Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

 TOKO 2

Ahoana no Hanananao Feon’ny Fieritreretana Madio Foana?

Ahoana no Hanananao Feon’ny Fieritreretana Madio Foana?

“Manàna feon’ny fieritreretana madio.”—1 PETERA 3:16.

1, 2. Nahoana no tena ilaina ny manaraka izay lazain’ny mpitari-dalana? Nahoana no toy ny mpitari-dalana ny feon’ny fieritreretana?

ERITRERETO hoe misy tantsambo mamily ny sambony eny afovoan-dranomasina, na olona mamakivaky tany efitra tsy misy mponina, na mpanamory mitondra fiaramanidina eny amin’ny habakabaka. Inona no ilain’izy rehetra ireo? Mila olona na zavatra hitari-dalana azy izy, raha tsy izany dia ho sahirana.

2 Eritrereto hoe ho any amin’ny toerana vaovao aminao ianao, ary miaraka amin’ny olona atokisanao. Efa tany izy ary hainy tsara ny lalana, ka izy no hitari-dalana anao. Tsy ho very ianao raha manaraka ny tari-dalany. Toa an’io mpitari-dalana io ny feon’ny fieritreretana, ary fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah izy io. (Jakoba 1:17) Tena ho very isika raha tsy manana azy io. Manampy antsika hahita ny lalan-kizorana eo amin’ny fiainana sy tsy hiala amin’izany izy io, raha arahina tsara. Andao àry hodinihintsika ny atao hoe feon’ny fieritreretana sy ny fiasany. Hofantarintsika avy eo hoe ahoana no hamolavolana azy io, nahoana isika no tokony hihevitra ny feon’ny fieritreretan’ny hafa, ary inona no soa azon’izay miezaka hanana feon’ny fieritreretana madio foana.

NY FEON’NY FIERITRERETANA SY NY FIASANY

3. Inona no dikan’ilay teny grika nadika hoe “feon’ny fieritreretana”, ary inona no mampiavaka azy io?

3 Midika ara-bakiteny hoe “fahalalana ao anaty” ilay  teny grika nadika hoe “feon’ny fieritreretana.” Afaka mahalala ny tenantsika isika, ary isika ihany no zavaboary eto an-tany nomen’Andriamanitra fahaizana toy izany. Afaka mandini-tena isika, ka azontsika fantarina na mety ny nataontsika na tsia. Toy ny mpitsara ny feon’ny fieritreretana. Mandinika ny ataontsika sy ny toe-tsaintsika ary ny safidintsika izy io. Mety hitarika antsika handray fanapahan-kevitra tsara izy io, na hampitandrina antsika raha mitady handray fanapahan-kevitra ratsy isika. Hanome toky antsika izy io raha nahay nisafidy isika, fa hanenjika antsika raha tsy nahay isika.

4, 5. a) Inona no porofo fa nanana feon’ny fieritreretana i Adama sy Eva, ary inona no vokany rehefa nandika ny lalàn’Andriamanitra izy ireo? b) Inona no mampiseho fa niasa tsara ny feon’ny fieritreretan’ny olona tsy nivadika fahiny?

4 Efa voajanahary ao amin’ny olona ny feon’ny fieritreretana. Nanana azy io i Adama sy Eva. Menatra, ohatra, izy ireo rehefa avy nanota. (Genesisy 3:7, 8) Nanenjika azy ny eritreriny, saingy tsy nahasoa azy intsony izany. Nandika an-tsitrapo ny lalàn’i Jehovah Andriamanitra mantsy izy ireo, ary nikomy sy nanohitra azy. Lavorary izy ireo ka nahalala tsara izay nataony, ary tsy afaka niverina tamin’i Jehovah intsony.

5 Maro ny olona tsy lavorary nankatò ny feon’ny fieritreretany, fa tsy nanao toa an’i Adama sy Eva. Nilaza, ohatra, i Joba lehilahy tsy nivadika hoe: “Hazoniko mafy ny fahamarinako, ka tsy havotsotro. Tsy hanome tsiny ahy na oviana na oviana ny foko.” * (Joba 27:6) Nanaraka ny  feon’ny fieritreretany foana i Joba, rehefa nanao zavatra sy nanapa-kevitra. Afaka nilaza àry izy fa tsy nanenjika azy ny eritreriny, ka tsy nahatsiaro ho menatra na meloka izy. Tsy mba toy izany i Davida, satria ‘nanameloka azy foana ny fony’ noho izy tsy nanaja an’i Saoly, mpanjaka voahosotr’i Jehovah. (1 Samoela 24:5) Nenjehin’ny eritreriny izy. Azo antoka anefa fa nahasoa azy izany, satria nampianatra azy hoe tsy tokony hamerina ny fahadisoany izy.

6. Inona no porofo fa nomena feon’ny fieritreretana ny olona rehetra?

6 Ny mpanompon’i Jehovah ihany ve no nomena feon’ny fieritreretana? Hoy ny apostoly Paoly: “Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, ary ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.” (Romanina 2:14, 15) Toy ny vavolombelona ao anaty ny feon’ny fieritreretana. Mahatonga ny olona hanao zavatra mifanaraka amin’ny toro lalan’i Jehovah izy io indraindray, na dia tsy mahalala ny lalàny aza ilay olona.

7. Nahoana no mety ho diso ny feon’ny fieritreretana?

7 Mety ho diso anefa ny feon’ny fieritreretana. Mety hitarika anao any amin’ny lalan-kafa, ohatra, ilay mpitari-dalana raha tsy mahatadidy lalana. Na mety ho very ianao raha tsy manaiky ny teniny, fa mandeha any amin’izay lalana heverinao fa tokony harahina. Toy izany koa fa mety hamitaka antsika ny feon’ny fieritreretantsika, raha faniriana feno fitiavan-tena no mibaiko azy io. Mety  tsy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy koa isika amin’ny raharaha lehibe maro, raha tsy manaraka ny tari-dalana azo antoka omen’ny Baiboly. Mila ny tari-dalan’ny fanahin’i Jehovah àry isika mba hiasa tsara ny feon’ny fieritreretantsika. Hoy mantsy i Paoly: ‘Vavolombelona araka ny fanahy masina ny feon’ny fieritreretako.’ (Romanina 9:1) Tokony hamolavola ny feon’ny fieritreretantsika isika, mba ho azo antoka hoe manaraka ny tari-dalan’ny fanahy masina izy io.

AHOANA NO HAMOLAVOLANA NY FEON’NY FIERITRERETANA?

8. a) Inona no vokatry ny fanirian’ny fo eo amin’ny feon’ny fieritreretana, ary inona no tena tokony hoheverintsika rehefa hanapa-kevitra? b) Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra hoe rehefa madio ny eritreritsika dia efa ampy izay? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

8 Baikoin’ny eritreriny sy ny fihetseham-pony fotsiny ny olona sasany, rehefa manapa-kevitra. Mety hiteny izy avy eo hoe: “Tsy manenjika ahy ny eritreritro.” Mety hitarika ny olona ho amin’ny lalan-diso anefa ny feon’ny fieritreretany, rehefa tena mafy ny fanirian’ny fony. Hoy ny Baiboly: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina. Iza no mahalala ny aminy?” (Jeremia 17:9) Izay hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra àry no zava-dehibe indrindra tokony hoheverintsika, fa tsy ny fanirian’ny fontsika. *

9. Inona no atao hoe matahotra an’Andriamanitra, ary inona no hataontsika raha matahotra azy isika?

 9 Hahay hanapa-kevitra isika, raha voavolavola tsara ny feon’ny fieritreretantsika ary mankatò azy io isika. Ho hita amin’izay hoe matahotra an’i Jehovah isika, fa tsy manao izay tiantsika fotsiny. Nanan-jo hitaky hetra tamin’ny mponin’i Jerosalema, ohatra, i Nehemia Governora. Tsy nanao izany anefa izy. Tsy tiany mantsy na dia ny nieritreritra fotsiny aza hoe tsy hankasitrahan’i Jehovah izy raha nampijaly ny vahoakany. Hoy izy: ‘Tsy mba nanao toy izany aho satria natahotra an’Andriamanitra.’ (Nehemia 5:15) Tena mila matahotra an’Andriamanitra koa isika, izany hoe matahotra mafy sao tsy hankasitrahany. Handrisika antsika hitady tari-dalana ao amin’ny Teniny izany, isaky ny hanapa-kevitra isika.

10, 11. Inona avy no toro lalan’ny Baiboly momba ny fisotroana toaka? Ahoana no hahazoantsika ny tari-dalan’Andriamanitra rehefa hampihatra izany isika?

10 Eritrereto, ohatra, ny fisotroana toaka. Mila manapa-kevitra isika rehefa misy fiaraha-mikorana hoe: “Hisotro ve aho sa tsia?” Mila eritreretina aloha hoe inona no toro lalan’ny Baiboly. Tsy mandrara ny fisotroana araka ny antonony izy io. Misy fiderana an’i Jehovah aza ao, noho izy nanome ny divay. (Salamo 104:14, 15) Raran’ny Baiboly kosa ny fimamoana sy ny lanonana feno filibana. (Lioka 21:34; Romanina 13:13) Voalaza ao fa fahotana tena lehibe toy ny fijangajangana ny fimamoana.—1 Korintianina 6:9, 10.

11 Mamolavola ny feon’ny fieritreretana ny toro lalana toy ireo. Eritrereto àry izao rehefa misy fiaraha-mikorana, ka hanapa-kevitra ianao na hisotro na tsia: ‘Iza avy no hiara-mikorana any? Sao dia tsy ho voara-maso ilay izy dia hanao izay tiany fotsiny ny olona? Ary izaho? Tia misotro ve aho? Miankin-doha amin’ny toaka ve aho? Mitady  toaka ve aho mba hanalana henatra sy ho sahisahy kokoa? Mahalala onony ve aho?’ * Tsara ny mivavaka mba hahazoana ny tari-dalan’i Jehovah, rehefa misaintsaina an’ireo fanontaniana ireo sy ny toro lalan’ny Baiboly. (Vakio ny Salamo 139:23, 24.) Toy ny manasa an’i Jehovah hitari-dalana antsika amin’ny alalan’ny fanahiny isika amin’izay, sady mamolavola ny feon’ny fieritreretantsika hifanaraka amin’ny toro lalany. Misy zavatra tokony hodinihina koa anefa rehefa hanapa-kevitra.

HEVERO NY FEON’NY FIERITRERETAN’NY HAFA

Manampy anao ny feon’ny fieritreretana voavolavolan’ny Baiboly rehefa hanapa-kevitra ianao hoe hisotro sa tsia

12, 13. Nahoana no tsy mitovy ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina, ary ahoana no atao rehefa sendra an’izany?

12 Mety hahagaga anao ny mahita fa tena samy hafa ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina. Misy fanao manafintohina ny sasany, nefa tsy mampaninona ny sasany ary mahafinaritra azy mihitsy aza. Misy, ohatra, tia misotrosotro rehefa mikorana takariva miaraka amin’ny namana vitsivitsy. Misy kosa tsy tia an’izany. Nahoana àry isika no tsy mitovy hoatr’izany, ary ahoana no hatao rehefa hanapa-kevitra?

13 Maro ny antony tsy mampitovy ny olona. Samy hafa be mantsy ny zavatra niainany. Mahafantatra tsara ny fahalemeny, ohatra, ny olona sasany. (1 Mpanjaka 8:38, 39) Efa niady mafy tamin’izany angamba izy nefa mbola tsy tena resiny izy io. Mety hitandrina be amin’ny fisotroana toaka izy, ohatra, raha io no fahalemeny. Mety handa àry izy raha rosoanao toaka rehefa mitsidika anao, satria tsy mamela azy hisotro ny feon’ny fieritreretany. Ho tezitra ve ianao? Hisisika ihany ve ianao? Tsy hanao izany ianao raha manana fitiavana, na fantatrao na tsia ny  antony andavany. Mety tsy ho tiany holazaina koa ilay izy.

14, 15. Inona no tsy nitovizan’ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary inona no nasain’i Paoly natao?

14 Voamarik’i Paoly fa matetika no tena tsy nitovy ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Ny sasany tsy nety nihinana sakafo avy natao sorona ho an’ny sampy. (1 Korintianina 10:25) Tsy nampaninona an’i Paoly anefa ny nihinana an’izany, rehefa namidy teny an-tsena ilay izy. Tsinontsinona mantsy ny sampy taminy. I Jehovah koa no nanao ny sakafo, ka izy no tompony fa tsy ny sampy. Takatr’i Paoly anefa fa nisy tsy nitovy hevitra taminy. Nety ho nanompo sampy be ny sasany taloha, ka naharikoriko azy izay zavatra nifandray tamin’ny sampy rehefa lasa Kristianina izy. Ahoana àry no natao?

15 Hoy i Paoly: “Isika izay matanjaka anefa dia tokony hizaka ny fahalemen’izay tsy matanjaka, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika. Na i Kristy aza mantsy tsy nanao izay nahafaly ny tenany.” (Romanina 15:1, 3) Te hilaza izy fa tokony hanahaka an’i Kristy isika, ka hihevitra izay ilain’ny rahalahintsika alohan’izay ilaintsika. Naleon’i Paoly tsy nihinan-kena mihitsy, toy izay hanafintohina ny hafa. (Vakio ny 1 Korintianina 8:13; 10:23, 24, 31-33.) Namoy ny ainy ho an’ireny ondry sarobidy ireny mantsy i Kristy.

16. Nahoana ireo manana feon’ny fieritreretana hentitra kokoa no tsy tokony hitsara ny hafa?

16 Ary ahoana ny amin’ireo manana feon’ny fieritreretana hentitra kokoa? Tsy tokony hanakiana ny hafa izy na hanery azy ireo hanaraka ny heviny. (Vakio ny Romanina 14:10.) Tokony hampiasaintsika hitsarana ny tenantsika mantsy ny feon’ny fieritreretana, fa tsy hitsarana ny hafa. Tadidio ny tenin’i Jesosy hoe: “Aza mitsara  intsony mba tsy hotsaraina.” (Matio 7:1) Tsy tokony hiadiana hevitra ny zavatra sasany, satria miankina amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay. Hiezaka kosa isika hampisy fifankatiavana sy firaisan-tsaina, ka hifampahery fa tsy hifampahory.—Romanina 14:19.

TENA MITONDRA SOA NY FEON’NY FIERITRERETANA MADIO

Mitari-dalana antsika ny feon’ny fieritreretana madio, ka mitondra fifaliana sy mampilamin-tsaina

17. Manao ahoana ny feon’ny fieritreretan’ny olona maro?

17 Hoy ny apostoly Petera: “Manàna feon’ny fieritreretana madio.” (1 Petera 3:16) Tena mitondra soa ny hoe manana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Vitsy mpanana izany ankehitriny. Nisy olona nolazain’i Paoly hoe “manana feon’ny fieritreretana toy ny voatomboky ny vy mahamay.”  (1 Timoty 4:2) Mandoro ny vy mahamay, ka mahatonga ny nofo hisy holatra sy ho donto. Toy izany ny feon’ny fieritreretan’ny olona maro. Tsy miraika intsony izy io sady tsy mampitandrina azy na mahatonga azy hahatsiaro ho menatra sy meloka, rehefa manao ratsy izy. Faly erỳ izy amin’izany!

18, 19. a) Nahoana no mety hahasoa ny hoe mahatsiaro ho meloka sy menatra? b) Inona no azo atao raha mbola enjehin’ny eritreritsika foana isika, nefa isika efa nibebaka?

18 Ny feon’ny fieritreretantsika no milaza amintsika hoe nanao ratsy isika, matoa isika mahatsiaro ho meloka. Raha mandrisika antsika hibebaka izany, dia ho voavela ny helotsika na dia faran’izay ratsy aza ilay zavatra nataontsika. Nanao fahadisoana lehibe, ohatra, i Davida  Mpanjaka. Navela anefa ny helony satria tena nibebaka izy. Halany ny ratsy vitany, ary tapa-kevitra ny hankatò foana ny lalàn’i Jehovah amin’izay izy. Tsapany fa “tsara toetra sy vonona hamela heloka” i Jehovah. (Salamo 51:1-19; 86:5) Ahoana anefa raha mbola mahatsiaro ho meloka sy menatra isika, na dia efa nibebaka sy voavela heloka aza?

19 Mbola manenjika antsika foana ny eritreritsika indraindray, na dia efa ela aza isika no nibebaka sy niova. Mila tadidina anefa fa lehibe i Jehovah ka mahalala izay rehetra ao am-pon’ny olombelona. Tokony hino sy hanaiky isika fa tia antsika izy ary mamela heloka. (Vakio ny 1 Jaona 3:19, 20.) Izany rahateo no ampirisihantsika hataon’ny hafa. Miadan-tsaina sy tony ary tena faly ny olona manana feon’ny fieritreretana madio, ary tsy fahita izany eto amin’ity tontolo ity. Nisy olona maro nanao fahotana lehibe nefa mahatsiaro ho maivamaivana izao. Manana feon’ny fieritreretana madio foana izy ireo ary manompo an’i Jehovah.—1 Korintianina 6:11.

20, 21. a) Natao hanampiana anao amin’inona ity boky ity? b) Inona no fahafahana ananantsika, ary ahoana no tokony hampiasantsika azy io?

20 Natao hanampiana anao ho faly toy izany ity boky ity, ka hanana feon’ny fieritreretana madio foana ianao, mandra-pahatapitr’izao fotoan-tsarotra eto amin’ny tontolon’i Satana izao. Tsy voaresaka ato daholo ny lalàna sy toro lalan’ny Baiboly ilainao hoeritreretina sy hampiharina isan’andro. Miankina amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay koa ny fanapahan-kevitra sasany, ka tsy misy lalàna mazava momba an’izany ato. Resahina ato hoe ahoana no hampiharana ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro. Hanampy anao hamolavola ny feon’ny fieritreretanao izany. Tsy toy ny Lalàn’i Mosesy  mantsy ny “lalàn’i Kristy.” Mandrisika ny Kristianina izy io mba hampiasa ny feon’ny fieritreretany sy ny toro lalana, fa tsy hiandry lalàna voasoratra. (Galatianina 6:2) Omen’i Jehovah fahafahana tena miavaka àry ny Kristianina. Tsy tokony hatao ho “fanaronana ny ratsy” anefa io fahafahana io, fa hanaporofoana kosa hoe tia an’i Jehovah isika.—1 Petera 2:16.

21 Vao nahafantatra an’i Jehovah ianao, dia nisaintsaina ny fomba tsara indrindra azonao ampiharana ny toro lalan’ny Baiboly, nivavaka momba izany, ary nampihatra izay nianaranao. Tena ilaina ireo fa tohizo. Hanazatra ny ‘fahaizanao misaina’ ianao amin’izay, satria ‘mampiasa’ azy io. (Hebreo 5:14) Handray soa foana ianao raha voavolavolan’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretanao. Ho toy ilay mpitari-dalana izy io, ka hanampy anao handray fanapahan-kevitra mampifaly ny Rainao any an-danitra. Ho tian’Andriamanitra foana ianao amin’izay.

^ feh. 5 Tsy misy teny hoe “feon’ny fieritreretana” ao amin’ny Soratra Hebreo. Miresaka momba azy io anefa ny andinin-teny sasany, ohatra hoe io Joba 27:6 io. Ny toetra ao anaty mantsy matetika no atao hoe ‘fo’, ary anisan’izany ny feon’ny fieritreretana. Ny feon’ny fieritreretana àry no tiana hambara amin’ny hoe ‘fo’ eo. Miseho in-30 eo ho eo ny hoe “feon’ny fieritreretana” ao amin’ny Soratra Grika.

^ feh. 8 Nampijaly an’ireo Kristianina ny olona sasany, anisan’izany i Paoly, nefa tsy nanenjika azy ny eritreriny. Noheveriny mantsy fa nankasitrahan’Andriamanitra ny nataony. Nilaza mihitsy i Paoly hoe: “Tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahatonga ahy ho marina izany, fa i Jehovah no mandinika ny momba ahy.” (1 Korintianina 4:4) Asehon’ny Baiboly eo fa tsy ampy ny mihevitra hoe: “Madio ny eritreritro.” Tokony hadio eo imason’Andriamanitra koa mantsy ny feon’ny fieritreretantsika.—Asan’ny Apostoly 23:1; 2 Timoty 1:3.

^ feh. 11 Maro ny dokotera milaza fa tsy vitan’ny olona efa mpisotro be ny mifehy tena. Amin’izy ireny, ny hoe misotro araka ny “antonony” dia hoe tsy mikasika toaka mihitsy.

 

Fanampim-panazavana

Ahoana no Hahaizanao Manapa-kevitra?

Inona no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra? Inona no hanampy antsika hanatanteraka ny fanapahan-kevitra noraisintsika?