Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

 TOKO 13

Fety Tsy Ankasitrahan’Andriamanitra

Fety Tsy Ankasitrahan’Andriamanitra

“Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.”—EFESIANINA 5:10.

1. Olona manao ahoana no taomin’i Jehovah hanatona azy, ary nahoana izy ireo no tsy maintsy mailo foana?

HOY i Jesosy: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.” (Jaona 4:23) Taomin’i Jehovah hanatona azy sy ny Zanany ny olona toy izany, anisan’izany ianao. (Jaona 6:44) Voninahitra lehibe tokoa izany! Tsy maintsy ‘mamantatra tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo’ anefa ny olona tia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tena mahay mamitaka mantsy i Satana.—Efesianina 5:10; Apokalypsy 12:9.

2. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona mampifangaro ny fivavahana marina sy diso?

2 Eritrereto izay nitranga tsy lavitra ny Tendrombohitra Sinay, rehefa nasain’ny Israelita nanamboatra andriamanitra i Arona. Nanao zanak’omby volamena izy, ary nolazainy fa io no Jehovah. Hoy izy: “Hisy fety ho an’i Jehovah rahampitso.” Tsy nampaninona an’i Jehovah ve hoe nampifangaroina ny fivavahana marina sy diso? Tena tezitra izy! Nasainy novonoina ny 3 000 teo ho eo tamin’ireo nanompo sampy. (Eksodosy 32:1-6, 10, 28) Hitantsika àry fa tsy tokony ‘hikasika an’izay maloto’ isika raha te ho tian’Andriamanitra foana. Tena mila mitandrina koa isika mba tsy hampifangaro ny fahamarinana amin’ny zavatra mety handoto azy io.—Isaia 52:11; Ezekiela 44:23; Galatianina 5:9.

3, 4. Nahoana isika no mila mandinika tsara ny toro lalan’ny Baiboly rehefa mamantatra raha mety, na tsia, ny fety sy ny fombafomba sasany be mpanaraka?

3 Ny apostoly no nisakana ny fivadiham-pinoana. Nampalahelo  anefa fa rehefa maty izy ireo, dia nisy olona nihambo ho Kristianina, nefa tsy tia ny fahamarinana. Nanomboka nanaraka ny fombafomban’ny mpanompo sampy izy ireo, ary nankalaza ny fetiny sy ireo andro nataony hoe masina. Mody nataony hoe fety kristianina ireny. (2 Tesalonianina 2:7, 10) Handinika ny sasany amin’ireny isika izao. Mariho fa ny toe-tsain’ity tontolo ity no hita taratra amin’izy ireny, fa tsy ny an’Andriamanitra. Izao no iombonan’izy rehetra: Manaitra ny fanirian’ny nofo, ary mampirisika ny olona hino ny fampianaran’ny fivavahan-diso sy ny herin’ny maizina. Samy mampiavaka an’i “Babylona Lehibe” ireo. * (Apokalypsy 18:2-4, 23) Tadidio koa fa hitan’i Jehovah ny niandohan’ny fombafomba be mpanaraka ankehitriny. Fantany fa avy tamin’ny fanao maharikoriko narahin’ny mpanompo sampy fahiny izy ireny. Azo antoka àry fa maharikoriko azy koa ny fety toy ireny ankehitriny. Tsy ny fomba fiheviny ve no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika?—2 Jaona 6, 7.

4 Tena Kristianina isika ka fantatsika fa misy fety tsy ankasitrahan’i Jehovah. Mila tapa-kevitra tsara àry isika hoe tsy handray anjara amin’izy ireny mihitsy. Hodinihintsika hoe nahoana ireny fety ireny no tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Vao mainka isika amin’izay tsy te hanao zavatra mety hahatonga antsika tsy ho tiany.

FIVAVAHANA AMIN’NY MASOANDRO LASA KRISMASY

5. Nahoana no azo antoka fa tsy teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy?

5 Tsy resahin’ny Baiboly mihitsy hoe nankalazaina ny andro nahaterahan’i Jesosy. Ny daty nahaterahany aza tsy tena fantatra. Azo antoka anefa fa tsy 25 Desambra ilay izy. Ririnina mantsy any Betlehema amin’io volana io. * Nilaza, ohatra, i Lioka fa nisy ‘mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha’, nikarakara  ny ondriny, tamin’i Jesosy teraka. (Lioka 2:8-11) Tsy izany no fanaon’izy ireo mandavantaona matoa nomarihiny izany. Manorana sy misy lanezy mantsy any Betlehema rehefa ririnina, ka tsy ho navela teny ivelany ny ondry, ary tsy ho “nitoetra tany an-tsaha” ny mpiandry. Nasain’i Aogosto Kaisara nisaina koa ny vahoaka, ka izany no nahatonga an’i Josefa sy Maria hisoratra anarana tany Betlehema (Lioka 2:1-7) Efa tsy tiam-bahoaka ny fitondrana romanina tamin’izany, ka azo antoka fa tsy haniraka azy ireo ho any an-tanindrazany tao anatin’ny ririnina mamirifiry io Kaisara io.

6, 7. a) Ahoana no niandohan’ireo fombafomba fanao rehefa Krismasy? b) Inona no tsy itovizan’ny fanomezana atao rehefa Krismasy sy ny fanomezana ataon’ny Kristianina?

6 Tsy avy ao amin’ny Soratra Masina àry ny Krismasy, fa avy amin’ny fetin’ny mpanompo sampy fahiny. Anisan’izany ilay fetin’ny Romanina atao hoe Satiornaly, izay natao hankalazana an’i Satiorna, andriamanitry ny fambolena. Milaza koa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) fa nankalaza ny nahaterahan’i Mithra, andriamanitra masoandro, ireo mpivavaka taminy isaky ny 25 Desambra. “Nanomboka nankalaza Krismasy ny olona, tamin’ny fotoana nampahalaza be ny fivavahana tamin’ny masoandro tany Roma”, izany hoe 300 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Kristy.

Ny fitiavana no mahatonga ny tena Kristianina hanome

7 Nifanolotra fanomezana sy nanao fanasambe ny mpanompo sampy tamin’ireny fety ireny, ary mbola izany no fanao rehefa Krismasy. Tsy nanaraka ny 2 Korintianina 9:7 ny ankamaroan’ny olona tamin’izany sy ankehitriny, rehefa manao fanomezana. Izao no voalaza ao: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” Ny fitiavana no mahatonga ny tena Kristianina hanome. Tsy voatery hoe amin’ny daty iray manokana izy vao manome, ary tsy manantena hahazo fanomezana izy ho tambin’izany. (Lioka 14:12-14; vakio ny Asan’ny Apostoly 20:35.) Tena faly koa izy ireo fa tsy sahiran-tsaina amin’ny fanomanana fetin’ny Krismasy, sady tsy bokan’ny trosa toy ny ankamaroan’ny olona, amin’io fotoana io.—Matio 11:28-30; Jaona 8:32.

8. Noho i Jesosy teraka ve no nahatonga an’ireo mpanandro hitondra fanomezana ho azy? Hazavao.

 8 Mety hisy hilaza hoe: ‘Fa angaha moa tsy noho i Jesosy teraka no nahatonga an’ireo mpanandro hitondra fanomezana ho azy?’ Tsia. Ho fanajana an’i Jesosy fotsiny no nanaovany an’izany, satria olona ambony izy. Izany mantsy no fomba fahiny. (1 Mpanjaka 10:1, 2, 10, 13; Matio 2:2, 11) Tsy ny alina nahaterahan’i Jesosy koa aza izy ireo no tonga tany aminy. Efa lehibebe kely sy nipetraka tao anaty trano i Jesosy tamin’izay, fa tsy zaza menavava tao anaty fihinanam-bilona.

FANKALAZANA ANIVERSERA

9. Inona no nitranga nandritra an’ireo fankalazana andro nahaterahana resahin’ny Baiboly?

9 Faly be foana ny olona rehefa misy zaza teraka. (Salamo 127:3) Tsy misy mpanompon’Andriamanitra lazain’ny Baiboly hoe nankalaza ny andro nahaterahany anefa. Hadino fotsiny ve  ilay izy? Tsia. Voalaza ao mantsy hoe nisy olona roa nankalaza an’izany, dia i Farao mpanjakan’i Ejipta sy Heroda Antipasy. (Vakio ny Genesisy 40:20-22; Marka 6:21-29.) Nisy zavatra ratsy nitranga anefa nandritra an’ireo fankalazana ireo, indrindra fa tamin’ilay an’i Heroda. Notapahina ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa tamin’izay.

10, 11. Ahoana no niheveran’ny Kristianina voalohany ny fankalazana aniversera, ary nahoana?

10 Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Nihevitra ny Kristianina voalohany fa ny mpanompo sampy no mpankalaza aniversera.” Nino, ohatra, ny Grika fahiny fa isaky ny nisy olona teraka, dia nisy fanahy tonga nanatrika an’izany, ary niaro an’ilay olona taorian’izany. Hoy koa ny boky iray: “Nisy fifandraisana hafahafa teo amin’io fanahy io sy ilay andriamanitra mitovy daty nahaterahana amin’ilay olona.” Efa ela koa  ny andro nahaterahana no nampifandraisina akaiky tamin’ny fanandroana sy ny tononandro.

11 Tsy nankalaza aniversera ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, satria mifandray amin’ny fanompoan-tsampy sy ny herin’ny maizina io fankalazana io. Azo inoana koa fa tsy nanao an’izany izy ireo noho ny zavatra ninoany. Nanetry tena mantsy izy ireo, ka tsy nihevitra hoe tena zava-dehibe ny nahaterahany dia mila ankalazaina. * (Mika 6:8; Lioka 9:48) Nanome voninahitra an’i Jehovah kosa izy ireo sady nisaotra azy, noho izy nanome ny aina izay tena sarobidy. *Salamo 8:3, 4; 36:9; Apokalypsy 4:11.

12. Nahoana no mety ho tsara noho ny andro ahaterahana ny andro ahafatesana?

12 Raha maty ny olona tsy mivadika, dia hotsaroan’Andriamanitra ka hatsangany. Azo antoka àry ny hoaviny. (Joba 14:14, 15) Hoy ny Baiboly: “Aleo anarana tsara toy izay menaka manitra, ary aleo ny andro ahafatesana toy izay ny andro ahaterahana.” (Mpitoriteny 7:1, fanamarihana ambany pejy) Inona ilay hoe “anarana”? Ny laza tsara azontsika eo anatrehan’Andriamanitra, noho isika tsy mivadika. Tsara homarihina fa tsy andro nahaterahana, fa andro nahafatesana ilay andro tokana asaina tsarovan’ny Kristianina, izany hoe ny nahafatesan’i Jesosy. Noho izy manana “anarana” faran’izay tsara mantsy no hahatonga antsika ho voavonjy.—Hebreo 1:3, 4; Lioka 22:17-20.

MIFANDRAY AMIN’NY FANOMPOAN-TSAMPY NY PAKA

13, 14. Ahoana no nanombohan’ireo fombafomba amin’ny Paka?

13 Lazaina ho fankalazana ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny  maty ny Paka, nefa avy amin’ny fivavahan-diso raha ny marina. * Malaza be ny atody sy ny bitro any amin’ny tany maro, rehefa Paka. Asaina manao sarisarina atody sy bitro koa ny mpianatra, ary misy sôkôlà miendrika atody sy bitro eny amin’ny fivarotana. Inona no ifandraisan’ireo amin’ny Paka? Milaza Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa “matetika no natao mariky ny fiainam-baovao sy ny fitsanganana amin’ny maty” ny atody. Efa ela koa ny bitro no natao mariky ny fiterahana maro. Mody atao hoe fankalazana ny nitsanganan’i Kristy àry ny Paka, nefa avy amin’ny fombafomba atao mba hiterahana maro, raha ny marina.

14 I Jehovah ve dia hanaiky hoe ny fombafomba maharikoriko fanaon’ny mpanompo sampy no hoentina hankalazana ny nitsanganan’ny Zanany tamin’ny maty? Sanatria! (2 Korintianina 6:17, 18) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe tokony hankalazaina ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, na hoe azo atao ny manao an’izany. Tena mivadika amin’i Jehovah àry izay mankalaza an’izany, indrindra rehefa eritreretina hoe mifandray amin’ny andriamani-diso ilay izy.

FETIN’NY OLO-MASINA SY FETIN’NY MATY

15. Ahoana no niandohan’ny Fetin’ny Olo-masina sy ny Fetin’ny Maty ary ny Halloween? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

15 Fety anomezam-boninahitra ny olo-masina ny 1 Novambra. Tsy tena fantatra hoe nahoana no atao amin’io daty io ilay izy. Milaza ny Rakipahalalana Katolika Vaovao fa avy amin’ny Selta fahiny izy io. Mpanompo sampy tany amin’ny Nosy Britanika sy faritra hafa tany Eoropa ny Selta. Hoy ilay rakipahalalana: ‘Fiandohan’ny ririnina ny 1 Novambra, tamin’ny Selta. Mety ho izay no nanaovana azy io ho Fetin’ny Olo-masina rehetra. Mety ho avy amin’ny Samain, na fety nataon’ny mpisorona selta mba hankalazana ny maty koa izy io, saingy navadika ho fety kristianina.’ Izao kosa no nolazain’ilay rakipahalalana  momba ny Fetin’ny Maty, izay ankalazaina ny 2 Novambra: “Nino ny olona fahiny fa miseho amin’io andro io ireo fanahy ao amin’ny afofandiovana. Maka endrika matoatoa, na mpamosavy, na sahona, sy ny sisa, hono, izy ireny, ka miseho amin’ny olona nanisy ratsy azy fony fahavelony.” Fanaon’ny olona hatramin’izao ny mankany amin’ny fasana amin’io andro io, ary manatitra sakafo hatao sorona, na manaraka fombafomba hafa fahiny. Mazava àry fa mbola fanarahana ny finoan’ny mpanompo sampy sy ny fombafombany izany, ka maharikoriko an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana. *

FOMBAFOMBA AMIN’NY MARIAZY

16, 17. a) Nahoana ny olon-droa manomana mariazy no mila mandinika raha mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fombafomba eo an-toerana na tsia? b) Inona no tokony hoeritreretin’ny Kristianina momba ny fombafomba sasany, toy ny fanipazana voninkazo?

16 Tsy ho ela dia ho ringana i Babylona Lehibe, ka “tsy hisy feon’ny mpampakatra na ny ampakarina ho re” intsony ao. (Apokalypsy 18:23) Anisan’ny antony handringanana azy ny fanarahany fombafomba mifandray amin’ny herin’ny maizina. Vao manomboka àry ny fanambadiana dia efa mety ho voaloto, raha misy fombafomba toy ireny amin’ny mariazy.—Marka 10:6-9.

17 Samy manana ny fombany ny firenena, nefa ilaina ny mitandrina. Misy fombafomba eritreretina ho tsy ratsy, nefa mety ho avy amin’ny fanaon’ny fivavahan-diso. Heverina ho “mahatsara vintana” ny mpanambady na ny olona asainy izy ireny. (Isaia 65:11, fanamarihana ambany pejy) Anisan’izany ny fanipazana fotsimbary, na voninkazo, na tapatapaka taratasy. Mety ho avy amin’ny finoan’ny olona fahiny izany, hoe lasa tony ny fanahy ratsy rehefa omena sakafo ka tsy hanisy ratsy ny mpanambady. Efa ela koa ny vary no noheverina ho manana  hery miafina, ka manampy ny olona hiteraka sy ho sambatra ary ho ela velona. Azo lazaina hoe maloto àry ireny fombafomba ireny, ka tsy manao an’ireny izay rehetra te ho tian’Andriamanitra foana.—Vakio ny 2 Korintianina 6:14-18.

18. Inona avy ny toro lalan’ny Baiboly tokony harahin’ireo manomana mariazy sy izay olona asainy?

18 Mety hahatonga ny mariazy ho tsy mendri-kaja, na hanafintohina ny fanao sasany eto amin’ity tontolo ity. Tsy manao an’ireny koa ny mpanompon’i Jehovah. Tsy manao esoeson-teny manindrona, na miresaka an-kolaka momba ny firaisana izy, ohatra, raha mikabary. Tsy manao sangy ratsy na milaza zavatra hafa mety hahamenatra an’ilay mpanambady sy ny olon-kafa koa izy. (Ohabolana 26:18, 19; Lioka 6:31; 10:27) Tsy manao lanonana makotrokotroka be koa izy, satria “fampideraderana fananana” no hita amin’izany, fa tsy fanetren-tena. (1 Jaona 2:16) Manomana mariazy àry ve ianao? Aza hadinoina mihitsy fa tian’i Jehovah ho faly ianao fa tsy hanenina, isaky ny mahatsiaro an’io andro iray toa zato io. *

NAHOANA NO RATSY NY MIFANDOM-BERA?

19, 20. Ahoana no niandohan’ilay hoe mifandom-bera, araka ny boky iray? Nahoana no tsy manao an’izany ny Kristianina?

19 Mahazatra ny olona ny mifandom-bera rehefa misy mariazy na fiaraha-mikorana. Hoy ny boky iray momba ny toaka sy ny kolontsaina: ‘Fanaon’ny olona fahiny ny nanolotra zava-pisotro ho an’ny andriamaniny, rehefa nisy zavatra niriny, sady nilaza hoe: “Ho ela velona e!” na “Mirary fahasalamana e!” Mety ho avy amin’izany fanao izany ny mifandom-bera.’

20 Marina fa tsy mieritreritra fivavahana na finoanoam-poana ny olona, rehefa mifandom-bera. Toy ny mangata-pitahiana amin’ny “lanitra”, izany hoe hery ambony noho ny olombelona, anefa ny olona rehefa mampiakatra ny verany manandrify ny lanitra. Tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany fomba fangataham-pitahiana izany.—Jaona 14:6; 16:23. *

 “IANAREO IZAY TIA AN’I JEHOVAH, ANKAHALAO NY RATSY”

21. Fety inona koa no tsy ataon’ny Kristianina, na dia tsy mifandray amin’ny fivavahana aza ilay izy? Nahoana?

21 Hita amin’ny fety sasany fa tena mikororosy ny fitondran-tenan’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Izany rahateo no ampirisihin’i Babylona Lehibe, na mivantana na an-kolaka. Misy firenena, ohatra, mandamina karnavaly isan-taona, ary ahitana dihy mamoafady izy ireny. Mety hasongadina amin’ilay izy mihitsy aza fa azo ekena ny hoe lehilahy miray amin’ny lehilahy, na vehivavy miray amin’ny vehivavy. Mety amin’ny olona tia an’i Jehovah ve ny mamonjy na mijery an’ireny fety ireny? Tena mankahala ny ratsy ve izy, raha manao an’izany? (Salamo 1:1, 2; 97:10) Nisy mpanao salamo nivavaka hoe: “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko.” Tsy aleo àry ve manahaka azy?—Salamo 119:37.

22. Amin’ny fety toy inona ny Kristianina tsirairay no afaka misafidy hoe handray anjara sa tsia?

22 Mila mitandrina koa ny Kristianina sao ny zavatra ataony mety hahatonga ny olona hieritreritra hoe mankalaza an’ilay fety ihany izy. Hoy i Paoly: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (1 Korintianina 10:31; jereo ilay efajoro hoe “ Fomba Handraisana Fanapahan-kevitra Tsara.”) Raha hita mazava anefa fa tsy mifandray amin’ny fivavahan-diso, na ny politika, na ny fanindrahindram-pirenena ny fombafomba na fety iray, sady tsy mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly, dia ny Kristianina tsirairay no misafidy raha hanao an’ilay izy, na tsia. Mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa izy na izany aza, ka tsy manao izay hahatafintohina azy.

OMEO VONINAHITRA ANDRIAMANITRA

23, 24. Ahoana no azontsika anazavana tsara amin’ny olona ny fitsipik’i Jehovah?

23 Maro no mihevitra fa fotoana azo hararaotina hiarahana amin’ny tapaka sy namana ny andro fety. Mety hoheverin’ny olona ho tsy tia azy na mafana fo tafahoatra àry isika, rehefa tsy mandray anjara amin’ireny fety be mpitia ireny, noho  isika manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Azontsika hazavaina amin-katsaram-panahy anefa fa zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny miara-mikorana amin’ny havany sy ny namany. (Ohabolana 11:25; Mpitoriteny 3:12, 13; 2 Korintianina 9:7) Mahafinaritra antsika ny mifandray amin’ny havantsika, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona. Tsy tiantsika hanamatroka an’ireny fotoam-pifaliana ireny anefa ny fombafomba mampahatezitra an’Andriamanitra, satria tia azy sy ny fitsipiny isika.—Jereo ilay efajoro hoe “ Tena Mahafaly ny Manaraka ny Fivavahana Marina.”

24 Nahita vokatra tsara ny Vavolombelona sasany, rehefa nampiasa ny toko faha-16 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, * mba hamaliana ny fanontanian’ny olona. Tadidio anefa fa ny hanohina ny fo no tanjontsika, fa tsy ny handresy amin’ny adihevitra. Aoka àry isika hanaja olona, sy halemy fanahy hatrany, ary hanao “teny mahafinaritra sady mamy sira foana.”—Kolosianina 4:6.

25, 26. Ahoana no hanampian’ny ray aman-dreny ny zanany mba hanana finoana matanjaka sy ho tia an’i Jehovah?

25 Betsaka ny zavatra fantatsika mpanompon’i Jehovah. Fantatsika hoe nahoana isika no mino sy manao zavatra sasany, ary nahoana no misy zavatra tsy ataontsika. (Hebreo 5:14) Ry ray aman-dreny, ampio àry ny zanakareo hahay handinika ny toro lalan’ny Baiboly. Hanampy azy hanana finoana matanjaka ianareo amin’izay, ary hampianatra azy hahay hampiasa Baiboly rehefa misy manontany momba ny zavatra inoany. Hanome toky azy koa ianareo fa tia azy i Jehovah.—Isaia 48:17, 18; 1 Petera 3:15.

26 Tsy manao fety mifanohitra amin’ny Soratra Masina àry izay rehetra manompo an’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23) Miezaka manao ny marina amin’ny zava-drehetra koa izy ireo. Maro no mihevitra fa sarotra ny manao ny marina. Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka anefa fa ny fitsipik’Andriamanitra foana no tsara indrindra, anisan’izany ny fitsipiny momba ny fanaovana ny marina.

^ feh. 3 Jereo ilay efajoro hoe “ Handray Anjara Amin’ilay Fety ve Aho?” Miresaka momba ny fety maromaro ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 5 Asehon’ny Baiboly sy ny tantara fa mety ho tamin’ny taona 2 talohan’ny andro kristianina, tamin’ny volana jiosy atao hoe Etanima, i Jesosy no teraka, izany hoe Septambra/Oktobra raha amin’ny kalandrientsika.—Jereo ny Fanazavana Fanampiny 6B ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

^ feh. 11 Tsy maintsy nanao fanatitra noho ny ota ny vehivavy tera-bao, araka ny Lalàna. (Levitikosy 12:1-8) Nampahatsiahy ny Israelita izany fa mamindra ota amin’ny zanany ny olona. Nanampy azy ireo àry izany mba tsy hihevitra ny andro nahaterahana ho zava-dehibe loatra. Mety ho nisakana azy ireo tsy hanaraka ny fanaon’ny mpanompo sampy koa izany.—Salamo 51:5.

^ feh. 13 Easter na Eastre ny hoe Paka amin’ny teny anglisy. Andriamanibavin’ny fiterahana maro i Easter. Milaza ny Diksionera Momba ny Angano (anglisy) fa “nanana bitro iray teny amin’ny volana i Easter ary tena tia atody izy io. Lohana bitro koa ny lohan’i Easter amin’ny sary sasany.”

^ feh. 15 Fety malaza koa ny Halloween. Mody manao matoatoa na mpamosavy ny ankizy amin’io, ary mandeha mitety trano sy mangataka vatomamy. Mody mandrahona hanisy ratsy izy raha tsy omena. Avy amin’ny fombafomba natao tamin’ny Samain izany. Nino mantsy ny Selta fa nandehandeha ny fanahin’ny maty tamin’io, ary nody tany an-tranony, ka tsy maintsy nomena sakafo sy zava-pisotro mba tsy ho tezitra.

^ feh. 18 Jereo ireo lahatsoratra telo momba ny mariazy sy ny lanonana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2006, pejy 18-31.

^ feh. 20 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2007, pejy 30-31.

^ feh. 24 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fanampim-panazavana

‘Nanadio’ ny Vahoakany Ilay Mpanjaka

Inona no itovizan’ny Krismasy sy ny lakroa?