Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

 TOKO 17

“Miorena Tsara eo Amin’ny Finoanareo Masina Indrindra”

“Miorena Tsara eo Amin’ny Finoanareo Masina Indrindra”

‘Miorena eo amin’ny finoanareo masina indrindra [ka] mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.’—JODA 20, 21.

1, 2. Inona no asa fanorenana ataonao izao? Nahoana no tokony hataonao tsara izy io?

FANTATRAO ve fa miasa mafy manorina trano ianao izao? Efa nisy zavatra vitanao, ary mbola mitohy ny asa. Sarotra ilay izy nefa mahafinaritra. Tapa-kevitra ianao fa tsy hajanonao ilay izy ary tsy ho kamokamo ianao, na inona na inona mitranga. Miankina amin’ny hatsaran’ny asanao mantsy ny ainao ary ny hoavinao mihitsy aza. Nahoana? Satria ianao mihitsy no oharina amin’io trano aorina io!

2 Nilaza i Joda fa tena mila miorina tsara isika. Hoy izy: “Miorena tsara eo amin’ny finoanareo masina indrindra.” (Joda 20, 21) ‘Hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra’ isika raha manao an’izany. Inona àry no azonao atao mba hiorina tsara ianao ka hanana finoana matanjaka? Misy fomba telo hahavitanao an’izany.

MILA MINO ISIKA FA MAHASOA NY LALÀN’I JEHOVAH

3-5. a) Ahoana no tian’i Satana hiheverantsika ny lalàn’i Jehovah? b) Ahoana anefa no tokony hiheverantsika an’ireny lalàny ireny? Hazavao amin’ny ohatra.

3 Voalohany, miezaha mba hatoky kokoa hoe mahasoa ny lalàn’Andriamanitra. Maromaro ny fitsipika momba ny fitondran-tena hitanao tato amin’ity boky ity. Ahoana no fiheveranao azy ireny? Tian’i Satana hieritreritra ianao hoe maneritery  ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany, ary mampijaly mihitsy aza. Efa hatrany Edena izy no nampiasa an’io tetika io. Tena nahomby mantsy ilay izy tany. (Genesisy 3:1-6) Ho voafitany amin’io tetika io koa ve ianao? Miankina amin’ny fomba fihevitrao izany.

4 Aoka hatao hoe mandehandeha ao amin’ny toerana tena kanto ianao ary mahita fefy vy avo be. Mahafinaritra erỳ ny ao anatin’ilay izy! Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tsy ilaina akory ilay fefy, fa manakantsakana ny lalana fotsiny.’ Mandinika tsara anefa ianao, ka mahita liona masiaka mijoko remby! Azonao amin’izay ny anton’ilay fefy: Fiarovana ilay izy. Misy mpiremby mampidi-doza mijoko anao koa ve? Izany tokoa! Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.”—1 Petera 5:8.

5 Mpiremby lozabe i Satana. Tsy tian’i Jehovah ho lasa rembiny isika, ka nanao lalàna izy hiarovana antsika amin’ny ‘teti-dratsiny’ maro be. (Efesianina 6:11) Isaky ny misaintsaina ny lalàn’Andriamanitra àry isika, dia tokony hitadidy fa porofon’ny fitiavan’ilay Raintsika any an-danitra izy ireny. Ho azontsika amin’izay fa miaro antsika izy ireny sady mahafaly antsika. Hoy i Jakoba mpianatra: “Izay mijery tsara ny lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana, ary maharitra amin’izany, ... dia ho sambatra izy rehefa mankatò.”—Jakoba 1:25.

6. Inona no tena tokony hataontsika raha tiantsika hihamafy ny finoantsika hoe mahasoa ny lalàna sy toro lalan’Andriamanitra? Manomeza ohatra.

6 Tena hihamafy ny finoantsika an’Andriamanitra, ilay Mpanome Lalàna, raha mankatò ny didiny isika. Hiaiky koa isika fa hendry izy matoa nanome an’ireny didy ireny. Anisan’ny “lalàn’i Kristy”, ohatra, ny hoe tokony hampianatra ny olona hitandrina ‘izay rehetra nandidiany’ isika. (Galatianina 6:2; Matio 28:19, 20) Zava-dehibe amin’ny Kristianina  koa ny miara-mivory foana, mba hanompo an’i Jehovah sy hifampahery. (Hebreo 10:24, 25) Mampirisika antsika hivavaka matetika sy amin’ny fo Andriamanitra. (Matio 6:5-8; 1 Tesalonianina 5:17) Rehefa mankatò an’ireo didy ireo isika, dia miaiky fa noho ny fitiavana no nanomezana azy, ka faly sy afa-po isika. Tsy hahatsapa an’izany mihitsy isika eto amin’ity tontolo mikorontana ity. Eritrereto àry ny soa efa noraisinao noho ianao nankatò ny lalàn’Andriamanitra. Vao mainka ianao hino amin’izay fa mahasoa tokoa izy ireny.

7, 8. Inona no fampaherezana omen’ny Baiboly ho an’ireo manahy sao tsy hahavita hankatò an’i Jehovah foana?

7 Misy manahy hoe mety ho sarotra loatra aminy ny hankatò ny lalàn’i Jehovah, rehefa mandeha ny fotoana. Matahotra izy sao ho lavo. Raha sendra mieritreritra toy izany ianao, dia tsarovy ny Isaia 48:17, 18. Voalaza ao hoe: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao. Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!” Tena mampahery antsika izany. Efa noeritreretinao ve ny tena dikan’ireo teny ireo?

 8 Mampahatsiahy antsika i Jehovah eo fa hahita soa isika raha mankatò azy. Misy zavatra roa ampanantenainy antsika raha manao izany isika. Voalohany, ho toy ny renirano ny fiadanantsika, izany hoe ho toy ny rano be mikoriana moramora tsy an-kijanona. Faharoa, ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinantsika. Hahita onja mifandimby midona eo amin’ny torapasika ianao raha mijoro eo. Fantatrao fa ho tonga eo foana ireny onja ireny, ary tsy hitsahatra mihitsy. Mampanantena i Jehovah fa ho toy izany koa ny fahamarinanao. Tsy havelany ho lavo mihitsy ianao, raha miezaka ny tsy hivadika aminy! (Vakio ny Salamo 55:22.) Manohina ny fo tokoa ireo fampanantenana ireo! Moa ve izany tsy manatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah? Tsy vao mainka ve isika mino fa mahasoa ny lalàny?

AOKA ISIKA HIEZAKA MBA HO MATOTRA

9, 10. a) Nahoana no tanjona tena tsara ho an’ny Kristianina ny hoe ho matotra? b) Nahoana isika no ho faly raha manana ny fomba fihevitr’Andriamanitra?

9 Hiresaka ny lafin-javatra faharoa amin’ilay fanorenana isika. Hoy ny Baiboly: “Aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamatorana.” (Hebreo 6:1) Tanjona tena tsara ho an’ny Kristianina ny hoe ho matotra, ary azony tratrarina tsara izany fa tsy toy ny fahalavorariana. Tsy afaka ny ho lavorary mantsy isika ankehitriny, fa afaka ny ho matotra. Vao mainka hahafinaritra ny manompo an’i Jehovah rehefa mihamatotra isika. Nahoana?

10 Olona araka ny fanahy ny Kristianina matotra. Mitovy fomba fihevitra amin’i Jehovah izy. (Jaona 4:23) Hoy i Paoly: “Ny olona araka ny nofo dia mampifantoka ny sainy amin’ny zavatry ny nofo, fa ny olona araka ny fanahy kosa mampifantoka ny sainy amin’ny zavatry ny fanahy.” (Romanina 8:5) Tsy mitondra fifaliana ny fomba fihevitra araka ny nofo, satria mahatonga ny olona tsy hieritreritra afa-tsy ny tenany, tsy hahatsinjo lavitra, ary ho variana amin’ny vola  sy ny harena. Mitondra fifaliana kosa ny fomba fihevitr’Andriamanitra, satria mahatonga ny olona hahatsiaro foana an’i Jehovah, ilay “Andriamanitra falifaly.” (1 Timoty 1:11) Maniry mafy hampifaly an’i Jehovah ny olona araka ny fanahy, ary faly foana izy na eo aza ny fitsapana. Nahoana? Satria afaka mampiseho izy amin’izay hoe tsy mivadika, sady afaka manaporofo hoe mpandainga i Satana. Mahafaly an’ilay Raintsika any an-danitra izany!—Ohabolana 27:11; vakio ny Jakoba 1:2, 3.

11, 12. a) Inona no nolazain’i Paoly momba ny “fahaiza-misaina”? Inona no dikan’ilay teny nadika hoe “nozarina”? b) Inona no ilaina mba hahatonga ny vatana hahavita fihetsika mirindra tsara?

11 Mila manazatra ny tenantsika isika, vao ho lasa olona araka ny fanahy sy matotra. Diniho ity andininy ity: “Ny ventin-kanina ... dia ho an’ny olona matotra, izay manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria nampiasaina.” (Hebreo 5:14) Mariho fa nilaza i Paoly hoe “nozarina” ny fahaiza-misaina. Teny grika fampiasa tany amin’ny fanaovana fanatanjahan-tena tany Gresy no nampiasainy teo. Azo adika koa hoe ‘nozarina toy ny mpanao fanatanjahan-tena’ mantsy io teny io. Inona no atao amin’izany fanazaran-tena izany?

Mampiasa ny vatany ny mpanao fanatanjahan-tena mba hanazarana azy io

12 Mbola tsy zatra manao fihetsika mirindra ny vatantsika, raha vao teraka isika. Tsy fantatry ny zazakely, ohatra, izay hiantefan’ny tongony na ny tanany rehefa ahetsiny. Mety hahavoa ny tarehiny mihitsy àry ny tanany, ka gaga izy sady sorena. Mihazatra mihetsika tsikelikely anefa ny vatany rehefa ampiasainy. Manjary mahay mandady izy, mianatra mandeha, ary mihazakazaka rehefa lehibebe. * Fa eritrereto ange ny mpanao fanatanjahan-tena e! Mitsambikina  izy ary manodinkodina ny vatany eny ambony eny. Tsy misy diso ny fihetsiny fa mirindra tsara, ka tena miaiky ianao hoe efa zatra izy! Tsy tongatonga ho azy anefa izany fahaizana izany, fa nilana fanazaran-tena nandritra ny ora maro. Milaza ny Baiboly fa “mahasoa kely ihany” ny fampiasan-tena toy izany. Betsaka lavitra kosa ny soa raisina raha ny fahaiza-misaina no zarina.—1 Timoty 4:8.

13. Inona no ilainao hatao mba hanazarana ny fahaizanao misaina?

13 Maro ny hevitra hitantsika tato amin’ity boky ity. Natao hanampiana anao hanazatra ny fahaizanao misaina izy ireny, ka hahatonga anao ho olona araka ny fanahy sy tsy hivadika amin’i Jehovah. Diniho tsara àry ny toro lalana sy ny lalàn’Andriamanitra, ary mivavaha, isaky ny hanapa-kevitra ianao. Eritrereto foana hoe: ‘Inona no lalàna na toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’izany? Ahoana no hampiharako an’izany? Inona no hampifaly an’ilay Raiko any an-danitra?’ (Vakio ny Ohabolana 3:5, 6; Jakoba 1:5.) Manazatra bebe kokoa ny fahaizanao misaina ianao raha manao an’izany, isaky ny hanapa-kevitra. Hahatonga anao ho tena olona araka ny fanahy foana izany.

14. Tokony haniry hanao inona isika, raha te handroso foana? Inona anefa no tokony hotandremantsika?

14 Mbola mila mitombo na mandroso eo amin’ny lafiny ara-panahy isika, na dia efa lasa matotra aza. Ny sakafo no mampitombo. Hoy i Paoly: ‘Ny ventin-kanina dia ho an’ny olona matotra.’ Tena mila ventin-kanina ara-panahy foana àry ianao, mba hananana finoana matanjaka kokoa. Hendry  ianao rehefa mampihatra ny zavatra ianaranao, ary milaza ny Baiboly fa “ny fahendrena no zava-dehibe indrindra.” Ataovy àry izay hahatonga anao haniry hihinana ny sakafo ara-panahy sarobidy avy amin’ilay Raintsika. (Ohabolana 4:5-7; 1 Petera 2:2) Tsy tokony hampieboebo antsika anefa ny fahalalana sy ny fahendrena azontsika. Mila mandini-tena matetika isika, sao sanatria misy fireharehana na toetra ratsy hafa mamaka sy mitombo ao am-pontsika. Hoy i Paoly: “Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary zahao toetra foana ny tenanareo.”—2 Korintianina 13:5.

15. Nahoana isika no mila manana fitiavana, raha te handroso foana?

15 Mbola misy asa atao na dia vita aza ny trano. Ilaina ny mikojakoja azy io, manamboatra ny simba, ary angamba manampy efitra. Ary ahoana ny amintsika? Inona no ilaina mba hahatonga antsika ho matotra sy mba hikojakojana ny finoantsika? Ny fitiavana no tena ilaina. Mila miezaka ho tia bebe kokoa an’i Jehovah sy ny mpiray finoana amintsika isika. Raha tsy manam-pitiavana isika, dia tsy hisy dikany ny fahalalantsika sy ny zavatra ataontsika, fa ho toy ny feo mankarenin-tsofina fotsiny. (1 Korintianina 13:1-3) Ny fitiavana no hahatonga antsika ho Kristianina matotra sy handroso ara-panahy foana.

TADIDIO FOANA ILAY FANANTENANA

16. Inona no toe-tsaina tian’i Satana hananan’ny olona? Inona no omen’i Jehovah antsika mba hiarovan-tena amin’izany?

16 Inona kosa no lafiny fahatelo amin’ilay fanorenana? Mila mitandrina ny fomba fisainanao ianao, raha te hiorina tsara sy tena hanara-dia an’i Kristy. Tena hain’ilay mpitondra an’ity tontolo ity ny manao izay hahatonga ny olona hifantoka amin-javatra ratsy na mahakivy, sy hiahiahy olona, ary hamoy fo. (Efesianina 2:2) Mampidi-doza ny Kristianina izany toe-tsaina izany, toy ny aretin-kazo manimba ny trano hazo. Soa ihany fa omen’i Jehovah fanantenana isika mba hiarovan-tena amin’izany.

17. Ahoana no hanamafisan’ny Baiboly fa tena ilaina ny fanantenana?

 17 Tanisaina ao amin’ny Baiboly ny fiadiana ilaintsika amin’ny ady atao amin’i Satana sy ny tontolony. Tena ilaina, ohatra, ny fiarovan-doha, izany hoe ny “fanantenana famonjena.” (1 Tesalonianina 5:8) Fantatry ny miaramila fahiny fa vetivety dia ho faty izy, raha tsy manao fiarovan-doha. Vita tamin’ny vy izy io matetika, ary nanaovana teo ambonin’ny satroka lamba na hoditra. Nievotra fotsiny izay zavatra natifitra teo, ka tsy voadona mafy loatra ny loha. Toa an’io fiarovan-doha io ny fanantenana, satria miaro ny sainao na ny fomba fisainanao.

18, 19. Inona no modely navelan’i Jesosy ho antsika? Ahoana no hanahafantsika azy?

18 Nitadidy foana ny fanantenany i Jesosy, ary modely tsara indrindra ho antsika izy. Tsaroanao ve ny nanjo azy ny alina talohan’ny nahafatesany? Nisy namany akaiky namadika azy mba hahazoam-bola. Nisy anankiray nilaza ho tsy nahalala azy akory. Ny sasany indray nandao azy ary nandositra. Nanda azy koa ny mpiray firenena taminy, ka nangataka tamin’ny miaramila romanina mba hamono azy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy nisy niaritra fitsapana mafy toy izany! Inona anefa no nanampy azy hiaritra? Hoy ny Hebreo 12:2: “Niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra, ary nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.” Nitadidy foana an’ilay “fifaliana natao teo anoloany” i Jesosy.

19 Fifaliana inona izany? Faly izy satria fantany fa handray anjara amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah izy raha miaritra. Fantany koa fa hanome ny porofo lehibe indrindra izy hoe mpandainga i Satana. Izany no nantenainy, ary tsy nisy nahafaly azy mihoatra noho izany! Fantany koa fa homen’i Jehovah valisoa lehibe izy raha tsy mivadika: Kely sisa dia ho tafaraka amin’ny Rainy indray izy, ary tena hahafinaritra izany. Nitadidy izany fanantenana mahafaly izany  i Jesosy, rehefa niaritra ny mafy indrindra. Mila manao toy izany koa isika. Misy fifaliana koa mantsy eo anoloantsika: Omen’i Jehovah voninahitra isika tsirairay, satria avelany handray anjara amin’ny fanamasinana ny anarany. Afaka manaporofo koa isika fa mpandainga i Satana, raha toa isika mifidy an’i Jehovah ho Mpitondra antsika ary miezaka mba ho tiany foana, na inona na inona fitsapana na fakam-panahy mahazo antsika.

20. Inona no hanampy anao hieritreritra zavatra tsara sy mahabe fanantenana?

20 Tsy hoe maniry hamaly soa ny mpanompony tsy mivadika fotsiny i Jehovah, fa tena tsy andriny ny hanaovana an’izany! (Isaia 30:18; vakio ny Malakia 3:10.) Mahafinaritra azy ny manome izay zavatra tsara irin’ny mpanompony. (Salamo 37:4) Tadidio tsara foana àry ilay fanantenanao. Aza manahaka ny toe-tsain’ny olona eto amin’ny tontolon’i Satana. Mifantoka amin-javatra mahakivy izy ireo, ratsy fitondran-tena, ary mihevitra ny ratsy ho tsara. Raha voamarikao fa miditra tsikelikely ao an-tsainao sy ao am-ponao ny toe-tsain’izao tontolo izao, dia mitalahoa amin’i Jehovah mba hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” Hiaro ny fonao sy ny sainao io fiadanana io.—Filipianina 4:6, 7.

21, 22. a) Inona ilay fanantenana tena tsara ananan’ny “vahoaka be”? b) Inona amin’ilay fanantenana no tena tianao? Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

 21 Manana fanantenana tena tsara tokoa ianao! Eritrereto ny fiainana miandry anao tsy ho ela, raha anisan’ny “vahoaka be” ho tafavoaka amin’ny “fahoriana lehibe” ianao. (Apokalypsy 7:9, 14) Ho maivamaivana erỳ ianao rehefa tsy eo intsony i Satana sy ny demoniany. Tsy ho azonao sary an-tsaina mihitsy ny hafaliana ho tsapanao amin’izany fotoana izany. Iza tokoa moa no efa mba niaina tamin’izany hoe tontolo tsy misy fitaoman-dratsin’i Satana izany? Hahafinaritra erỳ ny hanova ny tany ho paradisa, eo ambany fitarihan’i Jesosy sy ny 144 000! Faly be isika mieritreritra hoe ho foana ny aretina sy ny kilema rehetra, hitsena ny havan-tiantsika efa maty isika, ary ho toy ny nanirian’Andriamanitra azy ny fiainantsika! Ary rehefa lasa lavorary tsikelikely isika, dia mihakaiky koa ilay valisoa lehibe resahin’ny Romanina 8:21. Tsy inona izany fa “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”

22 Tian’i Jehovah hahazo fahafahana àry ianao, ary lehibe lavitra noho izay azonao eritreretina ilay izy. Hahazo izany ianao raha mankatò. Miezaha mafy dieny izao àry mba hankatò azy isan’andro. Ataovy foana izay hahatonga anao hiorina tsara eo amin’ilay finoanao masina indrindra, dia ho tian’Andriamanitra mandrakizay ianao!

^ feh. 12 Milaza ny mpahay siansa fa lasa hain’ny olona ny mibaiko ny fihetsiky ny vatany sy ny rantsambatany, rehefa mandeha ny fotoana. Izany, ohatra, no mahatonga antsika ho afaka mitehaka na dia mikimpy aza. Nisy marary nanjary tsy nanana an’izany fahaizana izany intsony, ka lasa tsy nahay nijoro, na nandeha, na nipetraka akory aza.

Fanampim-panazavana

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Inona no ianarantsika momba an’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana tantarain’ny Baiboly?