Fanjakany ary mitory an’io Fanjakana io amin’izao tontolo izao. (Matio 24:14) Hoy ny apostoly Paoly: ‘Ambasadaoro solon’i Kristy izahay. Solon’i Kristy izahay ka miangavy hoe: “Mba mihavàna amin’Andriamanitra re ianareo e!”’ *2 Korintianina 5:20.

4. Ahoana no hampisehoan’ny tena Kristianina rehetra fa tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy? (Jereo ilay efajoro hoe “ Tsy Nanao Politika Ny Kristianina Voalohany.”)

4 Solontenan’ny fireneny, na solontenan’ny mpitondra ny fireneny ny ambasadaoro, ary mipetraka any an-tany hafa. Tsy miditra amin’ny politikan’io tany io àry izy. Mampirisika ny hafa hanohana ny fitondram-panjakana any amin’ny taniny izy. Manao toy izany ny voahosotra, izay “olom-pirenen’ny lanitra.” (Filipianina 3:20) Mazoto mitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, ka lasa ‘mihavana amin’Andriamanitra’ ny olona an-tapitrisany anisan’ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16; Matio 25:31-40) Andiany iray ihany ny voahosotra sy ny ondry hafa, ary mifanampy izy ireo. Samy mampirisika ny olona hanohana ny Fanjakan’ny  Mesia izy ireo, ka tsy miditra amin’ny politikan’ity tontolo ity mihitsy.—Vakio ny Isaia 2:2-4.

5. Inona no tsy mampitovy ny Kristianina sy ny Israelita? Inona no tsy tokony hataon’ny Kristianina vokatr’izany?

5 Tsy manao politika àry ny tena Kristianina, satria tsy  mivadika amin’i Kristy. Misy antony hafa koa anefa. Firenena nipetraka tao amin’ny tany iray ny Israelita, fa isika kosa mpirahalahy miparitaka eran-tany. (Matio 28:19; 1 Petera 2:9) Hisara-bazana isika raha manohana antoko politika ao amin’ny tany misy antsika. (1 Korintianina 1:10) Tsy hifanaraka amin’ny hafatra torintsika koa ny zavatra ataontsika. Mampirisika ny olona mba hanantena an’ilay Fanjakana mantsy isika. Hanjary hiady amin’ny mpiray finoana amintsika koa isika rehefa misy ady, nefa tokony ho tia azy ireo. (Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 3:10-12) Rariny àry raha nilaza i Jesosy fa tsy tokony hiady ny mpianany. Nasainy ho tia ny fahavalony mihitsy aza izy ireo.—Matio 5:44; 26:52; jereo ilay efajoro hoe “ Tsy Anisan’ity Tontolo ity ve Aho?

6. Ahoana no tokony hankatoavantsika an’i Kaisara, raha efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra isika?

6 Marina fa tokony homentsika an’i “Kaisara” izay tokony ho azy, izany hoe ny haja sy ny hetra, ary mankatò azy isika raha tsy mifanohitra amin’ny lalàn’i Jehovah ny zavatra takiny. Nanokan-tena ho an’Andriamanitra anefa isika, fa tsy ho an’olona, na fikambanana, na firenena. Hoy ny 1 Korintianina 6:19, 20: ‘Tsy anareo intsony ny tenanareo, fa voavidy ianareo.’ Omentsika an’Andriamanitra àry “izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17; Romanina 13:1-7) Tafiditra amin’izany ny hoe tia azy amin’ny fo manontolo, manompo azy, ary mankatò azy foana. Vonona hamoy ny aintsika ho azy isika, raha ilaina.—Lioka 4:8; 10:27; vakio ny Asan’ny Apostoly 5:29; Romanina 14:8.

TOHERO “NY FANAHIN’IZAO TONTOLO IZAO”

7, 8. Inona no atao hoe “fanahin’izao tontolo izao”? Inona no vokany rehefa “miasa” ao amin’ny olona tsy mankatò izy io?

7 Misaraka amin’izao tontolo izao koa ny Kristianina, rehefa manohitra ny toe-tsaina ratsiny. Hoy i Paoly: “Isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny fanahy avy  amin’Andriamanitra.” (1 Korintianina 2:12) Hoy koa izy tamin’ny Efesianina: “Tao amin’izany ... no nandehananareo taloha, araka an’ity tontolo ity sy araka an’ilay mpitondra ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.”—Efesianina 2:2, 3.

8 Inona ilay “rivotra”, na fanahin’izao tontolo izao? Hery mampirisika ny olona tsy hankatò an’Andriamanitra izy io, ary mitaona azy ireo hanaram-po amin’ny “fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso.” (1 Jaona 2:16; 1 Timoty 6:9, 10) Manana ‘fahefana’ izy io satria misarika ny nofo mpanota, miasa an-kolaka, tsy mety lefy, ary miely toy ny rivotra. “Miasa” ao amin’ny olona tsy mankatò koa izy io, ka mampirisika tsikelikely azy ireo mba ho tia tena, hirehareha, haniry mafy ho ambony, hitondra tena araka izay tiany, ary hikomy. * Mahatonga ny toetran’ny Devoly hitombo tsikelikely ao am-pon’ny olona izy io.—Jaona 8:44; Asan’ny Apostoly 13:10; 1 Jaona 3:8, 10.

9. Inona avy no mety hahatonga ny fanahin’izao tontolo izao hiditra ao am-po sy ao an-tsainao?

9 Mety hamaka ao am-po sy ao an-tsainao ve ny fanahin’izao tontolo izao? Miankina aminao ihany. Mety hitranga izany raha tsy mailo ianao. (Vakio ny Ohabolana 4:23.) Mety hahatonga ny fanahin’izao tontolo izao hiditra ao aminao izay rehetra mampita ny fisainan’i Satana sy ny tontolony, na olona io na zavatra. Matetika izy io no miditra an-kolaka, angamba amin’ny alalan’ny olona ifandraisanao. Hoatran’ny hoe tsara toetra, ohatra, izy, saingy tsy tia an’i Jehovah. (Ohabolana 13:20; 1 Korintianina 15:33) Mety hahatonga anao hanana an’io toe-tsaina ratsy io koa ny boky tsy mety amin’ny Kristianina, sary vetaveta na lahatsoratry ny mpivadi-pinoana ao amin’ny Internet, ary ny  fialam-boly tsy mahasoa. Eo koa ny karazana fanatanjahan-tena misy fifaninanana be.

10. Ahoana no hanoherantsika ny fanahin’izao tontolo izao?

10 Ahoana no hanoherantsika ny fanahin’izao tontolo izao, ka ho tian’Andriamanitra foana isika? Ilaintsika ny mandray ny fanampiana rehetra omen’i Jehovah, sy mivavaka foana mba hahazo ny fanahy masina. Mahery noho ny Devoly sy ny tontolo ratsiny i Jehovah. (1 Jaona 4:4)  Tena mila mifandray akaiky aminy amin’ny alalan’ny vavaka àry isika!

MANAOVA FITAFIANA SY FIHAINGO MAOTINA

11. Lasa manao ahoana ny fomba fiakanjon’ny olona eto amin’ity tontolo ity?

11 Hita amin’ny fomba fiakanjo sy fihaingo ary ny fahadiovan’ny olona ny toe-tsainy. Lasa tena tsy mendrika ny fitafin’ny olona any amin’ny tany maro. Nisy mpiteny amin’ny tele nilaza mihitsy hoe tsy ho hita intsony izay hanavahana ny mpivaro-tena, atsy ho atsy. Na ny ankizivavikely aza lasa miakanjo toy izany. Hoy ny gazety iray: “Ny vatana ahanjahanjany, fa ny fahamaotinana tsy asiany lanjany.” Be mpanao koa ny fitafiana misavoritaka, izay mampiavaka ny olona tia mikomy sy tsy mba manaja ny tenany.

12, 13. Inona avy no toro lalana tokony harahintsika momba ny fitafy sy fihaingo?

12 Mpanompon’i Jehovah isika, ka tena tokony hanao akanjo madio sy milamina, voafidy tsara, ary mifanentana amin’izay atao. Mila miakanjo “maotina sy amim-pahendrena” foana àry isika, sady manao “asa tsara.” Izany no tokony hataon’ny olona rehetra “milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra”, na lehilahy izy na vehivavy. Ny ‘hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra’ anefa no tena tadiavintsika, fa tsy ny hisarika ny mason’ny olona. (1 Timoty 2:9, 10; Joda 21) Ny ‘toetra miafina ao am-po, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra’, no haingo tsara indrindra tiantsika hananana.—1 Petera 3:3, 4.

13 Tadidio koa fa mety ho arakaraka ny fomba fitafy sy fihaingontsika no hitsaran’ny olona ny fivavahana marina arahintsika. Ilay teny grika nadika hoe “maotina”, dia midika koa hoe manaja fatratra ny fomba fihevitry ny olona sy mihevitra ny fihetseham-pony. Tokony hataontsika tanjona àry ny hampandefitra ny zontsika, mba hanajana ny feon’ny fieritreretan’ny hafa. Ny hanome voninahitra an’i  Jehovah sy ny vahoakany no tena irintsika. Tiantsika haseho koa fa mpanompon’Andriamanitra isika, ka ataontsika ‘ho voninahiny ny zava-drehetra.’—1 Korintianina 4:9; 10:31; 2 Korintianina 6:3, 4; 7:1.

Manome voninahitra an’i Jehovah ve ny fomba fitafiko?

14. Inona avy no fanontaniana tokony hoeritreretintsika momba ny fomba fitafy sy ny fahadiovana?

14 Mila tandremana kokoa ny fomba fitafy sy fihaingo ary fahadiovana, rehefa manompo sy mivory. Eritrereto hoe: ‘Misarika be loatra ny hafa ve ny fomba fitafiko? Mahamenatra ny hafa ve ilay izy? Madio tsara ve aho sa misy fofona manelingelina? Marina fa manana zo hanao izay tiako aho, kanefa izany ve no zava-dehibe kokoa amiko noho ny hoe mahafeno fepetra mba hanao zavatra eo anivon’ny fiangonana?’—Filipianina 4:5; 1 Petera 5:6.

15. Nahoana no tsy misy lisitra lalàna momba ny fitafy sy fihaingo ary fahadiovana ao amin’ny Baiboly?

15 Tsy misy lisitra lalàna momba ny fitafy sy fihaingo ary fahadiovana ao amin’ny Baiboly. Manana safidy malalaka sy fahaiza-misaina mantsy isika, ary tsy tian’i Jehovah hesorina amintsika izany. Tiany ho matotra kosa isika, ka hahay handinika ny toro lalan’ny Baiboly sy ‘hampiasa ny fahaizantsika misaina mba ho zatra hanavaka ny tsara sy ny ratsy.’ (Hebreo 5:14) Tena tiany koa raha ny fitiavana azy sy  ny mpiara-belona no mibaiko antsika. (Vakio ny Marka 12:30, 31.) Maro ny karazana fitafiana sy haingo azo anaovana mifanaraka amin’ireo toro lalana ireo. Jereo fotsiny ny akanjo maro karazana anaovan’ny vahoaka falifaly manompo an’i Jehovah, na aiza na aiza ivoriany.

MANÀNA FIAINANA TSOTRA FOANA

16. Inona no tsy mampitovy ny fanahin’izao tontolo izao sy ny fampianaran’i Jesosy? Inona avy no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

16 Mamitaka ny fanahin’izao tontolo izao, ka mitarika olona maro hihevitra fa ny vola sy harena no mahasambatra. Hoy anefa i Jesosy: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Tsy nampirisika antsika hampihafy tena be anefa i Jesosy. Nilaza kosa izy fa hahazo fiainana sy tena ho sambatra isika,  raha “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” Hahazo izany koa isika raha miezaka foana mba hanana fiainana tsotra, izany hoe mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Matio 5:3; 6:22, fanamarihana ambany pejy) Eritrereto àry hoe: ‘Tena mino an’ireo tenin’i Jesosy ireo ve aho, sa manaiky ho voatarik’ilay “rain’ny lainga”? (Jaona 8:44) Inona no hita amin’ny zavatra lazaiko sy ataoko loha laharana, ary ny tanjoko sy ny fomba fiainako?’—Lioka 6:45; 21:34-36; 2 Jaona 6.

17. Inona avy no soa azon’izay manana fiainana tsotra foana?

17 Hoy i Jesosy: ‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony.’ (Matio 11:19) Eritrereto tokoa ange ny soa azon’izay manana fiainana tsotra foana e! Tena mamelombelona azy ny fanompoany. (Matio 11:29, 30) Tsy manahy be loatra izy ka tsy miady saina na rera-po. (Vakio ny 1 Timoty 6:9, 10.) Mianina amin’izay tena ilaina izy, ka manam-potoana bebe kokoa hiarahana amin’ny fianakaviany sy ny Kristianina hafa. Mamy kokoa ny torimasony vokatr’izany. (Mpitoriteny 5:12) Sambatra kokoa izy satria manome, na ahoana na ahoana fomba anaovany izany. (Asan’ny Apostoly 20:35) ‘Be fanantenana’ koa izy ary miadan-tsaina sy afa-po. (Romanina 15:13; Matio 6:31, 32) Fitahiana sarobidy tokoa izany!

“RAISO DAHOLO NY FIADIANA FIAROVANA”

18. Inona no lazain’ny Baiboly momba ilay fahavalontsika sy ny fomba fiasany ary ny ady ataontsika aminy?

18 Tsy tian’i Satana ho sambatra na hiaina mandrakizay isika, ka ataony izay hahatonga antsika tsy hanompo an’i Jehovah. (1 Petera 5:8) Ho voaro anefa isika raha miezaka mba ho tian’Andriamanitra foana. Hoy i Paoly: ‘Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ireo fanjakana sy fahefana sy mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.’ (Efesianina 6:12) Ady mafy ataon’ny olona mifampitazona  no atao hoe ‘tolona.’ Eo akaikintsika àry ny fahavalo iadiantsika, fa tsy hoe lavitra ka azo iafenana. Ny hoe “fanjakana” sy “fahefana” ary ‘mpanjakan’izao tontolo izao’ kosa, dia mampiseho fa voalamina tsara ny fanafihan’ny fahavalontsika tsy hita maso, ary fanahy iniana.

19. Inona avy ireo fiadiana fiarovana ilain’ny Kristianina?

19 Marina fa malemy isika ary voafetra ny herintsika. Afaka mandresy anefa isika. Amin’ny fomba ahoana? Mila mandray “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra” isika. (Efesianina 6:13) Hoy ny Efesianina 6:14-18: “Koa aoka ianareo ho mafy orina, ka ataovy fehikibo eo amin’ny andilanareo ny fahamarinana, ary tafio ny fahitsiana ho fiarovan-tratra. Dia kiraroy fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana ny tongotrareo. Ary ambonin’izany rehetra izany, dia raiso ny ampinga lehibe, dia ny finoana, izay hahafahanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy. Raiso koa ny fiarovan-dohan’ny famonjena, sy ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra. Ary mivavaha foana na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, eo ambany fitarihan’ny fanahy, sady manaova vavaka sy fitalahoana amin’ny endriny rehetra.”

20. Inona no tsy mampitovy antsika amin’ny miaramila ara-bakiteny?

20 Avy amin’i Jehovah ilay fiadiana, ka azo antoka fa maharo antsika raha eny amintsika foana. Mety tsy hiady mandritra ny fotoana lavalava ny miaramila ara-bakiteny. Tsy mitsahatra kosa ny ady iankinan’ny aina ataon’ny Kristianina, raha tsy rehefa ringana ny tontolon’i Satana, ary migadra ny anjely ratsy rehetra. (Apokalypsy 12:17; 20:1-3) Tohizo foana àry ny ezaka ataonao, raha miady mafy ianao mba tsy ho resin’ny fahalemena na ny fanirian-dratsy. Tsy maintsy ‘manisy mafy’ ny tenantsika mantsy isika rehetra, mba tsy hivadika amin’i Jehovah. (1 Korintianina 9:27) Vao mainka aza mampanahy raha tsy mitolona toy izany isika!

21. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te handresy isika?

 21 Tsy handresy isika raha amin’ny herintsika samirery. Nilaza àry i Paoly fa ilaina ny mivavaka amin’i Jehovah “na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, eo ambany fitarihan’ny fanahy.” Mila mihaino azy koa isika, izany hoe mianatra ny Teniny sy miaraka tsy tapaka amin’ireo “miaramila” namantsika. Tsy miady irery mantsy isika. (Filemona 2; Hebreo 10:24, 25) Raha arahintsika tsara ireo torohevitra rehetra ireo, dia haharesy isika sady ho afaka hiaro ny finoantsika rehefa misy manakiana azy io.

AOKA IANAO HO VONONA HIARO NY FINOANAO

22, 23. a) Nahoana isika no tsy maintsy vonona foana hiaro ny finoantsika, ary inona avy no fanontaniana tokony hoeritreretintsika? b) Inona no horesahina ao amin’ny toko manaraka?

22 Hoy i Jesosy: ‘Halan’izao tontolo izao ianareo, satria tsy anisan’izao tontolo izao.’ (Jaona 15:19) Tsy maintsy vonona foana àry ny Kristianina hiaro ny finoany, ary hanao izany amim-panajana sy amim-pahalemem-panahy. (Vakio ny 1 Petera 3:15.) Eritrereto izao: ‘Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no manao zavatra tsy eken’ny besinimaro indraindray? Raha izaho no tojo zava-tsarotra toy izany, moa ve aho tena miaiky fa marina ny lazain’ny Baiboly sy ny mpanompo mendri-pitokisana? (Matio 24:45; Jaona 17:17) Tsy mampaninona ahy ve na miavaka aza aho, noho izaho manao ny tsara eo imason’i Jehovah? Mirehareha mihitsy ve aho fa miavaka?’—Salamo 34:2; Matio 10:32, 33.

23 An-kolaka anefa matetika no itaomana antsika ho anisan’izao tontolo izao. Hitantsika teo, ohatra, fa ny fialam-boly no entin’ny Devoly hamitahana ny mpanompon’i Jehovah mba ho anisan’ny tontolony. Ahoana àry no hifidianana fialam-boly mahasoa sady mamelombelona no mahatonga antsika hanana feon’ny fieritreretana madio foana? Izany no horesahina ao amin’ny toko manaraka.

^ feh. 3 Nanjaka teo amin’ny Kristianina voahosotra eto an-tany i Kristy, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. (Kolosianina 1:13) Tamin’ny 1914 kosa no nomena azy “ny fanjakan’izao tontolo izao.” Ambasadaoron’ny Fanjakan’ny Mesia koa àry ny voahosotra ankehitriny.—Apokalypsy 11:15.

^ feh. 8 Jereo ny boky Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina, pejy 393-397, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fanampim-panazavana

Ny Fanjakan’Andriamanitra Ihany no Tohanantsika

Nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy nety nanao miaramila. Imbetsaka anefa izy ireo no nisy nanampy, ary tsy ampoizinao mihitsy hoe iza izany.

Tsy Maintsy Masina Amin’ny Fitondran-tena Rehetra Isika

Inona no ifandraisan’ireto: Tsy manaiky lembenana, manome izay tsara indrindra ho an’i Jehovah, ary mandray ventin-kanina ara-panahy?

Henoy ny Feon’i Jehovah na Aiza Ianao na Aiza

Ilaina ny mihaino ny feon’i Jehovah sy miresaka aminy. Inona no hanampy anao handre foana ny feony, na eo aza ny fandrik’i Satana sy ny fahalemenao?