Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

 TOKO 7

Sarobidy Aminao ve ny Aina?

Sarobidy Aminao ve ny Aina?

“Ianao no loharanon’aina.” —SALAMO 36:9.

1, 2. Inona no nomen’Andriamanitra antsika, ary nahoana izany no sarobidy?

NANOME antsika fanomezana sarobidy ilay Raintsika any an-danitra. Nomeny aina isika olombelona ary nataony manan-tsaina ka afaka manahaka ny toetrany. (Genesisy 1:27) Manampy antsika hahazo tsara ny toro lalana ao amin’ny Baiboly izany. Ho lasa olona matotra sy tia an’i Jehovah isika rehefa mampihatra azy ireny, sady hanana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Hebreo 5:14.

2 Tena mila mahay mampihatra ny toro lalana ao amin’ny Baiboly isika amin’izao andro izao. Be dia be mantsy izao ny fandrosoana ka tsy hisy lalàna hifanentana amin’ny zava-drehetra mitranga. Marina mihitsy izany raha ny fitsaboana no resahina, indrindra fa ny fanafody sy ny fitsaboana ampiasana ra. Mila mandinika an’izany izay rehetra te hankatò an’i Jehovah. Ho afaka handray fanapahan-kevitra tsara mantsy isika, raha azontsika ny toro lalan’ny Baiboly momba an’ireo. Hadio koa ny feon’ny fieritreretantsika ary ho tian’Andriamanitra foana isika. (Ohabolana 2:6-11) Andeha àry isika handinika toro lalana vitsivitsy.

MASINA NY AINA SY NY RA

3, 4. Oviana no niresahana voalohany hoe masina ny ra? Inona no lazain’ny Baiboly ka ahafahana milaza fa masina ny ra?

3 Taoriana kelin’ny namonoan’i Kaina an’i Abela no nampisehoan’i Jehovah voalohany fa mifandray akaiky ny aina sy ny ra, ary samy masina. Hoy izy tamin’i Kaina: “Injay fa miantsoantso mitaraina amiko avy amin’ny tany ny ran’ny  rahalahinao.” (Genesisy 4:10) Novonoina tamin-kabibiana i Abela. Nihevitra anefa i Jehovah fa nifanitsy tamin’ny ain’i Abela ny rany. Toy ny hoe niantsoantso nangataka valifaty àry ny ran’i Abela.—Hebreo 12:24.

4 Navelan’Andriamanitra hihinan-kena ny olona taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, fa tsy navelany hihinana ra. Hoy izy: “Izao ihany no tsy azonareo hohanina: Ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra. Ary hanao ampamoaka koa aho noho ny amin’ny ranareo.” (Genesisy 9:4, 5) Mihatra amin’ny taranak’i Noa rehetra io didy io, anisan’izany isika. Hamafisin’izy io ny zavatra efa nolazain’Andriamanitra tamin’i Kaina, hoe ny ain’ny zavaboary rehetra dia mifanitsy amin’ny rany. Hita amin’io didy io koa fa hataon’i Jehovah ampamoaka ny olona rehetra tsy manaja ny aina sy ny ra. Izy mantsy no Loharanon’aina.—Salamo 36:9.

5, 6. Inona no lazain’ny Lalàn’i Mosesy, mba hampisehoana fa masina sy sarobidy ny ra? (Jereo koa ilay efajoro hoe “ Hajao ny Ain’ny Biby.”)

5 Hita ao amin’ny Lalàn’i Mosesy koa fa masina sy sarobidy ny ra. Hoy ny Levitikosy 17:10, 11: ‘Raha misy mihinana ra, na ran’inona izany na ran’inona, dia hanameloka ny olona mihinan-dra aho, ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy. Fa ao amin’ny ra ny ain’ny nofo. Ary nasaiko natao teo amin’ny alitara ny ra mba handrakofana ny fahotanareo, satria ny ra no mandrakotra fahotana noho ny aina ao aminy.’ *—Jereo ilay efajoro hoe “ Afaka Mandrakotra Fahotana ny Ra.”

6 Tsy maintsy nararaka tamin’ny tany ny ran’ny biby novonoina, raha tsy nilaina teo amin’ny alitara. Toy ny hoe naverina tamin’ilay tena Tompony ilay aina tamin’izay. (Deoteronomia 12:16; Ezekiela 18:4) Mariho anefa fa tsy voatery ho sarotiny be ny Israelita, ka hoe tsy nasiany tavela ny ran’ilay  biby na indray nitete aza. Tokony halatsa-dra tsara fotsiny ilay biby rehefa novonoina. Nadio ny eritreriny amin’izay rehefa nihinana azy io, satria nanaja an’ilay Mpanome aina izy.

7. Ahoana no nampisehoan’i Davida fa masina taminy ny ra?

7 Azon’i Davida ny toro lalana avy amin’ilay lalàna momba  ny ra. Nangetaheta be io lehilahy sitraky ny fon’Andriamanitra io, indray mandeha. (Asan’ny Apostoly 13:22) Niditra an-keriny tao an-tobin’ny fahavalo àry ny miaramilany telo mba haka rano, ary nitondra izany tany aminy. Hoy anefa i Davida: “Hisotro ny ran’ireo lehilahy nanao vivery ny ainy ireo ve aho?” Nihevitra an’ilay rano ho toy ny ran’izy ireo izy, ka “nararany ho an’i Jehovah” ilay izy, na dia nangetaheta aza izy.—2 Samoela 23:15-17.

8, 9. Niova ve ny fiheveran’Andriamanitra ny aina sy ny ra, rehefa nanomboka nisy ny fiangonana kristianina? Hazavao.

8 Nanome didy momba ny ra indray i Jehovah, 2400 taona teo ho eo taorian’ny nilazany an’ilay didy tamin’i Noa, ary 1500 taona teo ho eo taorian’ny nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna. Nasainy nanoratra toy izao mantsy ny filan-kevi-pitantanan’ny fiangonana kristianina voalohany: “Sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana.”—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

9 Nazava tamin’io filan-kevi-pitantanana io àry fa masina ny ra, ka ratsy toy ny manompo sampy sy mijangajanga ny mihinana ra ohatra. Manaiky an’izany koa ny tena Kristianina ankehitriny. Mamantatra sy manaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo rehefa hanapa-kevitra momba ny fampiasana ra, ka mampifaly an’i Jehovah.

NY FAMPIASANA NY RA AMIN’NY FITSABOANA

Ahoana no hanazavako amin’ny dokotera ny fanapahan-kevitro momba ny zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra?

10, 11. a) Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampidirana ra sy taharo fototry ny ra? b) Rahoviana no mety tsy hitovy ny fanapahan-kevitry ny Kristianina?

10 Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hoe ‘mifady ra’? Midika izany hoe tsy manaiky hampidiran-dra, ary tsy manome na mitahiry ny rany mba hampidirina aminy na amin’ny olon-kafa. Misy taharo fototra efatra ao  amin’ny ra, dia ny liomena, liofotsy, plakety (kapila bitika), ary plasma (ranon-dra). Tsy manaiky hampidirana an’ireo koa ny Vavolombelon’i Jehovah satria manaja ny lalàn’i Jehovah.

11 Misy zavatra madinika kely azo alaina ao amin’ny taharo fototra, ary azo ampiasaina amin’ny fomba maro samihafa. Afaka manaiky ampidirana an’ireny ve ny Kristianina? Toy ny “ra” ihany ve no fiheverany an’ireny? Miankina amin’ny tsirairay izany. Misy koa fitsaboana ampiasana ny ran’ilay olona ihany, ohatra hoe ny dializy na ny teknika fanampohana ra na fampihenana ny ra very. Raha tsy tehirizina ilay ra esorina amin’ilay Kristianina amin’ireny fitsaboana ireny, dia anjarany ny manapa-kevitra raha hekeny ilay fitsaboana na tsia.—Jereo ny Fanazavana Fanampiny hoe “Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototra sy Teknika Fandidiana.”

12. Nahoana no zava-dehibe ny safidy ataontsika na dia rehefa anjaran’ny tsirairay aza no manapa-kevitra? Inona no hanampy antsika hanapa-kevitra?

 12 Tsy mampaninona an’i Jehovah ve izay ataontsika, rehefa anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra? Tsia. Tena zava-dehibe aminy izany, satria mandinika ny eritreritsika sy izay ao am-pontsika izy. (Vakio ny Ohabolana 17:3; 24:12.) Mila manao fikarohana momba izay fanafody na fitsaboana hatao amintsika àry isika sady mivavaka, ary avy eo mankatò ny feon’ny fieritreretantsika. (Romanina 14:2, 22, 23) Tsy tokony hanery antsika hanaraka ny feon’ny fieritreretany ny hafa. Tsy tokony hanontany azy koa isika hoe: “Inona no hataonao raha ianao no eo amin’ny toerako?” Tokony ‘samy hitondra ny entany avy ny tsirairay’, amin’ny toe-javatra toy izany. *Galatianina 6:5; Romanina 14:12; jereo ilay efajoro hoe “ Sarobidy Amiko ve ny Ra?

HITA AMIN’NY LALÀN’I JEHOVAH NY FITIAVANY

13. Inona no toetran’i Jehovah hita amin’ny lalàny sy ny toro lalany? Inona no manaporofo izany?

13 Hita amin’ny lalàna sy toro lalan’ny Baiboly fa Mpanao Lalàna tena mahay i Jehovah. Hita koa hoe Ray be fitiavana izy ary tena mitady izay hahasoa ny zanany. (Salamo 19:7-11) Marina fa tsy antony ara-pahasalamana no nahatonga azy hilaza hoe ‘fadio ny ra.’ Miaro antsika amin’ny voka-dratsin’ny fampidiran-dra anefa io didy io. (Asan’ny Apostoly 15:20) Dokotera maro mihitsy aza izao no milaza fa ny fandidiana tsy ampiasana ra no “filamatra.” Manaporofo izany hoe tena manam-pahendrena i Jehovah sady tena tia antsika.—Vakio ny Isaia 55:9; Jaona 14:21, 23.

14, 15. a) Milazà lalàna ahitana fa tian’Andriamanitra ny vahoakany. b) Ahoana no hampiharanao an’ireo toro lalana momba ny aro loza ireo?

14 Hita amin’ny lalàna maro nomen’Andriamanitra fa  nitady izay hahasoa ny vahoakany fahiny izy. Te hisoroka loza, ohatra, izy ka nanome didy azy ireo mba hanisy arofanina ny tampon-tranony. Nampiasaina be mihitsy mantsy ny tampon-trano tamin’izany. (Deoteronomia 22:8; 1 Samoela 9:25, 26; Nehemia 8:16; Asan’ny Apostoly 10:9) Nanome didy koa izy hoe tokony hambenana izay omby mety hampidi-doza. (Eksodosy 21:28, 29) Tena tsy nihevitra izay hahasoa ny hafa izay nandika an’ireo lalàna ireo, ka nety nanana trosan-dra.

15 Ahoana no hampiharana ny toro lalana avy amin’ireo lalàna ireo? Manao ahoana, ohatra, ny fiaranao sy ny fomba fitondranao azy, ny biby ompianao, ny tranonao, ny toeram-piasanao, ary ny fialam-bolinao? Ny lozam-piarakodia no tena mahafaty ny tanora, any amin’ny tany sasany. Sahisahy be mantsy izy ireny matetika rehefa mitondra fiara. Tsy toy izany kosa ireo tanora te ho tian’Andriamanitra foana. Sarobidy aminy ny aina ka tsy faly manao zavatra mety hampidi-doza izy. Tsy mihevitra izy hoe tsy hiharan-doza mihitsy satria tanora. Hadalana mantsy izany! Mitandrina amin’izay mety hampidi-doza kosa izy ka mankafy ny fahatanorany.—Mpitoriteny 11:9, 10.

16. Inona no toro lalan’ny Baiboly azo ampiharina amin’ny resaka fanalana zaza? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

16 Sarobidy amin’Andriamanitra na dia ny ain’ny zaza ao am-bohoka aza. Mpamono olona, ohatra, no fiheverany an’izay Israelita nandona na nandratra vehivavy bevohoka, ka maty ilay vehivavy na ny zaza tao an-kibony. Tsy maintsy nanome ny ainy “ho solon’ny aina” izy. * (Vakio ny Eksodosy 21:22, 23.) Raha izany aza mampalahelo an’i Jehovah, mainka fa ny fanalana zaza! Vehivavy an’aliny anefa no manala  zaza isan-taona, satria tsy te hitaiza, na tsy te hanan-janaka intsony, na naloto fitondran-tena, na koa te hanohy ny fitondran-tena ratsiny. Tena malahelo i Jehovah mahita an’izany.

17. Ahoana no hampaherezanao olona iray nanala zaza tamin’izy mbola tsy nahalala ny fitsipik’i Jehovah?

 17 Ahoana anefa raha nanala zaza ny vehivavy iray talohan’ny nahalalany ny fahamarinana? Tsy hamindra fo aminy ve Andriamanitra? Tsy izany mihitsy! Raha tena mibebaka izy, dia hamela ny helony i Jehovah, noho ny ran’i Jesosy. (Salamo 103:8-14; Efesianina 1:7) I Kristy mihitsy no nilaza hoe: “Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota mba hibebaka.”—Lioka 5:32.

AZA MANKAHALA OLONA

18. Araka ny Baiboly, inona no mahatonga vonoan’olona maro be?

18 Tsy ampy ny tsy manisy ratsy olona. Tian’i Jehovah hesorintsika ao am-pontsika koa ny fankahalana, izay mahatonga vonoan’olona be dia be. Hoy ny apostoly Jaona: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona.” (1 Jaona 3:15) Tsy hoe tsy tia ny rahalahiny fotsiny ny olona mankahala azy, fa maniry ny hahafatesany mihitsy. Mety hoendrikendrehiny àry izy hoe nanao zavatra tena ratsy, ka mendrika ny hahazo sazy avy amin’Andriamanitra. (Levitikosy 19:16; Deoteronomia 19:18-21; Matio 5:22) Tena mila miezaka àry isika mba hanaisotra an’izay fankahalana ao am-pontsika ao!—Jakoba 1:14, 15; 4:1-3.

19. Ahoana no hampiharantsika ny Salamo 11:5 sy ny Filipianina 4:8, 9, raha tia manaraka toro lalana isika?

19 Tsy hanao herisetra koa isika, raha mihevitra ny aina ho sarobidy toy ny ataon’i Jehovah. Tsy hanao izany koa isika raha te ho tiany foana. Hoy mantsy ny Salamo 11:5: ‘Tena halan’i Jehovah ny olona tia herisetra.’ Manome toro lalana azo ampiharina io andininy io, fa tsy milaza ny toetran’i Jehovah fotsiny. Raha tia an’Andriamanitra ny olona iray, dia tsy hanao fialam-boly mety hahatonga azy ho tia herisetra. “Andriamanitry ny fiadanana” na tia fihavanana koa i Jehovah. Mandrisika ny mpanompony izany mba hameno ny fony sy ny sainy amin-javatra mahatehotia sy misy hatsarana  ary mendri-piderana. Mampisy fihavanana mantsy izany.—Vakio ny Filipianina 4:8, 9.

HALAVIRO NY FIKAMBANANA MANANA TROSAN-DRA

20-22. Manao ahoana ny fifandraisan’ny Kristianina amin’ity tontolo ity, ary nahoana?

20 Mpandatsa-dra ny tontolon’i Satana manontolo, amin’Andriamanitra. Nahafaty olona an-tapitrisany sy mpanompon’i Jehovah be dia be, ohatra, ireo fitondrana ara-politika, izay oharin’ny Baiboly amin’ny bibidia masiaka. (Daniela 8:3, 4, 20-22; Apokalypsy 13:1, 2, 7, 8) Miara-miasa akaiky amin’izy ireo ny tontolon’ny varotra sy ny siansa. Manamboatra fitaovam-piadiana tena mahery vaika izy ireo, ka mahazo tombony be. Tena “eo ambany fahefan’ilay ratsy” tokoa “izao tontolo izao”!—1 Jaona 5:19.

21 “Tsy anisan’izao tontolo izao” kosa ny mpanara-dia an’i Jesosy, ka sady tsy momba ny atsy na ny aroa amin’ny resaka politika no tsy mandeha miady. Tsy meloka ho nandatsa-dra àry izy ireo, ary tsy miombona heloka amin’izay manao  izany. * (Jaona 15:19; 17:16) Toa an’i Kristy izy ireo, ka tsy manao herisetra amin’izay manenjika azy. Tiany kosa ny fahavalony, ary mivavaka ho azy mihitsy aza izy.—Matio 5:44; Romanina 12:17-21.

22 Mitandrina koa ny tena Kristianina mba tsy hifandray amin’i “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso rehetra eran-tany. Izy io mantsy no tena meloka ho nandatsa-dra be indrindra. Hoy ny Baiboly: “Tao aminy no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.” Mampirisika antsika àry ny Baiboly hoe: “Mivoaha avy ao aminy, ry oloko.”—Apokalypsy 17:6; 18:2, 4, 24.

23. Inona no atao hoe mivoaka avy ao amin’i Babylona Lehibe?

23 Ny hoe mivoaka avy ao amin’i Babylona Lehibe, dia tsy midika fotsiny hoe esorinao any ny anaranao. Tokony hankahala ny fanao ratsy rehetra leferiny na ankasitrahany ampahibemaso koa ianao. Anisan’izany ny fitondran-tena ratsy sy ny politika ary ny fikatsahana harena. (Vakio ny Salamo 97:10; Apokalypsy 18:7, 9, 11-17) Matetika tokoa no mahatonga fandatsahan-dra ireo!

24, 25. a) Inona no tokony hataon’ny olona iray, raha tiany hamindra fo aminy Andriamanitra? b) Mampahatsiahy antsika inona ny fiarovan’i Jehovah?

24 Azo lazaina ho nanohana ny tontolon’i Satana isika tamin’ny mbola tsy nanokan-tena sy natao batisa. Meloka ho nandatsa-dra àry isika. Niova anefa isika, lasa nino ny sorom-panavotan’i Kristy, ary nanokan-tena ho an’i Jehovah. Namindra fo tamintsika àry izy, ary miaro ny fifandraisantsika aminy. (Asan’ny Apostoly 3:19) Mampahatsiahy antsika ny tanàna fialokalofana fahiny io fiarovana io.—Nomery 35:11-15; Deoteronomia 21:1-9.

25 Tsy maintsy nandositra tany amin’ny tanàna fialokalofana ny Israelita iray, raha nahafaty olona tsy nahy. Rehefa avy notsaraina izy, dia tsy maintsy nijanona tao mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe. Afaka niala tao izy avy eo. Hita tsara amin’izany fa mamindra fo Andriamanitra ary tena sarobidy aminy ny ain’olombelona! Misy karazana tanàna fialokalofana koa ankehitriny. Tsy inona izany fa ny fandaharana ataon’Andriamanitra mba hiarovana antsika tsy ho faty, raha sendra nandika tsy nahy ny didiny momba ny fahamasinan’ny aina sy ny ra isika. Miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy io fandaharana io. Sarobidy aminao ve izy io? Ahoana no hampisehoanao izany? Azonao atao, ohatra, ny manasa ny hafa mba hanaiky an’io fandaharana ataon’i Jehovah io, indrindra amin’izao “fahoriana lehibe” efa akaiky izao.—Matio 24:21; 2 Korintianina 6:1, 2.

MAZOTOA MITORY RAHA SAROBIDY AMINAO NY AINA

26-28. Inona no mampitovy ny asantsika amin’ny asan’i Ezekiela? Inona no tokony hataontsika mba ho tian’Andriamanitra foana isika?

26 Nataon’i Jehovah mpitily i Ezekiela mpaminany, ary nirahiny hampitandrina ny Israely. Hoy i Jehovah: “Henoy ny teny aloaky ny vavako, ary lazao aminy ny fampitandremana omeko.” Raha tsy nanao tsara an’io asa io i Ezekiela, dia izy no tompon’andraikitra tamin’ny ran’izay olona maty rehefa noravana i Jerosalema (Ezekiela 33:7-9) Nankatò anefa izy ka tsy nanana trosan-dra. Manao asa toy ny nataon’i Ezekiela koa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny.

27 Efa ho rava izao ny tontolon’i Satana. Raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho adidy sy voninahitra lehibe àry ny manambara ny ‘andro famalian’Andriamanitra’ sy ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Isaia 61:2; Matio 24:14) Tanterahinao tsara ve io asa iankinan’ny aina io? Nanao an’izany ny apostoly Paoly ka afaka nilaza izy hoe: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho, satria tsy niahotra nilaza taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.” (Asan’ny Apostoly 20:26, 27) Tena modely ho antsika izy!

28 Tsy ampy anefa ny mihevitra ny aina sy ny ra ho sarobidy, toy ny fiheveran’i Jehovah azy. Tokony hadio na ho masina koa isika raha tiantsika ny ho tian’io Raintsika io foana. Izany no horesahin’ny toko manaraka.

^ feh. 5 Hoy ny boky Amerikanina Siantifika momba ilay tenin’Andriamanitra hoe “ao amin’ny ra ny ain’ny nofo”: “Marina koa izany na ara-bakiteny aza, satria ilaina daholo ny karazana sela ao amin’ny ra mba hahavelomana.”

^ feh. 12 Jereo ny Mifohaza! Aogositra 2006, pejy 3-12, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 16 Milaza ny mpanao rakibolana ara-baiboly fa rehefa jerena ny fomba nanoratana ny teny hebreo eo amin’io andininy io, dia “tsy ny ratra na voina nahazo an’ilay vehivavy irery no tiana holazaina.” Mariho koa fa nomelohin’i Jehovah ilay olona, na firy volana na firy volana ilay zaza tao an-kibo.

^ feh. 21 Jereo ny Toko 5 hoe “Misaraha Amin’izao Tontolo Izao.”

^ feh. 70 Jereo ny Fanazavana Fanampiny hoe “Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototra sy Teknika Fandidiana”, mba hahitana tsipiriany.

Fanampim-panazavana

Nahoana no Tsy Maintsy Masina Isika?

Tsy azonao na mankaleo anao ve ny bokin’ny Levitikosy? Misy lesona sarobidy afaka manampy anao mba ho masina ao.